Fivoahana any ivelany
Tao amin’ny L’Express de Madagascar nivoaka tamin’ny ny 31 marsa 2010 : « Nampihantona ny fivoahan’ny mpiasam-panjakana any ivelany ny Fahefana avon’ny Tetezamita.
Ny famonjena fivoriana na seminera ary kaonferansa na koa atrik’asa iantohan’ny fitondrana manontolo na amin’ny ampahany no atsahatra amin’izany ». Araka ny fanazavana, hoy ihany ity gazety ity, dia izay dia izay iantohan’ilay mpampiantso ihany no azo ekena. Ary natao ho an’ny mpanao raharaha na teknisiana ihany koa io « didy » io. Fa misy kosa ny fepetra manokana izay napetraka tanatin’io didy io. Milaza fa azo ekena ilay dia raha toa tena ilain’ny firenena ny anton-dia. « Tsy misy anefa mason-tsivana ahafantarana hoe ilaina na tsia ilay dia fa mila mandresy lahatra ny maha sarobidy ho an’ny firenena ilay dia ny tompon’andraikitra mivantana amin’izany , ary tsy maintsy alefa 5 andro mialoha ny fiaingana ny fangatahana handeha any ivelany», hoy ny tompon’andraikitra ankapobeny momba ny minisitera araka ny nitateran’ity gazety ity azy ihany. Ary hisy mihitsy ny fanaraha-maso hentitra ny fivoahana any ivelany araka ny didy navoakan’ny mpiandraikitra ny fifandraisana ao amin’ny F.A.T, hoy ihany ity tompon’andraikitra ity. Izany rehetra izany no amintinan’ny L’Express de Madagascar fa hihena izany ny fisokafan’i Madagasikara amin’ny any ivelany satria ny teknisiana ihany no mahazo mivoaka araka ny sazy nomen’ny vondrona afrikana. Ao anatin’izany ny famerana ny fivoahan’ny mpanao raharaha tsy ho any ivelany izao.
Hetsiky ny mpitsabo mpanampy
Natao ny 31 marsa teo teny amin’ny hopitaly HJRA ny hetsika « Hopitaly mihosin-dra » nataon’ireo mpitsabo mpanampy sy ny mpisahana ny fitantanana ary ny « personnel d’appui », araka ny nitateran’ny fampitam-baovao isan-tokony azy. Ho an’ny gazety Midi-Madagasikara tamin’ny 2 avrily 2010 dia nambarany fa naka lesona avy tamin’ny hetsika « chemises rouges » any Thailande izy ireto. Ny ran’ireo mpitsabo ihany no natao ho solon’ny ranomainty, hoy ihany ity gazety ity. Nahosotra tamin’ny rindrina sy ny lalantsara tao amin’ny hopitaly izany rà izany ary nanoratana soro-baventy tahaka ny hoe: “Aza avahana izahay mpiasan’ny santé”, “avoahy ny satanay”. Noho ny tsy fahafahampo avy tamin’ny fihaonana natao tamin’ny filohan’ny tetezamita izao hetsika izao hoy ihany Midi. Notateriny fa “Miantso sy miangavy ny fahendren’ireo mpitsabo mpanampy sy ny mpiara-miasa aminy ny filohan’ny HAT”, araka ny fampitam-baovao amin’ny teny frantsay nomena ity gazety ity sy ny maro hafa. Voalazan’ny filohan’ny HAT amin’izany fa “Manao takalon’aina ireo olona marary avy amin’ny grevy io hetsika io ary miteraka fihorohoroana amin’ny sain’ny marary ary ny mpitsidika ihany koa hoy ny filohan’ny HAT”. Mbola mikiry amin’ny hetsika ataony anefa ny mpitsabo mpanampy, hoy ny gazety Midi. Notateriny fa “tsy natao hampihorohoroana ny fisian’ny hetsika fa fomba fanehoana ny fangatahana”, araka ny nambaran’ny mpitarika ary ho mariky ny maha mpirahalaha araka ny fomba tena Malagasy “fati-dra”. Mbola mieritreritra ny hanamafy ny hetsika ireto mpitsabo mpanampy sy ny namany ireto hoy ihany ity gazety ity.
Asa fanaovan-gazety
Tao amin’ny Midi-Madagasikara tamin’ny 1 marsa 2010 : “Nosamborina teo Analakely i Lucien R avy amin’ny Radio Feon’Imerina ny 31 marsa teo”. Nentina teny amin’ny tobin’ny zandary eny Betongolo avy hatrany izy avy eo. Fa navotsotra kosa rehefa niantso ny Kolonely ny namana mpanao gazety iray. Araka ny loharanom-baovao, dia fanatanterahana ny tenin’ny Praiminisitra Camille Vital hoe: “Tsy maintsy ho samborina ireo izay niteraka korontana teny Ambohijatovo ny 29 marsa teo”io fisamborana io izay notarihin’ny kolonely Richard Ravalomanana satria azo sary tamin’ireo teny Ambohijatovo ity mpanao gazety ity. Ny tsy fantatra dia hoe avy amin’ny maha mpanao gazety azy ve no nalehany teny sa amin’ny maha mpitolon’ny firehana telo azy ? Araka ny loharanom-baovao hafa dia nifamaly tamina mpanao gazety mpomba ny HAT ity mpanao gazety ity ary io nifamaly taminy io no namporisika ny miaramila hisambotra azy.