Paka 2010

Nangina Antsahamanitra

Par R. Dafy Antonio le Alahady 11 Aprily 2010

Marobe ihany koa ireo fianakaviana no mandeha maka rivotra any ambanivohitra mitondra sakafo rehefa tonga ny alatsinain’ny Paka (sary Willy)

Nafana ny fety tao Antsahamanitra saingy nangina nitaha tamin’ireo ivelan’Antananarivo. Nifarana hatreo koa ny hoe tsy maintsy mamonjy renivohitra vao mahita fety « raitra ».

Ivato, By Pass, Ampitatafika, Fenoarivo, Ampefy, … Hita miova soritra ny toeram-pilanonana ao an-drenivohitr’i Madagasikara ao. Foana hatreo ny hoe Antsahamanitra sy Palais des Sport na Antsonjombe fotsiny. Hipoka olona ny teny amin’ny By Pass na dia nilaza aza ireo taxi-be mitatitra eny fa nihavitsy ny mpandeha tamin’izy ireo. Feno koa ny kianja an-tanimbary nototofana tao Antanimenakely Ampitatafika nanaovan’i Rossy azy. Tsy latsak’izany ny tany amin’ny hafa. Feno saingy hita ho mangingina ihany ny tao Antsahamanitra niaraka tamin’i Poopy. Tsy hoe ratsy akory fa izay somary malefaka izay mihitsy ny « ambiance » miaraka aminy. Vazon’ny fo.

Mpanakanto tantsiraka
« Napoakan’i Wawa ny tao Antsojombe », hoy ny fitenin’ny tanora maro. Saika mpanakanto avy any amorontsiraka no nameno ny kianja maro tao Antananarivo tamin’iny Paka 2010 iny : Tsiliva, Vaiavy Chilla, Jean Aimé, Wawa, … Ry Njakatiana sy ry Lola ary i Poopy sisa no azo ambara ho mpanakanto zanak’Iarivo afa-niaka-tsehatra. Na ny tarika Ny Ainga isan’ny mpitazona an’Antsahamanitra sy Antsonjombe rehefa Paka aza tany amin’ny kianjan-dry Masera ao Fenoarivo sisa afa-niaka-tsehatra. Poopy sy ny tarika Ny Ainga sisa anefa no afaka nandeha irery tamin’ireo. Mpanakanto mpiventy ny gadona mafana avokoa ireo mpanakanto tantsiraka ireo ary efa saika monina ao Antananarivo avokoa.

Hita taratra ihany koa fa tsy ny mpanakanto intsony no mifehy ny tsenan’ny fiakarana an-tsehatra fa ny tolotra sy ny tinady, ireo trano mpamokatra. Mbola mibahan-toerana aloha ny vazo mihetsika sy ny vazo mampandihy ny « tapany ambany ».

Miha manakaiky ny mpanjifa ihany koa ny lanonana. Vitsy ihany ny olona tena misafidy ny hijery an-dranona amina toerana iray manokana fa saika izay mora atonina no jereny. Tsy maintsy tsinjovina mantsy ny fodiana amin’ny hariva, na ho an’ny manana fiara io na ny tsy manana. Ar 1000, ohatra ny saran-dàlana avy eo Ambohijatovo mandeha any amin’ny By Pass rehefa fety kanefa Ar400 io amin’ny andavanandro.

« Foza orana ho’aho »
Ela ny ela niaka-tsehatra ihany « Ramora Favori » mpihira an’ilay vazo malaza hoe « foza orana ho’aho … biby mitorona ! ». Efa nialoha lalana an’izany ihany ny fiakarany tamin’ny fandaharana « Boîte Noire » tao amin’ny televiziona RTA telo herinandro mialoha. Sady mivanitika ny mpijery no variana mihaino izato zava-kantony : vazo miteny sa vazo mitanisa. Nefa koa toa haitenin’ny taonarivo fahatelo izany. Maro ny manambany, misy ny sorena sy kiriko, fa maro koa ny mankafy.
Toy izany koa ilay hira nalaza nanomboka ny faran’ny taona 2009 : « tsy hita ny entako ô ! », an’i Tinatih. Fora zaza no tantarainy amina gadona dombolô. Dia samy nandihy teny fa ela vao nahazo ity zavatra tantarainy. Ny fitafiny feno kiramborambo indray no tena ihavahany.

Masikita, toaka, labiera
« Fa inona aloha ny hoe mifety e ? ». Vao maraina dia indreny ny fianakaviana maro mitanjozotra mivimbina harona, ny lohan-tavoahangy sy ny mofo dipaina amin’io atao somary mihoatra kely ny harona. Handeha hitsangantsangana mantsy. Lalao, ranom-boankazo vatomamy, sakafo matsiro sy be menaka, izay aloha ny sokajy voalohany amin’ny hoe manao fety ho an-dramalagasy. « … dia tsy adino ny mihaingo tsara ! ». Ny sokajy iray sy tena maro indray dia ny toaka, labiera arahana tsaky isan-karazany. Ireo lehilahy ambony fidiram-bola amin’io tsy pataloha na haingo marevaka no isalorana fa short, kasikety, tennis … mba mihatanora e ! Avy eo whisky sy rhum ary labiera no mameno ny tontolo andro. Resaka sy hirahira no mameno sy mandravaka an’izay rehetra izay.

Fety etsy, fety eroa. Ifaninanana ny mamono sy mivarotra hena kisoa any ambanivohitra rehefa fety toy ireny. Izao indray ifaninanana ny kidoboka : karaoke, dom-bovoka …Toa vao mainka manosika ny olona handany tsy misy kajy ny krizy iainana. Fa andanin’izay nanamarika ny fanjakan’Antsahamanitra amin’ny maha toerana sangany amin’ny fiakarana an-tsehatra azy iny Paka 2010 iny. Nafana ary hafana foana ny lanonana ao saingy ho foana ny hoe tsy ngeza raha tsy miakatra ao Antsahamanitra.

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite