Atoa Ahmad izay voafidy indray ho filohan’ny FMF sy atoa Raoul nahazo ny laharana faharoa (sary Willy)
Nanaraka ilay didim-panjakana vaovao ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona vaovao. Samy nahatsapa ny mpilatsaka ho fidiana fa very hasina ny baolina kitra malagasy.
Filoha vaovao no hitantana manomboka ny 3 marsa 2010, araka ny nambaran’ Atoa Virapin Ramamonjisoa minisitry ny fanatanjahantena, tamin’ny fiandohan’ny volana febroary. Raha nahatadidy isika, nivoaka ny 29 zanvie lasa teo ary nampahafantarina an’ireo mpikambana eo anivon’ny federasiona isanisany ny didy fampiharana ny didim-panjakana 2010-001. Izay mamaritra ny andraikitra sy ny momba an’ireo federasiona ary ny fikambanana fanatanjahantena misy eto Madagasikara.
Nisy fihaonana mangingina indray teo amin’ny minisitra sy ny filohan’ny federasiona rehetra taty aoriana, tao Ambohijatovo Antananarivo. Tsy nisy nipika ny resaka tamin’izany satria tsy nahazo natrehan’ny mpanao gazety rahateo ny fihaonana. Voalaza fa nahemotra ny 1 marsa ka hatramin’ny faran’ny volana mey no hamitana ny fifidianana eo anivon’ny rafitra rehetra mitantana ny fanatanjahantena. Izany hoe ny seksiona, ligy ao anatin’ny faritra 22 ary ny federasiona.
Vita teto Fianarantsoa tamin’ny asabotsy 3 avrily teo tokoa ny fifidianana izay ho mpikambana hitantana federasiona ny baolina kitra malagasy. Nanaitra ny maro ihany no nahare fa natao any andrenivohitry ny Betsileo indray ny fifidianana raha tany Antananarivo no nahazatra. Izay ve no fanapariahana sa misy tetik’ady hafa ao?
Raha ny heno teo amin’ity resaka fifidianana ity dia misy mampiasa vola be mihitsy ny mpilatsaka ho fidiana. Izy ireny mantsy no miantoka ny trano fandraisam-bahiny sy ny sakafon’ireo filohan’ny ligy avy any amin’ny faritra any, mandritra ny fotoana hijanonana any amin’ilay toerana. Hany ka afaka mandry ivohon’ny vato ilay olona fa ho lany ho filoha rehefa mandeha ny fifidianana, ankoatra ny fanasana ati-doha sy ny fanambazana maro samihafa.
Mino koa ny maro fa tsy nanao kinanga ny ceni-fmf (fédération malgache du football) ka fifidianana nangarahara no niseho. Na ny naheno fotsiny aza hoe: “Afaka milatsaka ho fidiana daholo ireo rehetra mahafeno ny fepetra”. Atoa Ahmad filoha teo aloha ihany no lany nahazo vato 14 izy ary ny manaraka azy dia Atoa Raoul Arizaka Rabekoto nahazo vato 7. Na dia tsy nandeha aza ny baolina kitra dia lany ihany ny mpitantana teo aloha. Manahirana izy ity. Tsy te hiova sa ,tsy te handroso sa tsy tiana handroso.
Mampalahelo ny naheno fa misy kandida iray nilatsaka ka tratry ny fampihorohoroana tamin’ny antso an-telefônina ary fandrahonana hifofo ny ainy mihitsy. Fa vola be sy tombontsoa manao akory no kirakiraina ao anatiny ao? Raha izay tokoa no miseho, tsy mahagaga raha latsaka an-davaka tahaka izao ny baolina kitra. Marina fa lalao hiarahana ny baolina kitra saingy ny eny ambony kianja ihany no hita ary ampy hitsarana ny fetezany na ny tsy fetezany.
Samy mahatsapa tsara ny olana misy ary ny aretina mikiky mianjady amin’ny kitra malagasy, ireo mpilatsaka rehetra. Misy mihitsy aza kandida mihevitra ny hanao fikaonan-doham-pirenena hamoahana sy hampiraisana hevitra maro mba hamerenana ny hasin’ny baolina kitra. Ilaina hampiakarina ny lentan’ny klioba manerana ny faritra 22, hoy indray ny hafa. Tsy maintsy hofanina ireo mpikirakira ny tontolon’ny baolina kitra ho tonga manampahaizana. Kanefa nahoana no toy izao isika Malagasy? Marihana fa saika mahafantatra tsara ny momba ny kitra daholo ireo mpilatsaka, mba tsy hilazana fa efa mpilalao daholo tany aloha tany. Betsaka ny hevitra tsara rehefa fotoanan’ny fampielezan-kevitra saingy misy lalàna ve manala ny filoha rehefa tsy mahomby ao anatin’ny taom-pilalaovana iray. Ary mbola mitombona ve ilay fanafarana mpanazatra vahiny nandehanana tany Zurich(Soisa), satria hamehana no nanaovana izany. Ary iza koa no manome ny karamany?
Mino ny rehetra fa tena fitiavana hampandroso ny baolina kitra no nanosika azy enina mirahalahy nilatsaka ho fidiana. Tsara daholo ny hevitra miposaka fa ny fanatanterahana azy no tsy misy ka mahatonga ny kitra malagasy ho afa-baraka lava izao.