Fandriampahalemana

Resaka helikôptera hanenjehana dahalo

Par Rahary le Alahady 11 Aprily 2010

Azo ampiasaina amin’ny fivezivezena maika sy vonjy taitra ihany koa ny helikôptera

Noraisina tamim-pomba ôfisialy tamin’ny sabotsy 27 marsa teo ny 3 amin’ny 4 amin’ireo helikôptera novidin’ny fitondram-panjakana malagasy. Fampanantenana tamin’ny taon-dasa hanatsarana ny fandriampahalemana ireo.

Nahazo helikôptera marika « Alouette II » miisa 3 amin’ireo 4 novidin’ny fitondram-panjakana malagasy ny zandarimariam-pirenena, hitandroana ny fandriampahalemana. Nandray izany teny amin’ny Bani (Base aéronavale Ivato) ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita (Fat) Andry Rajoelina tamin’ny sabotsy 27 marsa 2010. Tamin’io fotoana io no nilazany fa mitentina 750 000 euros (manakaiky ny 2 miliara sy 100 tapitrisa ariary raha heverina fa 2800 Ar ny sandan’ny euro iray) ny vidin’ireo helikôptera mahazaka olona 5 ireo ary natao hiadiana amin’ny halatr’omby. Ireo no zakan’ny volantsika satria misy ny tena lafo tokoa amin’izy ireny, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fat. Marina ny nambarany satria ny tena karazany tsara amin’ny helikôptera dia misy ny mahatratra hatrany amin’ny 5 tapitrisa dolara ny iray, arakaraka ny marika. Hita any amin’ny tolo-barotry ny internety ihany koa anefa fa mahazo ny karazan’ny « alouette » ny 100 000 euros. Nambaran’ny filohan’ny Fat moa fa tsy mijanona amin’ny resaka fitandroana ny filaminana ihany ny hampiasana azy ireo fa ampiasaina ihany koa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ady amin’ny valala sy ny doro tanety ary ny fivezivezena amin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza, hanaovana asa famonjena.

Isan’ny olana tsy voavaha nandritra ny taona maro ity halatr’omby ity teto amintsika, indrindra hatramin’ny Repoblika faharoa no ho mankaty. Misy ny antony ara-kolon-tsaina sy fomba fa eo koa ny fahatanjahan’ny mpanao afera amin’ny omby. Nihevitra ny hampiasa helikôptera daholo hamongorana ny asan-dahalo na dia tamin’ny andron’ny filoha Ratsiraka aza saingy tsy nandeha tamin’izany izay helikôptera novidian’ny mpitondra teo aloha. Nampanantena àry ny filohan’ny Fat tamin’ny fanokafana ny fikaonan-dohan’ny miaramila (assises militaires) teny Ivato tamin’ny 27 mey 2009 fa homena helikôptera ny tafika hiadiana amin’ny halatr’omby sy ny tsy fandriampahalemana. Nanaovana tolo-bidy izany tamin’ny 1 jolay 2009 tamin’ny andron’ny Praiminisitra Monja Roindefo ary dia izao azo izao ny ampahany.

Resaka teknika
Helikôptera nampiasain’ny tafika tany Belzika ireto novidin’ny fanjakana malagasy tarihin’Atoa Andry Rajoelina ireto. Marika « Alouette II », mahazaka olona 4 miampy ny mpanamory. Manana hafainganam-pandeha hatrany amin’ny 205 km isan’ora ary mahatafita hatrany amin’ny 700 na 800 km. Amin’ny ankapobeny, araka ny kajin’ny mpahalala, ny fisidinana helikôptera dia mandany solika eo amin’ny 100-300 litatra isan’ora eo ho eo, arakaraka ny karazany. Misy mikajy fa eo amin’ny 6 tapitrisa ariary eo ho eo no lany amin’ny sidina ora telo amin’ny helikôptera, mandroso sy miverina miala amin’ny toerana iray. Volabe izany. Harena mandany harena, mety hambotry, hoy ny fitenin’ny ray aman-dreny iray izay azy kanefa harena mety hampidi-karena koa raha voarindra ny fampiasana azy. Manana mpanamory mahay isika raha ny filazan’ny filohan’ny Fat tamin’ny fandraisana ny fitaovana. Helikôptera efa tranainy manko ny « Alouette II » satria efa tany amin’ny taona 1956 tany no nampiasana azy voalohany. Hananantsika koa ny teknisianina ka antenaina fa ho soa ny fikolokoloana sy fanaraha-maso ny lafiny teknika amin’ireo fitaovana ireo ka ho voka-tsoa no azo aminy fa tsy sanatria ho loza.

Ilaina ny fitaovana mahomby enti-miaro ny vahoaka sy ny fananany. Izay no irarian’ny besinimaro mba hahafahana miasa sy mamokatra am-pilaminana, hampandry fahalemana ny toerana rehetra eto amin’ny Nosy.

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite