Manana fahasahiana ny mpanao gazety hamotsipotsitra ny fanitsakitsahana ny zon’ny maro izay matetika nojerem-potsiny noho ireo tsy maty manota manjakazaka. Karazana martirin’ny fahamarinana izy ireny.
Betsaka ireo nandatsa-drà noho ny asa fanaovan-gazety tamin’ny taona 2009. Araka ny tatitry ny fikambanana iray mpiaro ny mpanao gazety dia manodidina ny 71 no novonoina maneran-tany hatramin’ny desambra 2009. Ny taona 2009 mantsy no tena nahitana fahafatesana mpanao gazety betsaka indrindra tao anatin’ny efapolo taona lasa. Tamin’ny taona 1967 no nahitana mpanao gazety maty novonoina betsaka indrindra satria nisy 67 ny isany.
Voatifitra teo ambaravaran’ny tranony manodidina an’i Lagos ohatra ny mpanao gazety nizerianina iray antsoina hoe Bayo Ohu. Mino ireo namany fa noho izy nanadihady ny hosoka nisy teo anivon’ny governemanta no antony namonoana azy. Vao tsy ela ihany koa tamin’ny 8 janoary 2010 ny mpanao gazety meksikana iray antsoina hoe Valentín Valdés Espinosa no niharan’ny fampijaliana noho ny fikarohana izay nataony ka nahatratrarana ny lehiben’ny mpanao trafikana zava-mahadomelina tany Meksiko. Sivy ambiroapolo ihany koa no maty ka mpanao gazety tao an-toerana no maro, tamin’ny loza nitranga tany Filipina tamin’ny volana novambra 2009 izay nanana fifandraisana tamin’ny politika.
Ankoatra ny famonoana dia betsaka tamin’ireo mpanao gazety ihany koa no naiditry ny governemanta samihafa am-ponja. Tany Sina, ohatra dia 26 ny mpanao gazety naiditra am-ponja. Saingy na izany aza dia Iran no lohalaharana amin’ny fampidirana am-ponja. 47 ny mpanao gazety no nogadraina tamin’ny volana febroary teo fotsiny. Ankoatra izany ihany koa anefa dia mbola ambony ny tarehimarika any Chine, Cuba, Eritrea sy Myanmar mikasika ny mpanao gazety nogadraina. Nangatahin’ny maro noho izany ny Sekretera jeneralin’ny firenena mikambana Ban Ki-moon mba hijery akaiky momba ny fahafahan’ny mpanao gazety.