Akon’ny Haino aman-jery

ECHO DES MEDIAS

Par Lakroa le Alahady 18 Aprily 2010

Kitra
Lany hitantana fanintelony ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra indray Atoa Ahmad.

Izany no vokatry ny fifidianana nataon’ireo filohan’ny  “Ligue” miisa 22 ny 3 avrily teo tany Fianarantsoa. 14 no nifidy azy, 7 no vato azon’ Atoa Arizaka Rabekoto Raoul ary tokana kosa no azon’Atoa Amade Joseph. Ka hoy ny gazet:
“Nifidy ny fitohizana ao anatin’ny fahadondronana ny maro an’isa ary hita fa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny ao amin’ny federasiona ao», hoy Midi-Madagasikara tamina lahatsoratra teny frantsay ny 6 avrily 2010.  Ao amin’ity gazety ity ihany, nilaza ny heviny manoloana ny kiana mahazo ny mpitantana sy ny baolina kitra Malagasy kosa Atoa Ahmad . Hoy izy : “Avelao izahay hiasa fa aza henjehina lava izao, omeo fitaovana ho enti-mampandroso ny baolina kitra izahay fa tsy izahay irery anie no tompon’andraikitra tamin’ireny faharesena misesisesy ireny e! Ary aleo mitady  fomba hafa hamatsiana marina ity kitra ity toy izay hiandry ny fanampiana avy amin’ny Fifa foana dia avy eo manakiana rehefa tsy mahazo. Mino aho fa ho tafavoaka isika raha mifanome tanana.”
“Ny omaly tsy miova?...” hoy  kosa  La Gazette de la Grande île amin’ny lahatsoratra « Inty sy Nday ».  Tsy hoe ho fanenjehana no anton’izao famakafakana izao fa fampieritreretana hoe mety sa tsia. Folo taona, hono, izay no nitantanan’ Atoa Ahmad ity federasiona ity fa tsy hita izay voka-tsoa. Nefa izy sy ny mpiara-miasa aminy ve no “scorpion” sy “barea” tamin’izany fotoana izany ka nandaka ny baolina teny ambony kianja? Tamin’ny fomba demokratika no nahatongavany teo ary mbola te hanatsara ny fanatanjahantena izy ireo ka inona moa no olana? Misy ny manakiana fa ny tsy fisian’ny famatsiam-bola no anton’izao, tsy aleo tsy manao fifidianana raha toa ka izany no hatao an-tsaina? Aleo ihany koa tsy mitolona , rah any omaly tsy miova …

Vokatry ny krizy
“Fahapotehina misesisesy” hoy La Gazette de la Grande île ny 6 avrily. Misy ny faharavana amin’ny fiaraha-monina. Manjaka ny fandrobana sy fanafihana fa tsy manan-ko hanina intsony ny vahoaka. Tezitra ny olona dia manimba fananam-bahoaka sy fananan’olon-tsotra: tatatra, fefin-dalana, takela-by fanaovana dokam-barotra; manongotra vato eny amin’ny lalana. Io famotehina io sisa no hany sisa azo hatao, sady io ihany koa no maha tompon-daka antsika. Ao koa ny faharavana eo amin’ny rafitra: very hasina ny solombavambahoaka sy ny loholona. Iharan’ny kolikoly, ampiasaina ho amin’ny tombontsoan’olon-tokana ary hakorontana ny miaramila sy ny zandary ary ny fitsarana. Ankoatr’izay, lasa voatery mamadika palitao foana  mba hahazoany tombon-tsoa ny mpanao politika na dia mandà fa tsy manao izany aza. Etsy andanin’izay, miha reraka noho ny fahadisoam-panantenana ihany ny vahoaka. Sempotra noho ny fahaverezan’ny fahafahana fototra, sady sempotra noho ny fahasimban’ny ala aripaka tsy am-piheverana. Mbola ao ihany koa ny mpitsabo “mpigrevy” izay tsy manao intsony na dia ny asa farany izay kely (service minimum) aza. Mbola ho lasa alavidavitra kokoa amin’ity famotehina ity ve isika? Eny, mazava ho azy no valiny. Nefa lazaina foana fa soa lavo ahay hamindra ary ao anatin’ny mangidy no ahitana ny mamy.  Natao hampaherezana fotsiny izany. Fa raha te hiarina isika, dia mila manao an-tsaina fa tsy maintsy hiezaka tahaka ny ataon’ny sasany. Mba mieritreritra ny hankalaza ny faha 50 taona nahazoana ny fahaleovan-tena ity nosy ity kanefa loza no hita. Raha mba fantatsika fa na ny zanak’Israely aza nanjeny  40 taona vao tonga tany amin’ny tany nampanantenaina; dia hiala faingana tato anatin’ity fijaliana lalina ity isika.

Momba ny foloalindahy
Tao amin’ny Gazetiko tamin’ny 12 avrily 2010 : « Araka ny loharanom-baovao sy ny feo mandeha eo anivon’ireo toby miaramila dia mety hisy fihaonam-be indray eo anivon’ny Foloalindahy anio, izay iarahan’ny zandary sy ny miaramila. Voalaza fa raha tokony ho omaly (TTF : 11 avrily) no nanaovana izany dia nahemotra androany indray izany noho ireny toe-javatra nitranga ireny. Tsy izany ihany anefa fa voalaza ho nampiantsoana ihany koa ireo tompon’andraikitra any amin’ireo toby miaramila rehetra any amin’ny Faritra hamonjy ity fihaonana ity. Mbola tsy voafaritra mazava kosa anefa ny toerana hanatanterahana izany fa dia iaraha-mahita eo ihany izay ho tohiny. Ny hany fantatra fotsiny dia hoe efa mihasarotra ny toe-draharaham-pirenena ary mangorovitsika ankehitriny ny ao amin’ny Foloalindahy. Tazana tao amin’ny Toby Ratsimandrava izao omaly fa navoaka indray ny “blindé” na irony  fiara mifono vy misy tafondro irony. Misy fanafihana ahiana ve ? Sa misy toby hotafihina ? Tsy hay.. Mbola mampanahy koa moa ny tsy fitovian-kevitra miteraka fizarazarana eo anivon’ny Tafika, izay miseho lany hatrany raha tsy hilaza afa-tsy ny zava-nitranga teny Ambohijatovo afakomaly fotsiny .

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite