Feon’ny fahasalamana

Manimba fahasalamana ny fahaverezana asa

Par Dr R.A.Mamy le Alahady 18 Aprily 2010

Ny fanadihadihana natao momba ny fahasalamam-bahoaka tany Lausane Suisse tamin’ny 1997 no nahafantarana fa tena manimba tanteraka ny fahasalamana ny fahaverezana asa.

Io fanadihadiana io ihany koa no nilaza fa avo roa heny ny tsy fahasalaman’ny very asa raha mihoatra amin’ny olon-tsotra amin’ny ankapobeny. Avo telo heny koa ny fidiran’ny tsy an’asa hôpitaly raha mihoatra amin’ny olon-tsotra miasa. Ny antony dia noho ny fihenan’ny vola miditra, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tsy fahafahana mitsabo tena ara-dalàna, ny fahadisom-panantenana. Izany rehetra izany no mahatonga ny tsy fahasalamana eo amin’ny very asa. Ekena fa mandreraka ny asa ary mety miteraka tebiteby lava na stress, na dia izany aza anefa dia mbola tena loza kokoa ny tebiteby lava sy ny tsy fahasalamana ateraky ny fahaverezana asa. Any ampitan-dranomasina any aza dia maro ny mamono tena satria tsy mahaloa hofan-trano noho ny fahaverezana asa.
Inoana fa hisy fikarohana sy antontanisa momba izany eto amintsika vokatr’ity fahaverezana asa marobe ateraky ny krizy ity.

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite