Akon’ny Haino aman-jery

ECHO DES MEDIAS

Par Lakroa le Alahady 16 mai 2010

Fanabeazana

Gazetiko (Gazety tsy miankina) Hatao amin’ny 19 may amin’ny 2 ora tolakandro izao manerana an’i Madagasikara ny lalao fifanintsanana manasa-dalana amin’ny « olympiade » andiany faha 21. Olana « mathématique », sy « physique » no endriky ny laza adina amin’izany izay nalefan’ny fondation “Tsiavaliky” avy ao amin’ny « Ecole Normale Supérieure Fianarantsoa ».

sy foibem-pitsarana amin’izany. Ny Provizora na ny mpanampy azy no manendry ny mpianatra handray anjara amin’ity fifaninana ity, ho an’ny Liseam-panjakana. Efa miparitaka manerana ny nosy ny laza adina amin’izao fotoana izao.

Mpilatsaka an-tsitrapo
L’Express de Madagascar (Gazety tsy miankina)
Mpilatsaka an-tsitrapo 24 avy amin’ny Peace Corps na Corps de la Paix no nanao fianianana teny amin’ny tranon’Atoa Ambasadaoron’i Amerika. Ny 16 hiasa amin’ny tontolo iainana ary ny 8 kosa hiasa amin’irony orinasa kely sy salantsalany irony. Efa mahay ny fiteny malagasy ireto amerikana ireto, misy mihitsy aza no mahay tenim-paritra toy ny betsileo sy sakalava. Miampy ireo efa eto Madagasikara dia mitotaly 76 izany izao no isan’ireto mpilatsaka an-tsitrapo ireto.

Fandraharahana
Gazetiko
Nanomboka ny 6 may teo teny amin’ny ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena Ivato ny « Foire International de Madagascar ». Mahatratra 70 mahery ireo orinasa vahiny mandray anjara amin’izany ary 120 kosa ireo trano eva iandraiketan’ny vahiny. Anisan’ny firenena mandray anjara ao i Maurice, Mayotte, Frantsa. Maro ny tolotra vaovaon’ny orinasa samihafa fa ny tena tanjona amin’ity hetsika ity dia ny hampifandraisana ireo mpandraharaha malagasy amin’ny any ivelany. Nomena lanja manokana ny fiompiana sy ny fizahan-tany tamin’ity andiany faha 5 ity.

Solika
La Verité (gazety tsy miankina)
Fifanarahana 24 tamina orinasa vahiny 16 hatramin’izao no vitan’i Madagasikara. Bemolanga, Tsimororo ary Sakaraha no ho trandrahana amin’izany, ankoatra ireo mbola ho zahana. Fantatra nandritra ny « journée technique pétrolière » izany. Hetsika izay nokarakarain’ny minisiteran’ny harena an-kobon’ny tany sy ny « Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques » (OMNIS). Nampafantarana ny olana sy ny dingana arahina amin’ny fitrandrahana ny solika izany ary indrindra ny eto Madagasikara. Nampahalalana ihany koa ny fandroson’ireo fitrandrahana efa amperinasa.

Fifidianana
La Gazette de la Grande île (gazety tsy miankina)
HIlatsaka ho fidiana depiote Ratoa Yvette Sylla. Nanangana ny fikambanana manao politika Malagasy Mandroso (MAMAN) izy noho izany. Mety hilatsaka any « Ste Marie » izy araka ny nambarany. « Vato namelan’ny tompoko lahy Jacques Sylla hafatra ny MAMAN » hoy izy « ka tsy maintsy manao izay hampitana izany hafatra izany ».

PME/BTP
La Gazette de la Grande île
Mandalo fotoan-tsarotra ny orinasa kely sy salantsalany. Vitsy ireo asa vatsian’ny fanjakana vola ary noho ny fampiharan’ny governemanta ny politika fitsitsiana dia tsy mahazo tombony intsony ireo orinasa mikatroka momba ny « Bâtiment et Travaux Publiques » (BTP). Nihena 20% ny famatsiana avy amin’ny governemanta sy ny famatsiam-bola « Fonds d’Entretien Routier » (FER). Tapaka ihany koa ny fanampiana avy any ivelany nefa ny « Programme d’Investissement Public » (PIP) na ny fanavaozana sy fanarenana fotodrafitrasa izao dia ny famatsiam-bola avy any ivelany no miantoka ny 70 hatramin’ny 75 isan-jatony.

Fadin-tseranana
L’express de Madagascar
Hisy ny fananganana sekoly ho an’ny mpiasan’ny fadin-tseranana vaovao. Eny Nanisana no voatondro fa hananganana ity sekoly ity. Voasahana ao daholo rehefa fampianarana mikasika ny fadin-tseranana.

Vatsim-pianarana
Radio Don Bosco (onjam-peo tsy miankina)
Nanomboka ny 5 mey teo ny fizarana ny vatsim-pianarana teto Antananarivo sy ny eran’i Madagasikara. Vatsim-pianarana roa volana miampy fanondrotana 10% ary miaraka amin’ny fampitaovana no nozaraina tamin’izany. Ny mpianatra eto Antananarivo dia mbola nisy ny nitokona noho ny tsy fahampian’ny fanondrotana hoy izy ireo. Misy mihitsy aza ny fanakanan-dalana teo am-pidirana mba tsy hatafidiran’ireo mpitandro ny filaminana eny amin’ny « Campus » Antananarivo. Nanambara kosa ny mpitarika ny fitokonana tany Mahajanga fa « tapitra hatreo ny fitokonana satria efa azo ny nilaina ».

Fandriampahalemana
Taratasy avy any amin’ny faritra Boeny
Tratra ny taolam-paty milanja 50 kilao nangalarin’i Mohamed Ali, André ary Tsiailika II tao amin’ny kaomina ambanivohitra Ankazombarona, distrikan’i Marovoay, faritra Boeny. Fasana dimy avy ao amin’ity kaomina ity no nangalaran’izy ireo ireto taolam-paty ireto. Noho ny torolalana avy amin’ny fokonolona dia izao tratra izao izy telo lahy. 

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite