Ny isan’ireo mpikira internet isam-pirenena ny taona 2006. Loharano : CIA - Illustration Creative Commons
Amin’ny toerana maro ao Antananarivo-Renivohitra, saika ahitana « cybercafé » avokoa. Endrika isehoan’ny fivoarana izany, fa ny mampanahy ihany ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiaraha-monina.
Fianarana, hira, sarin’olona malaza, namana, silam-panahy ary vatsim-pianarana. Ireo no tena mahasarika ny mponin’Antananarivo renivohitra ankehitriny amin’ny “internet”, gasian’ny sasany hoe aterineto, indrindra ny tanora. Lasa mirona amin’ny fitsidihana ireny tranokalam-pifandraisana ireny ny akamaroan’izy ireo. Ny tranokala toa ny « facebook.com » no tena malaza amin’izao fotoana. “Ahitako ireo namako taloha, ela be tsy hitako ato”, hoy ity tovovavy kely iray sendra teo am-pitsidihana ity tranokala ity. Anisan’ny tranga iray tena nanamarika ny aterineto ihany koa ny fitadiavana silam-panahy. Efa mitombo isa ireo tranokala malagasy ahitana izany.
Misy kosa ireo olona sasany izay filàna hafa mihitsy no ilàny ny “internet”, toa an’i Hasina. “Fitaovana iray ahafahako maka ireo hira farany any ivelany ny internet”, hoy izy. Tsy ny hira ihany anefa no tena mahasarika ny tanora toa azy fa eo ihany koa ny horonan-tsary sy sary. Isan’ny antony iray tena mampiroborobo ireo hosoka eto amin’ny firenena ity fitaovam-pifandraisana ity. Tamin’ny olona folo nanontaniana dia saika mandany eo amin’ny adiny iray eo hoeoavokoa izy ireo rehefa manao “internet”. Misy aza mahatratra tapak’andro maninjitra mba ahafahana maka ireny sarimihetsika ireny.
Vatsim-pianarana
Na izany aza anefa dia mitoetra ho fitaovana ho enti-manampy amin’ny fikarohana foana ny aterineto. Manamarina izany ny fisian’ireo ivotoerana manome tolotra ny mpianatra amin’ny fikirakirana azy. Sahala amin’ny etsy amin’ny “Alliance française” Andavamamba izay mihena avo roa heny ny sarany aloa raha toa ka mpikambana ao ny tena. Sahala amin’izany ihany koa ny eny amin’ny “Campus numérique” Tsimbazaza izay natokana ho an’ireo efa manana ny diplaoma bakalorea. Saika ireo mitady vatsim-pianarana ho any ivelany no tena mameno ity ivotoerana ity. “Vao nahavita maîtrise teo aho ka mikasa ny hanohy izany any am-pita, izay no ivezivezeko matetika aty”, hoy i Emilien, tovolahy mpianatra mpikaroka amin’ny “anthropologie”. Tsy vitsy no manao toa an’ity farany. Misy aza tena mandany vola mihitsy miditra “cybercafé” mba hitadiavana lalana. Raha nanontaniana ny tranonkala be mpitsidika indrindra tao aminy ity tomponandraikitra iray tamin’ny “cyber” tetsy Ankadifotsy ity dia namely hoe: “mijery mailaka sy mitady namana no tena mpanijfa, indrindra amin’ny fotoana fialan-tsasatra. Ny mpianatra kosa amin’izao vanim-potoana fianarana izao, matetika mitady momba ny fianarany, na koa maka sarin’ireo mpanankato vahiny ankafiziny”.
Adiny iray = 12 000 Ar
Ara-tantara dia ny taona 1994 no nidiran’ny aterineto voalohany teto Madagasikara. Malagasy iray amin’ny arivo no nanana fahafahana tamin’izany. Raha ny isa tamin’izany fotoana izany dia “30 000 lignes” no nananan’ny DTS ho zaraina amina mponina maherin’ny folo tapitrisa. Ankoatra izany ny fidanganan’ny sarany tamin’izany fotoana, nahatratra 12 000 ariary ny adiny iray.
Amin’izao taona 2010 izao, ho an’Antananarvo Renivohitra, efa saika ahitana toerana ahafahana manao internet avokoa isaky ny fokontany. Mitobaka ny tolotra eny amin’ny haino aman-jery. Manomboka mihamaro koa ireo mpaninjara. Samy manao izay ahazoany mpanjifa maro izy ireo. Noho ny fivoaran’ny teknôlojia avo lenta aza, dia hatramin’ny finday avy no ahafahana manao aterineto. Fa ho an’ireo mbola tsy mahatakatra izany dia efa tsy lafo intsony koa ny saran’ny fanaovana internet eny amin’ny “cybercafé”, misanda 10 ka hatramin’ny 35 Ariary ny iray minitra ankehitriny.
Na dia eo aza anefa izany ezaka lehibe izany dia mbola olana goavana mipetraka ny mbola tsy fiparitahan’ny tolotra any amin’ny faritra manerana ny nosy.