Fanabeazana

Hafa finoana mianatra an-tsekoly katôlika

Par Rani le Alahady 16 mai 2010

Tsy faniniana be fahatany na fanilihana ireo hafa finoana sanatria no itondrana ity resaka ity eto. Fa fanairana ny mpino sy mpitondra amin’ny fiangonana sy sekoly katôlika hijery akaiky ny fanabeazana ny tanorany.

Malahelo sy sahirana aho rehefa miresaka amin’ireo mpiara-mianatra amiko [hafa finoana] fa rabirabian-dry zareo ny fombantsika katôlika manosotra lavenona sy mifady hanina”. Mpianatra iray ao amin’ny kilasy famaranana no naneho ny alahelony toy izany tamin’ny fiantombohan’ny vanim-potoanan’ny karemy teo. Zava-misy atrehin’ny tanora mpianatra katôlika maro tokoa ny fandrabirabiana sy fanesoana ireo fomba amam-panao katôlika avy amin’ireo mpiara-mianatra sy olona hafa finoana sasany manodidina azy. Miseho amin’ny fananihaniana fombam-pivavahana sy Sorona masina na fametrahana fanontaniana mamandrika sy mitarika amina adihevitra mampisara-bazana izany matetika. Amin’ny ankapobeny dia mpianatra hafa finoana no ipoiran’ity olana ity. Ka izy ireo indray avy eo no mitarika ny mpiara-mianatra aminy. Ny mampalahelo dia betsaka amin’ireto farany no mpino katôlika kanefa zakan’ireo mpitarika tsara satria marefo sy marivo salosana.

Mahay mandresy lahatra
Tena to teny eo anatrehan’ireo namany ireny mpianatra hafa finoana mpitarika ireny matetika. Saika zanak’olona manan-katao eo an-tanàna manko izy ireny amin’ny ankapobeny ka sahisahy miseho sy maneho hevitra. Mahay mandaha-teny sy mandresy lahatra. Voamarika koa fa matetika izy ireny no mitana ny lohalaharana eo amin’ny fari-pahaizana. Ary na amin’ny fikarohana sy ny fanaovan-javatra aza dia hita ho kinga sy mavitrika kokoa izy ireo. Alaim-panahy mihitsy aza ny tena indraindray handray ilay sangisangy zary tenany hoe “mahomby kokoa ny prôtestanta noho ny katôlika raha afera no resahina”. Manana fijery sy kolontsaina manome vahana ny lafy mijidina (vertical) manko, hono, ny prôtestanta. Matanjaka be amin’izany fijery izany ny “-ko” sy ny “ahy”. Ny tenako, ny ankohonako, ny fiangonako. Ny katôlika kosa, hono, manindry be ny lafy mitsivalana (horizontal). Mavesatra be ny sôsialy izay faritin’ny hoe “-ntsika” sy ny “-nay”. Fomba fijery manatsotsotra zavatra ihany anefa izany, ny ampahany ihany no marina.

Fijoroana amin’ny finoana
Azo antoka fa tsy mankaiza ary tsy mahomby ireny fandrabirabiana sy fanivaivana ataon’ny hafa ireny rehefa tena mijoro amin’ny finoany ny tanora mpianatra katôlika. Izy indray aza no lasa mpitarika, “fanasina sy fahazavana” ho an’ny mpiara-mianatra aminy manontolo. Tsy maintsy ampiana anefa izy hanamafy orina ny finoany ary omena azy izay manampy azy hijoro amin’izany. Raha ny katesizy kely fotsiny, ohatra, dia tsy ho ampy na oviana na oviana. Ny an’ny katôlika mantsy dia mety ho vita ao anatin’ny efatra na dimy taona ny katesizy fiomanana handray ny Eokaristia sy ny Fankaherezana. Eo anelanelan’ny faha-14 ka hatramin’ny faha-18 taonany no mandray ny sakramenta Fankaherezana ny tanora katôlika. Vao vita izany dia tapitra teo koa ny fandalinam-pinoana ho an’ilay tanora. Ny an’ireo antokom-pinoana hafa, toy ny Loterana, anefa dia maharitra kokoa izany. Matetika aza efa mandray ny faha-20 taonany mihitsy ny tanorany vao atao kônfirmasiô. Koa raha tiana ny hanana tanora katôlika mijoro sy miaro ny finoany dia tsy maintsy hatevenina ny fanentanana sy fampirisihana azy ireo hanohy handalina izany. Anisan’ny fomba ahafahany manatanteraka izany ohatra ny famakiana boky sy fidirana amina fikambanana masina. Rariny raha sarotiny amin’ity fanabeazam-pinoana ity ny fiangonana sy ny sekoly katôlika. Tsy ny voka-panadinana tsara isan-taona no tokony hampalaza sy hampiavaka azy fa ny hatsaran’ny fanabeazana omeny hahatonga ireo beazina ho olom-banona feno sy zanak’Andriamanitra marina.

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite