Toe-karena

Zotra an-dalamby Fce: harenina ho fitsinjovana ny Faritra Atsimo atsinanana

Par Nirinarisoa M le Alahady 16 mai 2010

Mitàna toerana lehibe amin’ny toekarena ny fitaterana an-dalamby. Ny tsara ho fantatra.

Fanampiana mitentina 188 tapitrisa Ariary no azo ho fanarenana ny lalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy ny faritra atsinanana (Fce) izay nifanarahan’ny mpitantana io làlamby io sy ny Programme d’appui à la résilience aux crises alimentaires à Madagascar (Parecam) na Laminasa ho fanohanana ny fiaretana ny krizy ara-tsakafo eto Madagasikara vatsian’ny Vondrona eurôpeana avy amin’ny Programme de soutien au pôle de micro-entreprises rurales et aux économies régionales (Prosperer) laminasa manohana ny orinasa madinika any ambanivohitra sy ny toekarena anivon’ny faritra izay vatsian’ny Fida, Fonds d’intervention pour le développement agricole, sampan’ny Firenena mikambana miady amin’ny hanoanana sy ny fahantrana any amin’ny faritra ambanivohitry ny firenena an-dàlam-pandrosoana. Maro tokoa manko ny fahasimbana tamin’iny lalamby iny noho ny fandalovan’ny rivodoza Hubert ny volana marsa lasa teo. Misy ny lalamby triatra ary toerana 170 no misy tany mihotsaka izay manodidina ny 4000m3 ny fitambarany araka ny nambaran’Atoa Medard Rakotozafy, mpitantana ny Fce. Marihina fa mbola miankina amin’ny fanjakana tanteraka ity zotra ity satria tsy mbola nisy namaly ny antso nisokatra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fitadiavana orinasa tsy miankina hiara-mitantana ny zotra. Mbola mizaka fatiantoka ity zotra ity raha lafiny fitantanana no asian-teny. 

Vokatra
Tsy tongan’ny vokatra ary tsy afa-mampiaka-bokatra amin’ny alalan’ny fiaran-dalamby araka izany iny faritra atsimo atsinanan’ny Nosy iny noho io fahatapahan’ny lalamby Fce io izay mirefy 163km mampifandray an’i Fianarantsoa sy Manakara. Manodidina ny 20 000 anefa ny fianakaviana mivelona amin’izany. Kenda araka izany ny lafin’ny toekarena sy sosialy manodidina an’i Manakara iny. Marina fa efa vita ny arabe saingy maro ireo vokatra no miondrana amin’ny alalan’ny fiaran-dalamby. Ny voankazo sy legioma no ankabeazan’ny vokatra mivezivezy amin’iny zotra iny (8 027 taonina tamin’ny taona 2009 raha toa ka 12 660 taonina ny fitambaran’ny vokatra rehetra tamin’io taona io), manaraka avy eo ny vokatra ilaina andavanandro, ny vary sy ny vokatra hafa. Tany amin’ny taona 2004 sy 2005 no betsaka indrindra ny vokatra nivezivezy tamin’ny zotra Fce (18 706 taonina sy 19 269 taonina). Nidina tsikelikely izany ary tamin’ny taon-dasa indray vao nahitam-piakarana. Nahatratra 109 917 kosa ireo olona nivezivezy tamin’iny zotra iny ny taona 2009 raha toa ka efa tafakatra 167 132 izany tany amin’ny taona 2004.

Fanavaozana
Maherin’ny 680 ny olona manerana ny kaominina ambanivohitra amin’iny faritra iny no nantsoina hiasa ho fanarenana ny zotra Fce araka ny fomba fiasa mampiasa tana-maro (Himo). Anisan’ny fotodrafitrasa manampy amin’ny fihodin’ny toekarena ny fitaterana indrindra fa ny fitaterana an-dalamby ka tsy tsara atao ambanin-javatra indrindra noho ny fahamaroan’ny vokatra taterina amin’izany. Ho an’ireo zotra any avaratra ohatra izay efa ny Madarail mitantana sy manana ampahany betsaka indrindra, ny solika sy ny karazan-tsolika no mavesa-danja indrindra amin’ireo vokatra (104 744 taonina tamin’ny taona 2009) manaraka avy eo ny harena an-kibon’ny tany sy ny kaontenera ary ny simenitra.

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite