Editorial
Ny Fanahy tsara no hanavotra an’i Madagasikara
Par Ny mpanao gazetin’ny Lakroan’i Madagasikara le Alahady 23 mai 2010
Fantatrao. Maro ianareo no mahafantatra azy. Inona izany ?
Tsy inona fa ny fanomezan’ny Fanahy Masina. Maro tokoa no mahafantatra ireo fanomezan’ny Fanahy Masina. Fito ny fanomezana omena ny kristianina dia ny : “fahendrena, fahazavan-tsaina, fifidianana, faherezana, fahalalana, fitiavam-bavaka ary ny fahatahorana an’Andriamanitra”. Mifantoka ao an-tsaina ireo satria miseho amin’ny alahadin’ny Pantekoty ity laharana ity.
Fantatrao ireo fanomezan’ny Fanahy Masina ireo. Fantatrao ihany ko anefa etsy andaniny ny foto-pahendrena malagasy raha resaka fanahy no tomorina. Voarakitra anatin’ireo fomba fiteny isan-tokony izany fahendrena izany. Isan’ny tonga an-tsaina ankehitriny ny fomba fiteny milaza fa : “Very fanahy mbola velona toy ny valala voatango”. Izany no fahitana ny vahoaka malagasy ankehitriny. Vahoaka sahiran-tsaina manoloana ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Ripahana ny “bois de rose”. Tahaka izany koa ireo vatosoa na tsy mahazo laka amin’ny fampitam-baovao aza izany. Iarahana mahita fa nanakatona ny biraony ny Tahirim-bolam-panjakana (Trésor public). Be loatra hono ny vola tafavoaka tsy manara-penitra ny fombafomba nanaovana izany. Mitentina amina milara ariary izany. “Mivoaka amin’ny kiloadoaka mivelatra tahaka ny vavan’ny tonelina ao Antananarivo ny volam-bahoaka” hoy ny fiteny re. Tanteraka eto ny fitenenana manao hoe : “Ny manam-panahy mody voky, ny adala manesika hatrany”.
Tena tsisy ny rafitra miasa manara-maso ny asan’ny mpanatanteraka ka manararaotra tsisy toa izany mpitondra mpanatantaraka amperinasa ; Tsisy “manam-panahy” (comité des sages) iantsampazana. Toa vorona azon’adala ny firenena malagasy. Maro ny fomba fiteny mirakitra izany haratsian-toetra izany : “ratsy fanahy”, “fanahin’adala”, “fanahim-boronkely”, “fanahin-kary”…
Mahavery fanahy ny fangalarana ny harem-pirenena. Ankoatra izany tsy misongadina ny vahaolana hatramin’izao. Ambara fa lakile ny fifidianana. Napetraka izao Ceni izao. Rafitra noheverina fa ahatanteraka ny faniriana mba hangarahara ny fifidianana. Saingy… Nabaribary ankabary fa tsy mahaleotena ny Ceni. Daty telo no navoaka iray ihany no nangatahana tolo-kevitra tany aminy. Ny roa fanapahana samirery nataon’ny mpanatanteraka. Tian-kano, tsy tian-kano.
Manaraka izany, iarahana mahita ny firongatry ny fampiasan-kery manerana ny Nosy. Vaky trano atsy, fandrobana aroa. Efa maro ny aina nafoy amin’ireny tranga isan-karazany ireny. Manjaka ny herisetra. Very hasina ny fiteny manao hoe : “Ny hery tsy mahaleo ny fanahy”. Tsy ao intsony “Ny fanahy no maha-olona”. Manjaka ny fanahim-biby.
Manan-karem-pitenenana ny Malagasy. Tandidon’ny fahendren-drazana izy ireny. Mila olona malemy fanahy kanefa tsy mora hambakaina i Madagasikara. Ny Malagasy dia mitady mpitarika afaka manandratra ny hasina maha-olona. Mila olona anti-panahy. “Iza ilay bandy ?” hoy ny fiteny malaza eny anivon’ny vahoaka eny. Fantaro, jereo izay vonon-kanaja ny teny sy ny tany ary ny Vahoaka Malagasy izay manana ny fomba amam-pahendrena notefen’ny Fanahy. Mbola tsy tafavoaka ny làlana sarotra isika. Fantatrao izany.
Miarahaba antsika tratry ny fetin’ny Pantekoty. Ny Fanahy Masina anie hanazava hatrany safidin’ny tsirairay mba ho soa ho an’ny daholobe hatrany izany..