Politika
TVM (Televiziona malagasy)
Nanao fanambarana Atoa Andry Rajoelina fa tsy hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana rehetra ho karakaraina. « Ny CENI no namoaka ireto daty ireto, noho izany, efa ofisialy ireto » hoy izy. Ny 12 Aogositra no hatao ny fitsapan-kevi-bahoaka, handanian’ny vahoaka malagasy ny lalam-panorenana. Ny 30 septambra ny fifidianana solombavambahoaka. Ny 26 novambra kosa ny fifidianana filoham-pirenena. Hisy anefa ny fihaonambem-pirenena hanoritsoritana ilay lalampanorenana ka hanasana ny solontenan’ny faritra 22 sy ny distrika 119, amin’ny 28 mey izao.
« Governemanta ho an’ny teknisiana no hatsangana mandrapahatongan’ny repoblika fahaefatra. Tsy midika anefa izany fa tsy hisy mpanao politika ao, fa misy ny sady mpanao politika no teknisiana. Tsy afaka milatsaka ho fidiana kosa anefa ireo olona voaantso na voafidy ho amin’izany governemanta. Tsy maintsy manaradia ny filohan’ny HAT ny mpitarika ity governemanta ity » hoy ny jeneraly Camille Vital. , hoy ihany izy.
Kely finoana amin’ny hahatanterahan’ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 12 aogositra izao ny KMF/CNOE. « Mbola maro ny kipitsompitsony tokony volavolaina mialoha, ohatra, tokony hazavaina maharitra ny amin’ny lalampanorenana vaovao. Satria tsy mety raha olona handatsa-bato no tonga amin’ny fifidianana fa tsy olona hifidy. » hoy Atoa Ernest Razafindraibe, mpandrindra nasionalin’ity vondrona ity.
Lavanila
Foanana ny fisian’ny mpanera na ireo olona irahin’ny mpanam-bola hanangom-bokatra na dia efa nandoavana hetra aza izany teo aloha. Havoaka volana iray mialoha kosa ny volana fisokafan’ny asa. Fandaminana napetrak’ireo voakasika amin’ity vokatra ity any amin’ny faritra Analanjirofo anefa izao fa samy manana ny fandaminana ho azy ny faritra tsirairay misy lavanila. Ny « Comité Local Chargé des Affaires Economiques » (CLCAE) kosa no manaramaso sy miandraikitra ny fandaminana amin’ity taom-pamokarana ity.
Fanondranana
Malaza (gazety tsy miankina)
Nampiditra 11 700 000 « Euros » ny fanondranana ny asa-tanana malagasy tany ivelany tamin’ny taona 2009 na dia nisy aza ny krizy. Ireo fitaovana ilaina andavanandro no tena tian’ny vahiny hoy Atoa Claude Salomon Andrinandrasana, tale jeneralin’ny foibe asan-tanana etsy 67 Ha. Ny fanondranana ho any Frantsa no tena betsaka tamin’ireo fa misy ihany koa ny naondrana tany « Canada », Italia, Espana ary Azia. Olona 2 tapitrisa amin’izao fotoana izao no miangaly ny asan-tanana na dia 6% fotsiny aza ny fandraisan’anjaran’ity sehatra ity ao amin’ny harin-karena faobe ; tarehimarika azo avy amin’ny foibe asan-tanana ihany izany.
Andiam-balala
Malaza
Faritra efatra any amin’ny tapany atsimon’ny nosy amin’izao fotoana izao no ahitana andiam-balala. Ny tapany avaratry ny faritra Atsimo Andrefana, ny ilany avaratra andrefan’ny faritra Anosy, atsimo sy andrefan’Ihorombe ary atsimo sy andrefan’ny faritra Matsiatra Ambony no misy izany. Tsy mitovy anefa ny faharavana misy amin’izany faritra izany. Efa niakatra mantsy ny voka-bary ho an’ny faritra Ihosy sy Ranohira ary ny Tampon’Ihorombe. Fa simba hatrany amin’ny 50% kosa ny voka-bary any amin’ireo kaominina ambanivohitr’i Sakaraha. Tsy misy anefa ny fanafody sy ny fitaovana hanoherana ireto andiam-balala ireto ka dia miandry izay hialany amin’ny tanàna fotsiny no azo hatao.
Solitany
« Tsy mangarahara ny eto amintsika » hoy Rtoa Rabeharisoa Saraha Georget, filoha nasionalin’ny antoko maitso « Hasin’i Madagasikara ». « Tokony ho fantatra avokoa hoy izy ny fomba sy ny fitaovana entin’ireo orinasa mpitrandraka handavahana ny tany, ndrao tsy manara-penitra akory ka avy eo simbasimba fotsiny ny tontolo iainantsika. Ary tokony hanan-jo hanaramaso izany ny fanjakana malagasy fa tsy hitazam-potsiny rehefa vita ny fifanarahana. »
Fandriampahalemana
TV Plus (Televiziona tsy miankina)
Nisy fanafihana mitam-piadiana nataona olona manao fanamiana miaramila tao amin’ny radio « Fréquence plus », ny asabotsy 15 mey tamin’ny 12 ora sy sasany teny 67 Ha Antananarivo. Vahiny efatra no nampiantranoan’ity onjam-peo ity dia Atoa Tonton Ambroise, filoha nasionalin’ny antoko Front Républicain et Démocrate Légaliste (FRDL), Dokotera Joseph Randriamiandrisoa sy Harison Razafindrakoto, samy avy amin’ny ankolafy Zafy Albert. Atoa Pierre Andrianantenaina avy amin’ny HAT kosa tsy voakitika. Potika ny fitaovana, nivonto andrina sy naratra ny teknisianina roa tao amin’ity onjam-peo ity