Lalampanorenan’ny Repoblika faha-4
Aoka tsy ho baomba milevina
Par Razafindramanitra le Alahady 23 mai 2010
Efa nivoaka ny didy fanaikana ny olom-pirenena hifidy ny Lalampanorenana ho an’ny Repoblika faha-4. Hevitra maro no mila vavahana mba tsy ho baomba milevina ho an’ny Repoblika vaovao ny ao anatin’izay lalàna fototra ho fidina.
Hifidy Lalampanorenana ho an’ny Repoblika faha-4 isika. Ny 12 aogositra no daty voatondro hifidianana io Lalampanorenana io amin’ny alalan’ny referandaoma. Daty nambaran’ny Filohan’ny Fahefana avon’ny Tetezamita (Ffat) tao anaty lahateny nataony ny 12 mey teo. Daty mifanaraka amin’izay natolotry ny Filankevi-pifidianana nasionaly mahaleotena na Ceni rahateo.
Ny nanaitra voalohany indrindra dia tsy mifanaraka amin’ny tapaka teny amin’ny Teny Ifampierana io referandaoma io. Ny fametrahana ny Antenimiera manorina na Assemblée constituante no tapaka teny ny 4 sy 5 avrily. Vao omaly izany
Hevi-baovao no naroson’ny Ffat. Ka Lalampanorenana toa inona no haroso ny mpifidy àry ? Efa natsidiky ny Ffat ny heviny. Filoham-pirenena no hitantana ny firenena satria fidiam-bahoaka izy io. Matanjaka izy izany fa tsy ho Raiamandreny mpampihavana fotsiny ihany. Tsy filoha tahaka izay hita any Alemanina na Israely raha tsy itanisa afa-tsy ireo firenena ireo.
Filoham-pirenena toa iza àry ? Efa maro karazany ny filoham-pirenena efa hita teto Madagasikara (1958-1965, 1965-1972, 1975-1991, 1992-1996, 1996-2001, 2001-2009). Samy filoham-pirenena no niantsoana azy. Samy hafa ny fahefany. Nofinidim-bahoaka mivantana izy ireo nanomboka ny taona 1965. Namokatra ve ? “Nampahantraina ny Malagasy tao anatin’ny 50 taona” hoy ny Ffat. Tsisy nahavita azy ny teo aloha. Ny olona nitana ny andraikitra maha filoha ve no tsy nahay sa ny andraikitra nomena azy (rafitra) no tsy mifanentana amin’ny kolontsaina malagasy ? Mipetraka ny fanontaniana.
Ampahany amin’ny fanontaniana mipetraka ihany io. Ny dialogue national tontosaina mandritra ny hateloana (27-29 mey) no hamaly ny fanontaniana mipetraka ary hamaritra ny rafi-pifehezana hisy. Repoblika ve no hajoro ? Tsetsatsetsa tsy aritra : fiteny ve ny hoe : “Repoblika amerikanina na Repoblika japoney ?” Firenena roa isan’ny matanjaka sy mandroso indrindra maneran-tany anefa ireo. Azo alain-tahaka ve ? Ny tsikaritra hatreto dia maro no resy lahatra fa Repoblika no sahaza an’i Madagasikara.
Repoblika toa inona ? Federalista. Mizakatena (farita sa faritany sa hafa) ? Repoblika tokana ? Santionany ihany ireo. Karazany maro no naroso nandritra ny fikaonan-doham-paritra. Mbola ireny mpandray anjara ireny ihany ve no handray anjara amin’ny dialogue national sa ovaina ?
Ny fisian’ny dialogue national no mahatonga izao lahatsoratra izao. Efa maro ireo lahatsoratra navoaka teto, na tamin’ny teny malagasy na frantsay, nanadihady ny lafiny tsara sy ny lafiny ratsy amin’ireo karazana rafitra efa nisy sy ireo mbola tsy nisy teto. Ratsy ny federalista satria… Mizaka tena irery. Miolonolona tsy te hahalala ny hafa. Tsy mahomby ny fitantanana entin’ny filoham-pirenena satria… Eo ny kolontsaina manome hasina manokana ny Raiamandreny. Manararaotra izany ireo mpanao politika rehefa voafidy satria lasa raiamandreny izy ireo, to teny ho azy na ratsy aza ny toe-piainany… Very hasina ny vahoaka tompom-pahefana.
Izay ve no mahatonga ny Ffat mandroso ny fifidianana ireo depiote alohan’ny filoham-pirenena ? Tsy afaka hialokaloka ao ambadiky ny KM Izatsy (komity mpanohana an’Izatsy tahaka ny KMMR na KMDR) ny kandidà ho depiote. Ny olana amin’ny famoahana ny daty mialoha ny fanapahan-kevitry ny dialogue national dia lasa “rafitra mpankato” (chambre d’enregistrement) sisa ny dialogue national. Moa tsy izay ve ny lesoka teo amin’ny Antenimiera nisy hatramin’izao? Mpanangana tànana. Ahoana no ialana amin’izay zava-misy izay ? Misy tokony apetraka ve ao anatin’ny Lalampanorenana? Manampy trotraka koa ny famadihana palitao. Maro ireo antoko politika no nangataka ny famerenana ny “iraka tsy mivadika” (mandat impératif) ao anatin’ny Lalampanorenana. Lany tao anatin’ny lisitra iray ny kandidà iray dia tsy mahazo miova hevitra mandritra ny fe-potoana nahavoafidy azy (durée de mandat éléctif).
Lalampanorenana roa sa iray ?
Fanontaniana toa inona no hapetraka amin’ny vahoaka ny 12 aogositra. Lalampanorenana tokana ve no atolotra ka Eny na Tsia ny safidy mipetraka amin’ny mpifidy ? Mankaiza isika raha tsy lany ny Lalampanorenana nomena hisafidianan’ny vahoaka ? Izany hoe nandresy ny Tsia amin’ny fanontaniana “Ekenao ho Lalampanorenan’i Madagasikara hifehy ny Repoblika faha-4 ve ity atolotra anao ity ?” Dia ao anatin’ny taratasy tokana no misy ny Eny sy Tsia ary anjaran’ny mpifidy no manamarika izay safidiny.
Sa Lalampanorenana roa no haroso dia tsy maintsy mahazo ny antsasa-manila ny iray. Raha mihoatra ny roa dia ahoana ?
Lalampanorenana maro ve no hisafidianana? Lalan-tsarotra izany. Tsy ho ampy ny fotoana hanazavana lalampanorenana roa samy hafa mainka moa mihoatra ny roa. Ny fametrahana comité constitutionnel tokana koa dia efa manondro fa Lalampanorenana tokana no hisafidianan’ny olom-pirenena amin’ny referandaoma.
Tsaroantsika fa isan’ny nanitikitika ny mpizaika ny anjara toeran’ny filoham-pirenena teo aloha. Efa an’isany ve ny Ffat, Ho afaka hiaraka ao anatin’ny rafitra iray ve ry zareo, indrindra ireo chef de file des 4 mouvances ? Nahoana moa raha haverina ho olom-pirenena tsotra izy ireo. Efa nahavita (na tsy nahavita) ny adidiny izy ireo. Tsy omena toerana na aiza na aiza.
Tahaka izay koa ny momba ny Haute cour de justice. Aleo ho tsaraina tahaka ny olon-tsotra rehetra ny manam-pahefana. Mora ny fanenjehana azy fa tsy ho be pitsompitsony.
Ahoana kosa ny momba ny andrim-panjakana ilaina ? Nametraka Antenimiera roa isika tao anatin’ny taona maromaro (depiote+Csr, depiote+senatera). Tena ilaina ve ireo roa ireo ? Misy moa no mangataka ny hanafoanana ny loholona ka hananganana ny Ces, Filankevitra ekonomika sy toekarena (moa tsy Conseil pour le redressement économique et social ve izany ?)
Isan’ny tena olana teto Madagasikara ny fifidianana. Ho afaka hanakana ny hala-bato sy fanodinana ny safidim-bahoaka ve ny Lalampanorenana vao harafitra ? Izany hoe tsy ho fahita intsony ny tsy miankina anio mpanohana ny fitondrana rehefa lany ! (famadiham-pitokisana izany raha ampitahaina amin’ny raharaham-barotra).
Fa tena ilaina ve ny Lalampanorenana ? Misy tokoa ny firenena miaina tsisy Lalampanorenana, tsy gisitra anefa izy. Mety ho sarotra alain-tahaka izy ireo. “Na tsara aza ny Lalampanorenana kanefa tsy hajaina dia tsy misy ilàna azy” hoy ity mpampianatra lalàna iray. Ny fampiharana ny Lalampanorenana no zava-dehibe ho azy. Voalaza, ohatra, fa tsy mahazo mampirafy andraikitra ny Filoham-pirenena dia tanterahina izany. Avahana ny andraikitry ny filoha amperinasa sy ny olompirenena manam-pahefana. Ny ohatra akaiky dia ny olompirenena iray milaza fa tsy kandidà ny tenany (na kandidà) dia tsy maintsy ivelan’ny lapam-panjakana sy ny tandindona milaza izany no hanaovany ny fanambarany. Efa naman’ny fampiasana ny fitaovam-panjakana (fahefana) ny fanambarana maha kandidà mandritra ny lanonana ofisialy iray. Tsy pitsompitsony izany fa mitory fahafehezana ny lalanan’ny demokrasia. Ilaina hatao toy ny mifoka rivotra ny miaina ny demokrasia. Tsy ho tafapetraka ao anatin’ny Lalampanorenana avokoa ny tian-kifehezana ny fiaraha-monina ary izay indrindra no maha lalàna fototra azy.
Santionany amin’ny olana mila vahana no notanisaina teo. Karazan-kevitra maro mila fitsilovana bebe kokoa mba tsy ho baomba milevina ny Lalampanorenan’ny Repoblika faha-4. Fotoana izao handravan’ny antoko politika ny andraikiny : mampianatra, manazava fa tsy hanohana kandidà (na tsy kandidà) fotsiny akory no asan’ny antoko politika eto Madagasikara. Tsarovy fa asa masina ny fanaovana politika