Mpandraharaha frantsay

Sahirana fa tsy krizy velively

Par Rabialahy Bernard le Alahady 23 mai 2010

Mahay mifanohana ny vahiny toy ny amin’ny hetsika Foire Internationale de Madagascar. Toa mpanjifa fotsiny ny malagasy !

Vitsy sisa tamingana vazaha (fotsy) hita eny amin’ny arabe tato ho ato. Krizy tanteraka ny fizahan-tany. Ny vazaha mpandraharaha kosa saika mbola monina eto ihany. Na dia maro aza ny mihevitra fa krizy ny aasa fandraharahan’izy ireo !

Naneritery ny asa fandraharahany iny fitondran’atoa Ravalomanana iny, raha ny resaky ny frantsay iray mpikira ny fanotana printy. Maro tamin’ireo asa nataony no nobakoavin’ny mpandraharaha hafa. Saingy azo lazaina mazava ankehitriny fa mbola mandeha tsara ny orinasany amin’izao fotoana izao. Misy avy any Sambava, Toliara, Toamasina sy Mahajanga ny mpampanao asa azy. Nambarany koa fa « tsy izaho no voa amin’ny raharaha toy ireny fa ianareo malagasy ihany ». Ny isan’ny mpiasa no nahenany avy hatrany. Ny mahavariana tamin’ny dinika nifanaovana taminy dia tsy mba nisy fotoana iray minitra nitarainany noho ny krizy malagasy amin’izao fotoana izao !
Ireo mpizaha tany sy mpandraharaha espaniôla sy italianina aloha hatreto no nisy namono raha tato anatin’izay heritaonan’ny krizy izay. Ny frantsay mbola milamina tsara na maro aza no milaza fa misy ny miventy fankahalana vazaha. Ezahan’ny frantsay aseho rahateo fa tena manampy ny malagasy izy hiala amin’izao krizy izao. Tsy ho tanisaina intsony ny asa nataon’atoa Allain Joyandet sy ny masoivoho. Nanolotra lahadinika handinihana ny fivoahana ny krizy ko aizy tamin’ny herinandron’ny Fiakaran’ny Tompo iny. Na krizy aza ny hafa, ireo foibe frantsay mbola miasa avokoa.
Ny malagasy mpiasan’ny orinasa afa-kaba no sahirana voalohany raha vao tapaka ny AGOA. Tsy nanaraka ny lalam-panorenana malagasy tsinona ny fiovam-pitondrana tamin’ny 17 marsa 2009. Tsy voan’ireny firy nyeorôpeanina, indrindra ny frantsay. Saika izy ireo manko no tena mpikendry ny tsena eorôpeanina. Ny fanidian’ny Vondrona Eorôpeanina ny varavarany no mety ho krizy ho azy ireo.
Ny sehatra ilomanosany
Frantsay no tena mpanodina ny vokatry ny fambolena sy fiompiana eto Madagasikara. Indrindra moa rehefa nitsah-niketrika ny Tiko. Amin’ny fitrandrahana litchi, frantsay no isan’ny mpanondrana goavana ao. Ny fanodranana zava-manitra sy menaka manitra, misy frantsay ao an-damosiny ao. Manao ny sinoa, mitrandraka ny karana saingy mbola isan’ny matanjaka na mody kimaosy aza ny frantsay.
Tao anatin’izao krizy izao koa no nampidiran’ny Telma sy Orange ny « câble sous marine » hanafainganany fifandraisan-davitra trandrahany. Euro sy Dollar an-tapitrisa tapitrisa maro ny saran’ireo. Frantsay avokoa na ny mpitantana an’ireo na ny manana petra-bola betsaka ao.
Fa ankoatra ireo dia ny sehatry ny solika no isan’ny nahomby indrindra tamin’izao krizy izao. Tsy nisy krizin-tsolika toy ny tamin’ny taona 2001 – 2002 mantsy tamin’ity. Ar 1990 ny litatry ny gazoil taloha kelin’ny krizy. Efa Ar2450 izy izao. Ny lasantsy aza efa Ar3000 latsaka Ar10. Mbola eorôpeanina avokoa no tompon’ireo orinasa mpitrandraka efatra. Frantsay ny roa farafaharatsiny.
Sahy misahirana sy mihoso-potaka ary mikiry mampiasa vola amina sehatra ambanian’ny malagasy ny frantsay sy ny eorôpeanina. Na ny karana sy sinoa koa aza. Mahay miray hina manao tamba-jotra izy ireo. Sahy mifampindrana vola sy mifanavotra raha tojo ny manahirana. Ny malagasy raha manam-bola, ny hividy « 4x4 sy Hummer » no mahamaika. Ny azy atontony any amin’ny fanitarana ny orinasany. Mampitombo ny vola miasa izy mandritra ny krizy mba ho sangany rehefa milamina ny tany.
Tsy milaza akory ity lahatsoratra ity fa nahazo tombontsoa tamin’izao krizy malagasy izao na ny Frantsay na ny eorôpeanina. Nefa kosa farafaharatsiny izy ireo tsy maty antoka velively.

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite