Arivonimamo, 16 Mey 2010

Manahy ny ho aviko aho

Par Rado le Alahady 23 mai 2010

Any ianao Ra-lakroa, Mianatra ao amin’ny sekolim-panjakana iray ao Arivonimamo ny tenako ary eo am-pamaranana fianarana ankehitriny

Niakatra teto Antananarivo niaraka tamin’ny namako maromaro aho mba hitsidika tranom-boky iray ao analakely ao ny herinandro lasa teo. Maro ireo olona mifamezivezy ao na mpianatra na efa mpiasa samy mitady izay mahasoa azy avokoa. Ny tena nahavariana ahy sy ireo namako dia ny nahita, na naheno ny marimarina kokoa ireto ankizy mpianatra hafa teo nifampiresaka. Mailaka sy malama ery ny fitenin’izy ireo teny frantsay. Na ny mpanontany na ny mpamaly moa va tsy ireny zana-bazaha ireny mihitsy? Tsy hoe akory tsy mahay teny vahiny ny mpianatra toa anay saingy azo lazaina ho tara mihitsy raha oharina amin’ireo eto an-drenivohitra. Asa na mitombina ny fitenenan’ny olona maro hoe ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana matetika manana olana amin’ny fomba fanoratra na fiteny ny teny vahiny. Anisan’ny fepetra takiana any anatin’ireny sehatr’asa maro isan-karazany ireny foana anefa ny fahaizana teny vahiny indrindra ny teny frantsay. Eto no mbola mampametra-panontaniana hoe na mitovy aza ny programam-pampianarana eto an-drenivohitra sy ny any ambanivohitra dia hita fa somary tara foana ireo ankizy avy lavitra. Mila hampitomboana ve ireo boky sy raki-tsoratra fankan-kevitra ho an’ireo mpianatra? Tsapa ankehitriny fa maniry hoatry ny anana ireny antsoina hoe cybercafe ireny  na any amin’ny faritra mihataka ny renivohitra aza. Indrisy anefa fa na natao ho fanovozam-pahalalàna aza izy ireny dia mbola tsy ampy hanatsarana ny fomba fanoratra sy fiteny ny teny vahiny ihany

Du même auteur

Manahy ny ho aviko aho

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite