Haïti, faha 15 mey 2010

Mijaly ireo sarambabem-bahoaka traboina

Par Lily Razafindralambo le Alahady 23 mai 2010

Miarahaba anao Ra-Lakroa. Mpamaky ny gazety lakroa aho fa saingy aty an-tany lavitra aty dia tsy mahita afa-tsy ny ato anaty Internet aloha

Dia amin’ny alalan’izany ihany koa no anarahanay ny vaovaom-pirenentsika amin’izay gazety hitanay ao. Koa mba mahatsiaro dia mampita vaovao fohy avy aty.
Mbola hisy fotoana hampitana vaovao lavalava kokoa, hatao karazan’ny “Dian’ny mpivahiny”, raha ekenao Ra-Lakroa, fa izao aloha dia ny toetr’andro manomboka manorana no hita aty. Mijaly ireo sarambabem-bahoaka traboina, noho ireny loza niarahan’izao tontolo izao nahafantatra ireny. Sarotra ny fanarenana, na dia maro aza ny fanampiana. Ny olona anefa tsy mety miverina na mijanona any ambanivohitra fa aleony ihany miakatra an-drenivohitra, toerana heveriny ho mora ahazoam-bola vetivety.
Trano lay no mameno ny tanàna, ao Port-au-Prince, ary efa marefo izy ireny noho io toetr’andro voalazako etsy ambony io. Dia mirohotra milahatra an-dalambe ny olona maneho ny tsy fahafaliany amin’ny mpitondra, izay lazain’izy ireo ho tsy mahavaha olana. Vita ny firohotana tamin’ny ampitson’ny loza, dia mangingina tsy re firy amin’ny tele sy radio maneran-tany intsony i Haïti. Mbola mijanona eo avokoa anefa ny fery sy ny ratra isan-karazany navelan’ny horohoron-tany.
Misy Malagasy miasa aty Haïti, ao ireo miasa amina Fikambanana iraisam-pirenena. Ao koa ireo avy amin’ny Pôlisim-pirenena miisa 12 (roa amin’izy ireo no vavy), ao anatin’ny miaramila misatro-manga an’ny Firenena Mikambana. Tsy dia mifankahita izahay ireo satria mifanalavitra ihany ny toerana misy anay.
Farany, mba maniry ny hahita ao amin’ny site-n’ny Lakroa, ireo laharana faramparany kokoa e!
Dia mametraka ny veloma mandra-panoratra aminao Ra-Lakroa.

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite