Fiainam-piangonana

Fantaro ireo teolojianina miara-miasa amin’ny Papa

Par Mamy Evariste Rakotondrazanany le Alahady 23 mai 2010

Ny sekretera jeneralin’ny Vaomiera iraisam-pirenen’ny teolojia, P. Charles Morerod, ao amin’ny trano famkiam-boky ao Vatikana

Tsy miasa irery ny Papa amin’ny fampianarana na asa soratra ataony. Manana ny antsoina hoe vondrona teolojika iraisam-pirenena (commission théologique internationale) ahitana teolojianina 30 izy miara-miasa aminy. Io vondrona io no toy ny fankan-kevitry ny Papa sy ny eveka amin’ny fanapahan-kevitra ara-teolojika raisiny.

Vondrona teolojika iraisam-pirenena
Fandrentsika matetika ny hoe    namoaka boky na ansiklika ny Ray masina ao Roma. Tokony tsaroana anefa fa misy vondrona teolojianina manoro hevitra ny Papa amin’ireny asa sorany ireny. Indray mandeha isan-taona no mivory ireo teolojianina ireo miaraka amin’ny Papa ary maharitra herinandro ny fivoriana. Avy amin’ny firenena 22 ireo teolojianina ireo ary anisan’izany i Sina, Nizeria, Filipina ary Congo. Tamin’ny voalohan’ny volana desambra 2009 ny fivoriana farany ary tao amin’ny efitranon’i Sainte-Marthe, toerana izay mifanakaiky amin’ny toerana hivorian’ny kardinaly rehefa hifidy ny Papa (conclave). I Charles Morerod izay mompera dominikanina soisa no sekretera jeneralin’ity fikambanana teolojika iraisam-pirenena ity ankehitriny. Izy no nisolo an’i kardinaly Georges Cottier izay mbola dominikanina avy any Soisa (1986-2004) sy i Monsenera Luis Francisco Ladaria Ferrer, izay zezoita espaniola (2008).
Mazava ho azy fa manana anjara toerana ao anatin’ny fivoriana ny Papa. Manafatra ny teolojianina ny Papa mba hanetry tena, mba ho toy ireny madinika indrindra ireny izay mikatsaka fahendrena, mba hanaiky ho tohinin’ny misiterin’Andriamanitra alohan’ny hanambarana azy amin’ny hafa. Indraindray mantsy dia lasa katrodoha sy adihevitra maina ny resaka teolojika ka tsy mitondra any amin’ny fihaonana amin’Andriamanitra velively.
Fifandraisan’ny teolojianina amin’ny eveka
Ny Papa Paoly faha-6 tamin’izy mbola arsevekan’i Milan no efa nanantitrantitra tamin’ny Papa Joany faha-23 ny mba handraisan’ny teolojianina anjara amin’ny konsily vatikana faha-II. Naniry fiaraha-miasa akaiky amin’ny eveka sy ny teolojianina izy. Nony tonga Papa izy dia nanorina ny sinodan’ny eveka miaraka amin’ny vondrona teolojika iraisam-pirenena tamin’ny 11 avrily 1969. Ny fankan-kevitra mitohy ara-teolojika no tanjon’ity fikambanana ity ary natao mba hanampy ny Papa na ny fikambanana miaro ny foto-pampianarana momba ny finoana (congrégation pour la doctrine de la foi). Miezaka izahay handinika akaiky sy am-pitandremana tsara ireo foto-pampianarana ara-pinoana hoy i Mompera Morerod. Manampy ny Ray masina sy ny vondrona miaro ny foto-pampianarana ara-pinoana tarihin’i Kardinaly amerikanina Joseph Levada izay sady filoha momba ny lalàna ireto teolojianina ireto ao Vatikana. Mahakasika ny fandinihana ny anjara toerana sy ny fanontaniana momba ny finoana izany fanampiana izany.
Voafaritra mazava tsara ny foto-kevitra ho dinihana ao amin’izany vondrona izany izay avy amin’ny Papa na koa noho ny fangatahan’ny vondrona miaro ny foto-pampianarana ara-pinoana. Ny Papa Joany Paoly faha-2 ohatra no nanan-kevitra momba ilay rakitsoratra mitondra ny lohateny hoe A la recherche d’une éthique universelle mitondra fijery vaovao momba ny lalàn’ny natiora. Saingy ny teolojianina kosa no nanazava bebe kokoa izay tian’ny Papa nolazaina.
Firafitry ny vondrona teolojika
Efa manodidina ny 24 ireo raki-tsoratra navoakan’ity vondrona ity hatramin’ny nitsanganany tamin’ny taona 1969 (Mémoire et réconciliation: l’Eglise et les fautes du passé [2000], De la diaconie du Christ au diaconat des apôtres [2003], Communion et service: l’homme crée à l’image de Dieu [2004], L’espoir de salut pour les enfants morts sans être baptisés [2007]). Tsara marihina anefa fa tsy azo lazaina hoe fotom-pampianaran’ny fiangonana ny rijan-kevitra avoakan’ity vondrona teolojika ity. Vondrona mahaleo tena fotsiny izy ary vondrona fankan-kevitra.
Roa no vehivavy mpikambana ao aminy nanomboka ny volana marsa 2004 noho ny fahaizan’izy ireo manokana. I masera Sara Butler, relijiozy vavy amerikana no mpikambana miandraikitra ny fifanakalozan-kevitra katôlika-Anglikanina. Barbara Hallensleben kosa, lahika avy any alemana no manam-pahaizana manokana momba ny fiangonana tatsinanana (orthodoxie). Mpampianatra teolojia sy ekiominisma ao amin’ny sampana teolojia ao Fribourg ao Soisa izy. Somary tojo olana kely anefa ny vondrona tamin’ny volana septambra 2009 vokatry ny fametraham-pialan’i mopera Michael Schulz amin’ny maha-pretra azy noho ny antony manokana. Mpampianatra teolojia tao Bonn i mopera Schulz. Telo volana monja  no niasany tao anatin’ny vondrona teolojika taorian’ny fanendrena azy.
Betsaka ny fandraisana anjaran’ity vondrona ity amin’ny lafiny teolojika. Tsy hoe fanangonana ireo foto-pampianaran’ny fiangonana no ataon’ity vondrona teolojika ity fa tena manao fikarohana teolojia vaovao mihitsy. Matetika noho izany ahitana fifanoherana eo amin’ny adihevitra teolojika vokatry ny fahasamihafana.
Tsetsatsetsa tsy aritra
Tsy hoe zavatra tsy mihetsika akory ny teolojia fa mivoatra manaraka ny tantara sy ny toetrandro. Nefa koa tsy mivaona amin’ny fanambarana fototra (révélation fondamentale) voarakitra ao amin’ny testamenta vaovao. Teo amin’ny tantaran’ny fiangonana dia tsy mora ny fifandraisan’ny teolojianina sy ny eveka. Ekena fa nisy ny teolojianina nanao fampianaran-diso. Nisy koa anefa ireo teolojianina toa an’i Teilhard de Chardin nitondra fampianarana vaovao momba ny finoana sy ny siansa kanefa nampanginina. Aty aoriana nekena ihany ny fampianarany.
Ilaina mandrakariva ny firindran’ny asan’ny teolojianina sy ny foto-pampianaran’ny fiangonana. Matetika mantsy dia toy ny argument d’autorité no mamaritra ny fahamarinana teolojika fa tsy ny fikarohana teolojika voaporofo amin’ny fanambaran’Andriamanitra sy ny tantaran’ny lovantsofina. Manana anjara toerana ao amin’ny fiainan’ny fiangonana iray manontolo ny hevitry ny teolojianina na dia vondrona fakan-kevitra ihany aza ka tokony tsy ho tsinontsinoavina

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite