Vatikana sy ny Ekar eto Madagasikara
Tonga ny Nonce Apostolique vaovao
Par R. Herménégilde le Alahady 23 mai 2010
Tonga eto Madagasikara tamin’ny 6 mey teo ny Nonce Apostolique vaovao mandimby ny teo aloha izay voatendry any Nizeria. Ny tsara ho fantatra momba ity solontenan’ny Papa eto Madagasikara ity.
Monsenera Eugène Martin Nugent. Izy no notendren’ny Papa Benoît XVI ho solontenan’ny Papa (Nonce Apostolique) miasa eto Madagasikara tamin’ny 15 fevrie 2010. Delege apostolika misahana ihany koa ny ao Comores sy La Réunion izy. Mandimby an’i Mgr Augustine Kasujja Nonce Apostolique teto ny 2 avrily 2004 ka hatramin’ny 2 fevrie 2010. Teratany irlandey Mgr Eugène Martin Nugent, teraka tamin’ny 1958. Nohamasinina ho pretra tamin’ny taona 1983. Manampahaizana momba ny “Droit canonique”. Nisahana asa momba ny diplaomasia tao Vatikana tamin’ny taona 1992 ary efa niasa tany Torkia, Jerosalema ary Filipinina.
Nitsena azy teo ampahatongavana teny Ivato Antananarivo ireo solontenan’ny rafitry ny fiangonana katolika eto Madagasikara tamin’ny 6 mey 2010.
Tsiahivina fa ny Nonce Apostolique dia eveka tendren’ny Papa ho masoivohony (ambasadaoro) amin’ny toerana iray. Araka ny fifanarahana iraisam-pirenena tany Vienne, dia izy no mitàna ny toeran’ny zokiolona eo anivon’ireo ambasadaoro ao amin’ilay firenena hanendrena azy. Hitantsika izany, ohatra, tamin’ny dinika samihafa notarihin’i Mgr Augustine Kasujja tamin’ny fanelanelanana teo amin’ireo ankolafin-kery politika teto amin’ny firenena.
Ny Nonce no mampifandray ny eveka sy ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara amin’i Roma.
Maro ny asa sahanin’ny solontenan’ny Papa. Vao tonga izy dia efa nandray ireo eveka miasa eto Madagasikara ary niatrika ny raharaha samihafa. Nanatrika ny fanamasinana ho eveka vaovao an’i mompera Marie Fabien Raharilamboniaina tany Morondava izy ny alahady 16 mey. Lasa nisotro ronono manko i Mgr Donald Joseph Léo Pelletier dimbiasany. Antenaina fa hampiroborobo ny Fiangonana eto Madagasikara ny fiaraha-miasa amin’i Mgr Eugène Martin Nugent, hanamafy ny fifankatiavana eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, hitondra ny famonjen’i Jesoa Kristy.