Fianarantsoa - Fonjan’Ankazondrana
Toeram-panarenana, ainga vaovao
Par Myriam le Alahady 23 mai 2010
“Asan’ny pénitentiaire halan’ny olona fa tianay”, teny naverimberin’dRtoa Ranoromanampisoa Hanitrininosy, talem-paritra vaovao ao Fianarantsoa raha nitokana ara-pomba ofisialy ny biraon’ny fitantana ny fonja ao Ankazondrano. Fomba fiasa vaovao no nivoitra na tamin’ny kabary na tamin’ny adi-hevitra. Ny asa atao no ifampitsarana.
Mbola tsy tsapan’ny olona ny lanjan’ny asan’ny mpandraharahan’ny fonja. Zary fanomezan-tsiny lava sy fijery vilana no hita manoloana izany. Ny manan-kavana voafonja no tena manome tsiny, toa izany koa ireo voafonja. Misy ny fanantenana mitsilopy amin’ny fanavaozana ny tontolon’ny fonja raha tarafina amin’ny zava-nisy tao Fianarantsoa. Efa manana trano manara-penitra natokana ho an’ny fitantanana. Voalaza fa volan’ny fanjakana madiodio, ariary 229 tapitrisa, no nanaovana ny trano. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny delegasiona notarihan-dRamatoa minisitra ny Fitsarana, Christine Razanamahasoa Rakotozafy, ny Tale jeneralin’ny fonja Tovonjanahary Ranaivo Andriamaroahina, ny Filoha lefitry ny Hat, sy ireo tompon’andraiki-panjakana eto an-toerana. Hatramin’ny diabe (carnaval) avy no nanehoana ny fanovana tian-katao amin’ireny tranon’ny “gadra” ireny. Fomba fiasa, fomba fiteny ary fomba fanao no mila fanovana raha tiana ho tanteraka ny fanovana ny fonja. Nomarihana manokana tamin’ny fanomezana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiasa tranainy nahavita be tamin’ity sehatra ity. Nilahatra nanao jery atrika ireo mpiofana ho officiers na agents penitantiaires. Hanabe voho ny mpikarakara ny voafonja izany ireo anisan’ny fanovana. Ny fanovana ny fomba fiasa no zava-dehibe. Nisongadina izany tamin’ny kabarin’ny Minisitra ny fitsarana : “mba tsy hahenoana taraina firy intsony, tandremana ny fanajana ny fitsipi-pitondrana ‘code de déontologie’, tsy ahenoana ny fandoavana ekolazy, haneho fahamarinana, fanajana ny zo maha olona. “Matoky anareo aho.”
Valan-dresaka
Sambany teo amin’ny tantaran’ny fonja no nisy adi-hevitra mahakasika ny tontolon’ny fonja. Nanazava ny andraikitra sy ny halehiben’ny fitantanana ny fonja ny mpitantana vaovao izay nomena mari-boninahitra. Nojerena ny lesoka mila harenina amin’ny lafiny maro. Voateny manokana ireo mpanao gazety an-tsoratra izay mampivandravandra ny lohateny ao amin’ny takila voalohany: “misy gadra 16 nandositra”, kanefa iray no lasa. Mila fandanjalanjana ny fikirakirana vaovao noho ny maha mpanabe azy ireo. Sanatria tsy ny hivarotana ny gazety fotsiny no tanjona. Tokony hitady vaovao marina sy mazava ireo mpanao gazety. Nisy ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny herin’ny vavaka. “Raha tafiditra ao am-ponja ny olona iray dia na izy marary na maty afaka herinandro, raha tsy mitodika amin’Andriamanitra. Izy no nanavotra ahy ary nahatonga ahy ho toy izao”, hoy ny kolonely Alfred Rakotomaronirina. Efa nivoaka ny fonja izy ary manao asa soa ho an’ireo voafonja any Tsiafahy. Mitaky ny famerenana ny ACP (Aumônerie catholique des prisons) ao Tsiafahy moa ny tenany ary nanatsidika ny resaka “remise de peine”, anisan’ny antoky ny fandriampahalemana any amin’ny fonja. Ny ara-panahy no vaha olana amin-javatra maro. Raha tiana ho tonombana ny fanabeazana dia tokony tsy sarahana ny vatana sy saina ary fanahy. Na tsy nahita ny tany “ambonin’ny tany” tokoa aza ireo voafonja ao Ankazondrano dia nahazo tombontsoa manokana. Tsy ny nofon-kena mitam-pihavanana ihany fa tao koa ny fizarana akanjo sy vary, indrindra ho an’ireo tsy mba manana mpamangy (150 lahy). « Tena maika koa ny fanafainganana ny fitsarana,” hoy i Soeur Paul, éducatrice et visiteuse des prisons eto Madagasikara. Nanamarika ny voafonja sasany fa « ny vatana sisa gadra fa ny saina efa malalaka ». Anisan’ny mahatsara ny fifandraisana ny fifankazahoan’ny mpifehy sy ny fehezina. Hatsaraina ihany koa ny toerana sasantsasany ao anatiny noho ny fikambanana ACDM mahony hatrany ny ECAR.
Misongadina ny fitomboan’ny « camp pénal ». Nisokatra efa ho iray volana izay ny ao Antsahamasina, fotodrafitr’asa tanatanan-dry mompera Trinitaires. Olona efa voatsara avokoa ireo 19 lahy miara-monina sy miompy ary mamboly hanampiana ny ao Ankazondrano. Miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Tokony ho tsaraina avokoa ny voapanga alohan’ny fanagadrana mba hitandrovana ny zon’olombelona sy ny fitsipika mifehy ny voafonja. Tokony atokan-toerana ireo MD (mandat de dépôt) mba tsy handray lesona ao amin’ireo rain-dahany. Ny tompon-keloka no tokony saziana fa tsy ny madinika sy ireo tsy manam- piaro izay voatery mizaka ny sazy. Mirary fahombiazana ho an’ity sampan-draharaha mikendry ny fanovana ity