Sombin-tantara

Adala sitrana

Par Arikaomisa Randria le Alahady 23 mai 2010

Fizarana 48

Ny fiaretan-tory isak’alina, ny fibobohana toaka isan’andro, ny fifohana sigara miampy zava-mahadomelina dia namparefo tsikelikely ny fahasalaman’i Mavo ara-batana sy ara-tsaina.
Tsy ara-dalàna intsony ny fahasalamany kanefa tsy afaka nitsabo tena akory izy, ary tsy maintsy “miasa” isak’alina satria tsy misy olona afaka hanampy azy intsony.
Indray alina anefa dia tsy tantin’ny herim-batany intsony ny zavatra nianjady taminy ka torana tsy nahatsiaro tena izy. Ireo zazavavin’ny alina namany no nanatitra azy teny amin’ny hôpitaly.
Nijanona telo andro teny izy. Tsy nisy mpamangy, tsy nisy mpanati-tsakafo!...
Na dia tsy mbola salama tsara akory aza izy dia efa navoakan’ny hôpitaly. Tanam-polo no netiny nivoaka ny hôpitaly. Tsy nanana afa-tsy izay teny an-kodiny izy, ary na iraimbilanja aza tsy nisy tany am-paosiny. Tsy nahita izay trano hisitrihany akory koa izy kanefa tena mbola mila fialan-tsasatra ny tenany.
Fanina indray izy!... Fanin’ny aretina sy ny adin-tsaina ary ny hanohanana!...
Efa niha-hariva ny andro tamin’izay!... Tsy nahita toerana haleha afa-tsy ny teny Tsaralalàna izy!... Io no toerana fantany sy hainy tsianjery!... Io koa ny toerana fitobian’ireo namany raha vao manomboka milatsaka ny haizina!... Nankeny izy, saingy tsy afaka “hiasa” toy ny nahazatra azy hatramin’izay satria mbola marefo loatra!
Nanatona an’ireo namany ihany izy, nangataka vola kely mba hamidy sakafo satria efa noana loatra.
- Aiza no hisy vola homena an-dRanona fotsiny eo fa mba miasà raha te-hahazo vola. Samy mivaro-tena izao vao mahita hohanina !...
Tahaka izany no valin-teny azony ombieny ombieny!... Nihatakatahan’ireo namany izy fa “manimba tsena”, hono!
Kivy tanteraka i Mavo!... Tapi-dalan-kaleha izy!... Nipetraka teo amoron-dalana izy fa tsy nanan-kery handehanana intsony!... Nihovitrovitry ny hatsiaka irery teo izy nandritra ny ora maro. Toa tsy nisy nahatsikaritra azy akory izay sendra nandalo!...
Resin-tory ihany izy nony nadiva haraina!... Tsy fantany na tena natory tokoa anefa izy na torana indray. Efa nanomboka nangiran-dratsy ny andro vao taitra izy!...
Gaga izy fa nisy tovolahy iray nipetraka teo anilany. Nijery azy ilay tovolahy!... Toa nandinika mihitsy. Nijery azy koa i Mavo!... Toa endrika tsy dia manavao azy no hitany. Namerina ny fitadidiany izy, saingy nanjavozavo tanteraka ny fahatsiarovany.
- Fa... iza ianao? hoy ny feony iva dia iva.
- I Mavo ve ianao? hoy kosa ilay tovolahy nanontany azy.
- Fa ahoana no nahafantaranao ny anarako? hoy i Mavo.
- Tena i Mavo tokoa!... Tsy nampoiziko!... hoy ilay tovolahy gaga.
(hitohy)

Du même auteur

Adala sitrana

Adala sitrana

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite