Kolom-piainana

Voninkazo, vavaka ho an’ny fiadanana !

Par R. Dafy Antonio le Alahady 23 mai 2010

Maro amin’ny zaza malagasy no tsy mbola afaka nanome voninkazo ny reniny teo amin’ny fiainany. Na dia ho aza i Kristy hoe : “iza aminareo reny , na dia ratsy aza no hanome bibilava ny zanany ! Ary ny nomeko ny tany-reniko ? (sary Willy)

« Krizy izao ramose ny varotra voninkazo a ! », hoy ity mpivarotra sy mpampanofa voninkazo. An’aliny sy ana hetsiny avokoa anefa ny vidin’ny voninkazo amin’izany. Mety hanova an’izany ve ny fetin’ny reny ?

Mariazy sy fahafatesana no tena antony ividian’ny sarambabeny voninkazo ankehitriny. Ny fandravahana ny fiangonana isan’alahady no mameno an’ireo. Miha kely mavesa-danja toa volamena ihany koa izy ankehitriny. Ny voninkazo « Antorium » mbamin’ny « orchidées » no tena isan’ny lafo vidy indrindra. « Mila fikarakarana manokana mantsy ireny », hoy ity ramatoa mpikarakara voninkazo iray. « Ny orchidée ohatra dia telo taona vao mamelana. Ny sasany enim-bolana na an-taonany koa ».
Fidiram-bola azo antoka ihany koa ny mampanofa voninkazo. Ar3000, ohatra ireny mandady ireny. Ny iray andro io. An’aliny kosa ny antorium sy ny orchidées. Mila mahay mikaroka tsena kosa aloha mialoha an’izany. Mila mifandray amin’ny hafa. Sokajy hafa mihitsy indray ireny voninkazo atambatambatra ireny. Misy indray koa ny voninkazo avy amina ravina maina samihafa : volon-katsaka, apanga, bozaka sy felana samihafa. Ho an’ny sehatra avo lenta izay.
Kolom-piainana ny fitiavana voninkazo amin’ny ankapobeny. Misy ihany ny mitia azy satria mampidi-bola. Fanabeazana saina hanadino ny asa andavanandro izy. Ao koa no fanovozana hery hisainana ny olam-piainana samihafa. Tontolo maty mantsy no iainana ao am-piasana : seza, ordinatera, plastika, vy sy vato, … tontolo « mekanika ». Mba mihaona amina tontolo velona indray avy eo. Maro mihitsy ny mahavita miresaka amin’ny voninkazo karakarainy.
Voninkazo … classe !
Fanehoana saranga koa ny voninkazo ho an’ny malagasy sasany. Toy ny fiompiana alika ao ihany izy io. Raha alika gasy dia eny ivelany no omen-kanina. Dakana aza indraindray. Tsy mahazo miditra an-trano satria … alika « gasy » !. Raha « alika madinika » kosa, « chiwawa », ohatra na « coton de Tuléar » na karazandrazany fotsiny dia efa mahazo miditra an-trano izay. Efa manana dikany manokana ny fananana voninkazo na alika « mihaja » ao an-trano ho an’ny malagasy. « Olo-mihaja ireny ! ». Na ny fiantsoana azy aza hafa mihitsy. Tsy antsoina amin’ny anarany fa « ramose ranona » na « madama be ». Na somary takona aza izy tato ho ato izay dia mbola mipetraka foana ny hoe : midika fananan-karena ny fananana zaridainam-boninkazo tsara tarehy.
Fiadanana. Fitiavana. Famindram-po ihany koa no ambaran’ny voninkazo. Hafaliana sy fandresena ihany koa no ambarany. Vitsy ny nahamarika fa nanezaka nanamboatra ny zaridaina tao Antananarivo ny fitondrana tetezamita mba hanadinoan’ny malagasy ny krizy iainany rehefa mba mandalo an’Analakely izy. Ary rehefa misy ny mitokona dia ireny sy ny endrika ivelan’ny tanàna no ravainy. Mora tsapa amin’izay fa mikorontana marina tokoa ny firenena.
« Aleon’ny olona ankehitriny manome zavatra mivaingana toy ny ranomanitra, firavaka … rehefa amin’ny fetin’ny reny », hoy ihany ilay mpivarotra voninkazo. Mirohotra manatitra voninkazo sy mandrehitra jiro ny olona any an-dafy any rehefa misy olo-malazan’ny fireneny nandao azy. I Pologne no farany niaina izany tamin’ny fahafatesan’ny filohany tamina fiaramanidina nidoboka. Teo koa ry Michaël Jackson, ny papa Joany Paoly II. Raha mety halaina ny malagasy amin’ny fetin’ny reny, nahoana raha entanina amin’ny faha 50 taonan’ny fahaleovan-tena. Sa santaria hisy hamotika toy ny tamin’ny 29 marsa 2010 teo. Tsy ho hita eo ve izay reraka voalohany !

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite