Baolina kitra - Faritra Atsimo Andrefana
Soatoavina ny kianja maître Kira ao Andaboly
Par Donnah Rarivo le Alahady 23 mai 2010
Efa nisongadina tamin’ny kitra sahady i maître Kira raha mbola mpianatry tao amin-dry frera Sacré Coeur, Toliary. Nandalo vanim-potoana maro izy vao nisalotra izany anarana izany. Tafa nifanaovana taminy.
Lakroan’i Magasikara(Lk): Kalaza tamin’ny kitra ianao maître. Inona no nahatonga ny fahombiazana?
Maître Kira (MK): Tsy nisaraka tamin’ny baolina tenisy aho na handeha hianatra aza fony fahazaza. Tiako ny baolina kitra. Fakan-tahaka ho anay tamin’izany ny mpanjaka Pelé.
Lk: Iza ny klioba nilalaovanao voalohany ?
MK: Ny klioban’ny Paositra no nikitika ahy voalohany hilalao ao aminy. Tsy nanaiky anefa ny fianakaviana fa tsy maintsy milalao ao amin’ny kartie misy anay aho aloha. Sport Olympique de Besakoa no anarany. Saika mpihavana daholo izahay no mpiray tanàna tao Besakoa. Nalain’ny klioban’ny Paositra ihany moa aho taty afara.
Lk: Afaka niaraka ve ny fianarana sy ny spaoro tamin’izany ?
MK: Ny klioba no niantoka ny fianarako tao amin’ny “sacré coeur”.
Lk: Inona no vokatra nisongadina azonao tao amin’io klioba io?
MK: Teo amin’ny faha 17 taonako aho no nantsoina handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy.
Lk: Azonao ambara indray ve mikasika ny klioban’ny corps enseignant nampalaza anao?
MK: Tamin’ny taona 1968 aho no nifindra tao amin’io klioba io. Hiraisan’ny mpianatra sy ny mpampianatra. Maro ny taranja manavanana ahy fa safidiko hatramin’ny farany ny kitra. Folo taona tao amin’ny Corps enseignant aho. Intelo tompondakan’i Madagasikara izahay. 15 taona aho no kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy.
Lk: Inona izany taranja hafa voafehin’i maître izany ?
MK: Efa nilalao volley aho. Matetika nifanandrina tamin’ny ekipan-dry frera Jeunesse Sportive d’Ambatonilita (Jsa) tao Antananarivo izahay ekipan-dry frera Sacré Coeur Toliary.
Lk: Inona no nofinofinao tamin’ny mbola kely teo amin’ny sehatry ny asa?
MK: Raha nijanona miaramila aho efa lasa jeneraly angamba, asa ? Efa niofana tao Antsirabe izahay.
Lk: Nanao ahoana ny famonjena lalao tao Mahamasina taloha?
MK: Raha tena haingana, efatra andro eny an-dàlana vao tonga any Antananarivo. Fony tsy mbola vita ny làlana. Miala herinandro mialoha e!.
Lk: Fahombiazana no hita teo amin’ny klioba nisy anao. Iza no mpanazatranareo tamin’izany?
MK: Tsy nanana mpanazatra izahay. Rehefa tsy manao fanazaran-tena dia tsy mahazo miakatra kianja. Nisy fitsipika anatiny nifampifehezana teo aminay samy mpilalao.
Lk: Iza ny klioba noheverin’ i Maître fa mafy ny nifandona taminy?
MK: Ny Fortior Club de la Côte Ouest (Mahajanga) sy ny klioban’ny Md Misely (Antananarivo) no tena natahoranay tamin’izany. Nandreraka ny famezivezeny baolina. Nahay ireo klioba ireo ary nidera azy ireo aho.
LK: Inona ny fidiram-bolan’ny klioba Corps Enseignant tamin’izany ?
MK: Misy fikarakarana ny sosialy tao amin’ny Corps Enseignant. Latsakemboka no noveloman’ny klioba sy nividianana fitaovana. Ohatra, ny mpilalao nandoa ariary dimy isam-bolana.
Lk: Misy mpandimby ve i Maître?
MK: Tsy manana homena ny taranako aho. Ny fianarana no lova tsara indrindra. Antitra aho ity, tsy misy mijery. Tsy tokony atao asa ny baolina kitra eto amintsika. Aleo hianatra ny ankizy. Ndao mianatra!
LK: Ho soloina bozaka “synthétique” ny ao amin’ny kianjan’Andaboly. Ahoana ny hevitrao?
MK: Andaboly ? Vola be no nentina nanamboatra io kianja io. Ny tany eto Toliara renivohitra mbola betsaka no malalaka. Tsy ampy rahateo ny fotodrafitrasa eto. Mety angamba raha mamorona kianja vaovao. Mipetraka ho soatoavina ho anay ny kianjan’Andaboly.
Lk: Maniry hilatsaka ho filohan’ny federasiona ny kitra ve i maître any aoriana?
MK: Nilatsaka ho filohan’ny ligy teto Toliary aho fa tsy lany. Dia tsy haiko ny tohiny.
Lk: Ahoana ny hevitrao mikasika ny kitra eto amintsika ankehitriny?
MK: Latsaka ambany ny kitra malgasy. Tokony hazava ny politika entina hampandrosoana ny spaoro eto Madagasikara. Asio “école de football” isaky ny kaominina e! Anjaran’ny fanjakana izany.