Fitrandrahana solika

Misy zavatra azo ovaina raha tiana ny hahazoana tombony

Par Ranaivo Jacques le Alahady 23 mai 2010

Rtoa Rasolovoahangy Emma sy ny mpiara-miasa aminy samy resy lahatra fa tokony hitondra soa aho an’ny Malagasy ny fitrandrahana solika fa misy ezaka hatao. (Sary Willy)

Misy tokoa ny solika eto Madagasikara. Efa tsy ho ela ny vokatra voalohany. Manomboka tsikelikely ny fampahafantarana izany. Ilaina mipaka amin’ny vahoaka ny fanentanana, ny fampahafantarana ny loza sy ny tombontsoa mety ho azo.

Tanora. Isan’ny nandray anjara tamin’ny atrikasa “Journée technique du pétrole amont de Madagascar” natao ny 5 mey 2010 teo ny tenany. Vehivavy tanora no mpitantana-mpanorina ny orinasa Petromad. “Heveriko fa tokony hahazo tombontsoa amin’izao fisian’ny pétrole eto Madagasikara izao ny Malagasy sy ny firenena iray manontolo” hoy Rasolovoahangy Emma izay manana mari-pahaizana Ph.D amin’ny Géophysique tany Etazonia. Saingy…
Mihevitra ny tenany fa mbola tsy vonona i Madagasikara raha ny fahitany ny zava-misy sy izay niainany. “Hafarako avy any ivelany avokoa izay ilaiko rehetra amin’ny asako. Miainga amin’ity computer ity (manondo ilay solosaina izy) ka hatramin’ny fitaovana lehibe fandavahana. Tahaka izany koa ny manam-pahaizana” hoy ity mpandraharaha ity. Nolazaina fa ny ankamaroan’ny orinasa miasa eo amin’ny fikarohana solika eto Madagasikara dia voatery manafatra ireo manam-pahaizana avy any ivelany. “Karamaina hatramin’ny 1 000 dolara isan’andro ny injeniera iray” hoy ity mpandraharaha ity. Mahatratra 2 000 000 ariary isan’andro izany ny karama. Izany hoe karama herintaona ho an’ny mpiasa sasany no raisin’ny vahiny anatin’ny andro iray !
Misy 24 ny fifanarahana ankatoavin’ny fanjakana hatramin’izao. Azo antsaina amin’izany ny vola mandalo fotsiny eo ambany mason’ny manam-pahaizana malagasy. (Ndeha hatao hoe samy mampiasa olona 10 avy ireo fifanarahana ireo ka io no karama ahazoana 10x2 000 000x24 manome 480 000 000 ariary isan’andro no tsy azon’ny malagasy, lasan’ny vahiny).
“Mila entanina ny mpianatra malagasy hahalala ny momba ny asa misy eo amin’ny tontolon’ny pétrole” hoy Rasolovoahangy. Nilaza izy fa hanentana ireo mpianatra eny amin’ny oniversite. Nanentana an’ireo mpianatra eny amin’ny Polytechnique Vontovorona tokoa ny tenany ny 6 mey teo. Nilaza izy fa vonona ny hanome fampianarana maimaim-poana hanampiana ny tanora. Marihina fa vola mitentina 20 hatramin’ny 25 tapitrisa dolara (500 miliara ariary) no natokan-dRtoa Rasolovoahangy hanaovana ny asa fikarohana. Nahazo alalana hanao ny fikarohana ny Petromad tamin’ny tolo-bidy natao tamin’ny taona 2006. Tsiahivina fa maharitra 8 taona eo ho eo ny fotoana hanaovana ny fikarohana (exploration). Marihina ihany koa fa tsy dia mampiasa olona firy ny fikarohana fa fitaovana no tena betsaka ilaina araka ny fanazavana azo. Nambarany fa misy ovaina haingana eto raha tiana hahazo tombontsoa i Madagasikara sy ny Malagasy.
Fampahafantarana
Isan’ny nandray anjara tamin’ny atrikasa natao ny 5 mey io ny avy amin’ny antoko maitso. Miombon-kevitra amin’ity mpandraharaha ity ny filohan’ity antoko ity. “Ilaina ny mampahafantatra ny Malagasy rehetra ny tontolon’ny solika” hoy ity mpiaro ny tontolo iainana ity. Nanasa manam-pahaizana avy any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Kongô ny tenany. “Avo lenta ny fanazavana natao teto. Ilaina. Misy kosa ezaka tsy maintsy hatao mitodika amin’ny olom-pirenena rehetra” hoy izy. Pétrole no voatonina fa tsy pétrole ihany no ao fa eo ny entona (gaz). Raha pétrole aza dia misy karazany roa: ao ny mavesatra (huile lourde) ary ao ny maivana. Tsy mitovy ny vokatra ateraky ny fitrandrahana azy ireo eo amin’ny tontolo iainana. Miankina amin’izay akora nomen-janahary izany. Manimba kokoa ny fitrandrahana ny bitume (huile lourde).
Manaraka izany tontolo mitaky volabe ny fitrandrahana solika. Maro amin’ny firenena madinika mety ahitana solika no tsy manana ny vola ilaina. Mazava loatra fa tsy maintsy vola vahiny no ho tonga eo. Vola madio ve ? “Sao mba trosa vaovao ireny… ?!” hoy ny mpanao politika iray. “Rehefa be loatra ny vola entin’ny vahiny dia lasa manapatra fahefana izy ireo. Ohatra ny hita tany aminay any Kongô. Miasa any ny Sinoa. Vetivety eo hatrany amin’ny mpaninjara entana eo amin’ny faritry misy ilay toerana iasan’ny sinoa dia sinoa koa ny mpaninjara” hoy Atundu. Ry zareo sinoa izany no mahazo tombony betsaka. Tsiahivina fa efa naseho teto (jereo Lakroa 16 mey, tak. 7 ny momba ny Syndrome hollandais, aretina nateraky ny fahazoana harembe tampoka eo amin’ny firenena iray).
Isan’ny olana mipetraka amin’ny fikarohana ny solika ny fanimbana ny tontolo iainana. Misy izao ny fikarohana tontosaina any Marovoay (ao Andranofasika). Fantatra anefa fa sompitr’i Madagasikara i Marovoay. Hanao ahoana ny fiantefan’ny fikarohana eo amin’ny fambolem-bary ? Efa eo ny fikaohan’ny natiora ny (érosion) tany any amin’ny faritra iny. Mbola ho avy koa ny fandavahana. Mahatsapa izany ve ny Fanjakana ? Sa atakalo solika ny fambolem-bary ?
Tontolo vaovao ny fitrandrahana solika. Mila fampahafantarana. Inona ny brut ? Brent ? Inona no mahasoa ary ny tokony ho tandremana ? Moa tsy tokony hisy kaonty mazava handrotsahana izay tombony azon’ny firenena ao ? Tokony ho ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana no hanaovana ny fandaharana mitohy manazava sy mamaha ny fanontaniana rehetra. Ilaina maika izany

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite