Kolom-piainana katolika

« Jesoa ô, ataovy mahazo vola dadanay »

Par R. Dafy Antonio le Alahady 21 Marsa 2010

Ry mompera sy ry masera mban’ny “vazaha” sisa angamba rototra amin’ny toy izao. Mbola hitombo ny toy izao raha samy hanao izay tiany !

Tovolahy katolika no nikabary nisolo tena ny tanora tamin’ny « Teny ifampierana ». Lehilahy katolika no nitantana ny dinika avy eo, toy izany koa ny mpitarika ny mpitantsoratra. Saingy toa tsy andrenesana ranombavaka ho an’ny tanindrazana na ho an’ny mpitondra intsony ny alahady.

«Ny katolika no isan’ny nahazoana izao tetezamita izao », hoy ny tsaho mandeha. Tsaho fa tsy lainga akory satria ny tsaho dia vaovao « tsy ofisialy » fa tsy hoe « tsy marina » velively akory. Tsy misy sahy manamafy ny fahamarinan’izany hatreto. Nivandravandra kosa fa na andraikitra sy fahaizana aza no nifidianana an’ireo « nitantana » ny atrikasa ‘Teny ifampierana » dia mazava fa katolika ny ankamaroan’izy ireo. Tsy mahamenatra izany. Mampanontany tena momba ny misy any am-piangonana kosa.

Izay ranombavaka voasoratra anaty boky sisa tena ventesin’ny kristianina. Boky efa 30 taona mahery izay no namitana azy. Izay no misy amina distrika iray lalovan’ny lalam-pirenena voalohany iny. Mamorona tonom-bavaka ihany ny kristianina rehefa fetin’ny faritra na fikambanana masina. Tsy misy kosa sahy mamorona vavaka ho an’ny tanindrazana. Raha sendra misy dia ny efa voasoratra ao anaty boky izay.

Mainka mbola lavitra an’izany ny vavaka ho an’ny mpitondra. « Iza no heverin’ialahy hivavaka ho an’i Andry Rajoelina », hoy ny tovolahy iray nahitsy raha mba niresahana an’izany. Aminy manko dia ny filoham-pirenena sy ny minisitra no atao hoe mpitondra. Sa tokoa mety mampiahotra ny hoe hivavaka ho an’ny filoham-pokontaniko aho !

« Jesoa ô ! mba ataovy salama i dadanay ! Ataovy salama i zandrinay ! », hoy ny vavak’ireto mpianakavy kely ao Antananarivo ao. Tsy hadinon’izy ireo io tonom-bavaka fohy io mialoha ny sakafo maraina. « Tsy nozarina nivavaka ho an’ny olom-patany ny katolika malagasy », hoy ny pretra iray miasa ao Fianarantsoa ao. Efa fandre sy fahita ny fiangonana miarahaba ny filoha sy biraom-piangonany. Fa vitsy sy saika tsy misy ny fiangonana sahy manonona vavaka ho an’ny olona ao am-piangonany. Mivavaka ho an’ny marary, ny sahirana, … ny ao am-piangonana. Fa miahotra raha tena asiana anaran’olona ilay vavaka. Toy ny hoe : « iny ilay vavaka Andriamanitra fa dia anao ny mizarazara azy any … izay anaovanao azy any ! ».

Isan’ny tena nafana fo nivavaka ho an’ny firenena ny katolika tamin’ireny 2002 ireny. Niasa ho an’ny mpiara-monina mihitsy aza. « Tamin’ireny izahay  … tahaka ny inona ny fizarana kafe niaraka tamin-dry masera … », hoy ny tovolahy iray. Mafana ny litorjia na alahady tsotra na andro fety. Efa nangatsiaka kosa ny fifanentanana hivavaka ho an’ny tanindrazana. Misy any ho any saingy sahirana vao mahavelona afo.

« Io ilay aretin’ny katolika », hoy ny pretra iray. « Zatra ny ao anaty boky ihany kanefa tari-dàlana anie iny fa tsy hoe tsy maintsy iny foana e ! », hoy ihany izy. Matahotra ny ho lazain’ny hafa ho be tora-po ny kristianina sasany matetika. Ny vavaka mipololotra avy ao am-po anefa no tena tsara.
Mpitondra hoe ?

Nandoa hetra i Kritsy. Nanaja ny rindra sy ny fitondrana izy izany. Moa tsy mivavaka isika mba hiasan’ny Fanahy Masina ireo mpitondra, tsy izay ve no atao rehefa mivavaka ho azy ireo isika ? Hita ho nanova ny fiainam-pinoan’ny malagasy maro izay niainana herintaona izay. Maro ny hetsika misy sy teraka tato ho ato, maro ny tsy mankasitraka. Ny tovolahy iray 25 taona eo ho eo kosa nanontany tena hoe : « Raha i Kristy re no miaina an’izao, inona no mety nataony ? ». Tsy maintsy nivavaka izy, niasa, nitolona dia nivavaka indray !

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite