Baolina kitra sy fotodrafitrasa

Isika ihany no tena tompon-draharaha

Par Donnah Rarivo le Alahady 21 Marsa 2010

Maro ny notokanana fa firy no ho voakolo toy izao ? (sary Willy)

Nandalo teto amintsika tamin’ny fomba ofisialy Atoa Joseph Sepp Baltter, filohan’ny federasiona iraisam-pirenena ho an’ny kitra na ny Fifa, ny 3 marsa teo. Nitokana fotodrafitrasa. Eo ny fanampian’ny vahiny fa isika Malagasy ihany no tompon’ny ho avintsika.

Anisan’ny firenena 210 mpikambana eo anivon’ny Fifa i Madagasikara. Lehiben’ny kitra eran-tany faharoa nandalo teto Atoa Joseph Sepp Baltter. Tonga nitokana ny ivon-toeram-piofanana ara-teknika ho an’ny kitra, tao Carion Manjakandriana, sy ny ”tribune centrale” ary ny bozaka “synthétique” tao amin’ny kianja Rabemananjara, Mahajanga izy. Noraisina toy ny filoham-pirenena izy. Delegasiona mafonja avy amin’ny fitondrana tetezamita no nandray azy, nitarika izany ny filoha Andry Rajoelina. Tazana teny akaikin’Atoa Blatter teny hatrany ny filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (Fmf), Atoa Ahmad. Tsy tara tamin’izany koa ireo mpikirakira ity taranja be mpankafia ity.

Fotodrafitrasa faha 44 aty Afrika no natsangana ao Carion, mitentina 700 000 dolara. Mitentina 436 297 dolara kosa no nanamboarana ny « tribune » ary 700 000 dolara ny bozaka “synthétique” ao Mahajanga. Mbola hahazo fanampiana mitentina efatra hetsy dolara hafa indray anefa ny Fmf. Avy amin’ny fandaharan’asa “Fifa Goal” daholo izany. Nanamafy aza Ingahy Blatter fa “Vonona hatrany izy sy ny Fifa hanampy an’i Madagasikara”. Mandeha ila toy ny kiraron’i Bemina anefa izany raha tsy isika mihitsy no mandray an-tànana ny ho avy.

Ho an’ny mpitantana spaoro eran-tany, efa-taona no fetra hitondrana araka ny lalàna voafaritry ny sata olimpika. Afaka milatsaka ho fidiana ihany ny filohan’ny Fifa raha mbola mahavita mitantana izy. Atoa Joseph Blatter izay teratany Soisa dia filohan’ny Fifa nanomboka tamin’ny 8 jiona 1998, nandimby an’ilay Bresilianina, Atoa Joao Havelange. Misy ny fanampiana hampandroso ny kitra amin’ny firenena tratra aoriana. Kanefa eo ihany koa ny fampielezan-kevitra atao amin’ny fitetezana firenena maro. Fomba fiady izany amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Misy ny loharanom-baovao milaza fa anisan’ny hifaninana amin’izany Atoa Michel Platini izay kintan’ny baolina kitra frantsay taloha.

Mihatsara amin’ny ampahany ny fotodrafitrasan’ny kitra malagasy. Ny mpilalao sy ny mpitantana ary ny mpanazatra sisa andrasana ny fihatsarany. Tsy azo afangaro ny politika sy spaoro fa ny politika hitantanana ny spaoro no tokony hajoro mazava tsara. “Avelao handry fahalemana amin’izay ny baolina kitra”, hoy hatrany ny filoha Blatter.

Nihetsika koa ny Komity hamerina ny hasin’ny baolina kitra (K2HB) noho ny fahatsapana fa mihen-danja ny kitra, tsy mamely ny vokatra. Nandefa taratasy tany amin’ny filohan’ny Fifa ity fikambanana ity. Fanakianana ny fomba fitantanan’ny federasiona ankehitriny no votoatiny, izay hany fototry ny tsy fahombiazana. Nihevitra hanao fihaonambem-pirenena ny K2HB ho fanarenana ny kitra eto an-toerana. Nangataka tamin’ny filoha Joseph Blatter izy ireo, mba hanemorana ny fifidianana izay ho filohan’ny federasion’ny kitra malagasy noho io antony io.

Nomen’ny fanjakana Malagasy mari-boninahitra “Commandeur de l’ordre national malgache” ity filohan’ny Fifa nandalo teto amintsika ity. Nitsiry ny fanantenan’ny mpitia kitra tamin’ny fahatongavan’ny Atoa Joseph Blatter fa tsy mbola teraka kosa izay hanandratra ny baolina kitra malagasy. Mitaky fanavaozana goavana ny fitsidihana tahaka ireny. Tsy tokony hiseho intsony izany ilay fiteny hoe: “Andriamanitra no nanome fa i Balita mihitsy no tsy hambinina”. Zava-dehibe ny andraikitry mpitantana sy ny mpanazatra fa tsy ambanin’izany koa ny famporisihana ara-tsaina, ara-pitaovana ny mpilalao.

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite