Fifandraisan-davitra

Tsena goavana ifandroritana

Par Rahary le Alahady 21 Marsa 2010

Mihatsara ny fotodrafitrasa eo amin’ny fifandraisan-davitra hatramin’ny nanalalahana an’io sehatra io (sary Willy)

Miroborobo ny tontolon’ny fampiasam-pitaovana amin’ny fifandraisan-davitra vokatry ny fivoaran’ny teknolojia. Mifaninana ireo mpandraharaha amin’io sehatra io.

Tsy mijanona fotsiny amin’ny radio sy ny televiziona ny fifandraisan-davitra ankehitriny fa mipaka koa amin’ny finday. Taratr’izany ny fitomboan’isan’ny mpampiasa finday ankehitriny. Talohan’ny 2004, teo amin’ny 60 000 ireo mpanjifan’ny Telma manana telefaonina tsy mihetsika (fixe). Ary 240 000 ireo mpanjifa finday voasoratra tamin’ireo mpandraharaha tamin’izany fotoana (Madacom, Orange, Intercel). Fa hatramin’io taona io no ho mankaty no nihazakazaka ny fampiasan’ny olona finday. Ankehitriny, manana mpanjifa maherin’ny 2,4 tapitrisa ny Orange; manodidina ny 1 tapitrisa ny an’ny Zain ary tahaka izay koa ny an’ny Telma.

Tahaka ny olombelona ny finday
Tahaka ny olombelona mihinan-kanina dia tsy maintsy omen-kanina ny finday, omena fahana (crédit). “Eo amin’ny iray alina ariary no laniko isam-bolana amin’ny fampiasana ity findaiko ity”, hoy ny renim-pianakaviana iray. Ifampiantsoany amin’ny zanany no tena ampiasany azy. “Eo amin’ny fito arivo ariary no laniko”, hoy kosa ity tovolahy iray fa ny mpiantso azy no tena betsaka raha ny filazany. Mpanao asa tanana, miasa tena izy. Ho an’ity tanora mbola eo ampikatsahana izay tena ivom-pivelomany mitombina dia hoy izy hoe : “Tsy dia nikajy loatra izay laniko aho fa matetika roa rivo ariary isam-bolana ary dimy arivo ariary raha be indrindra”. Fa misy ny sokajin’olona toy ny amin’ny minisitera na orinasa tsy miankina sasany, efa manokana fahana 50 000 ka hatramin’ny 200 000 Ariary isam-bolana isaky ny mpiasa. Ny fampiasana finday ireo fa ny mpifandray amin’ny internety, tambazotra ifandraisan’ny ordinatera marobe dia mbola mpanjifa sokajy hafa. Mbola vitsy hatramin’izao raha ny mpampiasa azy eto amintsika, manodidina ny 2%-n’ny mponina tombanana ho 20 tapitrisa. Lafo vidy manko ny fitaovana ka ny orinasa, ny sampandraharam-panjakana, fikambanana ary “cybercafé” no tena mampiasa internety. Efa maro ny tolotra ankehitriny noho ny fivoaran’ny teknolojia ampiasaina (3G+, ADSL, SDSL,…). Ny finday aza dia efa misy ny mitovy amin’ireny ordinatera azo enti-tanana na lehibe ireny ka hahafahana mifandray amin’ny internety. Ny DTS moov sy ny Gulfsat Blueline no fantatry ny olona fa mandraharaha amin’ny fampifandraisana amin’ny internety hatramin’izao. Fa efa misokatra amin’ny mpandraharaha hafa izany hatramin’ny nisian’ny rantsana fibra ôptika (backbone) an-tanety sy ny any an-dranomasina avy any ivelany.

Miandrandra fidinan-tsara ny mpanjifa
Tsenabe, araka izany, ny fampiasana ny fitaovana amin’ny fifandraisan-davitra. Miara-miaiky moa ny eran-tany fa azo ampiasaina amin’ny fampandrosoam-pirenena ny fampiasana azy. Ary isan’ny nirotsaka tamin’ny fandrafetana politikam-pirenena mikasika ny teknolojian’ny fampitam-baovao sy ny fifandraisana avo lenta i Madagasikara, nomanina efa hatrany amin’ny taona 1997 ary efa nanaovana atrikasa sy nolaniana tamin’ny taona 2004. Manohy ny efa natomboka ny fitondrana ankehitriny ary politika fototra dia ny fanalalahana ny fifandraisan-davitra. Misy ny dingana vita raha ny fampifandraisana ireo ivotoerana samihafa eto amin’ny firenena no jerena toy ny amin’ny banky, ny sekoly ambony, ny sampandraharaham-panjakana amin’ny lafiny fitantanana, ny fitsaboana.
Vola betsaka no atonton’ny mpandraharaha maro rantsana eran-tany amin’ny fanaovana fotodrafitrasa amin’ity sehatry ny fifandraisan-davitra ity. Ao anatin’ny tambazotra i Madagasikara amin’ny alalan’ny tetikasa mampiasa ny fibra ôptika any ambanin’ny ranomasina. Eo ny “Eassy” mipaka any Toliara avy any Afrika atsimo, iarahana amin’ny Telma. Eo ny “Lion” mipaka ao Toamasina avy any La Réunion, iarahana amin’ny Orange. Miaraka amin’izany ny fametrahana ny rantsana aty an-tanety izay samy manao izany ireo mpandraharaha telo, mifameno amin’ny fampiasana ny satelita. Ny fahazoana halaky avo (haut débit) amin’ny fifandraisana no tanjona. Ny mpanjifa kosa miandrandra fidinan’ny saram-pifandrasaina mitaha amin’ny ankehitriny. Raha maro ny tolotra, tokony hihena ny sandany. Lojikam-barotra izany. Saingy mbola tsy izany no iainana ankehitriny na dia tsy ampihimamban’ny mpandraharaha tokana intsony aza ny sehatra.

Fa ny mahavariana ny mpitazana tamin’ny fiandohan’ity taona ity, dia ny fisian’ny fifandroritana eo amin’ny minisitera tompon’andraikitra amin’ny fifandraisan-davitra amin’ny mpandraharaha amin’ity sehatry ny fifandraisan-davitra ity. Ankoatra ireo mpandraharaha telo manko, dia misy ny Madamobil life, orinasa fahefatra izay tokony ho efa niasa saingy nametrahana olana ny trosan’ny orinasa nodimbiasany izay notakiana aminy. Toa misy zavatra manjavozavo ny raharaha ary miahiahy ny olona sasany sao misy resaka politika maloto ao ambadika, ka tsy mampanjaka ny fifaninanana tena izy. Raha tena fifaninanana masina manko no ampiharina, tokony ho voavaha amin’ny fampiharana ny lalàna araka ny tokony ho izy ny olana. Ankoatra izay, tsy hahasoa ny fampiharana ny politikam-pirenena amin’ny fanalalahana ny sehatry ny fifandraisan-davitra ny sakantsakana, indrindra manoloana ny fanatontoloana tsy azo ihodivirana.

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite