Akon’ny Haino aman-jery

ECHO DES MEDIAS

Par Lakroa le Alahady 04 Aprily 2010

Baolina kitra. Ny minisitry ny fanatanjahan-tena Virapin Ramamonjisoa no nivoaka voalohany tany ivelany taorian’ny filatsahan’ny sazy hoy L’Express de Madagascar ny 22 marsa.

Nandeha any Zurich ny sabotsy 20 marsaa izy hoy ihany ity gazety ity. Hihaona amin’Atoa Blatter filohan’ny FIFA no anton’izany fivoahany any ivelany izany. Ary nomarihin’i L’express tamin’izany fa ny fametrahana kianja “synthetique” 3 eto Madagasikara no ho votoatin-dresaka amin’izany. Ireo kianja ireo izay hapetraka ao Antsiranana, Toliara ary eto Antananarivo. Anisan’izany ihany koa ny firesahana momba ny fakan’i Madagasikara mpifidy mpilalao tera-tany vahiny sady ho mpihandraikitra teknika ao amin’ny Federasiona malagasin’ny Baolina kitra.

Nalain’i Elatr’i Betafo baraka i Ajesaia hoy Midi Madagascar tamin’ny teny frantsay.  Resy tamin’ny isa 2 no 0 ity tompon-dakan’i Madagasikara teo aloha ity tamin’ny alahady 21 marsaa tany Betafo. Nahazoana izay ilaina nefa niteraka ny mahafinaritra ny tetika hoy ity gazety ity. Nomarihin’i Midi Madagascar fa tsy tonga tamin’ity lalao ity i Bolida sy Mamy Gervai ary i Sedera sy tahiry izay efa samy milalao ao amin’ny Barea. Ary mety ho izay no olana hoy ihany izy. Fa tsara homana nefa ny ilatr’i Betafo ka tao amin’ny nilavany azy mihitsy ny lalao araka ny nambaran’ny mpanazatra tamin’i Midi Madagascar ihany.

Manoloana ny olana misy eto amin’ny firenena dia hoy ny gazety:
Hoy i Midi Madagascar tamin’ny lahatsoratra tamin’ny teny frantsay iray atao hoe: “vision” ny 23 marsa: “Efa maro no nanome soso-kevitra hialana amin’ny krizy. Anisany mavesa-danja amin’ireny sy tokony hatao ny famelan-keloka lehibe. Ary efa izay hevitra izay foana no novohizin’ny mpanelanelana teo aloha rehetra. Dia ny mba hisian’ny fiombonam-pirenena izany”. Ohatra ny momba ny soso-kevitry ny ICG “International Crisis Group” izay mifantoka amin’ny fanoratana izay lalam-panorenana iombonana sy hikarakarana fifidianana arahin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena maso. Fa tsy hifandirana ny momba ny fizarana fahefana intsony; notateriny tao.  Tsara mihitsy ny hampandraisana anjara ireo vondrona iraisam-pirenena hoy ihany Midi mba hampizotra tsara azy. Nefa “maninona raha hafohezina ny lalana ?” hoy Midi. Sady efa nisy nilaza fa tokony  ny fifidianana filoham-pirenena no hatao mialoha. Amin’izay faly in-droa ny vahoaka hoy izy amin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Satria sady nahazo filoha nofidiana tamin’ny latsa-bato hoy izy.

“Iza no tokony henoina ?”  hoy La Gazette de la Grande île (27 marsa) amin’ny teny frantsay. Tsy ireo misisika hampihatra an-jambany ny sata tany Maputo nany manao bontolo hanao fifidianana hoy izy. Fa ireo manana hevitra hampifanaraka ny roa tonta. Ohatra ny fanakambanana ny tapaka tany maputo sy ny tapaka tetsy ivato tamin’ny teny ifampierana araka ny hevitr’Atoa Gilbert Raharizatovo hoy izy. Na koa ny fiverenana an-databatra boribory mba hapahana ny tokony ho raisina na tsia amin’ny tapaka tany maputo araka ny hevitr’Atoa Tabera avy ao amin’ny vondron-kevitra Albert Zafy. Ilaina ny fanehoan-kevitra toy izany mba ahitana ny vahaolana marina. Ilaina ny fanehoan-kevitra tahaka ireny amin’izao vanim-potoana izao. Ary inoana fa tsy ireo olona ireo ihany no manan-kevitra momba izany hoy ihany La Gazette de la Grande île.

Fanondranana hazo sarobidy.
Notapahan’ny filan-kevitry ny minisitra  tao Ambohitsorohitra ny 24 marsa hoy La Vérité ny 25 marsa fa : Mitsahatra ny fanondranana hazo sarobidy rehetra avy eto Madagasikara; ohatra amin’izany ny “bois de rosa” sy ny “bois d’Ebène”. Ary azo melohina fanapahana ireny hazo ireny araka izany. Ny lalàm-panjakana laharana 2010-141 no mametra izany hoy ihany ity gazety ity.  Manao antso avo ho an’ny  vondrona tsy miankina amin’ny fanjakana miasa amin’ny tontolo iainana ny minisitra Calixte Randriamiandrisoa mba  hanamafy ny tetikasa fambolen-kazo hoy La Verité. Ny mahavelom-bolo dia afaka manakana ny fitrandrahana ala tsy manaraka ny lalàna ity didy ity no sady mandiso ny resabe manodidina ny fanondranana hazo sarobidy eto amin’ny firenena hoy ihany ity gazety ity.

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite