Teknôlôjia

Hofehezina fa tsy hifehy

Par Rani le Alahady 04 Aprily 2010

Mila fahamatorana ny fampiasana ny vokatry ny teknôlôjia moderina toy itony. Misy zava-tsoa maro entin’izy ireny.

Toy ny fitaovana rehetra ny karazam-bokatry ny teknôlôjia. Mety hanampy na hamotika. Mila fanampiana akaiky ny ankizy sy ny tanora amin’ny fampiasana azy ireny.

Ny “Fibre optique” mirongo zava-maro
“Nifarana hatreo ny maha nosy an’i Madagasikara”, hoy ity mpanao gazety iray. Tonga tamin’ny zoma 19 Martsa teo ny fibre optique mampifandray an’i Madagasikara amin’izao tontolo izao. Ombon’antoky ny fanjakana malagasy tamin’ny orinasa Telma sy ilay tetik’asa goavana Eassy no nahatomombana izany. Hanafaingana tokoa ny fifandraisana amin’ny alalan’ny aterineto (internet) izany. Hampidina be ihany koa ny saram-pifandraisan-davitra. Raha tsy hoe havilin’ireo tia kely ho an’ny tombontsoany manokana indray ny soa tokony ho an’ny besinimaro. Tsy kely lalana mantsy ny “mpibizna”. Ahiahin’olo-mailo ihany moa iny. Ny zava-dehibe dia ny fahatongavan’ilay nandrasan’ny Malagasy maro tao anatin’ny fito taona. Eny fa na dia amin’ny volana jolay any ho any aza, araka ny fandaharam-potoana, vao tena hiparitaka ny vokatr’izany teknôlôjian’ny fifandraisana izany.

Maro ny faly. Be ny tombontsoa ho azon’i Madagasikara amin’ny fahatongavan’ny fibre optique. Hanosika ny fampandrosoana ara-toe-karena hono io. Hitondra asa 10.000 ho an’ny tanora ato anatin’ny fotoana fohy. Hanokatra an’i Madagasikara amin’izao tontolo izao. Hampiditra azy tanteraka amin’ny fanatontoloana. Sy ny maro hafa tsy voatanisa. Mety ho marina avokoa izany. Saingy tsara koa ny mitondra fanairana amin’ireo lafin-javatra ilana fitandremana entin’itony teknôlôjia avo lenta itony. Ny fanabeazana ireo ankizy sy tanora malagasy indrindra no ao an-tsaina amin’izany. Tsy mbola nisy akory mantsy ny fibre optique dia efa niaraha-nahita ny fahababoan’ireo tanora amin’ny fampiasana aterineto. Mainka fa amin’izao fahatongavany izao dia tsy hay vinaniana izay mety ho fiantraikany amin’ny tanora Malagasy atsy ho atsy.

Mampiankin-doha, mampiolonolona
Maha domelina ny aterineto ka mitarika fiankinan-doha tanteraka toy ny toaka sy ny rongony. Tena manaitra, ohatra, ny vokatry ny fanadihadiana iray natao tany Etazonia herinandro vitsy izay. Voalaza mantsy fa mandany ora 7 sy 38 miniotra isan’andro ny tanora amerikana 8 ka hatramin’ny 18 taona amin’ny fampiasana ireo karazam-bokatry ny teknôlôjia vaovao (finday, solosaina, aterineto, jeux vidéo, sns.). Mbola ora 6 sy 55 miniotra anefa izany enin-taona lasa. Midika izany fa miha difotra hatrany ao anatin’ny hantsa-mangitsoky ny teknôlôjia avo lenta ny zanaky ny tandrefana. Tsy mbola tonga amin’izany ny tanora malagasy kanefa kosa efa natosika ho eo am-bavan’ny lalam-be mankany. Mety ho ratsy kokoa noho ny an’ny tandrefana ny hanjo ny taranaky ny tany mahantra. Ny azy mantsy misy rafitra mahomby afaka miaro, manarina sy manitsy izay manimba ny olom-pireneny. Ny antsika kosa mbola rafitra marefo sy voakolikoly, raha misy.

Voka-dratsy entin’itony teknôlôjia itony ny fihenana na fahatapahan’ny serasera mivantana amin’ny samy olombelona. Miha mangatsiaka ny fifandraisana. Vitan’ny mailaka (email) sy ny someso (sms) hatramin’ny fifampiarahabana amin’ny asaramanitra sy ny famangiana manjo. Hahazo vahana tsy ho ela ny fanarahana fampianarana sy ny fiantsenana amin’ny aterineto. Mamboly kolotsain’ny fiolonolonana sy ny “eo no ho eo” avokoa izany. Mety handrava ny kolotsain’ny firaisankina sy fihavanana. Na hamotika ny kolotsain’ny asa sy ny ezaka mitohy. Ny ankizy sy ny tanora no ho fesona voalohany.

Mila fahamatorana ny fampiasana ny vokatry ny teknôlôjia moderina toy itony. Misy zava-tsoa maro entin’izy ireny. Be lavitra noho izany koa anefa ny haitraitra, ny fako sy ny faikam-pandrosoana. Ireto farany matetika no tena mampihazakazaka ny olona. Fanairana no atao fa ny tsirairay no mandray ny fepetra sahaza azy. Fifehezan-tena, fanabeazana ny tanora hahay mandanjalanja, fametrahana rafitra mahefa: hiaro ny olom-pirenena tsirairay amin’ny vokatry ny teknôlôjia no mahamaika. Hanampy antsika hifehy ny zava-boary fa tsy ho mpanompony.

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite