Antoko politika

Ahoana no hatao mba tsy ho maro toa tanam-poza ?

Par Ranaivo Jacques le Alahady 04 Aprily 2010

Ny sokajin-kery ao anivon’ny Bundestag (antenimieram-pirenena) any Alemanina. Mazava ny hery misy ao fa tsy misy misavoana. Ahoana no hahazoana endrika tahaka izao eto Madagasikara ? (loharano : magazin-deutschland.de)

Najoro ny Ceni hanara-maso ny fifidianana. Mandeha ila anefa izany raha mbola mora mamadika palitao ny mpanao politika. Ny fijoroan’izy ireo amin’ny foto-kevitra mazava no hanakana azy ireo hivadibadika lava.

Efa maherin’ny 200 ny isan’ny antoko politika najoro sy voarakitra eny anivon’ny Minisiteran’ny Atitany. “Tsy tokony atao olana ny fisian’ny antoko maro” hoy Liva Raharison, ao amin’ny Avi, antoko mpanohana ny Tetezamita. “Porofo iray milaza fa te hanao zavatra ho an’ny firenena ny olona ny fijoroan’ny antoko maro. Tsapa anefa fa tsy mahita firehan-kevitra am-polony akory isika raha mihoatra ny 200 ny isan’ny antoko” hoy Harrison Razafindrakoto, isan’ny mpanentana ny Hpm, Hery politika mitambatra. Ny Hpm dia rafitra ivondronan’ny antoko politika maromaro ary miara-dia amin’ny Ankolafy (mouvance) Zafy Albert. Izy mirahalahy nanontaniana ireto dia samy milaza fa taratry “ny fahatanoran’ny demokrasia ny fisian’ny antoko maro”. Samy te hiasa ho an’ny firenena. Te hanabe. Te hitarika vahoaka. Te haka fahefana. Ireo dia santionany amin’ny adidy mipetraka amin’ny antoko : “manabe, mandresy lahatra sy mitarika olona, mandroso vahaolana, mikendry fampandrosoana ny firenena, manasoa vahoaka…”. Manangana antoko no hanehoan’ny mpanao politika ny fitiavany ny tanindrazany sy ny vahoaka. “Fa ny fifidianana kosa no lalana hanehoan’ny olona ny fitiavany ny antoko iray, eny fa na milaza aza ny mpitondra antoko iray fa mahatarika vahoaka rehefa mamory olona ankalamanjana” hoy izy mirahalahy voatonona anarana teo aloha.

Samy efa nisedra ny safidim-bahoaka izy roa lahy ka mahafantatra ny ambarany. Ny filohan’ny antoko Ame kosa dia nilaza fa “tsy matoky ny fisian’ny antoko 200 tena velona izany”. Nambarany fa tsisy 20 akory ny antoko nifaninana tamin’ny antoko tarihiny manerana an’i Madagasikara. Na tamin’ny fifaninanana ifotony (communal) izany na depiote (2007). Maro ny antoko maneho hevitra an-gazety sy haino aman-jery fa vitsy no sahy misedra ny safidim-bahoaka. “Ny indépendant no betsaka” hoy izy. Ny tsy miankina anefa dia tsy mandray ny adidy sy andraikitra mipetraka amin’ny antoko. Ny tsy miankina dia tsangan’olona. Manatevin-daharana ny maro an’isa no ataon’izy ireo any amin’ny rafitra nahalany azy. Sarotra ny hino raha izay no zava-nisy fa ny fifidianana no fomba hahomby hanivanana ny antoko velona sy ny matoatoa. “Tahaka ny klioba iray ny antoko ka raha tsy mandray anjara amin’ny lalao (match) voalahatra izy dia forfait” hoy ny mpanao politika iray. Ny mampiavaka ny antoko sy ny (cercle de réflexion na hafa no iantsoana azy) dia io firosoana amin’ny fifidianana io. Saingy tsisy ny lalàna manery ny firotsahana amin’ny fifidianana ka mahatonga ny antoko nialangalana sy niavona fifidianana.

Firehan-kevitra inona ?
Maro ny antoko politika no fantatra anarana fa vitsy no tena fantatra ny foto-kevitra ijoroany. “Ny anay dia ny fitadiavana vahaolana ho an’ny vahoaka no mahamaika anay fa tsy ny fanindrahindrana firehan-kevitra” hoy Mamonjisoa Isaac, filohan’ny Ftsv. Antoko politika isan’ny tanora ary velomin’ny tanora ny Ftsv. Ny antoko politika vaovao izany no manana izany fijery izany. Ireo antoko politika tranainy kosa dia betsaka ny olona no tsy mahalala izay tena voiziny fahiny. “Iza no mahalala ny voizin’ny Fanavaozana, ny Udecma, ny Vvsv… ?” hoy ny fanontaniana mipetraka.

Fifidianana sa nahim-po ?
Tsy mbola afaka sivanina amin’ny alalan’ny fifidianana ny antoko. Sarotra ny manivana azy amin’ny alalan’ny foto-kevitra satria na ireo antoko politika aza tsy taitra amin’izany foto-kevitra izany.
Eo izany rehetra izany fa raha jerana ny kabary nataon’ny mpanao politika dia hita fa efa manana ny heviny izy ireo amin’ny fanavahana ny antoko. Ho an’i Elia Ravelomanantsoa (Madagasikarantsika) dia azo zaraina roa ny antoko eto, andaniny ireo antsoiny hoe nationalistes ary ankilany ny internationalistes. Ny Hpm kosa dia milaza fa azo havondrona 6 na 7 ny antoko. Soritany tsara fa ny fizarana efatra na dimy misy ankehitriny amin’ny alalan’ny mouvance dia nateraky ny rafitra nifampidinihana ihany (structure temporaire de négociation) ny mouvance sy autres entités politiques. “Heveriko fa azo havondrona ho 6 na 7 ny antoko politika ankehitriny” hoy Harrisson Razafindrakoto. Ultra-libéral, socio-libéral, socio-démocrate, conservateur, nationaliste, socialiste, écologiste… : ireo no misy araka ny fahitan’ny Hpm azy. Ny olana anefa dia tsy mivaky loha loatra amin’izany ny mpanao politika. Sarotra fantarina ny foto-kevitra tena matanjaka raha ry zareo ao amin’ny Fat (Anosikely) no jerena. Tsy fantatra ny foto-kevitry ny Tgv raha singanina izy satria avy ao aminy ny Filoha mpitantana ny Fanjakana ankehitriny.

Mila sahy milaza ny foto-keviny ny mpitondra politika malagasy. Raha ny any Etazonia ohatra dia misy roa lehibe ny firehan-kevitra (démocrate et republicain), any Frantsa kosa dia mizara roa (Havia sy Havanana) fa ao anatin’ny fizarana roa ireo dia misy ny fisamatsamahana (havia : Sosialista, kominista, maintso… ; Havanana: Ump nivondronan’ny Rpr, Udf…), any Alemanina dia misy vondrona 5 lehibe (araka ny kisary atolotra eto).

Ny fahasahian’ny mpanao politika milaza ny foto-kevitra ijoroany no ahafahana manavaka azy sy manamora ny famondronana ny hery politika mba tsy hisy intsony ny majorité à géométrie variable raha tsangan’olona no betsaka na ny parti à idéologie friable. Ilaina izany raha tiana hamokatra ny rafitra hajoro tahaka ny Ceni. Ary tena ilaina hampiseho ny mpanao politika fa izay mitambatra no vato ka ny firaisankina no hery. Ho sahy ve ?

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite