Toe-karena

Akora fototra sy varotra ambongadiny:iankinan’ny vidin-javatra

Par Nirinarisoa M le Alahady 04 Aprily 2010

Evolution des principales catégories de matières premières au cours des quinze dernières années (Données mensuelles en dollar courant, base 100 en janvier 2002)

Ny vokatra ara-boajanahary entina hanamboarana vokatra hafa no antsoina hoe akora fototra (matières premières).

Anisan’izany ny solika, ny vary, ny harena an-kibon’ny tany, ny katsaka, ny kafe, ny fary sy ny maro hafa. Manan-danja eo amin’ny fihodin’ny toekarena maneran-tany ny tsenan’ny akora fototra na dia kely aza ny ampaham-bidiny mitaha amin’ny vidin’ireo vokatra azo avy aminy. Ho an’i Madagasikara manokana, ny kafe, lavanila, jirofo, nickel, cobalt, ilménite harena an-kibon’ny tany trandrahina anivon’ireo tetikasa goavana an’ny Sheritt sy Qmm, ny cacao hanamboarana ny sôkôla...

Tolotra sy tinady maneran-tany
Ireo firenena an-dàlam-pandrosoana matetika no tena mpanondrana akora fototra. Ambany ny vidin’ireo akora ireo amin’ny ankapobeny izay nahatonga ny fahasimban’ny fifanakalozana teo amin’ny firenena mandroso sy ireo an-dàlam-pandrosoana. Rehefa voahodina manko ireo akora fototra ireo dia vidian’itsy farany amin’ny vidiny lafo lavitra indray avy eo. Hita efa miha-mitombo ihany koa ny tinady amin’ny akora fototra noho ny fandrosoan’ireo firenen-kafa toa an’i Shina sy Inde. Tsy maharaka io tinady io anefa ny tolotra amin’ny ankapobeny. Izany no mahatonga ny vidin’ireo akora fototra hiakatra toy ny solika indrindra indrindra. Ny solika no mahatonga ireo firenen-dehibe mitady làlana hidirana any amin’ireo firenena mpanondrana hahafahan’izy ireo mahazo ny tsena. Tsy vitan’izany fa mahatonga tsy fifanarahana sy ady no hiafarany. Soa fa efa miha-mivoatra tsikelikely ny famokarana ny angovo azo havaozina (énergie renouvelable). Efa hita miakatra tsikelikely ihany koa ankehitriny ireo akora fototra ho enti-mamokatra io angovo vaovao io toy ny katsaka.

Vokatra
Mahazo tombony avy hatrany ireo firenena mpanondrana ny akora fototra rehefa injay miakatra ny vidiny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy mijanona amin’izay anefa fa tsy maintsy misy fiantraikany ao anivon’ilay firenena ihany koa izay fiakaram-bidy izay. Voatarika hiakatra koa manko ny vidim-piainana noho izany. Rehefa tsy anisan’ireo mpanondrana kosa fa mpanafatra ny akora fototra izay miaka-bidy dia tsy maintsy mizaka ny fiakaram-bidim-piainana ihany koa. Anisan’izany ohatra ny solika eto amintsika, ny siramamy, ny fitaovana sy fiasàna isan-karazany.

Fehiny
Eo am-pelatanan’ireo firenena an-dàlam-pandrosoana matetika ny akora fototra. Tsy mbola tafavoaka anefa ny ankamaroan’ireo firenena ireo ankehitriny. Mazàna, rehefa midina ny sandam-bola anivon’ny firenena no manararaotra mividy ireo akora fototra rizareo avy any ivelany. Ny fiezahana hihoatra izay no tsara karohina tsy hiononana amin’ny fanampiana sy ny sitrapon’ireo avy any ivelany foana.

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite