Toe-karena
Tokony hangarahara ny tontolon’ny varotra ambongadiny
Par NM le Alahady 04 Aprily 2010
FMI, calculs et graphique Conseils économique, social et environnemental
Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarena ny varotra ambongadiny. Ireo orinasa mividy entana maro any amin’ireo mpamokatra ary mivarotra izany amina mpividy isan-karazany no antsoina hoe mpambongady.
Maro samihafa ny anjara asan’izy ireo eo amin’izay asa sahaniny izay. Afaka mampiditra entana anivon’ny tsena, manao dokam-barotra, manambatra ny tinady. Ny fisian’ny tsena ambongady no mampisy ny vidy salasalany tokana eo amin’ny tolotra sy tinady. Manjary samy manana ny vidin-javatra manko ireo mpivarotra an-tsinjarany raha toa ka tsy misy ny mpambongady. Ny fisian’ny fifampizaram-baovao marina mikasika ny vidin-javatra koa no antoka tsara amin’ny fahamatoran’ny tsena ambongadiny. Manaraka izany ny fahatsaran’ny fotodrafitrasa hahafahana mitahiry ireo vokatra.
Zava-misy
Tsy arakaraky ny voalaza etsy ambony matetika ny tontolon’ny varotra ambongadiny eto amintsika. Matetika mifanakaiky ohatra ireo mpivarotra ireo mpivarotra antsinjarany sy ambongadiny kanefa iretsy farany tokony hitokana. Ankoatra izany, manjary tsy mipetraka ilay vidy tokana fa samy manana ny fifanarahany ny mpamokatra sy ny mpambongady etsy andaniny ary ny mpivarotra an-tsinjarany sy ny mpanjifa etsy ankilany. Izay no mahatonga ireo vidin-javatra tsy araka ny tokony ho izy matetika eto amintsika. Tsy misy mahalala ny tena vidy marina tsinona ireo mpaninjara sy mpanjifa. Tsy ferana ihany koa ireo mpambongady sandoka eto amintsika. Nahatratra 30 ohatra ireo mpambongady sandoka sigara sy paraky teto amintsika ary nahatratra 1 120 000 000 Ariary ny vola very tamin’ny fanjakana noho ny tsy fandoavan’izy ireo hetra. 7 tapitrisa Ariary kosa ny vola tsy azon’ny fanjakana noho ireo mpambongady sandoka amin’ny sehatry ny vokatra ilaina andavanandro.
Mbola mila ezaka lehibe ny sehatry ny varotra ambongady eto amintsika. Samy manana anjara asa amin’izany na ny fanjakana na ny sehatra tsy miankina.