Scooter, moto, ...
“Fitaovam-pisisihana angamba !”
Par R. Dafy Antonio le Alahady 04 Aprily 2010
Samy manaram-po misisitsisika na ny moto na ny taxi na ny taxi-be. Maika lava toy ny mponin’Antananarivo marina ! (sary Willy)
Fety ny andro. Mirehidrehitra ny fitia te hitsangatsangana. Handeha scooter sa hiaritra amin’ny bus ! Iza no maha ela velona ?
Tsiravina ireo mpandeha bus mahita ireto mpitondra scooter sy moto misisitsisika isaky ny mahita hirika kely. Efa mba somary nihena aloha tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana nandratrana na nahafatesana mpitondra scooter.
Nitombo isa haingana dia haingana ny scooter tao Antananarivo raha i Toamasina no nalaza tamin’izany tamin’ny voalohany. Feno sinoa sy karana mivarotra moto ny tananan’Iarivo. Nihena be koa ny vidiny, Ar 1 500 000 dia eo ho eo dia efa mahazo MAK 125 cc. Ar 500 000 na Ar 600 000 dia efa mahazo scooter JOG Pro efa niasa.
Fiaran’ny raiamandreny no nameno ny tokotanin’ny sekoly lehibe ao Antanaarivo teo aloha, ankehitriny efa scooter. Mila ho mpianatra iray amin’ny folo no manana azy amin’ny sekoly ambony.
Niteraka fomba fiaina sy kolontsaina vaovao ihany koa. Manjary tia mivezivezy. Mampatahotra mihitsy ny mahita azy ireo mirifatra sy mifanenjika amin’iny lalam-pirenena voalohany iny rehefa alahady. Tsy latsak’izany koa ny fisangian’izy ireo ny fiara amin’iny By Pass iny. Tsy mahalala izay hahafaty azy akory.
Vitsy amin’ireo mpitondra moto no mitondra aro loha fa dia samy mandeha goana. Maro aza no mametraka fotsiny ilay aro loha ho eo amin’ny familiana na any amin’ny seza aoriana. Mangina fotsiny ny polisy seraniny. Mba nisy fanentanana sy fanerena ihany vola vitsy lasa izay fa ankehitriny efa baranahiny toy ilay ezaka hampitafy mihaja ireo mpamily taxibe.
Ahatarafana ny toe-tsaina mahihitra sy ny fanaovana baranahany ihany koa ity resaka moto sy scooter ity. Mahavidy moto fa tsy mahavidy aro loha. Na manana aro loha ihany fa atao haingon-trano. Maha onena !