Samy vonombonona avokoa ireo mpikarakara - Galana (havia) - Sicam (afovoany) - Orange (havanana) sy ny mpandray anjara (sary Willy)
Kitra hifaninanan’ny orinasa lehibe eto an-toerana no tanterahana ankehitriny. “Mini coupe du monde” no lohateny hisalorana azy.
Betsaka no mikarakara hetsika etsy sy eroa mialoha ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny baolina kitra. Hatao afaka roa volana mahery ao Afrika atsimo. Manararaotra izany ireo tranom-barotra isan-karazany misy eto an-toerana. Tafiditra indrindra amin’ny varotra kasaina atao izany ary mifanindra-dàlana amin’ny vanim-potoana malaza iray.
Orinasa vahiny roa eto amin’ny firenena no nanomana fifaninanana ara-panatanjahantena. Ny iray voalohany mikirakira momba ny fifandraisana ary ny faharoa kosa tranom-barotra mitondra marika fiarakodia. Nantsoina hoe “Mini coupe du monde” izy ity, ka baolina kitra no safidy natao. Nampitoviana indrindra amin’izay mety ho endriky ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin’ny kitra, atsy Afrika atsimo mihitsy ny hetsika. Izany hoe, misy firenena miisa 32 handray anjara amin’ny dingan’ny famaranana ao amin’io firenena io.
Mitovy isa amin’izany koa ireo orinasa nasaina handray anjara eto amintsika amin’ity fifaninanana iray ity. Nanaitra kosa ny nahenoina fa tsy ny anaran’ilay orinasa no hisalorana fa hitondra ny anaran’ny firenena hanao “coupe du monde” ny ekipa tsirairay. Satria ny fanamian’ilay firenena mihitsy no hanaovana. Tsy hahalala izany ny mpijery hoe, orinasa inona no hikatroka amin’iza? Fa alaina mora fotsiny hoe, i Pays Bas no mihaona amin’ny Brésil, ohatra.
Mifanipaka tanteraka amin’ny “jeux corporatif” sy ny baolina fokontany niseho hatramin’izay ny endrika hitondrana ny hetsika. Tsy manome tsiny na manakiana raha miresaka izany fa manana ny lanjany kokoa ny fitondrana ny anaran’ny trano iasan’ny tena. Raha manao fanamian’ny firenena hafa moa tsy maninona sady efa maro no mivarotra azy ireny eto amintsika, indrindra ny vita sinoa.
Eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina no tanterahana ny lalao. Tsiahivina fa lalaon’olona fito no atao, izay tanterahana 20 minitra indroa miditra. Zaraina ho roa ny kianja be ao Mahamasina izay handray lalao 64 isa. Notsinjaraina ho valo ny sokajy ka ahitana ekipa efatra avy. Ny roa voalohany amin’izany no hiakatra amin’ny dingana manaraka, dia ny ampaha enina ambiny folon-dàlana izany. Nanomboka tamin’ny 24 marsa ary ezahana ho vitaina ny faha-15 ny volana mey ity lalao “mini coupe du monde” ity. Ireo efa matihanina no hitsara ny lalao rehetra, mba hialana amin’ny olana mety hitranga.
Mahalasa saina ihany ny hoe orinasa vahiny no mikarakara ny hetsika. Tsy ratsy akory izany fa mipetraka ihany ny fanontaniana hoe, aiza ireo malagasy milaza ho saro-piaro amin’ity baolina kitra eto Madagasikara tsy mandeha ity. Tamin’ny fandalovan’ny filohan’ny Fifa, Atoa Joseph Blatter teto amintsika aza, nisy nanolotra taratasy mihitsy tany aminy, izay mirakitra fa tsy misy zavatra mandeha eto amintsika raha baolina kitra no resahana. Zatra mifandrombaka raharaha isika eto an-toerana fa tsy ampy fahavononana hikaroka sy hamorona. Tsy hiandrasana vanim-potoana iray malaza akory vao mety mahavita zavatra.
Hetsika savaranonando ity fifaninanana ity mba hampiainana dieny izao ny amboara eran-tany ho an’ny kitra. Mila mahazo antoka anefa ny mpitia baolina kitra fa hahita mivantana ny “coupe du monde” tena izy ny eto Madagasikara. Tsy ny rehetra no afaka hanatrika ny lalao 64 ao Mahamasina. Afaka mahita mivantana ny lalao amin’ny fahitalavitra kosa anefa ny daholo be raha mahazo izany isika.
Tsy azo lavina fa misy dokam-barotra fonosin’izao hetsika izao mba hisintonana ny mpanjifa. Ny maharesy tsy hobiana ary ny resy tsy akoraina amin’ny fifaninanana. Ho hitantsika eo ihany izay mahazo tombony amin’ity lalao tanterahana ity.