Nodorana velona i Masindahy Emile sy i Masindahy Caste satria sahy naneho ny finoana maha-krisitianina azy ihany na dia efa saika nilefitra aza tamin’ny voalohany, noho ny fampijaliana natao azy ireo. Martiry tao Carthage tao amin’ny Kaontinanta afrikanina.
Mankalaza an’i Masimbavy Julie (mpiaro an’i Corse - taonjato fahadimy) ihany koa ny Fiangonana amin’ity andro ity)
Alahady 23 mey
Masindahy Didier – evekan’i Vienne (540 - 608)
Teraka tao Autun i masindahy Didier. Nanohitra mafy ny fitondran-tena ratsy nataon’i Brunehaut, mpanjakavavy izy ka nitadiavan’ity farany izay fomba hanilihana azy. Nisy kaonsily novoriany ary nampiampangany an’i Didier ho nanolana zazavay iray. Tato aoriana anefa dia niverina tamin’ny fanapahan-keviny ihany I Brunehaut rehefa nahita ny nomba fahafatesana hafahafa nanjo ireo vavolombelona tsy marina niampanga an’i Masindahy Didier. Na izany aza tsy nitsahatra nanameloka ny fomba ratsin’ity mpanjakavavy I Didier ka dia nosamborina tao am-panaovana lamesa ary dia novonoina tamin’ny alalan’ny tora-bato.
Alimanakan’ny herinandro
Alahady 23 mey
Fankalazana manetriketrika ny Pantekôty. Nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny endriky ny lelafo teo amin’ireo mpianatr’i Jesoa sy ny reniny nivory tao amin’ny Senakla.
Somongan’ny Lakroa
Lozam-pifamoivoizana iray no nitranga. Lehilahy iray no voadona mafy ka nisahotaka ilay mpamily ny fiarakodia nandona. Nitodika izy dia nahita takelaka milaza hoe “Misy dokotera ato”.
- Soa ihany fa misy dokotera itsy akaiky itsy, hoy izy.
- Ka izaho anie ilay dokotera io e! hoy ilay naratra