ALAHADY TRINITE MASINA

Andriamanitra tokana fa olona telo

Nosoratan'i P. Christophe Alfred sj | Alahady 30 mey 2010

Ohab. 8, 22-31

Rom.5, 1-5

Jo 16, 12-15

 

Ankalazaina mifanesy aorian’ny Pantekôty ny misterin’ny Trinite Masina sy ny Vatana aman-dran’i Jesoa Kristy izay sakafo mampihavana antsika amin’Andriamanitra sy mampiray antsika olombelona, ary ny Fo masin’i Jesoa izay fo fatra-pitia antsika ihariharian’ny fitiavan’Andriamanitra
Dinihina amin’ity Alahady ity ny misterin’ny Trinite Masina izay azo lazaina fa mistery ifotoran’ny finoana sy ny fiainana kristianina. Na manomboka vavaka na mamarana ny vavaka ary amin’ny vavaka rehetra atao dia ny Trinite Masina no antsoina ary amin’ny anarany no anatontosana izany. Mistery, izany hoe, Andriamanitra irery ihany no afaka hanome fahalalana hahafantarana Azy fa raha ny saintsika olombelona samirery dia tsy hahatakatra izany. Trinite Masina : teny ampiasain’ny kristianina entina manondro ireo olona telo ao amin’Andriamanitra dia ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Na dia tsy nampiasa io teny io aza ny Evanjely dia resahina ao ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ; niresaka mikasika ny Ray i Jesoa, nilazalaza koa momba ny Fanahy Masina ary niteny momba ny tenany sy ny fifandraisany amin’ireo. Miavaka nefa koa iray ihany raha ny filazalazan’i Jesoa mikasika ireo olona telo ireo no jerena.
« Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko ». Ambaran’i Jesoa eto ny fiombonany amin’ny Ray. Tsy misy hoe ahy sy azy ao amin’Andriamanitra, iraisany ny zavatra rehetra satria iray ihany izy ireo. Averimberin’i Jesoa io maha-iray Azy amin’ny Ray io (jereo Jo.17) ; nolazainy ihany koa fa mitovy Izy sy ny Ray ka izay mahita Azy dia mahita ny Ray (Jo.14, 9). Iray ihany i Jesoa (Zanaka) sy ny Ray amin’ny maha-Andriamanitra Azy : ny Ray moa ao Aminy ary Izy koa ao amin’ny Ray.
« Handray ny avy amiko Izy [Fanahy Masina] ka hanambara izany aminareo ». Asehon’i Jesoa eto koa ny fifandraisany amin’ny Fanahy Masina sy ny asan’izany eo amin’ny fiainan’ireo mpianatra. Ny Ray no mandefa ny Fanahy Masina amin’ny anaran’ny Zanaka izay mipetraka eo ankavanany. Nambaran’i Jesoa izany tamin’Izy niteny sy nankahery ary nampanantena ny Fanahy Masina tamin’ireo Apôstôly (Jo.14, 26). Ny Fanahy Masina izany dia mifandray amin’ny Ray sy ny Zanaka ary mitari-dalana ireo mpianatra ka hanamasina  sy hitondra azy ireo ho ao amin’Andriamanitra Ray sy Zanaka.
« Andriamanitra tokana, olona telo ». Maneho àry izany fa iray ihany Andriamanitra amin’ny maha-Izy Azy sy ny fombany. Samy tsaohina sy omem-boninahitra mitovy Izy ireo, samy mandrakizay. Ny fifandraisana misy eo amin’Izy ireo no samihafa ; ny Ray dia Tompo Mpahary mahefa ny zavatra rehetra ;  ny Zanaka avy amin’ny Ray ary iraky ny Ray mitondra ny fanavotana sy ny famonjena ny olombelona ; ny Fanahy Masina kosa avy amin’ny Ray sy ny Zanaka ary manatanteraka ny iraka avy amin’izy ireo dia ny fanentanana sy fitarihana ny fiainan’ny olona ho amin’ny tsara. Tsy midika anefa izany fa misaraka na mizarazara Izy ireo, fa miaraka mandrakariva amin’izay ataony rehetra.
« Fitiavana Andriamanitra Trinite Masina ». Fitiavana no amaritana an’Andriamanitra. Fitiavana no ifandraisan’izy ireo ary ifandraisan’izy ireo amintsika olombelona. Mifandray sy mifanerasera am-pitiavana ary mizara ny fitiavany fa tsy mihazona izany ho an’ny tenany samirery ny Trinite Masina. Tian’ny Trinite Masina hanao tahaka Azy koa isika, hifanerasera sy hifandray am-pitiavana, hiala amin’ny gejan’ny fitiavan-tena fa hifampizara fitiavana amin’ny hafa, fitiavana fanoloran-tena ary fitiavana mitondra famonjena ho an’ny hafa.
Ry Andriamanitra Trinite Masina ô, ampio izahay haka tahaka Anao mandrakariva hifandray am-pitiavana, hahay hanaja ny fahasamihafana araka ny anjara asa manandrify anay tsirairay avy. Voninahitra anie ho Anao amin’ny taona rehetra mandrakizay

Recherche
Photo de la semaine
Le Mémorial Victoria à Calcutta illuminé en vert à la veille de la Journée mondiale de l'environnement. © AFP
Teny mahavelona
Feon'ny fahasalamana
Vaovaom-paritra

[Kaominina Ambahikily - Faritra Atsimo Andrefana]

Ilaina jerena ny fotodrafitrasa miantoka ny famokarana

Nosoratan'i Donnah

Sombin-tantara

Adala sitrana

nosoratan'i Nosoratan’i Arikaomisa Randria

Nombre de visite