logo
Lakroan'i Madagasikara
Antsakabary

Miantso fanadihadiana iraisam-pirenena

Nanangona JRR il y a 6 mois

Nitondra famelabelarana tao Faravohitra Ramatoa Arlette RAMAROSON, Filohan’ny Fikambanana « Vovonana Mampiray » - Mpitsara Iraisam-pirenena teo aloha. toa izao izany famakafakana nataony izany.

Miantso fanadihadiana iraisam-pirenena

RAHARAHA FANDOROANA TRANO FONENANA SY FIANGONANA TANY ANTSAKABARY

MIANTSO FANADIHADIANA IRAISAM-PIRENENA


Toy izao manaraka izao ny famelabelarana nataon- dRamatoa Arlette RAMAROSON, Filohan’ny Fikambanana « Vovonana Mampiray » - Mpitsara Iraisam-pirenena teo aloha, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nomanin’ny Fikambanana maro sy ireo Ray aman-dreny ara-drazana isam-paritra ary ireo Solombavam-bahoaka sasany momban’ny « HELOKA BE VAVA NATAON’NY POLISY TAMIN’NY MPONINA SIVILY TANY ANTSAKABARY – BEFANDRIANA AVARATRA », izay natao tao amin’ny « Centre Social  ARRUPE CSA ECAR FARAVOHITRA » androany maraina.

 

Faly miarahaba anareo mpanao gazety sy ny olona rehetra tonga manatrika izao valan-dresaka izao izahay.

 

Fikambanana maro izahay no nanomana izao valan-dresaka izao manoloana ny habibianana tsy roa aman-tany nitranga tany amin’ireo fokontany tao amin’ny Kaomina Antsakabary – Distrika Befandriana Avaratra - Faritra Sofia.

 

Izay rehetra nanomana izao valan-dresaka izao dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ilay Ramatoa lehibe jamba maty tao an-tranony nandritra ny fandoroan’ny Polisy ny trano fonenany. « NODORANA VELONA ». Mankahery hatrany ireo fianakaviana nipetraka tamin’ny trano miisa 487 izay nodoran’ny polisy ny tranony, ny fiangonany ary nisy norobain’izy ireo ny fivarotana vao nodorany. Mirary fahasalamana ho an’ireo olona tratry ny fifampijaliana (torture) nataon’ny polisy azy ireo izahay.

 

Mankasitraka tanteraka ny mpanao gazety Fetra RAKOTONDRASOA ao amin’ny VIVA izahay izay nanao ny fanadihadiana manokana momba izao raharaha izao ary namoaka izany tamin’ny Télévison VIVA nandritra ny fandaharana “ GRAND DOSSIER” tamin’ny zoma 10 marsa 2017 tamin’ny 8 ora sasany alina.

 

Maneho fisaorana feno ireo Ray aman-dreny ara-panahy sy ireo Sojabe ary ny vahoaka tany an-toerana izahay izay nitsangana vavolombelona tamin’izao raharaha mampalahelo izao. Nanamafy izany fijoroana vavolombelona nataon’izy ireo izany ny hafatra miezinezina nataon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara tamin’ny 7 mars 2017 ka nilazany fa :  “maneho fisaorana manokana sy mankahery an’ireo pretra sy reliziozy ary lahika any amin’ny faritra nisehoan’ny voina, eo ambany fitarihan’i Monseigneur Rosario VELLA, Evekan’ny diosezin’Ambanja, tamin’ny FIJOROANA HO VAVOLOMBELON’NY MARINA SY NY FANENTANANA AMIN’NY FIFANAMPIANA ARY NY FANDRAISANA ANDRAIKITRA AVY HATRANY HATRAMIN’NY NITRANGAN’NY LOZA… Ary mbola tsy lefy ao am-po koa ny hafatry ny Kardinaly Pietro PAROLIN nanao hoe: aoka ho Mpanorina fandriampahalemana ianareo. (Soyez des artisans de la paix).

Tsy nitazam-potsiny izany faharavana izany mpiray tanindrazana fa nanao tolo-tanana na « Telethon » ho fanampiana azy ireo. Niantso ho amin’ny fifanomezan-tanana sy ny tolo-tanana hanangonana izay foin’ny rehetra ihany koa ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara. Endriky ny Soatoavina malagasy izany izay manandratra avo dia avo hatrany ny Fihavanana malagasy ka mendrim-piderana manokana ireo mpikarakara rehetra izahay.

 

HELOKA BEVAVA NATAO TAMIN’NY MPONINA SIVILY

(CRIME CONTRE UNE POPULATION CIVILE MALAGASY)

 

Manitsakitsaka ny Zon’Olombelona izany fihetsika baribariana nataon’ireo polisy tamin’ny mpiray tanindrazana izany. Mandrindra ny filaminam-bahoaka, miaro ny vahoaka sy ny fananany ny mpitandro filaminana fa tsy natao handoro trano fonenana sy Fiangonana ary mandrava fananana amin’izao efa fahantrana lalina mianjady amin’ny vahoaka maro an’isa izao, indrindra fa ireo fokonolona niharan’ny habibiana sy ny fampijaliana tao amin’ny Kaomina Antsakabary. Tapaka ny fianaran’ny mpianatra satria tapitra may ny fitaovam-pianarana.

 

Nalefa hisambotra ireo olona nanao « fitsaram-bahoaka » ka nahafaty ireo polisy roa ireto polisy miisa 40 mahery ireto fa tsy hanao « valy faty » sy « fitsaran’ny polisy mivantana ireo fokonolona tsy manan-tsiny » tamin’ny fokontany miisa enina nolalovany izay mielanelana eo amin’ny 4 sy 6 kilometatra. Tsy tan-dalàna ireto polisy ireto satria ny andraikiny dia nitondra ireo noheverina fa meloka teo anivon’ny Tribonaly Ambaratonga voalohany tao Mandritsara na Antsohihy fa tsy nandoro trano sy nampijaly ny fokonolona mpiray tanàna.

 

Tsy fantatra marina ny « baiko azon’ireto polisy ireto» tamin’izao iraka izao!

 

Na inona na inona baiko nomena azy ireo avy amin’ny Fitondram-panjakana dia voararan’ny Lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny fanjakana izany fihetsika feno habibianana izany, indrindra fa ny Lalàna iraisam-pirenena.

 

NOHO IREO ANTONY IREO DIA MANAO ANTSO AVO AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA IZAHAY:

 

§  handray andraikitra amin’ny fanonerana (indemnisation) tsy misy atak’andro ireo tsy manan-tsiny niara-boina isan-tokan-trano ary handray fepetra hentitra amin’ireo izay nahavanon-doza toy izao mba ho ohatra velona ho an’ireo mpitandro filaminana hafa mety hihoam-pefy ka tsy hiverenan’ny toe-javatra mampalahelo toy izao intsony eto amin’ny firenena. Endriky  ny « Fanjakana tsy tan-dalàna » izany.

 

 

§  hampiseho ny fahadisoany ka hitondra ny fialan-tsiny sy ny fifonana (pardon) ary ny fiaraha-miory ampahibemaso amin’ny alalan’ny kabary hataon’ny Filoham-pirenena amin’ny TVM sy ny RNM nohon’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy araka ny voafaritra mazava ao anatin’ny Lalàm-panorenana. Tsara ho marihina fa ny Filohan’ny Repoblika no manendry ny Praiminisitra araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha 54 ny Lalàm-panorenana ary ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta « no miantoka ny filaminana, ny fandriampahalemana ary ny maha-marin-toerana ny tanim-pirenena antin’ny fanajana ny firaisam-pirenena » araka ny voalazan’ny andininy faha 65 (9) ny Lalam-panorenana.  Endriky ny «Fanjakana tsara tantana » izany.

 

§  fa tsy azo ekena intsony ny tsy maty manota na ny « impunité » eto amin’ny firenena tan-dalàna araka ny voalaza ao amin’ny Lalam-panorenana sy ny « Déclaration universelle des Droits de l’Homme » ary ny « Pacte international relatif aux droits civils et politiques »  satria izany no antony nandrava ny fifampitokisana teo amin’ny vahoaka, ny Fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana ary isan’ny antony tena tsy nampahomby ny « fampihavanam-pirenena na ny fampihavanana ireo mpanao politika » hatramin’izao.

 

Miantso ny Vondrona Iraisam-pirenena, indrindra fa ny Firenana Mikambana izahay mba hijery akaiky an’izao raharaha izao satria isan’ny sakana amin’ny fanatanterahana ny « 17 objectifs du développement durable » amin’ny taona 2030 izao habibianana tsy roa aman-tany izao nohon’ny tsy fisian’ny Fanjakana tsara tantana sy tan-dalana ary ny mangarahara eto Madagasikara mba hisian’ny FANDRIAMPAHALEMANA, FITSARANA MARINA SY IREO ANDRIM-PANJAKANA MAHOMBY (Paix, Justice et les Institutions efficaces).

 

Eto am-pamaranana dia tsara ho fantatry ny mpiray tanindrazana fa isan’ny heloka bevava voasokajy ho isan’ny « crime contre la population civile » ny habibiana nataon’ny polisy tany an-toerana ary voararan’ny Lalàna iraisam-pirenena. Noho izany dia miantso ireo mpanao fanadihadiana iraisam-pirenena izahay hanao ny asany momba ity habibiana tsy roa aman-tany ity eto Madagasikara  mba ahazoan’ny ny vahoaka malagasy masi-mandidy mitondra ny raharaha eo anivon’ny Tribonaly iraisam-pirenena rehefa tsy hampiseho amin’izao tontolo izao ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny fitondram-panjakana malagasy.

 

Maneho fisaorana feno anareo mpanao gazety amin’ny fiaraha-miasa.

 

MASINA NY TANINDRAZANA

ANDRIAMANITRA MIARO AN’I MADAGASIKARA


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 23 Sep. 2017 - 07:50-

    Dernières publications. Société : http://www.lakroa.mg/item-1169_articles_societe_18-le-projet-tire-a-sa-fin.html  Economie : http://www.lakroa.mg/item-1168_articles_economie_18-fin-d-une-mission-pour-la-deuxiame-revue.html  Politique : http://www.lakroa.mg/item-1167_articles_politique_18-la-constitution-ne-se-mange-pas.html

  • 20 Sep. 2017 - 12:35-

    Vakio o. Finoana : http://www.lakroa.mg/item-1165_articles_religion_18-fehin-kevitry-ny-fivoriana-tsy-ara-potoana.html

  • 20 Sep. 2017 - 07:32-

    Président Hery Rajaonarimampianina à l’ONU.  La 72ème Assemblée Générale des Nations Unies a débuté ses travaux ce 19 septembre à New York. Cette année, les débats sont placés sous le thème « Priorité à l’être humain : paix et vie décente pour tous sur une planète préservée. » Selon le communiqué de la Présidence, le Président de la République de Madagasikara, Hery Rajaonarimampianina, interviendra à la tribune des Nations Unies ce mercredi 20 décembre, à 17 heures locales, soit à minuit, heure malgache. Notons qu’il interviendra pour la quatrième fois à cette tribune.

  • 19 Sep. 2017 - 13:12- Des nouveaux billets de banque (petite coupure) en circulation. La Banque Centrale de Madagascar a annoncé la mise en circulation de nouveaux billets de 1000, 500, 200 et 100 ariary. Ces petites coupures disposent des dispositifs de sécurité rendant difficile toute falsification. Pour la Banque centrale la mise en circulation de ces petites coupures est destinée davantage pour les échanges commerciaux au quotidien. Les anciens billets demeurent valables et ont la même valeur que les nouveaux. Le retrait des anciens billets se fera au fur et à mesure.
  • 19 Sep. 2017 - 08:58-

    Dernier article publié. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1164_articles_culture_18-fitiavana-a-fitiavana.html

  • 19 Sep. 2017 - 08:17-

    Examen deuxième semestre Cntemad. Les examens de fin d’année pour certains et de deuxième semestre pour la plupart des étudiants inscrits auprès du Cntemad (Centre National de Télé-Enseignement de Madagascar) ont co mmencé ce 18 septembre dans tous les centres de cet établissement. Selon le directeur général de cet établissement, Docteur Djohary ANDRIANAMBININA, on compte dans les seize mille (16.000) le nombre d’apprenants inscrits au Cntemad. Les préparatifs de ces examens semestriels n’ont pas posé de problème particulier tout comme le premier jour de ces examens.

  • 19 Sep. 2017 - 08:09-

    Tetiandrom-pampianarana sy datin’ny fanadinana. Araka ny didim-pitondrana laharana 12869/2017-MEN, ny tetiandrom-pampianarana ho an'ny taom-pianarana 2017-2018 dia voafaritra toy izao : Fidiran'ny mpandraharaha (Rentrée administrative): 18 sepitambra 2017. Fidiran'ny mpampianatra (Rentrée des enseignants) : 25 sepitambra 2017. Fidiran'ny mpianatra (Rentrée des élèves) : 2 okitobra 2017. Fifaranan'ny taom-pianarana (fin d’année scolaire) : 3 aogositra 2018.

     

    Ireo datin’ny fanadinana ôfisialy : CEPE : Talata 31 jolay 2018. BEPC : Alatsinainy 20 hatramin'ny Alakamisy 23 aogositra 2018.

    Ny Ministeran’ny fampianarana ambony no mamoaka ny datin’ny fanadinana bakalorea.

  • 18 Sep. 2017 - 11:49-

    Urban show revisited en novembre 2017.  Media Consulting organisera en novembre prochain un évènement dédié aux jeunes dénommé Urban Show. C’est un espace dédié aux jeunes, à leurs univers et mode de vie. Urban Show se compose en cinq shows : Urban Mode, Urban Arts, Urban Sports, Urban Food, et Urban High Tech. Chacune de ces sections sera répartie à travers tout le site avec ses propres expositions, ateliers, démos et concours. Il y aura également des stands de vente. Cet événement se déroulera au Village Voara les 24, 25 et 26 novembre 2017.

  • 18 Sep. 2017 - 08:16-

    Les fokontany changeront-ils de statut ? Toujours, lors de la rencontre entre le Président de la République, Hery Rajaonarimampianina, et les journalistes, le Président a laissé entendre que le statu des fokontany dans la Constitution actuelle mérite une réflexion en profondeur. Il pose la question faut-il garder le statut actuel des fokontany ou donner au  fokontany le statut de collectivité territoriale décentralisée ? Pour mémoire, l’article 143 dit que Les Collectivités Territoriales décentralisées de la République sont les Communes, les Régions et les Provinces.

  • 18 Sep. 2017 - 08:14- La retouche de la constitution se confirme. Lors de la rencontre entre le Président de la République, Hery Rajaonarimampianina, et les journalistes, le Président a laissé entendre que la Constitution actuelle mérite un toilettage. Il a cité plusieurs articles. Il a cité le problème que revêt la rédaction de l’article 47 qui est contradiction avec d’autres articles. Pour mémoire, l’article 47 dit que L'élection du Président de la République a lieu trente jours au moins et soixante jours au plus avant l'expiration du mandat du Président en exercice. Le Président a pointé du doigt d’autres articles.
  • 15 Sep. 2017 - 17:41-

    Portes ouvertes de ETFPS RLG. Durant deux jours l'institut supérieur RLG organise deux journées portes ouvertes. Cet évènement a commencé ce 15 septembre et continuera toute la journée du 16 septembre. Les responsables donnent rendez-vius aux nouveaux bacheliers au Tahala Rarihasina à Analakely. Les visiteurs peuvent voir les fruits des travaux pratiques des étudiants par exemple ce panneau solaire suiveur de soleil où  le panneau suit l'évolution des rayons du soleil.  Cet établissement supérieur célèbre cette année ses 25 années d'existence.

  • 15 Sep. 2017 - 07:58-

    15 septembre : Journée internationale de la démocratie : Le courage est mis à l'épreuve quand on est dans la minorité, la tolérance est mise à l'épreuve quand on est dans la majorité.

  • 15 Sep. 2017 - 07:54-

    Textes récents : Politique : http://www.lakroa.mg/item-1161_articles_politique_18-la-machine-a-magouiller-les-alections-en-marche.html ; Election : http://www.lakroa.mg/item-1162_articles_monde_18-une-ravision-constitutionnelle-inutile-et-dangereuse.html

  • 14 Sep. 2017 - 12:57-

    Contre le changement de Constitution. Plusieurs associations [Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-Pirenena, Groupe des Experts Nationaux, KMF-CNOE, Club Développement et Ethique, MAMIMAD , Cercle de Reflexion et Analyse de Bongolava, Association Mamiko ny Taniko] publient un communiqué commun dénonçant toute tentative visant à retoucher la Constitution avant les présidentielles. Le communiqué rappelle que la Constitution de 2010 cherche à rendre plus difficile les révisions intempestives de la Constitution d’une part, et à égaliser les chances des candidats à la Présidentielle par la démission du Président candidat à sa propre succession d’autre part.

  • 14 Sep. 2017 - 12:50-

    Intérêt particulier du Président actuel. Si des imperfections sont relevées dans la Constitution actuelle, il appartient aux futurs candidats à la Présidentielle de proposer leurs visions constitutionnelles. Ainsi, tous ceux qui préconisent des changements en profondeur, voire une « refondation » totale, pourront faire connaître leurs propositions, ce qui élargira le débat à une discussion générale. À l’inverse, entamer aussi tardivement un processus constitutionnel sur la simple question de la démission du Président de la République, candidat à sa propre succession, semble servir le seul intérêt particulier du Président actuel, et non pas l’intérêt général de la nation.

  • 13 Sep. 2017 - 08:38-

    Madagascar Renewable Energy. Un atelier sur l’électrification à Madagasikara se déroule au Carlton. Le ministre a ouvert officiellement cet atelier le 12 septembre. Un atelier qui dure deux jours. Pour Lanto Rasoloelison, Ministre de l’Eau, de l’Energie et des Hydrocarbures, cet atelier revêt une importance particulière dans la mesure où il n’y a que 6% de la population rurale qui bénéficie de l’électricité alors que les potentialités pour apporter cette énergie dans les campagnes sont nombreuses. Il espère que les participants à cet atelier vont apporter des solutions concrètes pour le bien-être de la population.

  • 12 Sep. 2017 - 07:59-

    Article du 12 sept 2017. Politique : http://www.lakroa.mg/item-1160_articles_politique_18-fils-et-filles-de-prasidents-attention-a-la-relave.html Culture: http://www.lakroa.mg/item-1159_articles_culture_18-tsy-sirianina-hoy-aho-ny-resaka.html

  • 12 Sep. 2017 - 07:11-

    88 apprenants. Le Cenam, centre national de l’artisanat malagasy, vient de délivrer, ce 7 septembre, une attestation à chacun des 88 apprenants formés au sein de ce centre national. Ils sont issus de 11 filières différentes de l’artisanat (tissage, vannerie, crochet, broderie, coupe et couture, ouvrage métallique, corne, travail des produits naturels, mécatronique, recyclage). Cette promotion dénommée Ezaka est la première promotion pour cette année 2017. Jean Jacques Rabenirina, ministre de la culture, de la promotion de l’artisanat et de la sauvegarde du patrimoine, a officié la cérémonie pour encourager ces artisans.

  • 11 Sep. 2017 - 13:21-

    Soutien pour les jeunes étudiants d’Anosy. Lors de son passage à Fianarantsoa pour regarder le dernier match (ce dimanche 10 septembre 2017)  du FC Angele représentant la Région Anosy dans le groupe D du tournoi Thb Ligue des champions 2017, les étudiants originaires de la région Anosy ont présenté au chef de région leurs problèmes. Le chef de Région a ainsi offert aux étudiants un ordinateur et une imprimante avec une machine pour réaliser la reliure. Ces matériels vont aider les jeunes dans la réalisation de leur mémoire de fin d’études.

  • 09 Sep. 2017 - 08:38-

    Nouveau financement. Le Mécanisme d’appui à la société civile à Madagascar (Programme Dinika) bénéficie d’un nouvel appui de l’Union Européenne. Un accord de don a été le 8 septembre pour un montant de 9,5 millions d’Euros, soit environ 33 milliards d’Ariary. Pour la Ministre Vonintsalama Andriambololona, les actions de la société civile permet plusieurs actions positives entre autres de rendre les institutions démocratiques plus responsables et réactives à l’égard des citoyens ; en favorisant la lutte contre la corruption, le respect des droits de l’Homme, l’autonomisation des femmes, ainsi que l’égalité des chances.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

politique
politique
Publicité