logo
Lakroan'i Madagasikara
Vahiny vaovao

Toetra Ràja

Nanangona JRR il y a 6 années

Vao avy nankalazaina ny andro maneran-tany momba ny poezia (21 mars : Journée Mondiale de la Poésie). Mpikolokolo izany poezia izany no mivahiny eto amin’ny www.lakroa.mg.

Toetra Ràja

Poety iray nanomboka nanoratra tany amin’ny taona 1983. Toetra Ràja no anarany. Vao avy namoaka boky mitondra ny lohateny hoe "Tiako - tiako foana !", ahitana tononkalo notsongainy tamin’ireo nosoratany tao anatin’ny 33 taona (1983-2016).


www.lakroa.mg. Miarahaba an’i Toetra Ràja. Manam-baovao lehibe ho zaraina ianao.

Toetra Ràja. Miarahaba ary misaotra nanasa ahy ato amin’ny www.lakroa.mg. Eny manam-baovao tokoa aho. Namoaka boky mirakitra ny asa soratra notsongaina tamin’ireo nosoratana tao anatin’ny 33 taona. Avelako angaha ho ireo mpamaky no hahatsapa raha lehibe na tsia ny boky "Tiako - tiako foana !". Tiako ny milaza fa mora vakiana io boky io. Ny tononkalo ao anatiny dia misosa antsaina fa aza matahotra miroboka ao anatin’ireo takila 148 ao anatiny.

 

 

www.lakroa.mg. Inona avy no mety ho hita ao anatin’ireo takila 148 ireo ?

Toetra Raja. Misy ny fanolorana nataon’i Andre Rakotondranaivo mpampianatra izay efa nanoratra boky 96, mialoha ny Ala sarona nataoko nanazavana ny antom-pisian’ireo fizarana telo mandrafitra azy. Andrianasolo Hajaina, filohan’ny Havatsa-Upem sy Narivelo Rajaonarimanana profesoran’ny INALCO any Parisy no nanao ny Teny tsipy famaranana. RanjaSoa Publishing kosa no nanonta ny boky.

 

www.lakroa.mg. Any amin’ny lohateny dia fantatra fa fitiavana no votoatin-dresaka. Fitiavana ahoana moa ?

Toetra Ràja. Tsara fipetraka ny fanontanianao amin’ilay hoe votoatin-dresaka. Misy resaka fanadihadiana tokoa mantsy ao fa tsy tononkalo ihany. Tsy amboaran-tononkalo akory io, eny fa na dia ahitana tononkalo 80 aza. Lahatsoratra maro no mampifamatotra ny hevitra sy ny tononkalo maneho ny endri-pitiavana amin’ny lafiny maro toy ny fitiavana soratra sy poezia, ny akaiky, ny mpiara-belona, ny tontolo iainana, ny Tompo Andriamanitra. Ary raha ny marina dia maro amin’ireo lahatsoratra ireo aza no efa tononkalo koa.

Misy olana anefa ny fitiavana. Ny fizarana faharoa, mifandraika amin’ilay tsipi-panohizana (-) hita ao amin’ny lohateny, no mampisongadina an’izany. Any amin’ny farany no nametrahan’ny mpanoratra lalantsara mankany amin’ny vahaolana tiany hitondrana ny mpamaky ny fihetseham-pony.

 

www.lakroa.mg. Tsy ialana olana ny fitiavana. Fa misy vahaolana azo aroso ve anefa ?

Toetra Ràja. Marina izany. "Na inona hitranga" no lohatenin’io fizarana faharoa misy andalinana ny olana izay nanompanana toerana lehibe ao anatin’ny boky. Ao ny olan’ny fitiavan’olon-droa izay miafara amin’ny "fizaram-pananana". Resin’ny hambony ny maro ka tsy voafehiny ny fefy mamaritra ny tokony ho an’ny tena sy ny akaiky, hany ka misedra sy mampisedra ny bobongolon’ny fiainana izy. Ny fahafatesana aza efa tsy fidiny, lazain’ny mpanoratra fa tokony ho fahavalo tokana iombonana.

Iza moa no sahy hilaza fa tsy efa nomontsamontsanin’ny olan’ny fitiavana ? Vahaolana hoy ianao ? Indro andinin-teny 4, amaliako azy ary ahatsapana ny maha lalina an’izany fitiavana izany.

 

TIAKO - TIAKO FOANA!

Na inona hitranga

na ianao ho moana,

ny alokao ho banga...

Tiako - tiako foana!

 

Na ianao mitroatra

tsy fantatro nahoana,

fa diso tafahoatra...

Tiako - tiako foana!

 

Tsy afaka ao am-poko

ao mandavan-taona

ianao mampitoloko...

Tiako - tiako foana!

 

Fa mbola mibaliaka

ary tsy ho foana

ny hasambarantsika...

Tiako - tiako foana!

Tiako - tiako foana!

Tiako - tiako foana!    

 

Toetra Ràja

9 oktobra 2015

 

www.lakroa.mg. Inona no mety ho mampiavaka ny tononkalon’i Toetra Ràja ?

Toetra Ràja. Ny ankamaroan’ny tononkaloko dia misalotra ny angaly antsoina hoe "teny fohy isan’andalana" manara-drafitra, izay heverina fa mora antsaina, misosa vakiana ary mateza eo imolotra sy hotsarotsaroana.

 

TENY FOHY

Teny fohy,

ary elatra,

hitohy

hielatrelatra

hariva...

ao anaty:

bitsik’iva,

tsy mba maty!

 

Raha mifoka

rivotr’alina

aho, sodoka-

nofy lalina;

ary injao

fa mifoha,

ho anao,

toa ritso-po!

 

Tsy miato

manavao...

rarivato

no atao,

efa vonona

izy izao

ka tononina

ho anao.

 

Toetra Ràja

12 aogositra 2005

 

 

www.lakroa.mg. "Efa vonona izy izao", hoy ianao. Aiza no mety ahitan’ny mpanjifa ny boky ?

Toetra Ràja. Napetraka any amin’ny tranomboky vitsivitsy ao Antananarivo ny boky : Bibliothèque Nationale ao Anosy, Archives Nationales ao Tsaralalàna, Cemdlac, ao amin’ny Faribolana Sandratra sy Havatsa-Upem (Tahala Rarihasina Analakely). Raha maniry ny hanana ho anao manokana ianao dia manorata amin’ny mailaka toetraraja@yahoo.fr  na mandefasa hafatra miafina ao amin’ny Facebook (Toetra Ràja).

Ao amin’ireo fitaovan-tserasera ireo isika afaka mivalampatra tsara miresaka mangina.

 

www.lakroa.mg. Azonao lazaina ve ny fotoana mampivelatra ny aingam-panahinao rehefa mamorona tononkalo ?

Toetra Ràja. Tongatonga ho azy eny ny aingam-panahiko fa matetika rehefa irery iny aho dia lasa lavitra tokoa ny eritreritra. Antsaina ao anaty sahady ny andalana, averimberina sy tsakotsakoina ao anaty ho tonga voninkazo marina. Rehefa teraka ny fahafaham-po vao raisina ny penina ialana amin’ny fanadinoana satria amiko manokana dia harena ny aingam-panahy ka tsy tokony hotobatobaina sy ho verivery ho azy.

 

ANDALAN-TENY

Andalan-teny

tongatonga

ho azy teny

no nanonga

 

ka nanjary

voakaly,

voarary

hampifaly!

 

Nokoloina

ary indrindra

nolokoina

mba hirindra,

 

hierinerina

an-kavoana,

averimberina

eny foana.

 

Toetra Ràja

25 jolay 2007

 

www.lakroa.mg. Misy sehatra na lafim-piainana mahasarika anao kokoa ve, toy ny fitiavana na tontolo manodidina na fiaraha-monina na politika na hafa ?

Toetra Ràja. Mahasarika ahy avokoa ireo voatanisanao ireo ary samy tafiditra ao anatin’ny boky "TIAKO - TIAKO FOANA!" avokoa. Ny politika kosa aloha tsy idirako mivantana. Fa andeha ampiako kely ny lisitra : fitiavana an’Andriamanitra.

 

www.lakroa.mg. Firy ny tononkalo nosoratanao ? Ary efa azo ambara sahady ve rahoviana indray ny boky manaraka ?

Toetra Ràja. Tsy haiko loatra ny manisa ireo tononkalo efa voasoratro voatahiry any am-bata ary sarotra amiko ny hilaza aminao hoe rahoviana indray ny boky manaraka. Ny fantatro aloha dia eo ampanomanana boky iraisana amin’ny Havatsa-Upem foibe aho ho fanamarihana ny faha-65 taonan’ny fikambanana ary boky iray hafa ihany koa iarahana amin’ny Havatsa-Upem sampana Frantsa ho an’ny faha-15 taona. Ankoatra ireo dia efa andalana ny bokim-pikarohana iray lehibe imasoan’ny profesora sy poety zokiny ao Parisy ao ka mba anisan’ny tafiditra ao ny tononkaloko vitsivitsy. Noho ny hasarobidin’izany boky izany dia noferana tsy hilazalaza ny andinindininy aho aloha.

 

www.lakroa.mg. Manoratra zavatra hafa ankoatra ny tononkalo ve ianao ?

Toetra Ràja. Tononkalo no tena ironan’ny foko. Fa amiko manokana dia mpanoratra lahatsoratra koa aho araka ny hita ao anatin’ny boky "TIAKO - TIAKO FOANA!" sy ny tranonkala http://poetawebs.e-monsite.com/ anompanako fotoana maro.

 

www.lakroa.mg. Tonga dia nihazakazaka tany amin’ny resaka boky isika hatrany am-boalohany kanefa tsara ho fantatra ihany, iza moa i Toetra Ràja eo amin’ny fiainana andavanandro ?

Toetra Ràja. Mety mihitsy ny fomba nitarihanao ny resaka Jacques Ranaivo satria rehefa mifankahita ny olona dia mifanontany hoe "inona ny vaovao?". Mazava anefa fa ny boky no tena vaovao amiko.

Eo amin’ny andavanandro dia raim-pianakaviana i Toetra Ràja, izany hoe manam-bady ary manan-janaka roa. Toetra Rajaonarivony no anarany ara-panjakana. Mpikambana ao amin’ny Havatsa-Upem sy ny tranonkala Pôetawebs izy. Manana teny indraim-bava momba ny Pôetawebs aho raha sitrakao. Tamin’ny 2009 ity tranonkala entina manandratra ny Pôeta sy ny pôezia malagasy ity no natsangana. Tsy fametrahana asa soratra akory izy fa fampielezana tatitry ny hetsika tononkalo, fanadihadiana, fanaovana tapatapakahitra (100 eo ho eo hatramin’ny androany) ary famakafakana tononkalo.

 

www.lakroa.mg. Ny hafatrao ho an’ny olona te hanoratra ?

Toetra Ràja. Mifanerasera amin’ny mpanoratra tanora maro aho amin’ny alalan’ny fikambanana Havatsa-Upem misy ahy sy ny Pôetawebs. Maro tokoa izy ireo saingy manahy ihany aho sao dia misy ny fihazakazahana haingana loatra hamoaka tononkalo sy boky.

Raha tononkalo manaja fitsipika no atao dia mitaky sivana ara-tsipelina aloha izany izay vao avoaka. Aza atao voninahitra ny fampiasana "licence poétique" ho toy ny angalim-panoratana fa tsy mahasoa ireny. Ny asa soratra poety mantsy dia tokony ho anisan’ny tarafin’ny mpianatra teny malagasy.

 

www.lakroa.mg. Mazava ny resaka Toetra Ràja. Misaotra anao nitafatafa teto amin’ny www.lakroa.mg. Mbola hihaona eto ihany isika. Mirary herinandro milamina ho anao.

Toetra Ràja. Misaotra indrindra ny www.lakroa.mg nampiantrano sy nanome toerana mampilamina ny vahiny. Mirary soa !


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 02 Mar. 2022 - 06:38-

    Point de situation cyclone tropical Emnati. Bilan humain du 01 mars 2022 à 18h00. 15 décès enregistrés (05 à Farafangana, 02 à Ihosy, 03 à Vangaindrano, 04 à Manakara et 01 à Mananjary). • 169 583 personnes sinistrées (44 046 ménages) ; • 17 265 personnes déplacées (4 166 ménages) dans 71 sites d'hébergement de 11 Régions (Amoron'i Mania, Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Fitovinany, Ihorombe, Matsiatra Ambony, Sofia, Vakinankaratra et Vatovavy).

  • 28 Feb. 2022 - 10:31-

    Bilan provisoire des dégâts après passage du Cyclone Tropical Emnati : Bilan humain du 26 Février 2022 à 16h00
    · 09 décès enregistrés dont 04 à Farafangana, 02 à Ihosy et 03 à Vangaindrano ;
    · 121 770 sinistrés (soit 33 280 ménages) dont 76 674 sinistrés (soit 16 952 ménages) pour la Région Atsimo Atsinanana ;
    · 86 995 personnes déplacées (soit 18 974 ménages) dont 66 118 personnes (soit 14 342 ménages) pour la Région Atsimo Atsinanana ;
    · L’ensemble des personnes déplacées est hébergé dans 123 sites d'hébergement de 12 Régions : Amoron'i Mania, Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Fitovinany, Ihorombe, Matsiatra Ambony, Sofia, Vakinankaratra et Vatovavy.

  • 27 Feb. 2022 - 10:29-

    Bilan provisoire des dégâts après passage du Cyclone Tropical Emnati : Bilan humain du 26 Février 2022 à 16h00
    · 09 décès enregistrés dont 04 à Farafangana, 02 à Ihosy et 03 à Vangaindrano ;
    · 121 770 sinistrés (soit 33 280 ménages) dont 76 674 sinistrés (soit 16 952 ménages) pour la Région Atsimo Atsinanana ;
    · 86 995 personnes déplacées (soit 18 974 ménages) dont 66 118 personnes (soit 14 342 ménages) pour la Région Atsimo Atsinanana ;
    · L’ensemble des personnes déplacées est hébergé dans 123 sites d'hébergement de 12 Régions : Amoron'i Mania, Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Fitovinany, Ihorombe, Matsiatra Ambony, Sofia, Vakinankaratra et Vatovavy.

  • 08 Feb. 2022 - 11:09-

    Olana nateraky ny compte fake. Niala tsiny tamin’i Madagascar Espace i Raveloson Lee Priscilla, administrateur ny page « Mariazy ho anao », ny zoma 4 fevier lasa teo teny andrefan’Ambohijanahary. Niala tsiny satria nahatsiaro ho nanana fahadisoana noho ny famelana ilay vaovao nataon’i Raholiarimanga Lovasoa tompon’ny « compte fake Wella Romène » ka niteraka fahavoazana lehibe ho an’i Madagascar Espace. « Tsy nohamariniko akory manko ny fahamarinan’io publication io, ary Raholiarimanga Lovasoa tompon’ny « compte fake Wella Romène » dia tsy nanao mariazy tao amin’ity toerana ity araka ny fanamarihana nataon’ny tompon’andraikitra ao amin’ny cybercriminalité.

  • 01 Feb. 2022 - 06:52-

    Bilan provisoire des dégâts (31 Janvier 2022 – 18h00). • 55 personnes décédées (Analamanga 39, Alaotra Mangoro 7, Fitovinany 2, Vatovavy 3, Sofia 2, Analanjirofo 1, Matsiatra Ambony 1); • 131 549 sinistrés répartis dans 12 régions (Alaotra Mangoro, Analamanga, Analanjirofo, Atsinanana, Boeny, Diana, Fitovinany, Itasy, Matsiatra Ambony, Sofia, Vakinankaratra, Vatovavy) ; • 27 581 personnes déplacées dont 27 200 réparties sur 72 sites d’hébergement pour le Grand Tanà qui reste l’épicentre des dégâts ; • 11774 cases d’habitation inondées ; • 58 cases d’habitation détruites.

  • 28 Jan. 2022 - 10:09-

    Bilan provisoire des dégâts (27 Janvier 2022 – 18h30). · 48 personnes décédées (Analamanga 33, Alaotra Mangoro 7, Analanjirofo 1, Fitovinany 2, Soafia 2, Matsiatra Ambony 1, Vatovavy 2) ; · 129 718 sinistrés répartis dans 12 Régions (Analamanga 33, Alaotra Mangoro 7, Analanjirofo 1, Fitovinany 2, Soafia 2, Matsiatra Ambony 1, Vatovavy 2, Atsinanana, Boeny, Diana, Itasy, Vakinankaratra) ; · 55 362 personnes déplacées dont 47 619 réparties sur 98 sites d’hébergement pour la Région Analamanga qui reste l’épicentre des dégâts ; · 11 791 cases d’habitation inondées ; · 58 cases d’habitation détruites.

  • 27 Jan. 2022 - 10:08-

    Bilan provisoire des dégâts (26 Janvier 2022 – 19h00). · 41 personnes décédées (Analamanga 32, Alaotra Mangoro 7, Analanjirofo 1, Matsiatra Ambony 1) ; · 110 394 sinistrés répartis dans 10 Régions (Analamanga 32, Alaotra Mangoro 7, Analanjirofo 1, Matsiatra Ambony 1, Atsinanana, Boeny, Diana, Itasy, Soafia, Vakinankaratra) ; · 71 781 personnes déplacées dont 55 859 réparties sur 90 sites d’hébergement pour la Région Analamanga qui reste l’épicentre des dégâts ; · 8 927 cases d’habitation inondées ; · 58 cases d’habitation détruites.

  • 26 Jan. 2022 - 03:30-

    Bilan provisoire des dégâts (25 Janvier 2022 – 17h) : · 39 personnes décédées Alaotra Mangoro (7), Analamanga (31), MatsiatraAbony 1; · 67 042 sinistrés répartis dans 7 régions Alaotra Mangoro, Analamanga, Atsinanana, Boeny, Diana, MatsiatraAbony, Sofia; · 38 929 personnes déplacées réparties sur 72 sites d’hébergement pour le Grand TANA qui reste l’épicentre des dégâts ; · 7 524 cases d’habitation inondées dont 57 détruites; · 5640 enfants privés de cours;  · 156 établissements scolaires touchés ; · 96% des personnes déplacées au niveau du Grand Tana (Source BNGRC).

  • 21 Jan. 2022 - 07:31-

    Bilan provisoire des dégâts pour Grand Tanà (20 Janvier 2022 – 18h) : 11 personnes décédées. 23 428 sinistrés. 9 091 personnes déplacées réparties sur 26 sites d’hébergement. 3 497 cases / maisons d’habitation inondées. 11 cases / maisons d’habitation détruites.


  • 20 Jan. 2022 - 07:30-

    Liste des sites d’hébergement actuels – Antananarivo (19 janvier). Pavillon Tsena Mora :187, Tentes dotées pour le fkt Amboditsiry : 650, Terrain foot près de Transport Leong ?, site Amboditanimena : 1 376, site Imamba : 410, Gymnase Mahamasina : 2 717, Bureau Fokontany Manjakamiadana : 183, EPP Manjakamiadana ?, bureau fkt Ambohipotsy : 200, ANS ampefiloha 32, Site Ambodimita : 16, EPP Andohatapenaka : 520, bureau fkt Antohomadinika IIIG Hangar (200) :  98, Epp Antohomadinika IIIG Hangar (110) 106, Gymnase Couvert Ankorondrano : 1 100, Bureau Fkt Andranoro : 8, bureau fkt Ambodihady : 10, bureau fkt Ankazomanga Atsimo : 265, Site Trano Karana près rond-point : 415, Bureau Fkt Ambodivonkely : 83, Biraom-pokontany Antanjombe Ambony : 81.

  • 18 Jan. 2022 - 20:35-

    Fifidianana ENAM. Migadona indray ity ny fotoam-pifidianana eny amin'ny ENAM Androhibe, anjaran' ny Cycle Expertise amin'ity indray mitoraka ity. 112 mianadahy izy ireo no indray handatsa-bato ho an'izay kandida laniny sy teliny hitantana ny andiany fahadimin'ny Cycle Expertise momba ny ady amin'ny tsy fahaiza-mitantanana eto amin'ny Firenena amin'ny alarobia 19 janoary 2022. Mizarazara amina - sampana efatra ny toeram-piofanana. Sampana samy miady amin'ny kolikoly sy ny tsy fanajana ny fahaiza-manao avokoa eo amin’ny ny asam-panjakana.

  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fahatezeran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo Ivato. Tafaverina ny alatsinainy 30 aogositra teo ny filoha Rajoelina rehefa namita iraka ekonomika sy diplomatika tany Frantsa. Niara-dia tamin’ny mpilalao Barea sasay ny tenany. Nanao vaan-dresaka fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany teo ampahatongavana teo Ivato. Naneho ny hatezerany tamin’ny mpikambana ny FMF ny tenany (Federasiona Malagasy Football) izay nambarany fa nisakana ny fahafahan’ny mpijery manatrika ny alalan’ny Barea ny 2 spetambra. Hahita izay nanao sonia iny taratasy iy hoy izy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny filoha nandritra ny tafa fohy ntaony  ho an’ny mpanao gazety teny Ivato fa ho tanterahina ny 4 septambra izao ny fitokanana ny Kianja Barea izay nokasaina natao ny 2 septambra. Ity kianja monisipaly ity dia nohavaozina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020, mitentina 77 tapitrisa dolara avy amin’ny volam-panjakana madiodio, araka ny nambara tamin’izany fotoana.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny harena ankibonan’ny tany teo aloha. Notontosaina tamin’ny 23 aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Ravokatra Fidiniavo. Ny Praiminisitra izany no mitantana ity minisitera ity taorian’ny fametram-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo telo andro taorian’ny nanendrena azy tamin’ny 15 aogositra 2021.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fahazoan’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana vola tamin’ny faritra sy kaominina. Nanolotra vola ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea izay nanao fitokonana ny governoran’ny Faritra Diana sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana tamin’ny 23 aogositra 2021. Mitentina 34 tapitrisa Ariary ny avy avy amin’ny governora ary 16 tapitrisa Ariary ny avy amin'ny ben’ny tanàna. Nilaza ny tsy hitsara manko ireo mpitsara raha tsy voaloa ny tambim-pitsaran’izy ireo teo aloha. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anefa dia efa nilaza, araka ny fampahafantarana nataony tamin’ny 17 aogositra fa efa nalefa any amin’ny oniversite isanisany ny vola tambin-karaman’ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea 2020.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fivoaran’ny ‘covid-19’ sy ny hamehana ara-pahasalamana. Tsikaritra ho vitsy ny tranga vaovao amin’ny ‘covid-19’ raha mitaha amin’ny fitiliana atao tamin’iny herinandro iny, fa misy ihany ny tranga ahitam-pahasarotana. 3/351, 5/578, 3/845 ohatra ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana natao tamin’ny 26, 27, ary 28 aogositra. Ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021, miisa 241 052 no fitambaran’ny fitiliana natao, miisa 955 ireo lavo, miisa 42 862 ireo tranga ka ny 42 566 no sitrana araka ny antotanisa ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara raha ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 22 aogositra 2021, ary mipetraka ireo fepetra sakana samihafa.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Filaharana haka tapakila hidirana ao Mahamasina. Ho tokanana amin’ny 2 septambra, andro hanatanterahana ny lalao hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny ekipan’i Bénin amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 ny kianja Barea ao Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny prezidansa nampitaina tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Filaharana lava hatramin’ny vao maraina no hita ny alakamisy 26 sy zoma 27 aogositra mba haka ny tapakila hidirana ao Mahamasina, hijery baolina sady hanatrika ny fitokanana ny kianja.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Fandavan’ny CAF ny hanatrehan’ny mpijery ny lalao ao Mahamasina. Nolavin’ny CAF (Confédération africaine de football) ny fangatahan’ny sekretera jeneralin’ny FMF (Fédération malagasy de football) ny hahafahan’ny mpijery miisa 1500 hanatrika ny lalao baolina kitra hatao ao Mahamasina amin’ny alakamisy 2 septambra 2021, ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 hatao any Qatar. Araka ny fampatsiahivan’ny CAF ao amin’ny valim-pangatahan’ny FMF tamin’ny 27 aogositra, dia araka ny lamina napetraky ny CAF sy ny FIFA ny tsy hanatrehan’ny mpijery ny lalao noho ny valanaretina ‘covid-19’.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Hetsiky ny RMDM Frantsa sy fisamborana/ famotsorana an’i Fanirisoa Ernaivo. Nandritra ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany Paris no nisian’ny hetsiky ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Frantsa tarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay mitsikera hatrany ny fitantanan’ny filoha Rajoelina sy mitaky ny fialany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Medef ny 25 aogositra, dia nisy ny fisamboran’ny polisy frantsay ity mpitarika ny RMDM Frantsa ity noho ny vaovao nampitaina tamin’izy ireo fa hoe mitondra fitaovam-piadiana izy saingy navotsotra ihany satria tsy nahitana izany tany aminy. Nambara ihany koa ny fisian’ny ‘mandat d’arrêt international’ hisambotra azy saingy tsy azo notanterahina izany raha ny nambaran’ny nokasaina hosamborina satria mpialokaloka politika no maha any azy. Voalaza fa ‘mandat d’arrêt’ nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina tamin’ny 16 aogositra izany. Ny minisitry ny fitsarana ankehitriny Imbiky Herilaza dia nanamafy fa didim-pitsarana efa nivoaka ny fisamborana azy, nilaza izy fa hifampiraharaha amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy ny hisamborana sy hampodiana an’i Fanirisoa Ernaivo aty Madagasikara.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Vidin-javatra midangana sy ny minisitera. Nametraka ny tokony ho saran’ny entana sasantsasany ilaina andavanandro ato anatin’ny enim-bolana ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy. Tamin’ny 26 aogositra teo no nitondrany ny fanazavana momba izany. Anisan’izany ny menaka fihinana « huile de palme » izay tsy tokony hihoatra ny 6000 Ariary ny litatra, ny menaka soja ‘en vrac’ tsy tokony hihoatra ny 7000 Ariary ary ny anaty tavoahangy mihidy tsy hihoatra ny 7500 Ariary, ny vary tsy tokony hihoatra ny 2300 Ariary ny kilao, ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, torak’izany koa ny lafarinina tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, ny arina fandrehitra tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ariary ny gony. Mbola lavitry ny vidiny teo aloha izay efa tsy zakan’ny ankamaroan’ny olona ireo raha ny fanehoan-kevitry ny olona satria tany amin’ny 5000 Ariary ny litatry ny menaka taon-dasa. Ny filoha malagasy moa dia nanome andro telo hamahana ny olan’ity fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ity tamin’ny kabariny saingy tsy tafa izany raha ny zava-misy.

Du même auteur

newtech
economie

Dans la même rubrique

culture
culture