logo
Lakroan'i Madagasikara
Tolona

Mifohaza ry Pôety

Nanangona i JRR il y a 2 années

Fomba maro no nanamarihana ny faha-70 taonan’ny tolona nataon’ny Malagasy tamin’ny 1947 izay marihana manokana isaky ny 29 marsa. Sehatra iray anehoana tolona sy fitiavan-tanindrazana ny asa soratra. Pôety maro no mitolona anaty asa soratra. Tsy lany ary tsy ho lany taranaka ireny Pôetin’ny tolona ireny.

Mifohaza ry Pôety

Pôety maneho fitiavan-tanindrazana, araka ny tsapa ao amin’ny bokiny "TIAKO - TIAKO FOANA!" i Toetra Ràja. Vahinin’ny www.lakroa.mg izy mandritra ny fotoana fohy. Dinika faharoa izao aroso izao.


www.lakroa.mg. Miarahaba anao Toetra Ràja, azonao hazavaina ve ny rohy mampifandray ny poezia sy ny fitiavan-tanindrazana ?

Toetra Ràja. Miarahaba ny gazety Lakroa www.lakroa.mg sy ireo mpiserany.

Voalohany indrindra aloha dia tiako ny milaza fa matoa tafiditra ao anatin’ny boky "TIAKO - TIAKO FOANA!" ny resaka tolona dia satria ao ilay teny hoe "fitiavana", dia ny "fitiavan-tanindrazana" izany. Manoratra ny Pôety, manoratra hatrany, manoratra fihetseham-po faratampony. Tsy mitsitsy fotoana sy herin-tsaina izy ary mikaroka fomba tsaratsara kokoa, hahatomombana ny fandaharana ny teny. Mihevitra izy fa tsy ho very maina ny dinitra arotsany mba hamonto ny tany ka hampiroborobo ny fitiavan-tanindrazana araka ity tononkalo DINITRA PÔETA ity (TTF. Isika eto amin’ny www.lakroa.mg dia manoratra poety ary ho fanajana ny asa soratra ny olona iray dia tehirizintsika ny "pôeta" araka ny nanoratany azy).

 

Dinitra pôeta

 

Dinitra

pôeta

no rihitra

irafetan’

ny kolo

manoloana

ny tolom-

pandrosoana!

 

...Hitete

tsy hiato,

na hoe

vy sy vato,

hampiray

hanova bika

an’ilay

tanintsika.

 

(...)

 

Areniko

ny tany

amy teniko

tsy ambany!

 

Toetra Ràja

19 jona 2005

 

www.lakroa.mg. Ahafahana manarina ny tany tokoa ve ny teny ?

Toetra Ràja. Azo apetraka amin’ny laza adim-panadinana izay fanontanianao izay! Tsy ho lava ny fanazavako fa ny tiako harangaranga dia ny hoe manan-jiny ny teny ka ny fampiasana azy dia mety hanatsara na hamotika zavatra betsaka. Mety hiteraka korontana eo amin’ny fiaraha-monina izy kanefa azo ampiasaina hampivoatra ny tontolon’ny zanak’olombelona. Firifiry tokoa moa ireo sanganasana pôety nitarika olona hitraka raha tsy hanonona afa-tsy ilay hoe "Tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilana, Rado - 2002) isika?

 

www.lakroa.mg. Nalaza tokoa io bokin’i Rado io. Aiza ho aiza ny Pôety ankehitriny amin’ny resaka tolona?

Toetra Ràja. Samy manana ny vaninandrony ny asa soratra mahakasika fitiavan-tanindrazana. Nitolona Ny Avana tamin’ny fanjanahantany. Amin’izao fotoana izao dia entanina ny Pôety hitolona ho an’ny fandrodanana ny fitiavan-tena manjaka tokana.

 

"Ny bobongolonao ry taniko no mangeja ny androaniko, satria mantsy nohosena anatin’ny fitiavan-tena. Ny hetraketrakao rey olona, mamporisika ahy hitolona, miainga avy ao anaty, mipololotra tsy mba maty. Mitolona aho fa pôeta, tsy mba afaka hetaheta. Maro mantsy ny hirifiry sy alahelo makadiry ary koa ny fahafatesana... Mila tsy hifandrenesana! Saingy ekeo fa eto an-tany misy lalantsara hatrany. Rehefa tia ka tena tia, tsy ho kivy sanatria!"

in "TIAKO - TIAKO FOANA!", tak. 99.

 

www.lakroa.mg. Inona no tianao lazaina amin’izay "lalantsara" izay Toetra Ràja ?

Toetra Ràja. Efa tsy andron’ny fampiasana basy aman-tafondro intsony isika izao raha tolona no resahina. Tolona "marina" no atao. Raha ara-bakiteny dia any amin’ny lalana "tsara" no tokony haleha, izany hoe tsy ilay mitondra any amin’ny korontana sy fanimban-javatra akory fa any amin’ny fifampiresahana sy fanaovana tondro-molotra ny tsy marina. Ny tsy marina ? Ho zary henatry ny fiaraha-monina anie izany ka hampitsingidina ny fitiavan-tena, fototry ny tsy fahombiazana ankehitriny.

 

Tolona marina

 

Rehefa

voatery

ny manodidina,

handefa

fijery

mampitsingidina,

fa MARINA

loatra

ny fitakiana...

 

Dia hiarina

hitroatra

ireo mangina,

fa efa

any ho any

ny ady mazana,

hiantefa

hatrany

amy faravazan’

ny olona

lany

fiantsampazana...

 

TOLONA

ho an’

ny tanindrazana!

 

Toetra Ràja

7 janoary 2014

 

www.lakroa.mg. Ahoana tokoa ny momba izany hoe "olona lany fiantsampazana" izany ?

Toetra Ràja. Izy ireo no trotraky ny fiainana ka na ny taniny ifikirany aza dia efa heveriny fa tsy azy intsony. Tsarovy ny hiakam-pitoloman’i Ludger Andrianjaka amin’ilay hira hoe "Nosy tanindrazako". Ahoana hoy izy ? "Madagasikara ho an’ny Malagasy, Malagasy kosa ho an’i Madagasikara". Mampihiaka ahy koa ny hira toa ireny ary mampakatra avy hatrany ny aingam-panahiko ka mampanontany tena hoe : iza no tompon’ny toerana? Araho ny rohy https://www.youtube.com/watch?v=nde30az9TDs

 

Toerana

 

Zovy ianao ry Malagasy

efa ela nandeferana,

mbola io mangasihasy,

lasan’olona ny toerana!

 

Eo ambody fiakarana

mivangongo mavomavo:

ianao no famaharana

amin’ny tohatohatra avo!

 

Aiza ianao ry Malagasy

trotraky ny hatezerana?

Ny hajanao voatasy,

ny anao no fanaikerana.

 

Mbola io..., io ianao

lasalasa fiheverana

fa atao ankilabao

na dia tompon’ny toerana!

 

Toetra Ràja

1 jolay 2016

 

www.lakroa.mg. Ny fahatsiarovana ny tolona tamin’ny 29 marsa 1947 no iantefan’ny dinitsika eto. Teny fohy momba izany avy aminao ?

Toetra Ràja. Tolona mivaivay no niainan’ny Malagasy tamin’izany fotoana izany. Nianarana tany an-tsekoly ny zava-nitranga. Tsy hisalovana ny andraikitr’ireo mpahay tantara aho kanefa manana fahatsiarovana kely naverimberin’ny raiko matetika taminay zanany. Tamin’ny fito amby efapolo dia anisan’ireo mpianatra kilasimandry tao amin’ny Ecole Régionale Mantasoa izy. Tamin’io alin’ny 29 marsa io àry dia nanambara tamin’ireo mpianatra ny mpiandraikitra ny sekoly hoe : "tsy maintsy mody izao dia izao ianareo fa tsy afaka hiantoka ny fiarovana anareo ny sekoly". Ankizy tsy ampy taona anefa izy ireo ary matoa natao kilasimandry dia lavitra toeram-ponenana. Tsy nisy ny fiarakodia, ny tany mihotakotaka kanefa nisasaka ny alina. 30 km no miandry, mihorohoro ny fo amam-panahy, lava toy ny tsy hanam-pahataperana ilay alina...

 

www.lakroa.mg. ... Dia nanao akory ?

Toetra Ràja. Velonaina soa aman-tsara! Betsaka ireo Malagasy nihorohoro tamin’ireny saingy tsy hary voatantara avokoa. Manainga ny rehetra re handray penina e ! Tantarao ny marina !

 

www.lakroa.mg. Eo koa ianareo Pôety sy mpanoratra! Ny hafatrao ho azy ireo ?

Toetra Ràja. Eny, ao anatin’ny fahantrana mangitsoka ny vahoaka. Fotoanan’ny haisora-pitolomana izao. Mifohaza ry Pôety. Aza lany andro amin’ny fehezanteny lava fa manaova teny fohy mipaka malaky any anatin’ny fo lalin’ny rehetra. Miandry anao ny firenena.

 

www.lakroa.mg. Misaotra anao Toetra Ràja amin’izany hafatra ho an’ny Pôety sy ny rehetra izany. Mirary soa ! Amin’ny manaraka indray mitafa sy mihaona amin’ny mpanaraka ny www.lakroa.mg.

 

www.lakroa.mg. Misaotra ny gazety www.lakroa.mg sy ireo mpiserany koa. Manararaotra aho eto misaotra ny tranonkala iray nanolotra ahy an’ity akanjo anaovako ity (MALAGASY). Io tranonkala io dia noforonina tamin’ny 29 marsa 2017, ho fankalazana ny soatoavina napetrak’ireo namoy ny ainy tamin’izany taona 1947 izany.

Mandra-pitafa!

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 06 Mar. 2019 - 07:23-

    Carême 2019. Le temps de Carême 2019 commence ce jour, Mercredi des cendres. Pour nous accompagner dans ce temps fort de notre foi voici deux liens :

    Message intégrale du Pape pour ce Carême 2019

    https://www.lakroa.mg/item-1640_articles_une_18-ala-craation-attend-avec-impatience-la-ravalation-des-fils-de-dieua-rm-819.html  

    Et une analyse succincte de ce message

    https://www.lakroa.mg/item-1641_articles_religion_18-se-convertir-pour-auvrer-a-la-rademption-de-la-craation.html


  • 31 Jan. 2019 - 06:49-

    Bilan provisoire global en date du 30 janvier 2019 à 18h. Le bilan provisoire global après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» fait état de : • 27 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 4 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement d’une maison suite à l’inondation, 4 morts d’un écroulement d’une maison) ; • 1 Disparu (emportée par l’eau) ; • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ; • 9 586 Sinistrés (254 dues au glissement de terrain et 9 332 à cause de l’inondation) ; • 833 Déplacés actuels (451 dues au glissement de terrain et 382 à cause de l’inondation) ; • 2 462 Déplacés cumulés (518 dues au glissement de terrain et 1 944 à cause de l’inondation) ; • 1 778 Cases d’habitation inondées ; • 187 Cases détruites (7 dues au glissement et 83 dues à l’inondation).
    CECI EST LE DERNIER BULLETIN EN CE QUI CONCERNE L’INONDATION ET LE GLISSEMENT DE TERRAIN DE CES DEUX DERNIERES SEMAINES A MADAGASCAR. (Source : BNGRC, Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation).

  • 29 Jan. 2019 - 07:10-

    Bilan provisoire global en date du 28 Janvier 2019 à 20h. Le bilan provisoire global après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» fait état de : • 21 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 2 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement, d’une maison suite à l’inondation) ; • 1 Disparu (emportée par l’eau) ; • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ; • 8 466 Sinistrés (254 dues au glissement de terrain et 8 212 à cause de l’inondation) ; • 1 934 Déplacés actuels (450 dues au glissement de terrain et 1 484 à cause de l’inondation) ; • 2 304 Déplacés cumulés (518 dues au glissement de terrain et 1 786 à cause de l’inondation) ; • 1 603 Cases d’habitation inondées ; • 62 Cases détruites (7 dues au glissement et 55 dues à l’inondation). Source : Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation.

  • 28 Jan. 2019 - 07:43-

    Bilan provisoire global en date du 27 janvier 2019 à 19h. Voici le bilan après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» qui fait état de :
    • 21 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 2 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement d’une maison suite à l’inondation) ;
    • 1 Disparu (emportée par l’eau) ;
    • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ;
    • 8 031 Sinistrés (201 dues au glissement de terrain et 7 830 à cause de l’inondation) ;
    • 1 236 Déplacés actuels (134 dues au glissement de terrain et 1 102 à cause de l’inondation) ;
    • 1 605 Déplacés cumulés (201 dues au glissement de terrain et 1 404 à cause de l’inondation) ;
    • 1 603 Cases d’habitation inondées ;
    • 62 Cases détruites (7 dues au glissement et 55 dues à l’inondation). (Source : Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation).

  • 25 Jan. 2019 - 11:26-

    Nominations lors du Premier Conseil des ministres. Ce jeudi 24 janvier, après la nomination du nouveau gouvernement, le Président Rajoelina, a présidé le premier conseil des ministres au Palais d’Etat d’Iavoloha.
    Décret abrogeant le décret n°2016-140 du 02 mars 2016 et portant nomination de Madame ANDRIAMBALO Lala Ratompoalizo, Directeur du Protocole d’Etat auprès de la Présidence;
    Décret portant nomination de Ramaholimasy Holder, Directeur Général de la Présidence en charge des Affaires Politiques;
    Décret portant nomination de Andriamanananoro Augustin, Directeur Général de la Présidence en charge des Projets;
    Décret portant nomination de Sahondrarimalalala Marie Michelle, Directeur des Etudes Juridiques de la Présidence;
    Décret portant nomination de Raharinosy Jimmy, Directeur des Systèmes d'Information.
    Lalatiana Raktotondrazafy est le porte-parole du gouvernement

  • 24 Jan. 2019 - 07:49-

    Bulletin flash du 23 janvier. Bilan provisoire global en date du 23 Janvier 2019 à 18h transmis par le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation. Le bilan provisoire global fait état de : 16 décédés (15 à cause du glissement de terrain et 1 mort par noyade) ; 4 disparus (3 à cause du glissement de terrain et 1 emportée par l’eau) ; 3 rescapés (suite au glissement de terrain) ; 5 763 sinistrés (201 dues au glissement de terrain et 5 562 à cause de l’inondation) ; 503 déplacés cumulés (201 dues au glissement de terrain et 302 à cause de l’inondation) ; 1 588 cases d’habitation inondées ; 31 cases détruites (7 dues au glissement et 24 dues à l’inondation).

  • 22 Jan. 2019 - 14:46-

    Le staff du PRM Rajoelina. Rajoelina Andry Nirina, a tenu son premier conseil des ministres restreint, ce lundi 21 janvier 2019 au Palais d’État d’Iavoloha. Il a nommé ses proches collaborateurs. Ramonjavelo Manambahoaka Valéry Fitzgerald a été nommé Secrétaire général de la Présidence. Andriamaholy Onjaniaina Dina est nommé au poste Secrétaire Général Adjoint de la Présidence. Et, Delmotte Stéphanie a été nommée Directeur de Cabinet civil de la Présidence. On attend donc les autres membres entre autres le directeur de cabinet militaire,  le directeur administratif et financier…

  • 22 Jan. 2019 - 14:45-

    Reconduction du PM Christian Ntsay. Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution de la Quatrième République, les députés issus du groupe de partis majoritaires à l’Assemblée Nationale, en l’occurrence le MAPAR, ont proposé le nom de NTSAY Christian Louis au poste de Premier Ministre. Aussi, Son Excellence Monsieur le Président de la République, Rajoelina Andry Nirina, a pris le décret n°2019-016 portant nomination du Premier ministre, Chef du Gouvernement, Monsieur NTSAY Louis Christian.

  • 21 Jan. 2019 - 15:57-

    Gouverneur de région ? Dans son premier discours après la prestation de serment ce 19 janvier, le président Andry Rajoelina a utilisé le mot “gouverneur” de région. On lit dans la Constitution que “La fonction exécutive est exercée par un organe dirigé par le Chef de Région élu au suffrage universel. Le Chef de Région est le premier responsable de la stratégie et de la mise en œuvre de toutes les actions de développement économique et social de sa région. Il est le Chef de l’Administration de sa région.” Première entorse devant le gardien de la Constitution ?

  • 21 Jan. 2019 - 15:34-

    10 décès au moins. Les pluies torrentielles tombées sur Antananarivo dans la soirée du samedi 19 janvier ont perturbé la fin des festivités de la prestation de serment du Président Rajoelina (fête à Mahamasina, feux d’artifices annulées). Mais plus grave, elles ont provoqué un éboulement en plusieurs endroits et plusieurs maisons ont été démolies. Plusieurs personnes ont été ensevelies sous les décombres. Plusieurs personnes ont été sauvées mais on déplore une dizaine de victimes. On compte au moins 10 personnes décédées et on craint que le nombre ira en croissant.

  • 19 Jan. 2019 - 11:48-

    Hevi-dehibe notsoahina tamin'ny lahatenin'ny filoha Rajoelina. Ezaka lehibe no atao momba ny famokarana ny herinaratra. Politikan’ny kibo velaran-tany hovolena, tsy hanafatra vary intsony. Hitsinjo sy hanampy ireo tena marefo efa eny ambony sambo ny vary tena mora ho zaraina sy hamidy mora. Asa fa tsy kabary. Hanangana sy hanorina tanana vaovao isika ho modely aty amin’ny ranomasina Indiana izay atomboka amin’ity taona ity ihany. Ho mpandresy amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy. Ampiray sy ampitambatra ny Malagasy aho. Tsy ny eto antananarivo ihany no hisitraka fa hapetraka ny fanamby fa hisitraka izany ny any amin’ny faritra. Apetraka ny governora hisolo ny lehiben’ny faritra. Izy ireo no hitarika ny asa goavana. Omentsika fitaovana manokana fanamboaran-dalana ny faritra rehetra. Ho lasa 23 ny faritra. Tsy ekeko ny gaboraraka. Tsy azo ekena ny fanaovana tolotrasa kanefa tsy  nisy asa notanterahina akory. Ady amin’ny kolikoly sy fitsarana marina tsy mitanila. Tsy ekeko ny fitsabahana amin’ny raharaha fitsarana.

    Tsy fandriampahalemana. Vahaolana koa ampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana. Ho vatsiana fitaovana mendrika manaraka ny toetrandro ny foloalindahy sy mpitandro filaminana. Handalo eto ny santionany amin’ny fitaovana tsy mataho-bala. Fankahalana fanaratsiana fisaraham-bazana hahilika izany.

  • 18 Jan. 2019 - 08:14-

    Passation à Iavoloha. Selon l’article 48 de la constitution “La passation officielle du pouvoir se fait entre le Président sortant et le Président nouvellement élu.” Il n’est nullement indiqué que c’est le président démissionnaire ou le président intérimaire. La passation se fera officiellemen ce vendredi 18 janvier. Selon la rumeur la passation se fera entre le président Rajaonarimampianina qui a démis de ses fonctions présidentielles en septembre 2018 et le président Rajoelina. Si cela se fera cela veut dire une passation des dossiers de janvier 2014 à septembre 2018. Qu’en sera-t-il des dossiers durant l’intérim ? Y aura-t-il une autre cérémonie de passation ce vendredi aussi ?


  • 09 Jan. 2019 - 08:42-

    Le FFKM présente ses vœux au Président de la République p.i. Les représentants du Conseil Chrétien des Eglises (FFKM), sont venus présenter les vœux de nouvel an au Président de la République p.i, Rivo Rakotovao, au palais d’Ambohitsorohitra, le 8 janvier 2019. Le Président en exercice de la FFKM a évoqué lors de la rencontre l’importance de la période que traverse le pays à l’heure actuelle, et n’a pas manqué de souligner l’union dans la prière pour la marche du pays ; il a aussi mis en relief la noble mission et les responsabilités qui incombent au Chef de l’Etat, Rivo Rakotovao, et invoqué la bénédiction divine à son endroit ainsi qu’à sa famille.

  • 07 Jan. 2019 - 14:16-

    Jours fériés de 2019. Mardi 1er Janvier, Vendredi 8 Mars : Journée de la Femme. Vendredi 29 Mars : Jour des martyrs 1947. 21 Avril : Pâques ; 22 Avril : Lundi de Pâques. Mercredi 1er Mai : Fête du travail. 30 Mai : Ascension. 4 Juin : L'Aïd el Fitr. 9 Juin : Pentecôte ; 10 Juin : Lundi de Pentecôte. 26 Juin : Fête de l'Indépendance. 11 Aout : L'Aïd el kebir ou Aïd-al-adha. 15 Août : Assomption. Vendredi 1er Novembre : Toussaint. 25 Décembre : Noël.

  • 05 Jan. 2019 - 09:59-

    Différents cas d’annulation d’une élection. Suivre les liens

    http://www.lakroa.mg/item-1607_articles_monde_18-la-cour-suprame-annule-laalection-prasidentielle.html


    http://www.lakroa.mg/item-1608_articles_monde_18-annulae-a-cause-daune-utilisation-abusive-de-facebook.html

  • 04 Jan. 2019 - 07:17-

    Résultats officiels le 8 janvier. La HCC, Haute Cour Constitutionnelle, dans un communiqué publié sur son site fait savoir la date de la proclamation officielle des résultats. La HCC procèdera à la proclamation officielle du second tour de l’élection présidentielle le mardi 8 janvier 2019 à 15 heures. La cérémonie aura lieu à la salle de proclamation du Palais d’Etat d’Ambohidahy. Pour la la HCC, s’applique de facto l’Article 61 de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République qui dit que la HCC procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la CENI.

  • 02 Jan. 2019 - 12:49-

    Sainte et heureuse année 2019. Nous vous envoyons des étoiles de Paix, de solidarité, de Vérité et d’Amour pour qu’elles illuminent votre vie toute l’année 2019. toute l'équipe de www.lakroa.mg nous vous offrons comme menu au quotidien pour les 365 jours : "De belles coupes de sourire, Quelques éclats de rires, Une grande cuillerée de gentillesse, Quelques grains de tendresse, Une bonne pincée d’affection, Des poignées d’or et d’argent, Un maximum de réussite, Saupoudrer de gaïté, Faire mijoter avec douceur, Servir joyeusement."

  • 29 Dec. 2018 - 13:12-

    Délai des requêtes. En application du système de délai franc mis en œuvre lors du premier tour de l’élection présidentielle, le dernier jour de dépôt des requêtes tombant normalement un samedi (voir communiqué du 28 décembre 2018, in infra), la date limite de dépôt est reportée au premier jour ouvrable suivant, c’est-à-dire le lundi 31décembre 2018 à 16 heures. La proclamation officielle des résultats provisoires du second tour de l’élection présidentielle ayant eu lieu le jeudi 27 décembre 2018, la date limite de réception des requêtes auprès du greffe de la Haute Cour Constitutionnelle est fixée au samedi 29 décembre 2018 à minuit.

  • 29 Dec. 2018 - 13:02-

    Mamory vahoaka. Tsy manaiky ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI ny mpomba ny kandida laharana faha 25, Marc Ravalomanana. Mamory vahoaka eo amin’ny “kianjan’ny 13 mai” izy ireo ny sabotsy 29 desambra. Milaza ny ampiseho ireo porofo mitarika azy ireo tsy hanaiky iny voka-pifidianana iny, porofo izay ho azy ireo milaza fa nisy hala-bato tany rehetra tany. Hala-bato amin’ny endrika isan-karazany ka nahatonga ny fandresen’ny kandida lahanara faha 13 Andry Nirina Rajoelina.

  • 29 Dec. 2018 - 13:01-

    Vokatra navoakan’ny CENI ny alakamisy 27 desambra. Tamin’ireo mpifidy miisa 9 913 599  voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana, 4 767 697 (48, 09%) no tonga naneho ny safidiny. Ny isan’ny vato manankery tamin’izany dia nahatratra, 4 648 086, ny vato maty tamin’izany, 78 465 ary ny vato fotsy 41 146. Mitsinjara toy izao ny vato azon’ireo kandidà mpifanina tamin’izany fifidianana izany : ny an’ny kandidà laharana faha 13, RAJOELINA Andry Nirina, 2 587 035 manome isan-jato 55,66% ary ny an’ny kandidà laharana faha 25, RAVALOMANANA Marc, 2 061 051 manome ny salan’isa 44,34%.

Du même auteur

economie
societe

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité