logo
Lakroan'i Madagasikara
Poety sy ny herisetra

Roahy any ny fitiavan-tena...

Nanangona i JRR il y a 2 années

Manamarika ity volana aprily ity ny andro iraisam-pirenena fandinihana ny fandripaham-bahoaka tamin'ny 1994 tao Rwanda (7 aprily) (Jereo : http://www.journee-mondiale.com/179/journee-internationale-de-reflexion-sur-le-genocide-de-1994-au-rwanda.htm. Manana ny fijeriny ny poety. Araho ary.

Roahy any ny fitiavan-tena...

Notapahan’ny fivoriamben'ny Firenena mikambana tamin'ny desambra 2003 fa ho andro fahatsiarovana ny fandripahana olona tany Rwanda ny 7 aprily isan-taona. Izany no mitondra antsika any amin'ny resaka herisetra sy tsy rariny, lohahevitra mampihetsi-po ny maro. Manana ny fijeriny koa ny pôety. Manazava ny heviny ato amin'ny gazety www.lakroa.mg i Toetra Ràja.

 

 

www.lakroa.mg. Miarahaba anao Toetra Ràja. Tamin'ny heriny isika no niresaka momba ny fitiavan-tanindrazana, ary anio kosa dia ny herisetra sy ny tsy rariny. Mifampitohy tsara ny resaka, sa ahoana ?

Toetra Ràja. Miarahaba ny www.lakroa.mg sy ireo mpitsidika ity tranonkala ity. Anisan'ny olona tia resaka mifampitohy aho. Maninona moa no entanina fatratra amin'ny fitiavan-tanindrazana ny vahoaka ? Satria misedra olana lehibe ny firenena ary anisan'ny antony io resaka herisetra sy tsy rariny io.

 

www.lakroa.mg. Ny pôety dia fantatra fa mpambabo ny fo amam-panahin'ny olona. Mitombina koa ve izany na dia herisetra sy tsy rariny aza no ventin-dresaka ?

Toetra Ràja. Tokony ho to teny ny pôety noho ny fitiavany milalao voambolana mitsoriaka ka mipaka any anatin'ny fo lalin'ny olona. Anisan'ny mpanabe izy satria ampianarina any an-tsekoly ireo andalan-teniny. Manana adidy sy andraikitra izy araka izany amin'ny fanajana ny fiaraha-monina sy ny fitsipika mifehy ny teny. Mora tohina izy anefa manoloana ny trangan-javatra henony na hitany na iainany. Mampisosa ny diam-peniny ireny ka idradradradrany ny fomba amam-panao sasany tsy mendrika kanefa fikirina ho fanazaran-tena. Anisan'izany ohatra ny fanaovana tsinontsinona ny lamim-piaraha-monina efa mipetraka sy eken'ny rehetra toy ny eny an-daharana.

 

 

MISONGONA FOANA

Tsy tara fotoana

kanefa izy iny

misongona foana...

 izay no mba tiany

tsy ahoan-tsy ahoana

mandavan-taona.

 

Raha vao miserana :

lohalaharana,

maka toerana

tsy nisasarana!

Izany ka tena

fitiavan-tena!

 

Na aiza aleha

tsy mihafahafa,

mirehareha

eo alohan'ny hafa,

tsy henatra akory

ka manorisory!

 

Rehefa mivory

manao amboletra,

romotra ory

ny olon-drehetra,

ny heviny ihany

hatrany no lany. (...)

 

Ry olon-drehetra

voasongona foana,

tonga ny fetra

itenenan'ny moana:

izao dia izao

'ndeha tabatabao!

 

Toetra Ràja

20 martsa 2013

 

www.lakroa.mg. Mahazo vahana eto Madagasikara ny herisetra…

Toetra Ràja. Ankoatra ny maha tsy rariny ny herisetra dia misy fampiasan-kery ao mazava ho azy. Tsy ilaozan'ny habibiana tokoa ity tanintsika ity.

 

www.lakroa.mg. Misy ohatra azonao omena ve ?

Toetra Ràja. Ohatra iray tsy eritreretin'ny maro isan'andro ny hazo fijalian'ny voafonja sasany. Nohadinoina ireny zana-bahoaka ireny satria betsaka ny olona efa leon'ny firongatry ny asa ratsy tsy ahitam-bahaolana. Tsy iadian-kevitra koa moa ny hamafin'ny "anio" ka mahatonga ny fihatahan'ireny tranga ireny ao amin'ny laharam-pahamehan'ny eritreritra. Kanefa izao no tsarovy fa na inona na inona anton'ny nahavoafonja ny olona iray, dia olombelona foana izy ka tsy tokony hiaina ao anatin'izany afobe izany.

 

GADRA

Moa ve

ny afobe

eto an-tany

no iandohany?

 

Midradradradra

ilay gadra

noratraina

vao maraina,

 

mitanaka

fa voadaka,

mitoretra

manjoretra.

 

Izany volo

tsy voakolo

misafoto

feno loto ;

 

Ny tanana

efa mangana,

tarehy mihalehibe,

 

hay mivonto

voatoto!

 

Ny sakafo

tsy mba lafo,

zarizary

mankarary.

 

Kanjo indrisy,

iny nisy

boto ngerona

nitrerona

ny fony

tsy nitony.

 

Ary avy eo

dia niseho

ny faran'ny

tantarany :

 

natory

ilay ory.

 

Lasa!

... Tsy hiasa

intsony intsony

re ny fony!

 

Misy ady

amoron-kady,

mahazatra

fa mandratra

mahafaty,

ao anatin'

ny toerana

anarenana

an'izay

tiana ho fay.

(…)

 

Hay va re

ny afobe

eto an-tany

no iandohany ?

 

Toetra Ràja

20 novambra 1983

 

www.lakroa.mg. Tamin'ny 1983 no nanoratana ny tononkalo. 34 taona aty aoriana, aiza ho aiza isika izao ?

Toetra Ràja. Raha ny tokony ho izy dia tsy eto an-tany no itoeran'ny afobe kanefa hitantsika teo fa ny fahafatesana indray aza no zary fampitsaharana ny fijaliana. Aiza ho aiza isika izao ? hoy ny fanontaniana. Izany fanontaniana izany akory tsy hanosika antsika hitanisa ny tsy rariny rehetra eto amin'ity tontolo ity satria tsy ho vita ity resaka ity raha hizotra any amin'ny tanisa isika. Ohatra tokana monja no homeko. Mahafantatra renivohitra firenena miaina ao anatin'ny delesitazy ve ianao ankoatra ireo montsan'ny ady na torotoron'ny horohoron-tany?

 

www.lakroa.mg. Misy antony azonao lazaina ve ?

Toetra Ràja. Ny delesitazy ve? Tsy anjarako ny amin'izay fa ny tsara ahatongavana dia izao. Ny fitiavan-tena manjaka tokana ka navelantsika hiorim-paka no fototry ny olan'ny tontolo misy antsika. Avy amin'ny fitiavan-tena no ipoiran'ny lolom-po, ny fingana, ny halatra, ny eboebo, ny endrikendrika, ny tsolotra, ny vono olona... ka mahatonga ny maro hiraviravy tanana tsy handroso ary tsy te hihevitra an'izany antsoina hoe "fitiavan-tanindrazana" izany intsony. Ary rehefa kivy ny olona dia hiroborobo fatratra ny herisetra sy ny tsy rariny... hany ka hihodinkodina eto isika hitady lalan-kivoahana.

 

www.lakroa.mg. Ny firenen-kafa anefa efa nahita an'izay lalan-kivoahana izay!

Toetra Ràja. Jereo fotsiny ohatra i Rwanda izay rotiky ny ady tamin'ny 1994. Habibiana tsy roa aman-tany ireny nitranga tany Rwanda tamin'ny 1994 ireny izay manaporofo ny fahalemen'ny fitondram-panjakana. Firenena bitika i Rwanda araka ny velaran-taniny. Tsy efa anisan'ny firenena matanjaka sahady ve izy ankehitriny?  Manana mpitondra sy vahoaka sahy mijoro izany firenena izany ary azo lazaina fa resiny ny fanjakan'ny fitiavan-tena. Andeha re isika hiaraka hirona. Tena ady fa tsy sarinady no entina handrodanana ny fototra iorenan'io fitiavan-tena manjaka tokana io, dia ilay "ratsy" izany. Roahy ! Eny, roahy izy ho montsana !

 

ROAHY

Roahy izy ho montsana

ary hihontsankontsana

hatrany am-parahatoka,

ho mora hikarapoka

 

sy toro vetivety,

f'izay no tena mety.

Tsy hisy azafady

fa raikitra ny ady !

 

Na vatana na rantsana

ario am-parahantsana,

ho lavitra sy dify :

aleo hikitro-nify.

 

Aza omena hirika

ny maso mivontirika

fa olom-boasazy :

izay no mendrika azy...

 

Na iza no ho vinitra,

difotry ny dinitra :

ho fara fahareseny

anie ny afobeny !

 

Toetra Ràja

21 ôktôbra 2015

 

www.lakroa.mg. Ny olombelona ve no iantefan'io fandroahana mankany amin'ny afobe io ?

Toetra Ràja. Hamafisina fa fandrodanana ny fitiavan-tena no resaka eto fa tsy fanimban-javatra akory na zavatra hafa. Averiko indray eto am-pamaranana fa raha tsy miroso amin'izany isika mianakavy dia hihodinkodina eto fotsiny ka tsy hahita lalan-kivoahana.

 

www.lakroa.mg. Teny atsipy any am-pon'ny mahalala izany. Misaotra anao nanompana fotoana niresahantsika teto. Mirary soa!

Toetra Ràja. Misaotra ny www.lakroa.mg nanome toerana ho an'ny pôety sy ny pôezia malagasy ary ireo mpamaky hajaina.

 

 


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Sep. 2019 - 11:56-

    Fondation. Le Président de la République a saisit le Président de la Haute Cour constitutionnelle sur la conformité de la création d’une fondation avec l’article 49 de la Constitution aussi la Haute Cour Constitutionnelle émet l’Avis que :

    Article premier.- La création d’une fondation par le Président de la République n’est pas contraire à l’article 49 de la Constitution.

    Article 2.- Le Président de la République ne doit exercer aucune fonction au sein de cette fondation.

    Article 3.-  La fondation doit respecter scrupuleusement son objectif d’intérêt général et doit être dissociée de toute connotation politique

  • 19 Sep. 2019 - 10:05-

    Ambasadaoro 4 vaovao. Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny raharaham-bahiny ny Filankevitry ny Minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019, dia nankatoa ny fanendrena ho ambasadaoro an’i
    - Rajohnson Olivier Hugues Rija, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy  monina eo anivon’ny Repoblika Frantsay.
    - Yvette Sylla, ho Masoivohom-pirenena, misolon-tena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO ao Paris
    - Albert Camille Vital, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny Repoblikan’i Maorisy.
    - Jean Omer Beriziky, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny « Royaume de Belgique » sady solon-tena maharitra ao amin’ny Vondrona Eoropeana ao Bruxelles.

  • 19 Sep. 2019 - 08:35-

    Praiminisitra sady minisitry ny Raharaham-bahiny. Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019 fa ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta no voatendry hisahana vonjy maika ny asan’ny minisitry ny raharaham-bahiny izay ny 18 septambra no maha minisitra miandraikitra io asa io an’i Naina Andriatsitohaina farany, noho ity olom-pirenena ity nirotsaka hofidina ho Ben’ny tanànan’Antananarivo izay nankatoavin’ny OVEC ny 18 septambra teo.

  • 19 Sep. 2019 - 07:37-

    Fanafoanana organismes rattachés. Entitra ny Filankevitry ny Minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019, ny amin’ny tokony hanafoanana ireo «organismes rattachés» tsy tena hita fototra izay ilaina azy, na manao asa mifanontona amina organismes hafa fa mandany volam-bahoaka fotsiny araka ny toromariky ny Filoham-pirenena. Ilaina ny fahaiza-mitantana ka hofoanana ireo « organismes rattachés » sy ireo « subventions » miompampana avy amin’ireo minisitera isan-tokony ho an’izy ireny, izay miisa 211 ankehitriny ary mandany vola mitentina 1319 lavitrisa ariary isan-taona.

  • 19 Sep. 2019 - 07:36-

    Paositra mpitatitra entana. Fantatra nandritra ny Filankevitry ny minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019 fa hiverina amin’ny fitaterana entana (colis postaux) ny Ministeran’ny Paositra. Ny ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra dia nanazava nandritra ny Filankevitra fa hamerina indray ny asa fitsinjarana entana indray izy ireo manerana ny Nosy ka haka sy hanarina ireo toerana tafiditra ao anatin’ny fananany miparitaka manerana ny Nosy ahafahana miasa manaraka ny fenitr’ireo orinasa lehibe eran-tany manao ny asa fitsinjarana entana.

  • 18 Sep. 2019 - 12:15-

    Réunion du conseil des cardinaux. La 31ème réunion du Conseil des cardinaux s’est ouverte le mardi 18 septembre, en présence du Pape François. Les travaux, qui se concentrent sur la nouvelle Constitution apostolique, prendront fin jeudi 19 septembre.

  • 16 Sep. 2019 - 08:35-

    Résultats championnats nationaux n1a :

    MVP Dame : RANDRIATAHINA Sarobidy (SBBC Boeny)

    Meilleure Marqueuse : RAHERIMANANA Rondro Emerachine N°06 (ANKARATRA) : 217 Points

    3ème PLACE DAME : ANKARATRA Vakinankaratra

    VICE-CHAMPIONNE : MB2ALL Analamanga

    CHAMPIONNE : SBBC Boeny

    MVP Homme :RAMANAMPAMONJY MORY (GNBC Vakinakaratra)

    Meilleur Marqueur : FARALAHY Monja Romain N°11 (ASCB Boeny) : 275 Points

    3ème PLACE HOMME : ASCUT Atsinanana

    VICE-CHAMPION : COSPN Analamanaga

    CHAMPION : GNBC Vakinankaratra

  • 14 Sep. 2019 - 10:10-

    Facebook Flex. L'offre permet de passer au mode gratuit 24h/24 et 7j/7 sans avoir besoin d’un forfait internet. Les utilisateurs peuvent tchater, poster des messages, aimer et partager sur Facebook. L’offre s’enrichit davantage pour permettre au plus grand nombre d’avoir accès à internet avec l’enrichissement de l’offre Facebook Flex. Lire l'article sur http://www.lakroa.mg/item-1878_articles_newtech_18-enrichissement-des-fonctionnalitas-du-service.html

  • 12 Sep. 2019 - 09:45-

    Omby 28 tafaverina tao Andriapady Betroka. Taorinan’ny halatr’omby nitranga tao Andriapady ny 9 septambra lasa teo, omby miisa 28 no tafaverina amin'ny tompony raha 1 no maty. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny zandary avy ao Andriadapy sy Jangany ary ireo fokonolona izany.

  • 12 Sep. 2019 - 06:55-

    EPP vaovao vao hatao. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa miisa 30 ireo EPP ahitana efitrano 12 avy, hatomboka sy hotanterahana amin’ity taona ity ka isan’ny hahazo izany ny faritr’i Vatovavy Fito Vinany, ny Atsimo atsinanana, ny Menabe, ny Atsimo Andrefana, ny Diana, Vakinankaratra, Atsinanana, Haute Matsiatra, Analamanga, Amoron’i Mania, Itasy, Anosy, Bongolava, Sofia, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Boeny, Ihorombe, Sava.

  • 12 Sep. 2019 - 06:54-

    CEG 8 sy lycée 6. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa miisa 8 ireo CEG ahitana efitrano 24 isany avy any amin’ny faritr’Analamanga, Itasy, Atsinanana, Vatovavy Fito Vinany, Diana, Boeny, Anosy, Menabe.

    Miisa 6 ireo Lycée ahitana efitrano 12 atao any amin’ny faritr’Analamanga, Vatovavy Fito Vinany, Boeny, Atsinanana, Diana, Atsimo andrefana.

  • 12 Sep. 2019 - 06:52-

    Seha-pampianarana fambolena sy fiompiana. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa iisa 11 ireo centres agricoles ahitana efitrano miisa 12 isanisany avy any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, Atsinanana, Betsiboka, Haute Matsiatra, Sofia, Atsinanana, Ihorombe, Androy, Bongolava, Diana, Alaotra Mangoro. Ary Centre de formation aux métiers de base ahitana efitrano miisa 2 isanisany avy any Ihorombe, Haute Matsiatra, Vatovavy Fito Vinany, Analanjiorofo, Alaotra Mangoro, Androy, Menabe, Atsinanana, Sofia, Atsimo Andrefana, Boeny, Melaky, Betsiboka, Sava.

  • 11 Sep. 2019 - 08:37-

    Championnat national N1A homme/dames 2ème phase. Les résultats lors de la journée du mardi 10 septembre 2019 :

    (D) JEA Vakinakaratra # ASA Analamanga (71-35)

    (H) COSPN Analamanga # CNAPS Itasy (81-64)

    (D) ASCUT Atsinanana # BCEST Atsimo Andrefana (52-38)

    (H) MB2ALL Analamanga # ASCUT Atsinanana (74-83)

    (H) ECBBA Analamanga # ASCB Boeny (48-87)

    (H) SEBAM Boeny # 2BC Analanjirofo (99-45)

  • 10 Sep. 2019 - 11:00-

    Le Saint-Père à l'île Maurice. Il s'agissait de la dernière étape du voyage apostolique du Pape François dans l’Océan indien, après le Mozambique et Madagascar. Le pape a célébré une messe à Port-Louis et à rencontrer les dirigeants. Dans son discours, le Pape François salue la capacité des Mauriciens à reconnaître, respecter et harmoniser les différences existantes selon un projet commun.

  • 10 Sep. 2019 - 06:48-

    Vonona handray an’i Mgr Rosario Saro Vella. Ny 12 septambra 2019 amin'ny 9 ora sy sasany maraina no ho tsenaina eo Mahasoa Anjiro i S.E Mgr Rosario Saro Vella sdb, eveka vaovaon'ny diosezin'i Moramanga. Ny 8 jolay 2019 izy no nahazo ny fanendrena azy hiasa eto Moramanga. “Efa vonona avokoa amin'ny fandraisana ny diosezy” hoy Mompera Claudio Roberti izay vikera jeneraly. Izy kosa no nitantana ny diosezy nandritra ny fotoana naha voatendry an'i Mgr Gaetano Di Pierro hiasa ao amin'ny diosezin'i Farafangana sy amin'ny andraikitra administrateur azy.

  • 10 Sep. 2019 - 06:46-

    Nahavita be i Mgr Gaetano Di Pierro. Voatendry hiasa any amin’ny diosezin’i Farafangana i Mgr Gaetano Di Pierro izay nitantana ny diosezin’i Moramanga. Diosezy vaovao ny tao Moramanga izay n atsangana ho diosezy ny 13 mey 2006. Mgr Gaetano Di Pierro no eveka voalohany nitantana io diosezy vaovao io. Maro ny aa nataony tao anatin’ny diosezy : nahavita nitsidika ireo izay tena lavitra indrindra ary dia an-tongotra ny maro amin’izany, nanorina toeram-panofanana ho pretra sy ny fananganana fiangonana maro, niantso ireo relijiozy hiasa ato anatin'ny diosezy ka tao ireo mikarakara ny jamba, mahantra, sembana…

  • 09 Sep. 2019 - 12:46-

    BEPC ce jour. L’examen du BEPC commence ce lundi 9 septembre jusqu’au jeudi 12 septembre avec dans la matinée le malagasy et l’après-midi le SVT. Le nombre d’inscrit a diminué passant de 347.946 la session dernière à 328 200 candidats pour cette année. Les candidats seront répartis dans 1 034 centres d’examen dans tout Madagascar (2 centres de plus par rapport à le dernière session). Par ailleurs, 25 candidats aux besoins spécifiques (candidats en situation de handicap : malvoyants, sourds-muets, …) se sont inscrits à l’examen du BEPC.

  • 07 Sep. 2019 - 10:45-

    Rencontre du Pape François avec les autorités. Dans le cadre de son voyage pontifical à Madagascar, le Pape François a tenu sa première prise de parole devant un public au palais d’Etat à Iavoloha. « Si nous devons reconnaitre, valoriser et apprécier cette terre bénie pour sa beauté et son inestimable richesse naturelle, il n’est pas moins important de le faire également pour cette âme qui vous donne la force de rester engager avec la vie », a-t-il déclaré.

  • 06 Sep. 2019 - 16:06-

    Tonga soa eny Ivato ny Papa. Tonga aloha eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Papa Fransoa raha oharina amin'ny fotoana voatondro. Noraisin'ny Filoha Rajoelina mivady izy teo ampidinanana ary nisafo ny miaramila sy ireo mpikambana ao amin'ny governemanta. Mandray tanana an'ireo Eveka kosa avy eo taorian'ny firedonana ny hiram-pirenena roa tonta avy eo.

  • 06 Sep. 2019 - 13:12-

    Voyages pontificaux. Le Pape François prend l’avion en ce moment, direction Antananarivo, où il devrait atterrir vers 16h30. Aucun engagement public n’est prévu après son arrivée sur le sol malgache.

Du même auteur

dossier
politique

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité