Marihina isaky ny 22 avrily ny andro maneran-tany ho an’ny tany. Efa tamin’ny 1970, tao anatin’ny rivotry ny fandrosoana malaky, nahatsapana ny tsindry nampizakana ny tontolo iainana, no voalaza fa tandindonin-doza ny tany ka nankalazana voalohany an’io andro io ry zareo tany Etazonia. Fa ny taona 2009 kosa ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana vao nanokana ny 22 avrily ho andro fanamarihana ny Tany mamelona. Miova isan-taona ny lohahevitra voizina ka ny "Tontolo iainana sy ny fanabeazana eo anoloan’ny fiovaovan’ny toetrandro” no lohadinika amin’ity taona 2017 ity. Mampangotika sy mampihetsi-po ny zava-mitranga etsy sy eroa indrindra eto Madagasikara. Manan-kambara amin’izany ny tsirairay.
www.lakroa.mg. Miarahaba anao Toetra Ràja ary misaotra anao namaly hatrany ny antso. Aompana amin’ny resaka tany ny tafatafantsika anio. Inona no mety ho tonga ao an-tsaina raha vao miresaka tany isika ?
Toetra Ràja. Miarahaba ny www.lakroa.mg sy ireo mitsidika ny tranonkala.
Ny tonga ao an-tsaina voalohany angamba dia ilay hoe toerana rehetra ao ambanin’ny lanitra, nomena hanjakan’ny olombelona sy hivelomany, ary ilay itoeran’ny tsirairay tokony hankafiziny.
www.lakroa.mg. Tsy toy ny narahina ara-bakiteny tokoa ve ilay hoe olombelona mpanjakan’ny tany ?
Toetra Ràja. Eny, kanefa tokony hoentina am-pahendrena sy amin’ny fomba voasaina satria marefo sy manam-pahataperana ny tontolo iainana.
Tranga roa no mety hateraky ny tsindry avy amin’ny asan’ny zanak’olombelona :
1- Manam-pahataperana ireo harena ao aminy : tany, rano, zava-manana aina, harena an-kibon’ny tany, sns. Misy amin’ireo zava-manana aina aza ohatra no tsy mivelona afa-tsy ao amin’ny toerana tokana eto ambonin’ny tany ary mety ho lany taranaka alohan’ny hahafantarana ny soa aterany. Adidintsika mitoetra eto amin’ity tany fandalovana ity no mikolokolo sy mitantana azy sy ny harena ao aminy, araka ilay hetahetam-po hoe :
Tano ny HAZO,
fahano tsy halazo,
ka asio
zezi-tany,
fa tsy anio
izao ihany
no ilana
ny tontolo,
feno mana
mila kolo.
2- Ny fampiofoana azy ireny amin’ny alalan’ny fandotoana ka maha bobongolo azy. Ary ny harena bobongolo dia tsy mahasoa izay mampiasa azy. Mitantana ny olombelona ; mitazona ny azo ary manatsara koa aza.
Tano ny AZO,
sao angano
mampalazo,
bobongolo
lava izao
no ho tontolon-
janakao !
www.lakroa.mg. Mba asio fanazavana hoe ilay "AZO" izay.
Toetra Ràja. Harena voajanahary no tian-kambara. Ilay nomena ka nokolokoloin’ny Ntaolo ihany koa ary nolovantsika satria :
Izy ihany
no nikolo,
mba tsy tany
lava volo,
no ho lova
mamintsika,
ka tsy hiova
na ho riaka,
na atsanga
tsy hisava
no hitranga
mba handrava.
Manana adidy koa isika ankehitriny hikolokolo fa tsy handripaka, mba ho lova apetraka ho an’ny taranaka maro mifandimby raha tiana ho tanteraka ilay nofinofy hoe :
"Ny zanaka
aman-jafy
dia taranaka
tsy mihafy!
Ny zanaka
aman-jafy
dia taranaka
tsy mihafy!"
(in TIAKO - TIAKO FOANA, tak. 120)
www.lakroa.mg. Tsy ny Malagasy rehetra anefa no afaka mametraka lova ho an’ny zanaka aman-jafy satria misy tompon-tany tsy tompon’ny tany eto.
Toetra Ràja. Marina izany, indrisy! Manjaka tokoa ny olombelona, hoy isika teo, saingy tsy izy rehetra satria :
ao ireo lasa ankolafiny,
fombam-biby no tahafiny,
ary misy ankilabao
trotraka isan’andro izao.
Ireo mpihetraketraka tsy maty manota no mahatonga ireo kely tsy mba mamindro tsy ho tompon’ny tany onenany na ampiasainy.
Iza moa no raiamandreny tsy mikatsaka ny hoavin-janaka sy ny hahasoa ny taranaka ? Anisan’ny fanaon’ny olona ny mampitombo tsikelikely ny isan’ny tany sy trano mba hilamina sy ho tony fehizay ireo mpandimby azy.
Irina anefa mba tsy ho an’ny zanaka aman-jafin’ny mpanefoefo sy ny tompon’ny fitondrana ihany fa mba hahakasika ny daholobe koa. Tsy azo ekena izany hoe tsy manana anjara tany eto amin’ny taniny izany.
www.lakroa.mg. Tsy ny tany ihany angamba.
Toetra Ràja. Marina izany. Mampikonaina ny maro ny fahalafosan’ny rano fisotro sy ny fahatapahany indraindray. Anisan’ny zo fototra ny fananana rano fisotro amin’ny maha olombelona. Mangarahara tokoa ve ny lalan’ireny harena ankibon’ny tany ireny, sy ireny hazo sarobidy ireny ? Ny tiana havohitra dia ny hoe raiso an-tanana ry Malagasy ny zonao fa aza manaiky atao ankilabao intsony ka zary tompony mangataka ny atiny.
Zovy ianao ry Malagasy
efa ela nandeferana,
mbola io mangasihasy,
lasan’olona ny toerana!
www.lakroa.mg. Azo lazaina fa mbola malalaka anefa i Madagasikara!
Toetra Ràja. Misy toerana ety kanefa ivangongoan’ny maro sy ny taranany eto amintsika. Tsapa amin’ireny fifandroritana eny amin’ny Fitsarana eny ny olana. Etsy andanin’izany anefa dia misy toeran-kafa vitsy olona kanefa tokony ho azo amokarana. Miahotra hifindra monina any ny olona amin’ny maha ankodahodan-tany ny any. Tsy azo antoka koa ny fandriampahalemana. Mila antoka ny vahoaka toy ny fotodrafitrasa ivantanana miampy fanentanana.
www.lakroa.mg. Marihina fa misy tany tsy voakolokolo sy karakaina kanefa mbola ifikiran’ny olona ihany.
Toetra Ràja. Mampalahelo tokoa kanefa tanindrazana io. Tonga ao an-tsaina avy hatrany angamba ny tsy fahampian’ny rano any atsimon’ny Nosy. Toa sanatria nohadinoin’ny fitondrana maro nifandimby teto amintsika ny faritra sasany. Tsy nolonahana ny tany, tsy narovana ny ala... fa nahoana ?
NAHOANA?
Nahoana
ny tontolo
no foana
bobongolo?
Adray
ity lohasaha
fa hay
mampanahy!
Izay vita
nanahary
dia hita
tsy manjary,
sy potika
tokoa :
mangotika
ny fo!
Ny
olona
kere,
mitolona
tsy re!
Nahoana
ny rehetra
no moana
mitaretra,
tsy rototra
toa osa,
montotra
kanosa?
Ny ngeza
basivava,
miady seza
lava!
Ny tontolon’
ireo noana
toa bobongolo
foana
FA NAHOANA?
Toetra Ràja
13 desambra 2008
www.lakroa.mg. Amin’ny alalan’izay fanontanian’ny vahinintsika izay no ametrahana veloma finaritra ho antsika mpanaraka ity tapatapakahitra ity. Natao ho an’ny rehetra ny fanontaniana.
Toetra Ràja. Tsy isika nitafatafa teto ihany no mila valiny fa ny fiaraha-monina misy antsika : ny Tanindrazana !
Mankasitraka hatrany ny www.lakroa.mg sy ireo mitsidika ny tranonkala. Mandra-pihaona.
Partager l'article:
‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…
Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html
Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...
Tatitra Bngrc 22
Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo
antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza
ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
Maty : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
Traboina 3 601 ireo traboina.
Nafindra toerana : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay
mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.
Tatitra Bngrc 22
Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo
voakasika sy nahitam-pahasimbana.
Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana
raha roa
12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.
Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22
janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto
anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
Filoha Lefitra ho an’ny faritany
Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;
Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean
Paul Nicolas,
Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.
Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/
Que la magie de Noêl impacte sur votre vie
et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:
Pour l’ennemi, le pardon.
Pour l’adversaire, la tolérance.
Pour l’ami, votre cœur.
Pour un client, du service.
Pour tous, la charité.
Pour chaque enfant, le bon exemple.
Pour vous, le respect et
Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix
Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg
Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany
l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html
Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27.
Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).
Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim. https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html
62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »
Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html
Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache
Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).
Le mois d’octobre est consacré au Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.
#COVID19
Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.
Lavo 229 (+ 0).
Marary mafy 16 (– 1).
FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga, Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2
Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1
Bealanana, 5 Sava, 4 Diana
Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
- Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
- Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
- Manao aro vava orona ny rehetra
- Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
- Mampiasa gel désinfection
- Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
- Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.
Jereo ny fepetra manontolo :
#COVID19 :
Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
#Sitrana: 52
#Tranga_vaovao:104
• 53
Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1
Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
FITILIANA : Tests PCR (676), Tests
GeneXpert (66)
#Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
#Aina_nafoy: 02