logo
Lakroan'i Madagasikara
“Habilitation” fenitra vaovao

Lasa kasinga hanaovana dokam-barotra

Razafindramanitra il y a 6 années

LMD teo aloha teo. Izao indray habilitation. Ireo no kasinga fampiasan’ny sekoly ambony sy oniversite tsy miankina hambaboana ny fon’ny mpianatra ho avy hisoratra anarana ao aminy.

Lasa kasinga hanaovana dokam-barotra
Mitombo hatrany ny isan’ireo sekoly ambony na oniversite tsy miankina mahazo ny “habilitation”. Tsapa fa zary lasa kasinga ampiasain’ny sekoly ambony hanaovana dokam-barotra ny filazana fa nahazo ny habilitation izy.

Tsy vola baoritra

Vitsy ny ray aman-dreny na ny mpianatra koa aza no tena mahafantatra ny dikan’ny “habilitation”. Ny tazana fampiasan’ny mpitantana sekoly ambony dia ny filazana fa nankatoavin’ny Ministeran’ny Asam-panjakana (FOP, Fonction Publique) ny diplaoman’ny sekoly tantaniny. Antoka fa hahitana asa ilay diplaoma no ao ambadiky ny filazana fa nankatoavin’ny FOP ilay ‘baoritra’. Tsy vola baoritra.

Niovaova matetika ny lentan’ny fampianarana araka ny famaritan’ny ministera mpiahy ireo sekoly ambony sy oniversite tsy miankina. Teo ny “accréditation” izao ny “habilitation” indray no famaritana omena ny oniversite manaraka ny fenitra izay norafetin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony. “Anaram-boninahitry ny oniversite tsy miankina ny fanomezana ny ‘habilitation’”, hoy ny lahatsoratra iray niseho, pejy faha 6, tao amin’ny Lakroan’i Madagasikara (taratasy) mitondra ny datin’ny 4 novambra ary efa teny amin’ny tsena ny 31 okitobra teo.

Famaritana ara-panjakana ny “habilitation”. Ny fanjakana no mamaritra ireo fepetra napetraka sy tsy maintsy hananan’ny sekoly ambony na oniversite tsy miankina iray izay vao azo omena io fenitra io izy. Anatina didim-pitondrana no hamoahana ny lisitry ny mahazo ny “habilitation”. “Mahafaly ahy ny milaza aminareo mpianatra eto fa efa nivoaka ny didim-pitondrana manamarika ny fahazoan’ny ISPM ny habilitation” hoy ny sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ara-tsiansa ny sabotsy 27 okitobra teo teny Antsobolo. Nandritra ny lanonana famoahana andiana mpianatra nahazo ny mari-pahaizana licence no nanambarany izany vaovao izany. Tehaka no nasetrin’ny mpianatra izany. “Hafaliana ho anay ny nandre ny vaovao. Vokatry ny ezaka natao tao anatin’ny 20 taona izao” hoy ny rektoran’ny ISPM, Institut supérieur polytechnique de Madagascar.

Sekoly katô 3

“Nitombo 21 ny oniversite tsy miankina nahazo ny ‘habilitation’ ny taona 2013. Miisa 60 ny totaliny ankehitriny. Ahitana sekoly katolika lehibe 3 ny taona 2013. Araka ny didim-pitondrana lah. 9188/2013 tamin’ny 23 avrily 2013, dia nahazo izany ny UCM na Université Catholique de Madagascar. Ny ASJA na Athenee Saint Joseph Antsirabe, dia araka ny didim-pitondrana lah. 9188/2013 tamin’ny 23 avrily 2013. Ny ETS na Etablissement Technique Supérieur St Michel Amparibe, dia araka ny didim-pitondrana lah. 11.566/2013 tamin’ny 23 may 2013” hoy ny lahatsoratra hita tao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa voalaza teo aloha.

Tsapa araka ny tarehimarika fa maro ireo sekoly ambony sy oniversite tsy miankina no mbola tsy nahazo io “habilitation” io. Satria mbola vitsy ireo efa nahazo dia lasa fitaovana hanaovana dokam-barotra ilay izy. Tahaka ny LMD indrindra fa teren’ny any ivelany hanaraka izany LMD izany isika.

Isan’ny nahazo ny mari-penitra “habilitation” ny sekoly ambony katolika miisa telo. “Na tsy nahazo an’izany aza ny sekoly katolika dia avy hatrany dia hahatokisan’ny olona” hoy ity ray aman-dreny iray. Isan’ireo ray aman-dreny tazana nampiditra mpianatra amina sekoly ambony miankina amin’ny finoana katolika izy. “Tsy ny fahaizana ihany no ilaina eo amin’ny fiainana fa eo koa ny fahendrena sy ny fifehezan-tena. Heveriko fa izany no tombony azo amin’ny oniversite katolika” hoy ity ray aman-dreny ity. Isan’ny fiangonana manana oniversite sy sekoly ambony maro tokoa raha ny Fiangonana katolika. Tsikaritra fa mbola betsaka ireo tanan-dehibe tsy ahitana sekoly ambony sy oniversite katolika. “Tsy mora ny manokatra ireny toeram-piofanana ireny” hoy ity pretra mitantana sekoly ambony iray. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa mbola tsy misy ny rafitra misahana ny fampianarana ambony eo anivon’ny Fiangonana katolika tahaka ny DINEC izany. Ny DINEC, direction nationale de l’enseignement catholique, dia misahana ny fanabeazana fototra hatreo amin’ny bakalorea. Misy ezaka miandry koa ao izany.

Ny sekoly ambony sy oniversite tsy miankina no omena ny “habilitation”. Ny an’ny fanjakana kosa dia avy hatrany dia efa mahazo io habilitation io. Na dia hita aza fa misy ny lesoka maro eny amin’ireny oniversitem-panjakana ireny. Tsara ihany no hanaovana fisedrana ireo oniversitem-panjakana ireo. Mba tsy ho zatra toloram-potsiny izy ireo.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

education
education
Publicité