logo
Lakroan'i Madagasikara
1 mey

Tsy niasa aho satria nanaja an'io fety io

Nanangona R.V il y a 3 mois

Ny voalohan'ny volana mey teo no nankalazana ny fetin'ny asa, andro tsy fiasana raha ny tena marina. Miverimberina isan-taona.

Tsy niasa aho satria nanaja an'io fety io

www.lakroa.mg. Miarahaba anao Toetra Ràja. Nanamarika ny voalohan'ny volana mey izay fankalazana ny fetin'ny asa ve ianao ?

Toetra Ràja. Miarahaba ny www.lakroa.mg amin'ny fanasana hitapatapakahitra ary miarahaba ny mpamaky hajaina, indrindra fa ny mpiasa rehetra tsy an-kanavaka, nahatratra io fety io. Eto aho dia mahatsiaro manokana an'ireo tsy mba afaka nitsahatra niasa tamin'io andro io noho ny antony samihafa. Raha ny amiko manokana aloha dia tsy niasa aho satria nanaja an'io fety io ny tao amin'ny toeram-piasako.

 

www.lakroa.mg. Rehefa miresaka asa isika dia inona no mety ho tonga ao an-tsaina voalohany ?

Toetra Ràja. ... ilay hoe antom-pivelomana iantsoantsika Malagasy azy. Marina izany satria amin'ny alalan'ny vokatry ny asa, azo tamin'ny hatsembohana, no ahafahana mivelona.

 

www.lakroa.mg. Hatsembohana hoy ianao, voaozona hiasa mafy ve ny olombelona ?

Toetra Ràja. Voaozona ve satria zanaky ny fahotana ? Tao amin'ny sahan'i Edena aloha dia efa tsikaritra io tsy maintsin'ny hatsembohana io.

"Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin'ny tany".

 

Na dia tsy mbola tafaverina any amin'io tany nilaozana io aza isika dia misy ihany ny asa mampilamina na mahadiavolana aza angaha, toy ireny asa atao an-kira ireny. Indrisy fa tsy ny rehetra no afaka miaina izany. Mety hiteraka fahalainana aza kanefa izao aloha no tsarovy :

 

Na dia malaina

ny tanako roa

ny asa ilaina

KOA TOKOA.

 

Sahiran-tsaina

sy reraka ve?

Dieny malaina

DIA MANDEHA!

 

in TIAKO - TIAKO FOANA! tak. 122

 

www.lakroa.mg. Ahoana ny fijerinao ny fitsipika mifehy ny asa ankehitriny ?

Toetra Ràja. Tsy hitarazoka hanazava ny antsipiriany eto isika satria sehatra goavana ny lalàna mifehy ny asa. Amin'ny fijerin'ny olom-pirenena tsotra no ilazako fa nisy dingana maro vao tonga amin'ny toerana misy azy izao ny zon'ny mpiasa. Misy tantarany io, nisy tolona nahamay tao ary nisy aina nafoy aza, izany hoe nisy olona niady ho antsika ary sahy sy nanam-pahavononana:

 

Nanomboka

namaha

ny fatotra

aho zareo,

niroboka

ao an-tsahan'

ny sarotra

mpiseho;

ihafiako

anamparana

ny hery

rehetra,

tsy itsitsiako

hasasarana

na ferin-

tsetrasetra.

 

www.lakroa.mg. Ampahatsiahivo àry hoe ny vokatr'izany tolona izany.

Toetra Ràja. Na dia efa diso fantatry ny maro aza dia tsara ampahatsiahivina fa misy fetrany ny ora fiasana isan'andro, isan-kerinandro, isam-bolana. Natao ialana sasatra ny sabotsy sy ny alahady ary ny andro fety sasany. Ao anatiny ny 1 mey. Ankoatra izay dia afaka misafidy andro maromaro tsy iasana kanefa andraisan-karama ny mpiasa.

Tsy ilaozana olana anefa izany satria misy ireo mpiasa atao ankolafiny. Ary ny loza aza dia nosembanin'ny adim-piainana izany zo izany satria ao ireo miantsoroka asa roa na telo isan'andro, ao ireo voatery mampitombo ny ora na ny andro iasany, mihoatra noho ny nifanarahana kanefa tsy ahazoana tambiny. 

 

www.lakroa.mg. Misy pôety tsy mitsitsy ora iasana koa angamba. Azo heverina ve hoe mba ho anisan'ny asa fivelomana indray andro any ny fanaovana poezia ?

Toetra Ràja. Tsy inoako loatra hatramin'izao ! Ny ao am-paosy hatrany matetika no mivoaka. Voafetra ny isan'ny boky atonta fa ndrao tsy ho lafo. Be sarany ny hetsika.

Mety ho loharanom-bola ihany izy saingy matetika ny Pôety dia mampivady asa hafa ankoatra ny maha pôety azy : mpampianatra toa an'i Jean Narivony, mpanao gazety toa an'i Rado. Akademisianina i Dox, Pasitera i Rô Andriamaneva...

Misy koa ireo Pôety mpanolotra fandaharana amin'ny radio saingy ny ankabeazany dia tsy matihanina. Na misy andraisam-bola aza ny sasany amin'ireny dia tsy natao hampanan-karena e ! Ekena anefa fa noho ny fitiavana ny pôezia sy ny literatiora no antony iantsorohana azy.

 

www.lakroa.mg. Ataoko angamba fa mba efa nisedra olana toy ny olona teo amin'ny asa i Toetra Ràja.

Toetra Ràja. Ny olana dia misy foana. Fantatro fa misy, any ho any, mpiasa tandindonin-doza isan'andro eo am-panatanterahana ny asany : polisy miady amin'ny jiolahy, miaramila mifanandrina amin'ny andian-dahalo, mpitrandraka safira, sns.

Tsy azo ampitahaina amin'izany ny kely mba nanjo ahy rehefa mitobaka iny ny andraikitra nasaina notanterahiko.

"Nisasaka ny alina, tsy vita ny asa marina! Irery ao am-piasana na efa tsy tamana..."

 

Fantatra anefa fa tsy azo najanona ilay izy. Izany mihitsy ilay atao hoe voatana !

 

VOATANA

Voatana

ela tany

am-piasana

aho androany

 

ka sorena

mafy

sy tena

nihafy,

 

ny mpiasa

hafa moa

dia lasa

avokoa

 

efa dila

hafiriana

any anilan'

ny tiana!

 

Toetra RAJA

31 martsa 2013

 

www.lakroa.mg. Vitanao nigadona tokoa izy izany !

Toetra Ràja. Tsy namelako raha tsy nahavitako andinin-teny vitsivitsy ! Rehefa tsy nety tamiko ilay hoe "asa atao an-kira" dia io tononkalo io no noezahiko nohiraina teny amin'ny lalan-kodiana...

 

www.lakroa.mg. ... Hoe ahoana ?

Toetra Ràja. Asa raha fantatrao ilay hira hoe "Bômbô gasy" an-dry Lolo sy ny Tariny. Andramo amin'io tonony io ange ny feony e! Ianao ihany no iangaviako hanovana azy mba hampiakatra ny herin-tsain'ny mpiasa tojo olana.

 

www.lakroa.mg. Amin'ny alalan'izany hira manentanentana sy mampiainga ny fanantenana izany indray no ametrahantsika veloma ary isaorana an'i Toetra Ràja nizara ny mahasoa sy ny mahafinaritra eto. Mifarana eto ny asa tamin’ty indray mitoraka ity.

Toetra Ràja. Mankasitraka ny gazety www.lakroa.mg. Veloma finaritra!

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 26 Jul. 2017 - 08:41-

    5ème édition de la foire Ankolagny. La cinquième édition de la foire économique Ankolagny se déroulera du 11 au 13 août 2017. Cette foire est organisée par l’équipe du programme Prosperer Sofia. L’objectif de cette manifestation est de faire rencontrer les organisations de producteurs aves les opérateurs de marché afin de promouvoir les relations commerciales entre les deux entités. Selon Rafaralahy Redeck, coordonnateur du programme Prosperer Sofia, cette cinquième édition se veut être plus ouverte aux participants venant de diverses filières et des opérateurs originaires d’autres régions. Il invite tous les opérateurs économiques à visiter la centaine de stands (donc d’opportunités) prévue pour la foire.

  • 26 Jul. 2017 - 07:53-

    Nodimandy i Mgr ZEVACO Pierre. Nindaosin'ny fahafatesana ny 25 jolay 2017 tamin'ny 7 ora sasany maraina teo i SE Mgr ZEVACO Pierre. Lavo teo amin'ny faha 92 taonany ny andrarezin'ny Fiangonana. Ny nofo mangatsiaka dia amin'ny tranon'ny Fikambanana Lazarista Tanantsoa ao Fianarantsoa. Anarany feno: Jean-Pierre-Dominique Zévaco. Teraka ny 30 Jolay 1925 (92 taona) tao Vico France. Fikambanana: Lazaristes. Nanamasinana ho pretra: 29 juin 1959, Fikambanan-dRelijiozy Lazariste. Fanamasinana ho eveka: 12 janvier 1969 - Mgr Gilbert Ramanantoanina. Evekan’ny Diosezy Tolagnaro: 26 septambra 1968 - 24 avrily 2001 ary Évêque émérite nanomboka teo. Aoka samy hiara-hiombom-bavaka ho an’ny fialantsasatry ny fanahiny isika mianakavy.

  • 26 Jul. 2017 - 06:57-

    Région Anosy dynamique. Pour Tanjaniana Juliot, Chef de Région Anosy, plusieurs signes indiquent le dynamisme de la région qu’il préside. Pour ce chef de régionles publication sur le compte Facebook de la Région Anosy (https://www.facebook.com/regionanosy.anosy) indique ce dynamisme. Il cite entre autres les différents ateliers de formation pour le développement local du 10 au 14 juillet, la dotation en matériel (motos cross), les initiatives des organismes comme la Chambre de Commerce et d’Industrie cette dernière initie pour la fin du mois de juillet du festival de la mer.

  • 25 Jul. 2017 - 09:19-

    Lahatsoratra ny 25 jolay 2017. ao amin'ny sokajy politika no misy lahatsoratra navoaka ho an'ny anio : http://www.lakroa.mg/item-1118_articles_politique_18-jeneraly-manampi-maso-sy-manao-miaoa.html

    Sy ao amin’ny sokajy NTIC http://www.lakroa.mg/item-1119_articles_newtech_18-fablab-solidaire-mamiratra-racompensa.html

  • 24 Jul. 2017 - 07:16-

    Epreuves du baccalauréat session 2017. Les épreuves écrites du Baccalauréat général se dérouleront du lundi 24 au jeudi 27 juillet prochain pour l’année scolaire 2016-2017. Les épreuves écrites pour l’EPS auront lieu le vendredi 28 juillet. Les épreuves écrites du Baccalauréat technique et technologique se dérouleront du 31 juillet au 3 août 2017. Le nombre total de candidats au baccalauréat dans la Grande Ile atteint 177 686 pour cette session. Ils sont répartis dans 270 centres d’examen.

  • 21 Jul. 2017 - 06:52-

    20 juillet 1947 - 20 juillet 2017 Pour tes 90 ans,
    Nous cueillons la joie de tes dix ans,
    La folie de tes vingts ans,
    La sagesse de tes trente ans,
    Le travail de tes quarante ans,
    Les découvertes de tes cinquante ans,
    Le renouveau de tes soixante ans,
    Les voyages de tes soixante-dix ans
    La quiétude de tes quatre-vingts ans.
    Prend tout cela comme un bouquet,
    Si agréable à contempler.
    Joyeux anniversaire Lakroan'i Madagasikara

  • 18 Jul. 2017 - 11:56-

    Open Fokontany. Orange Madagascar, Habaka et Giz allient leurs capacités d’innovation pour accompagner la transformation digitale de la commune rurale d’Anosizato Ouest. Habaka met à disposition les données de la commune en libre accès et sur une plateforme géospatiale. Cette innovation va permettre aux sept fokontany de la commune de s’ouvrir sur de nouveaux horizons de développement, et d’accéder  à de nouvelles opportunités d’investissement. La mise en place d’un tel dispositif d’accès à des données nécessite des moyens techniques et humains. Francia Andriamampionona, directeur des relations publiques d’Orange Madagascar, a remis ce 18 juillet des équipements nécessaires pour la réalisation de cet open fokontany (100 smartphones, 28 tablettes pour les développeurs et une connexion internet ultra haut débit).

  • 18 Jul. 2017 - 06:48-

    Cours Rasolotafika. Les professeurs au sein du groupe Cours Rasolotafika affirment qu’ils ne craignent pas les conséquences des déclarations répétées du ministre de l’Education Nationale. Ces déclarations concernent la volonté des responsables du Ministère d’augmenter les difficultés au niveau des examens officiels ceci afin de piéger les élèves qui se contentent de répéter les exercices dits sujets-types. Pour ce groupe les professeurs ne distribuent pas de polycops ni de sujets types. Ils ne donnent pas non plus de cours après bacc pour préparer les différents concours. Ce sont des signes que les bases sont bonnes.

  • 17 Jul. 2017 - 11:54-

    25ème anniversaire du Fiefa MirMad. Le FieFa Mir Mad  ou Fikambanana Entanin’ny Fampihavanana eto Madagasikara branche à Madagasikara du Mouvement International de la Réconciliation  va célébrer son 25ème anniversaire cette année. La célébration de cet anniversaire se fera ce vendredi 21 juillet en son siège au Village Saint François. La célébration commencera par une prière œcuménique qui sera suivie par une conférence-débat avec trois intervenants (le pasteur Tehindrazanarivelo, Rabetafika Fulgence, Serge Ramiandrasoa). « La non-violence électorale » est le thème de cette conférence-débat.

  • 14 Jul. 2017 - 07:21-

    AFIFAB 35 taona. Ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara dia mankalaza ny faha-35 taonan’ny AFIFAB na Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-baovao. « Maro ny fandahanarana entina hanamarihana izany tsingerin-taona izany ka ny fanompoam-pivavahana no hanokafana izany vanim-potoana izany ary hanasana ny rehetra » hoy ny sekretera jeneralin’ny Afifab . Ny fanompoam-pivavahana fanakalazana an’Andriamanitra dia ho tontosaina ny sabotsy 15 jolay 2017 amin’ny 3 ora tolakandro ao amin’ny fiangonana Fjkm Atsimon’i Mahamasina. Ny fanapariahana ny Radio Fahazavana no ho tsangambaon’ny faha-35 taonan’ny Afifab.

  • 14 Jul. 2017 - 07:00-

    Cours Rasolotafika. Niaraha-nahita fa ratsy ny voka-panadinana Bepc teo. Vao mainka mahazo aina ireo toeram-panomanana fanadinana vokatr’izany. Mitombo isa ireo teorana manolotra cours araka nyhita amin’ny peta-drindrina raha ny ao Antananarivo no jerena. Ho an’ny Cours Rasolotafika manokana dia milaza ny tompon’andraikitra an’ity toerana ity fa mila mijery ny fahatezan’ny toeram-pampianarana iray sy ny vokatra azony ny ray aman-dreny sy ny mpiantra fa tsy ho sodokan’ny dokam-barotra. Ny fara-doboka fanao isan-taona dia manomboka ny 17 jolay ka hatramin’ny 22 jolay ary ny taranja rehetra no atao amin’izany. Hita eo amin’ny facebooko ny antsipiriany https://www.facebook.com/coursdebaccetbepc/

  • 14 Jul. 2017 - 06:58-

    Appeler gratuitement le 117 grâce à Orange. Si vous êtes confrontés à une situation d’urgence comme l’acte de banditisme/cambriolage et vous avez des renseignements à signaler. Vous êtes invités à composer depuis un portable de jour, comme de nuit le numéro d’appel d’urgence 017 (Appel gratuit) peut-on lire sur le site web de la police nationale (http://www.policenationale.gov.mg/?page_id=331) dorénavant on peut appeler gratuitement le 117 pour le réseau Orange. Tous les appels entrants au 117 sont routés vers les Commissariats du district concernés par l’appel et couverts par le réseau Orange.

  • 14 Jul. 2017 - 06:47-

    Maire d’Ampitatafika en formation. Rado Ramparaoelina, maire d’Ampitatafika, avec une partie de son exécutif, suit une formation avec le FDL sur les manières d’assurer la bonne gouvernance d’une commune. Pour ce maire il espère qu’à la fin de cette formation la commune bénéficie réellement d’une subvention car il estime que la commune remplit les conditions requises durant la formation pour obtenir des subventions annoncées. Pour ce maire il faudrait que les subventions arrivent rapidement avant la saison des pluies car les projets présentés par la commune d’Ampitatafika sont orientés pour se prémunir des effets de la pluie.

  • 13 Jul. 2017 - 17:11-

    Ampitomboy ny fiahiana ara-tsosialy. Mitaky ezaka amin’ny mpitantana aty ifotony ny Fanjakana foibe eo ny mikasika ny fitantanana ny kaominina mba ho tsara tantana. Ny vahoaka koa etsy andaniny mitaky fiahiana avy amin’ny ben’ny tanàna (fanomezana asa, fanampiana mivantana). Tsy araka ny mamaly izany hetaheta rehetra izany. Heveriko fa manana anjara lehibe amin’ny fiahiana ara-tsosialy io ny fanjakana foibe. Eo ny fiantohana ny filaminana fa eo koa ny fanondrotana ny tombontsoa azo amin’ny Cnaps ohatra. Efa nampiakatra ny Cnaps fa tokony ho jeren’ny fanjakana foibe ny fanohizana ny fanatsarana izany tombontsoa izany fa miandrandra izany vahoaka.

  • 13 Jul. 2017 - 09:04-

    LaRok Studio et son événement. LaRok Studio présente ce samedi 15 juillet, au CCESCA à partir de 14 heures, un spectacle avec plusieurs événements. Il y a en premier lieu la présentation d’un spectacle de danse par les élèves des acquis durant leur temps de formation. Puis un défi bodybuilding avec trois catégories de poids (–77 kgs, entre 77 et 87 kgs et enfin les +87 kgs), un concours de Men’s physique en open et pour les femmes un concours de Miss bikini en open. Les coachs de ce centre vont effectuer une démonstration de leur savoir-faire. Il y aura aussi le lancement d’une agence artistique.

  • 13 Jul. 2017 - 07:41-

    Projet de loi. Le Conseil des Ministres du mercredi 12 Juillet 2017, qui s’est tenu au Palais d’Etat d’Iavoloha, a adopté le projet de loi portant création d’une contribution financière des entreprises au développement de la formation professionnelle continue et d’un fonds de gestion de cette contribution. Ce projet de loi concerne plusieurs ministères (Ministère des Finances et du Budget, Ministère de l’Industrie et du Développement du Secteur Privé, Ministère de l’Emploi, de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle).

  • 13 Jul. 2017 - 07:41-

    Ofnac au chevet du poète Haingo. Haingo Razafiarijaona, ou Haingo poeta, est malade alité à l’hôpital de Befelatanana depuis quelques mois. L’Office national des arts et de la culture (Ofnac), par son directeur, Randriakoto Samuelson Daumet, a décidé d’apporter un soutien effectif à ce poète. L’Ofnac organise un téléthon pour ce jeune poète, musicien et compositeur de textes pour de nombreux artistes. Ce téléthon se déroule dans la Salle Rado dans l’immeuble de la Bibliothèque Nationale. Le directeur de l’Ofnac invite tous les amoureux de l’art de venir apporter ce soutien à la fois moral et surtout soutien financier.

  • 11 Jul. 2017 - 13:12-

    Convention entre AFD  et BFV SG. Ce lundi 10 juillet a eu lieu la cérémonie de signature d’une convention GPP ARIZ entre l’AFD et la BFV SG. Cette cérémonie était l’occasion de renouveler la convention de partenariat entre cette banque et l’AFD qui existe depuis 2010, un partenariat qui accompagne et appuie le développement des opérateurs malgaches. Par le biais de son instrument de sous-participation dénommé « ARIZ », l’AFD promeut un accès facilité au financement bancaire des PME, TPE et micro entreprises. 

  • 07 Jul. 2017 - 06:42-

    Salon de la médecine et du bonheur. Kis Madagascar organise le « Salon de la médecine et du bonheur ». Cet événement a ouvert ses portes le 6 juillet et durera jusqu’au au 8 juillet. Il se déroule sur le parvis de l’Hôtel de ville d’Antananarivo. Cette première édition offre à la population des dépistages (diabète, sida, maladie de la prostate…), des consultations médicales (ophtalmo, orl…) et des conseils gratuits ou don de sang. La Clinique Fidy avec les étudiants de Imag Appli effectuent des circoncisions gratuites durant cet événement.

  • 07 Jul. 2017 - 06:40-

    Ce-Fer-Mad. Le Centre de Fertilité de Madagascar vise à aider les couples hypofertiles et infertiles à réaliser leur plus grand désir, celui d’avoir un enfant. En venant consulter au Centre de Fertilité de Madagascar, vous pourrez trouver les réponses aux questions concernant la fertilité : nos médecins spécialisés en médecine de la reproduction vous aident à mieux comprendre votre situation. Cette structure a été mise en place par le docteur Rakotobe Andriamaro, gynécologue obstétricien, en octobre 2016. Il est entouré de deux spécialistes étrangers. Pour l’instant aucune loi ne régit cette procédure à Madagasikara.

Du même auteur

societe
newtech

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité