logo
Lakroan'i Madagasikara
13 mey 1972 - 13 mey 2017

André Rakotondranaivo sy ny fanagasiana

Nanangona JRR il y a 2 années

45 taona taty aorian'ny hetsika, mbola mitohy ny adihevitra momba ny fanagasiana. Mihodinkodina tsy mahita lalan-kivoahana ny Malagasy. Namosaka ny heviny manokana tao amin'ny tranonkala Poetawebs (Oktobra 2015) i André Rakotondranaivo, mpampianatra sady poeta, tamin'ny alalan'ireo fanontaniana napetrak’i Toetra Ràja.

André Rakotondranaivo sy ny fanagasiana

Vao tamin'ny sabotsy teo no nitsingerina ny faha 45 taonan'ny tolom-bahoaka 13 mey 1972 ka nampirodana ny fitondrana tamin'izany. Anisan'ny notakiana ny fiverenan'ny fiandrianam-pirenena amin'ny alalan'ny fahaleovantena "tena izy" ka nametrahana ny fanagasiana teo amin'ny ivon'ny fitakiana. Nohenoin'ny mpitondra vaovao ny hetahetan'ny mpitolona ka nirosoana ny politikan'ny fanagasiana ny fampianarana. Niteraka adihevitra tsy mbola vita hatramin'izao anefa ny fampiharana azy. Nitranga nihemotra toy ny lelon-jaza ny fanagasiana satria mbetika nofoanana, mbetika niverenana, arakaraka ny safidy politikan'ireo mpitondra nifandimby.

Maro ireo anarana tokony tsy hohadinoina amin'ny fanagasiana fa andeha hotsongaina manokana ry E.D. Andriamalala noho ilay bokiny "Ny fanagasiana" (1974) sy André Rakotondranaivo, loharano nipoiran'ny bokim-pampianarana maro tamin'ny teny malagasy, ary hatramin'ny niantombohan'ny fanagasiana mihitsy.

Namosaka ny heviny manokana tao amin'ny tranonkala Poetawebs (Oktobra 2015) i André Rakotondranaivo, mpampianatra sady poeta, tamin'ny alalan'ireo fanontaniana efatra napetrak’i Toetra Ràja.

 

Toetra Ràja. Azo ampahatsiahivina eto ve ny nahatonga anao hanoratra boky?

André Rakotondranaivo. - Tsoriko fa tena fitiavana ary adidiko amin'ny fireneko ny nahatonga ahy hanoratra boky, indrindra ho amin'ny fampianarana. Rehefa nitaky ny fanagasiana ny fampianarana eto Madagasikara mantsy ny Mpianatra, notarihin'ireo zokiny teny amin'ny Anjerimanontolo, tamin'ny taona 1972, dia neken'ny fitondram-panjakana tamin'izay ny maha-rariny izany ka dia notanterahina. Izao anefa no olana: ny Mpampianatra nilaza fa tsy nofanina hampianatra teny malagasy, ary marina tokoa izany. Ny boky hoenti-mampianatra koa tsy nisy rahateo. - Koa ny tenako izay nampianatra tany Antsirabe tamin'izay fotoana izay no anisan'ny voaantso ho aty Antananarivo hamolavola ny fandaharam-pianarana. "BEP-OTEP" na "Bureaux d'Etudes de Programme" no anarana nomena anay tao amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazana tamin'ny taona 1973.

Na dia navesatra sy sarotra aza ny adidy, dia izaho no nanana fahasahiana hamoaka boky voalohany indrindra ho amin'ny fampianarana ny teny malagasy. Ataoko fa nisy taminareo no nampiasa ny boky natao hoe "Kajy Fototra" sy ny "Fiarahamonina" ary ny "Fahalalana Tsotsotra".

 

Toetra Ràja. Nampiasainay tany amin'ny T4 sy T5 tokoa izy ireo fa misaotra. Araka ny hevitrao, inona no mety ho fomba mahomby hanohizan'ny mpikaroka ankehitriny an'io fanagasiana io?

André Rakotondranaivo. Inona no atao hoe "mpikaroka ny fanagasiana" ? Moa tsy ny mpikambana ao amin'ny Fizarana "Haikanto sy Hailaza" amin'ny Akademia Malagasy" sy ny mpikambana amin'ny "Havatsa/UPEM" ve ? Ary ampiako koa ny Mpampianatra teny malagasy rehetra, na amin'ny Ambaratonga Faharoa, na amin'ny Ambaratonga Ambony, tsy mpikarama fa mpankafy ny Tenindrazana malagasy.

Matoa mikororosy fahana ny Teny malagasy ankehitriny dia noho ireto antony telo ireto:

- tsy miray hina ny Mpampianatra teny malagasy amin'ny Ambaratonga rehetra hanohy ny fanagasiana ny fampianarana.

- noho ny fibosesehan'ny teny vahiny be loatra eto amintsika, dia mahery vaika ny an'ny mpanam-bola ka imatimatesan'ny Tanora ny fianarana azy. Tsara izany saingy ny an'ny tena no tokony ho andrianina ary ny an'ny hafa tokony hofehezina tsara satria Nosy ny Tanintsika ka be vahiny, izay tsy tokony hanambaka antsika!

- ny mampalahelo dia ataon'ny Tanora vao misondrotra "valalan'amboa, ka ny tompony aza tsy tia" ny Teny malagasy.

Koa araka ny hevitro dia tokony hiray hina, samy hankafy ny Tenindrazana ny Mpanabe rehetra. Tokony hampianarina ny Tanora ho tia Tanindrazana (fanabeazana izany) fa efa Firenena lehibe anie izany misy mponina 20 tapitrisa mahery izany e, ary ny Firenena mandroso rehetra dia samy mampiasa ny tenin-drazany avokoa, (ny Arabo, ny Àngilisy, ny Frantsay, ny Sinoa sy ny sisa) ary ireo vahiny dia tokony hahay miteny malagasy vao azo ekena hipetraka eto (Misionera, Diplômaty, Mpandraharaha...). Ary farany tokony hatao teny malagasy daholo ny fifanekena amin'ny vahiny, ny lalàna eny amin'ny Tribonaly sy ny lalàm-panjakana misy rehetra amin'izay dia hirehareha amin'ny maha-Malagasy azy ny Tanora! Izany no hisian' ny tena fiandrianam-pirenena marina mba tsy hotsabatsabahan'ny firenen-kafa ny atao eto Madagasikara. Tokony ho sarotiny koa ny Fanjakana amin'ny fampiasana ity "SMS" ity, fa ao no tena ahitana ireo fanimbana ny teny malagasy, ka tokony harovana sy hosazina izay manao izany. Manahy aho fa aoriana kely ao dia hanjary hisy "créole-gasy" koa eto Madagasikara: ho levona tanteraka ny Teny malagasy. Enga anie tsy ho tonga amin'izany ity Nosy malalantsika ity!

 

Toetra Ràja. Mbola betsaka ve ireo asa maika miandry ireo mpikaroka bokim-pianarana amin'izao fotoana izao?

André Rakotondranaivo. - Raha tena maika ny fampandrosoana ny toe-karen'ny Malagasy, dia tsy latsa-danja amin'izany ny asa miandry ireo mpikaroka sy mpanoratra bokim-pianarana amin'izao fotoana izao!

Mibosesika eto amin'ny Nosintsika mantsy ny teny vahiny ankehitriny ka ifanotofana ny fianarana azy ireny, ary mila ho hadino na tena ilaozana mihitsy aza ny "Teny malagasy" ka tonga amin'ny fitenenana hoe : "Valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia"! Ny an'ny tena tsy hay, ny an'ny hafa tsy voafehy, satria mihinam-bary amin'akotry amin'izay. Raha mihinana "vary amin'anana" mantsy dia mety ihany fa mbola andrenesana tsiro izany, fa ny "amin'akotry" dia tena mankarary vavony mihitsy.

Noho izany dia maika tokoa ny asa, betsaka ny mbola hatao, mba tsy amin'ny alalan'ny fitenenana no anasan'ny vahiny ny atidohan'ny tanorantsika, eny, ny Malagasy manontolo mihitsy aza.

Koa ireto araka ny hevitro no azoko omena ny mpikaroka sy ny mpanoratra bokim-pianarana ankehitriny hisorohana izany loza mitatao izany:

1)- Tokony homena lanja ny fampianarana ny "Teny malagasy" any am-pianarana. Tsy midika akory izany fa hatao an-tsirambina ny teny vahiny, fa toy izay ataon'ny Firenena hafa rehetra : Arabo, Sinoa, Anglisy, amin'ny fanabeazana ny taranany amin'ny "tenin-dreny" koa.

 

2)- Tokony hogasiana tsotra izao araka ny fanononana efa mahazatra ny olona ireo teny vahiny fampiasa andavanandro : Ohatra:

la table (fr.) = latabatra ;

chaise (fr.) = seza ;

moteur (fr.) = môtera ;

fête (fr.) = fety ;

total (fr.) = tontaly ;

volcan (fr.) = volkano ;

tar (angl.) = tara (godrao) ;

geese (angl.) = gisa ;

cement (angl.) = simenitra ;

cigar (angl.) = sigara ;

slate (angl.) = solaitra ;

carpet (angl.) = karipetra

 

3)- Ny teny frantsay miafara amin'ny "ie" raha gasiana dia tokony ho "ia" no hanoratana azy, na anarana io, na siansa io, na matematika io, mba tsy hanahirana ny mpianatra na ny olona ny fitadidiana azy na ny fampiasana azy, saingy ilain'ny mpanoratra bokim-pianarana, na ny mpikaroka, na ny mpampianatra ny manazava ny hevitr'ilay teny, fa tsy omena anarana vaovao.

Ohatra :

Géographie = Jeografia;

Philosophie = Filôzôfia;

Géométrie = Jeometria;

Trigonométrie = Trigônômetria

 

Toetra Ràja. Momba ny fanagasiana ny fampianarana ve nety ho nisy paik'ady tsy nifandraika tamin'ny fiaraha-monina tamin'ny fotoan'androny ?

André Rakotondranaivo. Azo lazaina ho kihon-dalana teo amin'ny fiainam-pirenena malagasy tokoa ny taona 1972, izay nitakian'ny mpianatra ny hanagasiana ny fampianarana. Tsy ny fomba fampianarana amin'ny teny malagasy ihany anefa izany, fa ny fampianarana ny fomban-drazana, ny kolontsaina, ny tenin-dreny, ny lalàna eny amin'ny tribonaly, ny asa aman-draharaha, ny fitaovana, fa leon'ny fandaharam-pianarana ataon'ny frantsay ny olona, mbamin'ny kolontsaina vahiny.

Faly ny ankabeazan'ny olona satria maneho ny fiandrianam-pirenena ny fanajana ny tenin-drazan'ny tena. Nahoana tokoa moa ireo firenena hafa toy ny Arabo na Sinoa na Frantsay sy ny hafa no tsy mindrana ny tenin'ny firenena hafa hampianarana ny zanany? "Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha!" hoy ny fahendrena Malagasy.

Nisy koa anefa ireo vitsivitsy no tsy faly tamin'ny fanagasiana ny fampianarana. Tsy azo entina mianatra na miasa any ivelany hoy izy ireo ny teny malagasy fa firenena kely ny Malagasy.

Tsy nahakivy ny fitondram-panjakana tamin'izany fotoana izany anefa izany dia ny Repoblika II, ka nanangana ny "B.E.P." (Bureau d'Etudes de Programme" na koa ny "OTEP" (Organe Technique d'Elaboration de Programme" izy hanatanterahana ny fanagasiana ny fampianarana. Tamin'izay dia nisy taratasy voarain'ny "BEP-OTEP" nanao hoe : "Malgachisation veut dire Mernisation!"

Nandefa iraka tany amin'ny Faritany rehetra teto Madagasikara ny "BEP-OTEP" hanazava sy hanentana fa hahasoa antsika ny fanagasiana amin'ny lafim-piainana rehetra. Nitsangana ny mpiofana iray nilaza fa izy no nanoratra ilay taratasy. Nanambara izy fa "tsy fankahalana foko akory no nataony, fa tsy misy boky azo ampiasaina amin'izany satria nofanina hampianatra amin'ny teny frantsay ny mpampianatra malagasy ary tsy fisakanana ny fanagasiana izany. Ary tsy antony pôlitika koa akory no nanaovany izany taratasy izany". Noho izany no antony nampalaina azy amin'ny fanagasiana ny fampianarana.

Koa rehefa tafavory ny mpanofana rehetra tao amin'ny "BEP-OTEP", dia nanapa-kevitra fa hamoaka boky fianarana amin'ny teny malagasy, ka izay afaka hanao izany dia amporisihana tokoa. Ny tenako no lohalaharana amin'ny famoahana boky fianarana ho an'ny S.F.F. (Sekoly Fanabeazana Fototra), toy ny "Fianarana manoratra teny malagasy" ; ny "Kajy Fototra" ; ny famakian-teny atao hoe "Malagasy tokana" - ny "Fahalalana tsotsotra" sy ny sisa, izay nankasitrahan'ny Mpampianatra sy ny Ray aman-drenin'ny mpianatra tokoa. Voambolana niarahan'ny mpampianatra mpikambana notsongaina avy tamin'ny Faritany rehetra eto amin'ny Nosy no nampiasaina fa tsy hevitr'olon-tokana.

Nony nivoaka ny boky dia nisy ny fanakianana mivaivay nilazana fa tsy mety ny fanagasiana satria misy voambolana tsy fampiasa, fa teny ratsy amin'ny faritra sasany eto amin'ny Nosy. Ho vahaolana dia navoaka ny boky natao hoe "Malagasy iombonana", niarahan'ny mpikambana amin'ny "BEP-OTEP" nandinika.

Nampalahelo fa na dia nanezakezaka aza ny tao amin'ny Ambaratonga voalohany, dia nikatso tao amin'ny Ambaratonga faharoa satria tsy nisy ny boky hampiasaina. Na dia tsy nofoanana aza ny fianarana teny frantsay, dia variana nianatra teny malagasy ny mpampianatra, ka zary toa natao an-tsirambina ny fampianarana ny teny vahiny. Ankoatra izany koa dia lasa Minisitry ny fampianarana ny lehilahy iray nanambady vazaha frantsay, izay namporisika ny vadiny hanafoana io fanagasiana io, ka dia naverina indray ny fampianarana amin'ny teny frantsay. Ny S.F.F. naverina ho E.P.P. (Ecole Primaire Publique). Nomena fanampiana (subvention) ny Sekoly tsy miankina mampianatra amin'ny teny frantsay, ka nifandrombahana tokoa ny hampiana-janaka tamin'ireny!

Izany no paik'ady nampiasain'ny mpanjanatany sy ny mpanaraka azy hanafoanana ny fanagasiana ny fampianarana. Tsy mbola tafarina izany hatramin'izao andro izao, ka lasa vary amin'anana ny tenin'ny zatovontsika. Ny vary amin'anana aza mbola misy tsirony ihany, fa lasa "vary amin'akotry" mankarary vavony mihitsy.

Ho tafaverina ary ho ela velona anie ny Tenindrazantsika!

 

FEHINY

Ampahany tamin'ny tapatapakahitra nifanaovan'izy mianaka io naroso io ary azontsika atao tsara ny mamaky azy manontolo ao amin'ny Poetawebs, efitra tapatapakahitra, misy lisitra ahitana ny anarana hoe AéRa (André Rakotondranaivo).

45 taona taty aorian'ny hetsika, mbola mitohy ny adihevitra momba ny fanagasiana. Mihodinkodina tsy mahita lalan-kivoahana ny Malagasy. Efa an-taonany maro sahady izao no nanovana ny SFF ho EPP. Tafaverina ve ny tena fiandrianam-pirenena? Nisondrotra ve ny fari-pahaizan'ny mpianatra araka ny hetahetan'ireo namingana ny fanagasiana?

 

"Nirodana teo

ilay fanagasiana,

na dia tsy leo

ny olo-mangina!

 

Aiza ho aiza

ny firaisan-kina

rehefa mitaiza

ny eso sy kiana?"

Toetra Ràja

 

Mety ho nisy tsirambina sy tandrevaka ny fomba nanatanterahana ny fanagasiana. Raha misy finiavana vaovao hamerina ny fiandrianam-pirenena amin'ny alalan'ny tenin-drazana dia tsara raha ifanarahan'ny rehetra izany amin'ny alalan'ny fifampiresahan'ny samy Malagasy.

"Eo amorom-patan'eo, ny fo toro aninkeheo, voavinda ka nisaona... dia hisinda raha mihaona amin-dresaka mafonja, mampitresaka ny fonja."

(...)

"Na dia hoe

mahasanganehana,

aleo re

hifanatrehana

eo imaso

mba hazava,

fa ny andraso

andraso lava,

mampitresaka

ati-doha..."

 

Ka ny RESAKA

aloha

no hamahana

ny rehetra,

fa hadalana

ny herisetra

 

(...)

Toetra Ràja

in TIAKO - TIAKO FOANA! p126

 

"Tsy miray hina ny Mpampianatra teny malagasy amin'ny Ambaratonga rehetra hanohy ny fanagasiana ny fampianarana", hoy i André Rakotondranaivo.

Efa voalazan'i Emilson Daniel Andriamalala ny mety ho antony: "Satria ireo lehibebe... tsy nisaina izay hampisondrotra ny mpiray foko aminy, fa ny niray petsapetsa tamin'ny vahiny mpangoron-karena." in Ny fanagasiana, 1974, p. 22.

 

Mbola ny nofinofiny ihany anefa no nantefany tany amin'ireo avara-pianarana Malagasy manao hoe: "Mifantoka eny amin'ny manam-pahaizana vokatry ny taniny ny mason'ny Malagasy tsivakivolo... Angamba aza tsy ny mason'ny Malagasy ihany, fa ny mason'izao tontolo izao koa." (p. 59)

Mpianatra teny amin'ny anjerimanontolo no loharano nipoiran'ny tantara. Nanao ny ainy tsy ho zavatra izy ireo satria nisy ireo nalefa sesitany, 40 no lavo teo amin'ny lapan'ny tanànan'Antananarivo. Nanana hazon-damosina sy fanamby tokoa izy ireo fa tsy nanaiky ho voarebirebin'ny tolotra vita paika tsy mifanaraka amin'ny toe-panahy maha Malagasy sy ny kolontsain'ny Malagasy.

Toetra Ràja

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 21 Aug. 2019 - 09:30-

    Fanolorona avy amin’ny Sinoa. Nanolotra moto miisa 9 ho an'ny zandarimariam-pirenena ny ambasadaoro sinoa miasa sy monina eto Madagaikara. Notanterahina tetsy @ toby Jeneraly Ratsimandrava, ny 20 aogositra 2019 izany. Nitarika ny lanonana ny sekreteram-panjakana eo anivon'ny fiarovam-pirenena miadidy ny zandarimaria, jeneraly Richard Ravalomanana. Fantatra fa ireo tobi-paritra lavitra sy saro-dalana no hisitraka an'ireto moto ireto toy ny any Marolambo, Besalampy sy Fenoarivobe ary Kandreho.

  • 20 Aug. 2019 - 10:00-

    Journée humanitaire mondiale. Dans un tweet, le Pape François soutient les femmes investies dans l’humanitaire à l'occasion de la journée humanitaire mondiale. «Souvenons-nous aujourd’hui de toutes les femmes courageuses qui vont à la rencontre de leurs frères et sœurs en difficulté. Chacune d’elle est un signe de la proximité et de la compassion de Dieu», déclare-t-il.

  • 19 Aug. 2019 - 07:15-

    #Worldphotographyday. Le 19 août est un jour exceptionnel pour les amoureux de la photographie puisqu’il s’agit de la journée mondiale de la photographie. L’invention officielle de la photographie remonte au 19 août 1839. Ainsi, cette date est choisie pour la célébrer. Pour fêter l’événement, les photographes sont invités à réaliser un cliché ce jour-là à 18h39 et à le partager sur les réseaux sociaux avec l’hashtag #jmp18h39.

  • 16 Aug. 2019 - 08:30-

    Fanentanana. Nidina nanentana ireo mpampiasa ny lalana mba hitandrina mandritry ny dian’izy ireo amin’ny lalam-pirenena voalohany ny vondron-tobim-pileovana Itasy sy ny vondron-tobim-paritra Arivonimamo ary ny tobi-paritra misahana ny fifamoivoizana ny 14 Aogositra 2019. Natao izany noho ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana manerana ny Nosy tato ho ato. Narahana fizaràna takelaka mirakitra ireo tsara ho fantatra mandritry ny fampiasana ny lalana moa ity hetsika ity mba ahafahan’ny tsirairay mandray fepetra arak’izay tandrify azy avy.

  • 14 Aug. 2019 - 10:30-

    Décès d'un cardinal mexicain. Le cardinal Sergio Obeso Rivera, archevêque émérite de Xalapa s’est éteint à l’âge de 87 ans. Ce cardinal mexicain, dont l'enterrement est prévu mardi 13 août, avait été promu lors du dernier consistoire, le 28 juin 2018, mais il n’avait jamais été électeur, puisqu’il avait déjà largement dépassé les 80 ans lors de sa création.

  • 13 Aug. 2019 - 10:15-

    Fanafihan-dahalo tao Ianabinda Betroka. Dahalo 6 nanafika sy nangalatra omby roa vala tao amin'ny Fokontany Fenoarivo Cr Ianabinda ny 11 aogositra tamin’ny 12 ora alina. Samy nivoaka ny tranony ka nanao izay ho afany hamaliana ireo tifitra variraraka nataon'ny dahalo ny fokonolona rehefa naheno ny koika na hazolava. Resy tosika ireo dahalo ka vaky nandositra niaraka tamin'ireo omby miisa 25. Raikitra ny aradia sy ny fifandonana ka dahalo iray no lavo ary omby 14 no azo fa ny 11 kosa mbola any apelatanan'ny dahalo.

  • 13 Aug. 2019 - 07:30-

    Coupure d’électricité. Pour améliorer la qualité de la fourniture d'énergie, la JIRAMA informe ses clients que la distribution d'énergie électrique est interrompue ce mardi 13 août 2019 de 09h00 à 16h00 dans le quartier d’Antanimora.  Des travaux d'entretien périodique sont en cours pour apporter des améliorations au niveau de l’électricité.

  • 12 Aug. 2019 - 08:50-

    L’Afrique doit se réveiller. En marge de la 18ème assemblée plénière du SECAM (symposium des conférences épiscopales d’Afrique et de Madagascar), le président de Caritas Afrique a appelé à un réveil du continent. « Nous avons choisi des leaders qui n’ont pas aidé l’Afrique depuis l’indépendance. Nous avons eu de bons dirigeants qui ont été chassés du pouvoir par des coups d’État, ourdis par des personnes ou des puissances obéissant à des intérêts propres », déclare Mgr Gilbert Justice Yaw Anokye, archevêque de Kumasi au Ghana.

  • 08 Aug. 2019 - 07:19-

    JIRAMA ho diovina. Araka ny tapaka tao amin’ny Filankevitry ny Ministra dia  tsy maintsy diovina ny fitantanana ny JIRAMA ary vitaina anatin’ny 2 taona raha ela indrindra ny fanarenana ny trosa sy ny orinasa. Tsy maintsy atao toy ny fitantanana orinasa tsy miankina ny fitantanana ny orinasa JIRAMA manomboka izao. Tsy maintsy hapetraka mazava ny tetiandro hanatanterahana ny fanarenana ny orinasa. Tsy maintsy mandoa ny trosany avokoa ireo sampan-draharaham-panjakana hananan’ny JIRAMA trosa izay mitentina 30 miliara ariary nanomboka ny voalohan’ny volana Janoary 2019 ka hatramin’ny volana Jona 2019. Tokony hisy amin’izay ny fametrahana business plan vaovao sy ny fijerena ireo contrats fanofana groupes mamokatra herinaratra manomboka izao. Hisy ny contrat programme hiarahan’ny fitondram-panjakana sy ny JIRAMA mametraka ny amin’ny fanatanterahana ny asa fanarenana eo amin’ny fitantanana ny orinasa.

  • 07 Aug. 2019 - 07:25-

    Nomination. Le Saint-Père a nommé neuf nouveaux membres au sein de la Congrégation pour les Églises orientales. Les nommés sont : le cardinal Gualtiero Bassetti, archevêque de Pérouse et président de la Conférence épiscopale italienne, le cardinal Carlos Osoro Sierra, archevêque de Madrid, le cardinal Anders Arborelius, évêque de Stockholm, le cardinal Luis Francisco Ladaria Ferrer, préfet de la Congrégation pour la Doctrine de la foi, Mgr Anthony Colin Fisher, archevêque de Sydney, Mgr Georges Bacouni, archevêque greco-catholique melkite de Beyrouth et Jbeil, Mgr Borys Gudziak, archevêque de Philadelphie des Ukrainiens, Mgr Michel Aupetit, archevêque de Paris, et Mgr Miguel Ángel Ayuso Guixot, président du Conseil pontifical pour le dialogue interreligieux.

  • 05 Aug. 2019 - 08:35-

    Qualification CHAN 2020. Malgré la défaite face aux Mambas 3-2 à Maputo, les Barea se qualifient pour le prochain tour dans le cadre de la qualification pour le Championnat d’Afrique des Nations (CHAN) 2020. Madagascar affrontera le Namibie pour ce troisième tour où le match aller est prévu le 20 au 22 septembre et le retour du 18 au 20 octobre. 

  • 02 Aug. 2019 - 08:00-

    Mercato des Barea. L’après CAN des Barea est mouvementé au niveau du mercato. Andriamirado Arohasina évoluera au Black Leopards FC pour cette saison dans le cadre d’un prêt. Le vice-capitaine des Barea, Ibrahim Amada, signe au Qatar avec Al Khor Sports Club. Pour sa part, Dimitry Caloin annonce sa signature au FC Villefranche pour la saison 2019-2020.

  • 31 Jul. 2019 - 07:00-

    Naufrage au large de la Libye. Le Pape François évoque le naufrage d’un bateau, jeudi dernier, transportant à bord 250 migrants. « J'ai appris avec douleur la nouvelle du naufrage dramatique survenu ces derniers jours dans les eaux de la Méditerranée, où des dizaines de migrants, y compris des femmes et des enfants, ont perdu la vie ».  Pour éviter que de tels drames ne se reproduisent, il a appelé les États du monde à « agir avec rapidité et détermination ».

  • 29 Jul. 2019 - 13:45-

    Fanafihana tao Befandriana Avaratra. Nahazo antso an-tariby ny tobi-paritra tao Befandriana avaratra fa misy manafika ny tranon’ny mpandraharaha sinoa ao an-toerana ny 29 jolay 2019 tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Mitentina 60.000.000 ariary ny vola voaroba tamin'izany. Voan'ny balan'ireo jiolahy nandritra ny fifampitifirana ny komandin’ny tobi-paritra zandarimaria avy ao amin'io toerana io. lavo teo noho eo ny iray tamin'ireo olon-dratsy nohon'ny fititra nataon'ny zandary.

  • 25 Jul. 2019 - 14:15-

    Fanavoazana « station de pompage ». Fotodrafitr’asa manaraka ny teknolojia avo lenta ny « station de pompage » ary afaka mitroka sy mamarina ny rano maloto avy any amin’ireo fokontany manodidina azy ho any ivelan’Antananarivo. Vita ny fanavaozana azy io etsy Andavamamba Anatihazo Isotry rehefa namboarina sy nokarakaraina nandritra ny 2 taona. Mahazo tombony betsaka amin’izany ireo mponina izay eny amin’ny faritra iva.

  • 24 Jul. 2019 - 11:25-

    JIOI 2019. Madagascar s’est bien débrouillé en judo, lors de la deuxième journée en épreuves individuelles, avec 2 médailles d’or obtenus par  Nazir Bin Abdou (-60kg) et Rasoanaivo Laura (-63kg), 5 médailles d’argent et 3 médailles de bronze. Place à la compétition par équipe le 25 juillet à partir de 9h30.

  • 23 Jul. 2019 - 14:50-

    Fanomezan-drà. Nanome rà maimaimpoana teny amin’ny HJRA Ampefiloha ireo polisy vaovao miisa 1098 tao amin’ny andiany “FENITRA”. Nitarika azy ireo ny minisitry ny filaminam-bahoaka, RAFANOMEZANTSOA Roger ary nanambara fa : “fanampiana sy ho vonjy aina ho an’ireo mpiray tanindrazana no nanaovana izao adidy izao satria izay manome rà dia mamonjy aina”.

  • 23 Jul. 2019 - 10:45-

    Eglise Catholique en Allemagne. D’après les dernières statistiques, 200 000 catholiques allemands ont quitté l’Église en 2018, contre 167 500 en 2017. Avec plus de 23 millions de membres, l’Église Catholique en Allemagne rassemble toujours 27 % de la population du pays soit plus d’un quart des allemands.

  • 22 Jul. 2019 - 14:37-

    Situation comique en foot au JIOI 2019. Pour la deuxième place du groupe A de ces JIOI 2019, dans le tournoi de football, un tirage au sort entre Madagascar et les Seychelles sera effectué, ce lundi soir, à 20h. Cela, pour savoir qui accédera à la demi-finale contre la Réunion et se jouera mercredi 24 juillet à 14h30. Ayant terminé avec un seul point à leur compteur tous les deux, les formations malgaches et seychelloises seront départagées par tirage au sort. Maurice est assurée de passer avec le nombre de but marqué (2).

  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay. “Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

Du même auteur

culture
dossier

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité