logo
Lakroan'i Madagasikara
Fetin'ny Reny

Ny voninkazonao ry Neny !

Nanangona i JRR il y a 4 années

Na vady na zanaka dia mahavatra manolotra fehezam-boninkazo sy fanomezana ho an'ny reny ary mbetika aza mandravaka izany amin'ny teny mamy mirindra sy miendrika tononkalo. Andinin-teny vitsivitsy notsongain'i Toetra Ràja, poety miara-dalana amintsika tato ho ato, no atolotra etoana.

Ny voninkazonao ry Neny !

Manokana alahady iray isan-taona ny fiarahamonina hanomezan-kasina ny Reny niteraka. Ary lasa androm-pifalian'ny mpianakavy mihitsy io andro manokana io. Soritana fa samy manana ny andro nofinidiny ny firenena tsirairay. Raha ny eto Madagasikara izao dia ny alahady faran’ny volana mey no voafaritra amin’izany ka ny 28 mey izany ho an’ity taona 2017 ity. Ary na dia efa samy manana ny tokantranony aza ny zanaka dia misy ny manao io andro io ho antom-pihaonana anaovana fivoriam-pianakaviana.

Andinin-teny vitsivitsy notsongain'i Toetra Ràja, poety miara-dalana amintsika tato ho ato, no atolotra ho an'ny Reny mpiseran'ny tranonkala www.lakroa.mg.

 

 FITIAVANA

Tsy hisalasalana fa fitiavana no mibahana ao an-tsaina raha vao fetin'ny reny no resahina. Midika fihetseham-po mipololotra izany ka tsy mahavahiny ny diam-penin'ny poety.

 

"...loharano mavana manome ny hery sy tena Fitiavana" hoy i Rado.

I Andrianary Soambinintsoa aza dia mametraka ny fitiavan'ny reny eo amin'ny toerana avo indrindra sy tsy manan-tsahala raha mbola samy olombelona: "fa ny FITIAVAN-DRENY no manakaiky indrindra ny fitiavan'Andriamanitra". Vao mainka namafisin'i Mialy Andrianina izany amin'ny hoe : "Zanahary hita maso izy ireny!!!"

 

Na dia voalaza fa tsy mampitoetoe-poana ny teny aza ny poety ao anatin'ireo andalan-teniny dia vahotra ihany manoloana ny hasin'izany antsoina hoe reny izany. "Tsy hitako ry Neny ny teny faratampony entiko ilazana izato hasinao", hoy ihany i Mialy Andrianina. "Kanefa angamba tsy ampy ny teninay ombieny", hoy indray i Felana Raveloarison manamafy.

 

Ary na dia efa manana ny fiandrianany aza ny zanaka dia mbola tsy afaka aminy ireo teny miangotingoty taratra amin'ny filalaovana teny verindroa, toa sanatria fitenin-jaza. Mampiasa izany i Tsirimanitra amin'ny hoe "Mamy foana foana ny fitiavana nomeny". Ary tsy izy ihany fa na i Fredy Jaofera azo lazaina fa notahafiny aza: "...fa hafa ihany ny an'ny reny tsaroana mamy ombieny ombieny".

 

Hiato kely amin'izay hoe "hafa ihany" izay aloha isika satria miavaka sy tsy manam-paharoa ny fitiavan'ny reny. Voajanahary aza hoy i Taf (Tafitasoa Rakotonirina):

"Fa manam-pitiavana voajanahary

Na hafeniny aza 'zany dia miharihary!".

 

Mahadika izany koa ny voalazan'i Mamisoa hoe "Tokana aman-tany" ary nohamafisina hoe "tsy misy toa anao". Resy lahatra amin'io hoe "tokana" io koa i Misa Rasamy : "tsy hisy olombelona mahasolo anao, tsy hisy safo mamy mihoatra noho ny anao".

 

...Satria i Neny no mpiahy sady mpiaro, tsy tao an-doharano niforonana ihany fa eo amin'ny androm-piainana manontolo.

 

LOHARANO SY MPIAHY

Maro ireo voambolana naloaky ny poetanao momba izany loharano izany. Mahazatra antsika ny mampiasa ny hoe "voalohan'ny fitiavana" ilazana ilay olon-tiana voalohany, indrindra moa fa raha nisy hafa taty aoriana. Fa ny tena voalohan'ny fitiavana amin'i Stenny Rajeriarison dia i Neny: "Ilay voalohan'ny fitiavana sy loharanon'aina, tsy iza fa i NENY".

 

Misy fizaram-pitiavana lehibe eo amin'ny reny sy ny zaza mandritra izay fotoanan'ny fitambaran'aina izay : "Neny, ilay nitondra ahy sivy volana ary koa nanaiky ny ho kitapo nifonosana", Tsisatry. Na dia an'i Neny manokana toy ny an'ny olombelona rehetra aza io "kitapo" io dia foiny nozaraina. Ary na i Martelle Nath aza dia tsy nisalasala nanamafy ny maha sombin'ny aina ny zanaka: "Fa ny ainy mihitsy no nakany sombiny ... Dia indro ianao fa miaina..."

 

Tsy ny vatana ihany anefa fa hatramin'ny fanahiny mihitsy hoy i Elinivo (Elinivo Andrianjafy) : "Ilay nampindrana ny vatany, niantombohanao ho forona, Ilay namindra ny fanahiny, ihariana anao ho olona".

Amin'ny maha aina iray ny zanaka sy ny reny dia tsy fihetsika iniana atao ny fiarovan'ny reny ny zanaka.

"Miahy" no voambolana nofinidin'i Mamisoa nanehoana izany:

"Miahy, mitia hatrany hatrany Manao izay azony atao".

 

 Nataony tamin'ny filazam-potoana ankehitriny ny matoanteny, satria fihetsika mahazatra ny "miahy", mety foana na amin'ny fotoana inona na amin'ny fotoana inona.

 

Fa nahoana moa no arovana ? Satria maro ny loza mitatao amin'ny fiainana ary matetika aza dia tsy tsapa akory fa notandindomin-doza ny andro iray vao avy nandalovana. Misy rahateo moa ireo sampanan-dalana mitondra any amin'ny fahaverezana sy ny fikitrohanify ka ezahin'ny reny halavirin'ny zanaka araka ny nanehoan'i Rary Mampionona azy hoe: "tsy tiany ho any andavaka ilay sombin'ny ainy no hiantsampy".

Tsy vitan'ny hoe loharano nipoirana ihany fa tena izy mihitsy no mahaolom-banona sy mahatafita, voalazan'i Hajaina ao amin'ny tononkalony "Masoandro":

"Ny fahalalana mahasoa

Sy ny tanjaka anaty

I Neny ihany no niaviany".

 

Iombonan'i Manou Andria hevitra aminy izay amin'ny maha mpanoro lalana na maha tondrozotra marina an'i Neny: "Mba hahaizako mizotra ny lalan-tsara".

 

Tsara toerana amin'ny fiarovana i Neny satria fantany hatrany amin'ny ati-fony ny zanany. Izay indrindra no tian'i J.V-Rajaonhson ambara amin'ny hoe :  "ilay hany mahalala ny zotran'ito foko".

 

Tsy ny lalan-tsaran'ny hoavy ihany no fantatry Neny fa takany hatrany ny zava-mihatra amin'ny zanany, eny fa na dia tsy mbola miloaka taraina aza ilay sombin'ny ainy : "Mahafantatra ny mihatra amin-janakao malala", MAMPANDRY NY AINA Manitra (Anjara Manitra).

 

Etsy andanin'izany anefa dia tsy olon'ny fitarainana ny reny fa hery mpiaro moa hoy isika teo. Miady mafy ary miady irery aza indraindray.

"Vao nitsaika aho dia sady dada izy no Neny", Maeva (Nandrianina Maevatiana). Faharetam-pery kosa angaha no tian'i Ony Ravorombato havoitra amin'ny hoe : "Nanaiki-molotra tsy an-kiteniteny", entiny ilazana fa tsy mitarain-tana-miepaka i Neny. Mahalaza izany koa ny an'i Hajaina hoe: "Ilay niharitra ny ngidy, dia ny mafy teto an-tany".

 

Miverimberina eo imolotry ny poety izay "ngidy" izay : "I Neny nitondra mangidy", hoy i Andry (Andry Niaina Richard), nohamafisin'i Noro Narindra hoe "Hany afaka niaritra ilay mangidy izay niseho rehetra".

 

FANKALAZANA - FANOMEZANA - FISAORANA

Amin'ny maha poety dia tsy isalasalana fa satry ho andalan-teny tsara indrindra no atolotra ho an'i Neny : "kanto ao am-poko" hoy i Lova (Lova Kalak). Hamafisin'i Doda Razafindravelo aza fa tena avy eo imolotra ny fanomezana ho an'ny Neny : "Raha ny teny mamy imolotro, tsy ho lany na oviana raha ho anao ry Neny tiana". Eny, tsy ho lany ilay oroka atolotra amin'ny alalan'ny teny kanto indrindra, oroka tena fanehoam-pitiavana sy fisaorana : "manoroka anao mirary fety mamy", Nirina Rh.

 

Ny fisaorana moa dia toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana. "Isaorako ianao, isaorako ombieny" hoy i Ony Ravorombato ; "misaotra mankasitraka ireto sombiniaina" hoy ihany i Nirina Rh.

Toy izany koa ny firarian-tsoa fanao amin'ny andro iray lehibe toy izao : "Ho lava andro iainana e, Ho ampoky ny soa!", avy tamin'i Felana Raveloarison.

Ary matetika aza dia ombam-bavaka izany : "Misy fo tsy mety tony fa mivavaka ho anao", Stenny Rajeriarison.

 

Ary raha mbola fanomezana atolotra ho an'ny reny ihany dia zava-tsarobidy ny valim-babena. "Valin-trotroina" angamba no mahalaza azy kokoa eto amin'ny andalan-tenin'i Fanja Andriamanantena hoe : "Fetinao Neny a, Avia fihiniko trotroiko..."

Voarakitra ao amin'ny andalan-tenin'i Nenytia (Tina Rakotobe) ihany koa izay hoe "fihiniko" izay : "Neny TIA, neny Tia, Avia moa, fihiniko indry".

 

Teny mamy, oroka, fihina, trotro... samy mendrika ho an'ny Neny izany ary anasana izay velon-dreny rehetra araka ny fanirian'i Andie (Andriamalandy Mialy) hoe : "Mba ataovy tsapako ny ho sambatra androany Fa hay toa mandalo ny fiainana an-tany..."

 

FEHINY

Fitiavana avo indrindra amin'ny maha olombelona ny fitiavan'i Neny, hafa mihitsy kanefa voajanahary. Izy no mpiahy, mpiaro, tsy mitaraina ary azo antoka indrindra eo amin'ny fiainana.

Singanina manokana eto am-pamaranana ny famaritana amin'ny teny fohy nataon'i Noro Narindra hoe "tsy olo-voavidy" satria "voajanahary" ny fitiavany ao anatiny, dia ilay tsy mila tambiny ka anokanana andro iray isan-taona amin'ny fetin'ny reny. Kanefa raha isan'andro izy no mitia sy miahy, tsy tokony ho mandavan-taona ve ny fankalazana ?

 

Toetra Ràja



Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fahatezeran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo Ivato. Tafaverina ny alatsinainy 30 aogositra teo ny filoha Rajoelina rehefa namita iraka ekonomika sy diplomatika tany Frantsa. Niara-dia tamin’ny mpilalao Barea sasay ny tenany. Nanao vaan-dresaka fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany teo ampahatongavana teo Ivato. Naneho ny hatezerany tamin’ny mpikambana ny FMF ny tenany (Federasiona Malagasy Football) izay nambarany fa nisakana ny fahafahan’ny mpijery manatrika ny alalan’ny Barea ny 2 spetambra. Hahita izay nanao sonia iny taratasy iy hoy izy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny filoha nandritra ny tafa fohy ntaony  ho an’ny mpanao gazety teny Ivato fa ho tanterahina ny 4 septambra izao ny fitokanana ny Kianja Barea izay nokasaina natao ny 2 septambra. Ity kianja monisipaly ity dia nohavaozina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020, mitentina 77 tapitrisa dolara avy amin’ny volam-panjakana madiodio, araka ny nambara tamin’izany fotoana.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny harena ankibonan’ny tany teo aloha. Notontosaina tamin’ny 23 aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Ravokatra Fidiniavo. Ny Praiminisitra izany no mitantana ity minisitera ity taorian’ny fametram-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo telo andro taorian’ny nanendrena azy tamin’ny 15 aogositra 2021.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fahazoan’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana vola tamin’ny faritra sy kaominina. Nanolotra vola ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea izay nanao fitokonana ny governoran’ny Faritra Diana sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana tamin’ny 23 aogositra 2021. Mitentina 34 tapitrisa Ariary ny avy avy amin’ny governora ary 16 tapitrisa Ariary ny avy amin'ny ben’ny tanàna. Nilaza ny tsy hitsara manko ireo mpitsara raha tsy voaloa ny tambim-pitsaran’izy ireo teo aloha. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anefa dia efa nilaza, araka ny fampahafantarana nataony tamin’ny 17 aogositra fa efa nalefa any amin’ny oniversite isanisany ny vola tambin-karaman’ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea 2020.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fivoaran’ny ‘covid-19’ sy ny hamehana ara-pahasalamana. Tsikaritra ho vitsy ny tranga vaovao amin’ny ‘covid-19’ raha mitaha amin’ny fitiliana atao tamin’iny herinandro iny, fa misy ihany ny tranga ahitam-pahasarotana. 3/351, 5/578, 3/845 ohatra ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana natao tamin’ny 26, 27, ary 28 aogositra. Ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021, miisa 241 052 no fitambaran’ny fitiliana natao, miisa 955 ireo lavo, miisa 42 862 ireo tranga ka ny 42 566 no sitrana araka ny antotanisa ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara raha ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 22 aogositra 2021, ary mipetraka ireo fepetra sakana samihafa.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Filaharana haka tapakila hidirana ao Mahamasina. Ho tokanana amin’ny 2 septambra, andro hanatanterahana ny lalao hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny ekipan’i Bénin amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 ny kianja Barea ao Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny prezidansa nampitaina tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Filaharana lava hatramin’ny vao maraina no hita ny alakamisy 26 sy zoma 27 aogositra mba haka ny tapakila hidirana ao Mahamasina, hijery baolina sady hanatrika ny fitokanana ny kianja.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Fandavan’ny CAF ny hanatrehan’ny mpijery ny lalao ao Mahamasina. Nolavin’ny CAF (Confédération africaine de football) ny fangatahan’ny sekretera jeneralin’ny FMF (Fédération malagasy de football) ny hahafahan’ny mpijery miisa 1500 hanatrika ny lalao baolina kitra hatao ao Mahamasina amin’ny alakamisy 2 septambra 2021, ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 hatao any Qatar. Araka ny fampatsiahivan’ny CAF ao amin’ny valim-pangatahan’ny FMF tamin’ny 27 aogositra, dia araka ny lamina napetraky ny CAF sy ny FIFA ny tsy hanatrehan’ny mpijery ny lalao noho ny valanaretina ‘covid-19’.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Hetsiky ny RMDM Frantsa sy fisamborana/ famotsorana an’i Fanirisoa Ernaivo. Nandritra ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany Paris no nisian’ny hetsiky ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Frantsa tarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay mitsikera hatrany ny fitantanan’ny filoha Rajoelina sy mitaky ny fialany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Medef ny 25 aogositra, dia nisy ny fisamboran’ny polisy frantsay ity mpitarika ny RMDM Frantsa ity noho ny vaovao nampitaina tamin’izy ireo fa hoe mitondra fitaovam-piadiana izy saingy navotsotra ihany satria tsy nahitana izany tany aminy. Nambara ihany koa ny fisian’ny ‘mandat d’arrêt international’ hisambotra azy saingy tsy azo notanterahina izany raha ny nambaran’ny nokasaina hosamborina satria mpialokaloka politika no maha any azy. Voalaza fa ‘mandat d’arrêt’ nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina tamin’ny 16 aogositra izany. Ny minisitry ny fitsarana ankehitriny Imbiky Herilaza dia nanamafy fa didim-pitsarana efa nivoaka ny fisamborana azy, nilaza izy fa hifampiraharaha amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy ny hisamborana sy hampodiana an’i Fanirisoa Ernaivo aty Madagasikara.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Vidin-javatra midangana sy ny minisitera. Nametraka ny tokony ho saran’ny entana sasantsasany ilaina andavanandro ato anatin’ny enim-bolana ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy. Tamin’ny 26 aogositra teo no nitondrany ny fanazavana momba izany. Anisan’izany ny menaka fihinana « huile de palme » izay tsy tokony hihoatra ny 6000 Ariary ny litatra, ny menaka soja ‘en vrac’ tsy tokony hihoatra ny 7000 Ariary ary ny anaty tavoahangy mihidy tsy hihoatra ny 7500 Ariary, ny vary tsy tokony hihoatra ny 2300 Ariary ny kilao, ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, torak’izany koa ny lafarinina tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, ny arina fandrehitra tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ariary ny gony. Mbola lavitry ny vidiny teo aloha izay efa tsy zakan’ny ankamaroan’ny olona ireo raha ny fanehoan-kevitry ny olona satria tany amin’ny 5000 Ariary ny litatry ny menaka taon-dasa. Ny filoha malagasy moa dia nanome andro telo hamahana ny olan’ity fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ity tamin’ny kabariny saingy tsy tafa izany raha ny zava-misy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Praiminisitra nanao vakisiny. Nanao vaksiny fanefitry ny ‘covid-19’ ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny alakamisy 26 aogositra teo. Tao amin’ny hopitaly Befelatanana no nanaovana vaksiny azy tamin’ilay atao hoe ‘Johnson & Johnson’, tsindrona indray mandeha. Nilaza ho fitaratra ho an’ny vahoaka ny praiminisitra tamin’ny nanaovana izany vaksiny izany.

  • 31 Aug. 2021 - 09:22-

    Filoham-pirenena malagasy sy ny Medef ary ny fihaonana tamin’ny filoha frantsay. Nanomboka tamin’ny talata 24 aogositra 2021 tany Paris ny fihaonan’ny vondron’ny mpandraharaha frankofonina ao amin’ny Medef nandraisan’ny delegasiona malagasy anjara notarihan’ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Taorian’izany fihaonana izany ihany koa no nisian’ny fihaonan’ny delegasiona notarihin’ny filoha tamin’ireo malagasy sasany any ivelany, maherin’ny 1000 tao amin’ny ambasady malagasy. Nisoratra anarana mialoha ireo nanatrika izany. Tombanana ho eo amin’ny 140 000 eo ho eo ireo malagasy any Frantsa raha ny antotanisa fantatra. Ny 27 aogositra dia nihaona manokana tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny filoha malagasy, fa nialoha izany nisy ny kabary fohy nifandimbiasan’izy ireo, niresahana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Miely amin’ny fampitam-baovao samihafa sy tambajotra sosialy ny fizotran’ireny fihaonana ireny.

  • 23 Aug. 2021 - 10:48-

    Fanamasinana diakra sy pretra redantorista. (Fiainam-pinoana katolika). Mitohy hatrany ny fanamasinana pretra sy diakra manerana ny diosezy samihafa eto amin’ny Nosy, eo anivon’ny Fiangonana katolika. Taratry ny fahaveloman’ny finoana sy firoborobon’ny fiantsoan’Andriamanitra izany. Anisan’ny tamin’ny faran’ny herinandro teo ny tao amin’ny diosezin’Antananarivo, tao Andempona Alasora ny alahady 22 aogositra, notarihan’ny arseveka Odon Razanakolona sy Mgr Rosario Saro. Nanaovana fanamasinana diakra sy pretra redantorista miisa 16 mirahalahy. Mahatratra 30 ny fanamasinana manerana ny diosezy eto amintsika raha ny nambaran’ny arseveka. Misy ny efa vita tamin’iny volana jolay iny toy ny an’ny lasalety tany Antsirabe, ny an’ny zezoita tao Antananarivo, fa mbola ho avy koa ny an’ny hafa.

  • 23 Aug. 2021 - 10:47-

    Filoha mitantana ny FJKM. Voafidy indray ho filohan'ny birao foibe FJKM ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi. Efa-taona no haharetan’ny maha filoha azy. Nandritra ny sinoda lehibe faha-19 natao tao Sambava (11-18 aogositra 2021) no nanatanterahana ny fifidianana ny filoha sy ny mpikambana mandrafitra ny birao foibe.

  • 23 Aug. 2021 - 10:46-

    Olan’ny tambin-karaman’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana. Mikatso ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea any Antsiranana noho ny fitokonan’ireo mpampianatra mpitsara hatramin’ny nahavitan’ny fanadinana bakalorea tamin’ny 18 aogositra. Mitaky ny handoavana ny tambim-pitsarana tamin’ny 2020 izy ireo vao hiroso amin'izany. Tsy nisy akony ny fitakiana hatramin’ny 20 aogositra teo. Manoloana izany, mametra-panontaniana ny ray amamn-dreny ny alehan’ireny saram-pisoratana anarana ireny. Olana iraisan'ny mpitsara bakalorea  maneran'ny  Nosy izy io.

  • 23 Aug. 2021 - 10:45-

    Fandoavana ny volan’ny mpandraharaha mpanao lalana. Nanipy teny tamin’ny minisitry ny asa vaventy Hatrefindrazana Jerry ny minisitra Hajo Andrianainarivelo mba handreseny lahatra ny filoham-pirenena hanao sonia ny taratasy hahafahana mamoaka ny volan’ireo mpandraharaha amin’ny asa vaventy mbola tsy voaloa. Tamin’ny famindram-pahefana teo amin’izy mirahalahy no nitenenany izany. Efa ho herintaona ireo mpandraharaha ireo no tsy nahazo ny volany na dia efa vita aza ny asa, fa miandry ny tombana ataon’ny mpanara-maso ny tetikasam-panjakana. Nomem-pahefana handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny tetikasam-panjakana ny goverinora, araka ny didim-panjakana noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 18 aogositra 2021. Olom-boatendry hatramin’izao ny governora izay nasolo ny lehiben’ny faritra tokony ho olom-boafidy, araka ny lalàm-panorenana.

  • 23 Aug. 2021 - 10:44-

    Fanesorana ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana. Maro ny fanesorana sy fanendrena tompon’andraikitra ambony taorian’ny fiovan’ny mpikambana anivon’ny governemanta tamin’ny alahady 15 aogositra 2021. Anisan’izany ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana 2019-2217 tamin'ny 11 desambra 2019 izay nanendry ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana (trésor public), Ranjalahy Ihajambolatiana. Noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny alarobia 18 aogositra 2021 io didim-panjakana io. Naato ihany koa ny fandoavam-bola ankoatra ny karama mandra-panendry ny tale jeneraly vaovao.

  • 23 Aug. 2021 - 10:43-

    Fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana sy fepetra. Araka ny didim-panjakana 2021-848 tamin’ny 22 aogositra 2021, dia mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana noho ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka. Nanao fampahafantarana momba izany ny ao amin’ny fiadidiana ny repoblika, araka ny hita tamin’ny tambajotra sosialy. Mitohy noho izany ny fanajana ny fepetra sakana mahazatra toy ny tsy famoriana olona amina efitra mihidy mihoatra ny 400 sy ny fitandremam-pahadiovana. Eo ihany koa ny fanaovana vaksiny izay efa niditra tamin’ny fanaovana ny andiany faharoa nanomboka tamin’ny 19 aogositra teo.

  • 22 Aug. 2021 - 10:42-

    Lasa any Frantsa ny filoha Andry Rajoelina. Ny sabotsy 21 aogositra 2021 no lasa any Frantsa ny delegasiona tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, hihaona amin’ny mpandraharaha frantsay ao anivon’ny MEDEF (Mouvement des entreprises de France). Anisan’ny delegasiona miaraka amin’ny filoha ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina, ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson, ny minisitry ny fizahantany Joël Randriamandrato ary ny minisitry ny asa tanana sy ny haitao Sophie Ratsiraka. Hihaona amin’ny filoha Macron izy ny 27 aogositra ary amin’ny Dispora ny 28 aogositra.

  • 21 Aug. 2021 - 10:40-

    Fidirana sy fivoahana eto Madagasikara. Tonga ny zomà 20 aogositra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny andiany voalohany tamin’ireo malagasy tavela tany Frantsa, araka ny fandaharana nataon’ny fitondram-panjakana. Ny sidina an’ny Air Caraibes no mitatitra ireo nahazo fankatoavana hody aty Madagasikara. Miisa 1500 ireo nahazo fankatoavana hody.

  • 20 Aug. 2021 - 10:22-

    Minisitra nametra-pialana. Nametra-pialana tamin’ny alakamisy hariva 19 aogositra ny minisitry ny harena ankibon'ny tany, Brice Randrianasolo. Telo andro izany no naha minisitra azy. Ary ny minisitra teo aloha efa nofoanana tamin’ny didim-panjakana ny maha minisitra azy no nambara fa mitantana indray ny minisitera.

Du même auteur

newtech
societe

Dans la même rubrique

culture
culture