logo
Lakroan'i Madagasikara
Pantekoty na Pentekosta

Hafatry ny Ffkm (2017)

admin il y a 1 année

Iray amin'ny vanim-potoana handefasan'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na Ffkm hafatra ho an'ny Kristianina sy ny olona tsara sitra-po ny fankalazana ny Pantekoty na Pantekosta iza nidinan'ny Fanahy Masina. Indro ny hafatra manontolo ho amin'ity taona 2017 ity.

Hafatry ny Ffkm (2017)

 Hafatra Pantekoty na Pentekosta

 

Ho an’ny Kristianina sy ny vahoaka Malagasy,

 

“Meteza hampihavanina amin’Andriamanitra ianareo” (2 Kor 5 : 20b)

 

Ry havana,

 

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ilay Andriamanitra Ray sy Zanaka ary

Fanahy Masina.

 

Ny FFKM dia manolotra ny arahaba ho antsika rehetra tratry ny Pentekosta 2017. Ary mampatsiahy ihany koa fa tsy nandao ny voahariny na oviana na oviana ny Tompo. Vanim-potoana mitondra anantenana vaovao hatrany ho an’ny mpino sy izao tontolo izao ny Pentekosta tamin’ny fanambarana lehibe nataon’i Jesoa Tompo hoe : “Fa hahazo hery ianareo rehefa hilatsahan’ny Fanahy Masina, ka ho vavolombelona hanambara Ahy eto Jerosalema sy eran’ny Jodea mbamin’ny Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany” (Asa 1,8) Diem.

 

1- Koa fotoana izao iantsoantsika ny Fanahy Masina mba hanala ny fatorana tsy mamela antsika hijoro amin’ny fahamarinana sy  ho vavolombelon’i Kristy maty sy nitsangan-ko velona. Efa resiny izao tontolo izao ary efa nomeny antsika ny herin’ny Fanahy Masina hahazoantsika manatanteraka izany amin’ny finoana azy.

 

2- Manoloana ireo trangan-javatra mampahonena sy manala baraka ny firenentsika izay miseho amin’ny endriky ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly avo lenta sy ny tsy fanajàna aina (toy ny fitsarambahoaka tsy misy farany), dia tsapa fa tsy voahaja intsony ny soa toavina maha-malagasy sy maha-Kristianina ; tsy ny Fanahy Masina intsony no tsapa ho miasa fa toa fanahy ratsy mihitsy aza. Mampitamberina an-tsaina ny voalazan’i Jeremia Mpaminany hoe : “Tomany anao aho ry fireneko”, ary koa ilay voalazan’ny Salama faha-13 hoe : “Mihevitra ny adala fa tsy misy Andriamanitra, dia ny vahoaka no ataony sakafo”. Kanefa ny Fanahy Masina ihany no afaka mampahery antsika handà izay tsy araky  ny sitrapon’Andriamanitra, ary mitaona antsika iaina marina amin’ny tena fahamasinana sy ny toetra tsara rehetra, araka ny voasoratra hoe : “Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky.” (Gal. 5,22)  Diem.

 

3- Mahatsiaro manokana anareo tanora eto amin’ny firenena ary mankahery anareo mba tsy hiraviravy tanana, manoloana ny hasarotry ny fiainana, ny tsy fananana asa, sy ireo olana samihafa mitambaby eo an-damosinareo. Toa tsapa ankehitriny mihamanjavozavo ny faravodilanitry ny hoavinareo. Ny herin’ny Fanahy Masina anie hampahery anareo hatrany mba tsy horesin’ny hakiviana ianareo ary hiara-mandresy amin’i Jesoa Kristy ilay naniraka ny Fanahy Masina.

 

4- Am-pahamarinana no ilazàna fa tena marary mafy ny firenena ary mahatratra ny isam-pianakaviana, ny isam-piangonana, ireo manana andraikitra rehetra eto amin’ny firenena, ny malagasy tsirairay izany. Ny Fanahy Masina ihany no azo antenaina hitondra fanavaozana sy fanasitranana ho an’ny firenena, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe : “alefanao ny Fanahinao, dia àry indray ireo ka mihavao ny zavatra rehetra eto ambonin’ny tany” (Sal. 104, 30) Diem. Koa aoka samy hivavaka isika rehetra ho fahatanterahan’izany.

 

5. Miara-mahatsiaro ny faha-500 taonan’ny Reformasionina miaraka amin’ny Kristianina eran-tany isika eto Madagasikara. Koa ny Ffkm dia mankahery sy mivavaka hatrany handrosoan’ny fiombonana sy ny fiaraha-mijoro ho vavolombelon’ny Tompo eto anivon’izao tontolo izao ary ao anatin’izany koa dia miombom-po amam-panahy amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy isika rehetra noho ny Jobily faha-150 taonany.

 

Araka izany voatanisa izany, dia izao no fotoana hihainoana ny asa maherin’ny Fanahy Masina eo amin’ny Fiangonana sy eto amin’ny firenena.

Tonga ary ny fotoana ihainoana ny asa maherin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiangonany sy eto amin’ny firenentsika ialana amin’ireo zava-manahirana maro mangeja antsika. Izao ny antso lehibe atolotra antsika amin’ity Pentekosta ity : “Meteza hampihavanina amin’Andriamanitra ianareo”.

 

Ny olona vita fihavanana amin’Andriamanitra dia sahy mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana ao amin’i Jesoa Kristy izay namela ny helony sy namonjy azy ary nampanantena azy ny fiainana mandrakizay “Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” (2 Tim. 1 : 8a) Izany fanantenana lehibe izany dia miorina indrindra amin’ny fiverenan’ny Tompo amim-boninahitra.

 

Noho izany, ny fitiavan’Andriamanitra no hery mandresy izay sakantsakana rehetra, ka ao anatin’izany ny tahotra olona, amin’ny fahasahiana hijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana. “Tsy fanahy osa no noraisintsika avy amin’Andriamanitra fa fanahy mahery sy fitiavana ary fihononan-tena” izay mitondra fahaterahana vaovao, sy fihavaozana maharitra ho famonjena izay ao amin’ny Kristy Jesoa (2 Tim 1 : 7).

 

Izany fahaterahana vaovao izany izay miantso ny Kristianina rehetra hanaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba handalovany amin’ny fiainana hafa dia ny fahariana vaovao.

Manamafy hatrany ny Ffkm eo ambany fitarihan’ny filoham-piangonana efatra, fa ny fihavanan’ny olona amin’Andriamanitra ihany no mitondra fihavanana marina eo amin’ny olona samy olona. Koa dia mbola vaindohan-draharahany hatrany ny fampihavanam-pirenena araka ny 4F dia ny Fiaiken-keloka, ny Fibebahana, ny Fahamarinana, ny Fihavanana.

 

Koa mankahery sy mirary soa antsika rehetra sy ny tsirairay avy mba tsy hiraviravy tanana manoloana ny fahasarotam-piainana diavintsika.

 

Amin’ny anaran’ny Ffkm Foibe

Ireo Filoham-piangonana

 

Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona (Ekar)

 

Past Dr Rakotonirina David (Flm)

 

Mgr Ranarivelo Samoela Jaona (Eem)

 

Irako Andriamahazosoa Ammi, mpitandrina (Fjkm)

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 14 Aug. 2018 - 13:29-

    CEPE 2018. Le nombre de candidats inscrits à l’examen du CEPE qui aura lieu ce mardi 14 aout 2018 est de 551.655. Ils seront répartis dans 13.638 salles des 1.833 centres d’examen de tout Madagascar. Parmi ces candidats inscrits, 17 malvoyants et 19 sourds-muets vont participer aux épreuves du CEPE dans les cinq provinces de Madagascar, à l’exception de Mahajanga. Pour la DREN SAVA on compte 39 315 candidats qui se répartissent dans 86 centres d’examen. Il est à rappeler que les sujets diffèrent suivant la région et le diplôme a une valeur nationale.

  • 14 Aug. 2018 - 06:59-

    CEPE sy Laharana maitso 020 30 807 86. Manomboka ny talata 14 Aogositra dia ho apetraka eto anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena ny « cellule » iray iraisan’ireo sampandraharaha mikirakira ny fanadinana izay hanangona ny vaovao rehetra manodidina ny fizotry ny fanadinana CEPE. Azonareo antsoina amin’ny laharana maitso 020 30 807 86.


  • 11 Aug. 2018 - 10:19-

    3 nouveaux candidats. Ce 10 août, trois candidats ont déposé leur dossier de candidature à l'élection présidentielle auprès de la Haute Cour Constitutionnelle à savoir : Dr Jules Etienne présenté par le parti MAFI (Madagasikara Fivoarana),  Zafimahaleo Rasolondraosolo, dit Dama Mahaleo, candidat du parti Manajary Vahoaka; et Paul Andrianiaina Rabary, candidat du parti MIASA. Ainsi, depuis l’ouverture de la période de dépôt des dossiers 7 candidats en tout ont déposé leur dossier (Andry Rajoelina, Jean Ravelonarivo, Mailhol Dieu Donné, Fanirisoa Erinaivo).

  • 04 Aug. 2018 - 08:57-

    Candidature du général Jean Ravelonarivo. Zaza Ramandimbiarison et Ambroise Tata ont procédé dans la matinée de ce 3 aout, au dépôt des dossiers de candidature à l'élection présidentielle du général Jean Ravelonarivo, ancien Premier ministre auprès de la Haute Cour Constitutionnelle (HCC). Il est le deuxième candidat à avoir déposé son dossier. Jean Ravelonarivo a été présenté par le parti politique Antokom-Bahoaka Malagasy ou ABA.  Pour mémoire ce parti politique a fait connaître son existence au cours du mois d’avril de cette année 2018.

  • 04 Aug. 2018 - 07:57-

    Andry Rajoelina premier candidat à déposer son dossier. L’ancien président de la Transition, s'est fait représenter par Andry Herizo Rakotozafy, éphémère directeur de cabinet du Premier ministre Ntsay Christian, dans l'après-midi de ce 1er aout, auprès de la Haute cour constitutionnelle (HCC) à Ambohidahy, pour déposer son dossier de candidature à l'élection présidentielle. Cela s’est passé au moment même où le candidat Rajoelina faisait son show au Palais des sports de Mahamasina pour présenter son IEM ou Initiative Emergence de Madagascar.

  • 27 Jul. 2018 - 13:45-

    Niala tsy ho filohan’ny antoko HVM izy. Nametra-pialana tsy ho Filoha Nasionalin'ny antoko HVM i Rivo Rakotovao. « Tsy miala HVM ny tenako fa miala tsy ho Filoha Nasionaly fotsiny ihany ho fanajana ny lalàna » hoy izy. Nambarany ihany koa fa tsy manangam-pahavalo ary tsy manam-pahavalo ny HVM fa safidin’ireo izay niala noho ny tsy fitovian-kevitra politika sy tsy fitovian-kevitra eo amin'ny fitantanana ny Firenena ny zava-mitranga. Nanamafy ny fangatahany sy fanolorany ny Filoha Rajaonarimampianina hirotsaka ho fidiana indray ny antoko HVM. Soritana fa ny Lalampanorenana dia milaza fa tsy mahazo mandray anjara amin’ny fiainana antoko politika ny filoham-pirenena (adininy faha-49).

  • 23 Jul. 2018 - 08:57-

    Antonio Benedito Sanchez s’en va. L’ambassadeur de la délégation de l’Union européenne pour Madagascar et l’Union des Comores, Antonio Benedito Sanchez quittera Madagascar satisfait du travail qu’il a accompli durant son mandat. Il a confié qu’il prendra la direction du Mozambique tandis que son successeur, l’Italien Giovani Di Girolamo arrivera dans la Grande île vers le début du mois de septembre. Il sera remplacé par L’Italien Giovani Di Girolamo.En attendant la prise de fonction du nouvel Ambassadeur, le Ministre Conseiller Lothar Jaschke assurera son intérim.

  • 30 Jun. 2018 - 08:40-

    Remplacement à l’Assemblée Nationale. « Le Député dont siège devient vacant est remplacé par le suppléant élu en même temps que lui, sauf en cas d’annulation de l’élection, jusqu’au renouvellement de l’Assemblée nationale ». .Que suivant le certificat de décès n°65969 versé au dossier, sieur ABDILLAH est décédé le 21 février 2018 à l’hôpital Apollo de New Delhi. La vacance d’un siège de Député à l’Assemblée nationale est constatée, à la suite du décès de sieur ABDILLAH. Est proclamé Député à l’Assemblée nationale, le candidat EDIZARD, premier suppléant de la liste VPM-MMM de Vohémar. (Arrêt de la HCC du 28 juin 2018).

  • 30 Jun. 2018 - 08:34-

    Remplacement au sénat.« Le député nommé membre du Gouvernement est suspendu d’office de son mandat. Il est remplacé par son suppléant » et que « Les dispositions des articles 71 à 79 sont applicables, par analogie, au Sénat ». Que par décret n°2018-540 du 11 juin 2018, le Sénateur ANDRIAMANDAVY VII Riana a été nommé membre du Gouvernement. Qu’il y a donc lieu de suspendre d’office de son mandat le sénateur Riana  Andriamandavy VII. Est proclamé Sénateur de Madagascar le candidat Rajaonarivelo Henri Velomaro, premier suppléant de la liste « HVM » de Fianarantsoa. (Arrêt de la Hcc du 28 juin 2018.

  • 29 Jun. 2018 - 13:34-

    Dates des élections présidentielles.-  Le Premier ministre, Ntsay Christian, a annoncé lors d'un point de presse qu'il a donné à Mahazoarivo ce 29 juin la date des élections présidentielles. Le premier tour se tiendra le 7 novembre 2018 et le second tour se tiendra le 19 décembre 2018. La convocation des électeurs se fera dans le courant du mois d’août. Suivant la Constitution, le président de la République Hery Rajaonarimampianina, s'il se porte candidat, devrait démissionner le 7 septembre de cette année.

  • 16 Jun. 2018 - 10:10-

    Minisitera MPAE : mitohy ny asa. Isan’ny Miinisitera tsy nisolo ny minisitra mitantana azy ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana. Nahatsapa ankehitriny ny mpitantana ity minisitera ity fa misy mpanakorontana tafiditra ao anatiny ka nahatonga azy i reo hanao fanambarana. Nanambara ireo tompon’andraikitra ao amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ny alakamisy 14 jona lasa teo teny Ampadrianomby fa mandeha tsara ny asa rehetra ao amin’ny minisitera. Tsy mba nahitana olana hatramin’izay na dia minisitra Hvm aza no nitondra tao hatramin’izay ka hatramin’izao. Nilaza ireo tompon'andraikitra fa tsisy tombontsoa ho azon'ny Firenena indrindra ny tantsaha sy ny mpiompy amin'ny fanakorontanana.

  • 05 Jun. 2018 - 06:58-

    Concours pour pourvoir les 40 postes d’inspecteurs du Trésor. Le ministère des Finances et du Budget informe que le dépôt de dossier pour le concours de recrutement d'élèves inspecteurs du trésor est ouvert depuis ce 4 juin. A noter que 40 postes sont à pourvoir, dont 35 sur concours direct et 5 pour les fonctionnaires du ministère. Le concours se tiendra du 22 au 23 novembre 2018 à Antananarivo Renivohitra, Antsiranana I, Fianarantsoa I, Mahajanga I, Toamasina I et Toliara I. http://www.tresorpublic.mg/tresorpublic/download.php?path=wp-content/uploads/2018/06/&file=concours_ins_2018.pdf

  • 26 May. 2018 - 11:34- GBM Fête des Mères. La GBM ou Grande Braderie de Madagascar a ouvert ses portes ce 23 mai comme annoncé dans les médias. On observe une grande affluence dans les allées. Selon MadaVision la règle de la réduction minimale de 15% est respectée par les participants.
  • 26 May. 2018 - 08:27-

    Décision HCC. Décision n°18-HCC/D3 du 25 mai 2018 Relative à une requête en déchéance du Président de la République Hery Rajaonarimampianina : La Haute Cour Constitutionnelle, Vu la Constitution ; Vu l’Ordonnance n°2001-003 du 18 novembre 2001 portant loi organique relative à la Haute Cour Constitutionnelle ; Vu la loi n°2014-043 relative à la Haute Cour de Justice ; Les rapporteurs ayant été entendus… (lire la suite sur  http://www.lakroa.mg/item-1389_articles_politique_18-dacision-relative-a-une-requate-en-dachaance-du-prasident.html

  • 22 May. 2018 - 07:11-

    Nouveau cardinal. Le Pape François a annoncé ce 20 mai dimanche de Pentecôte, qu’il créera le 29 juin prochain 14 nouveaux cardinaux dont 11 parmi eux sont des électeurs. Parmi ces 14 nouveaux cardinaux se trouvent l’Archevêque Désiré Tsarahazana. L’équipe de http://www.lakroa.mg/ salue ce nouveau cardinal en particulier et toute l’Eglise catholique notamment à Madagascar pour cette nomination. Que le souffle de l’Esprit Saint souffle sur ce nouveau cardinal pour donne un nouvel élan toujours plus positif sur l’EKAR que cela influe positivement sur la vie du pays.

  • 19 May. 2018 - 09:50-

    GBM Fête des mères. La Grande Braderie de Madagascar dédiée à la fête des Mères se déroulera du 23 au 27 mai 2018. Comme d’habitude les visiteurs bénéficieront d’une garantie d’obtenir une remise de 15% minimum. Les visiteurs auront une large gamme de choix pour honorer les mamans. Mais les stands traditionnels seront aussi là pour satisfaire toutes les demandes.

  • 09 May. 2018 - 11:42-

    Daty 3. Nanao fanambarana ny CENI ka nanolotra daty telo. Momba ny datim-pifidianana dia tranga telo no azo eritreretina ka nanaovan'ny CENI tolokevitra :
    - Tranga voalohany: Fifidianana Filoham-pirenena mialoha ny fotoana (alarobia 29 aogositra ny fihodinana voalohany)
    - Tranga faharoa: Fifidianana Filoham-pirenena tanterahina araka ny voalazan'ny andininy faha 47 amin'ny lalàm-panorenana (alarobia 28 novambra ny fihodinana voalohany)
    - Tranga fahatelo: Fanemorana ny fifidianana noho ny antony voalazan'ny Lalàm-panorenana hatrany (29 mai 2019 ny fihodinana voalohany)
    Hahafahana mandrindra araka ny tokony ho izy ny fifidianana sy manatanteraka izany ao anatin'ireo tranga roa voalohany (izany hoe amin'ity taona 2018 ity) dia takiana hazava amin'ity volana mey 2018 ity ny lalàm-pifidianana sy ny fandaminana ara-politika.

  • 05 May. 2018 - 15:04-

    Médiation du FFKM. Le FFKM continue à son rythme sa médiation. Une médiation qui a été ouverte par un culte œcuménique le dimanche 29 avril 2018. Un culte où déjà on a remarqué l’absence d’une certaine partie des acteurs politiques. Puis le lundi 30 avril, le FFKM a invité les députés de chaque camp. Seul le camp des députés “pro-régime” s’est fait représenter. Le camp des députés 73 n’a pas répondu à l’invitation du FFKM. Les quatre chefs d’Eglise du FFKM se sont déplacés, ce 4 mai, à Tsimbazaza pour rencontrer le président de l’Assemblée nationale et à Anosikely pour rencontrer le président du Sénat.

  • 05 May. 2018 - 12:59-

    Dates du recensement. Le Premier Ministre, Mahafaly Solonandrasana Olivier, a présidé ce 3 mai 2018 la cinquième réunion du Conseil National du Recensement (CNR). Cette réunion du CNR s’inscrit toujours dans le cadre de la préparation du troisième recensement général de la population et de l’habitation (RGPH-3). L’objet principal de cette réunion du CNR est de soumettre aux membres du CNR une proposition de date pour la réalisation du lancement du dénombrement. Ainsi, il a été validé que le recensement aura lieu du 18 mai au 10 juin 2018 à commencer par la numérotation de bâtiments (18 au 24 mai 2018), et par la suite, le  dénombrement de la population et des ménages (25 mai au 10 juin 2018).

  • 05 May. 2018 - 09:21-

    MTS. Le parti MTS (Malagasy Tonga Saina) a tenu son congrès le 4 mai 2018 à Antanimena. A l’issue de ce congrès, Mirasoa Razanamasy a été élu au poste de Secrétaire général du parti. Il remplace à ce poste Benjamina Ramanantsoa. Le Congrès a également désigné les coachs par Faritany. Concernant les afairres nationales, Roland Ratsiraka, président national du MTS, prône le « Soa toavina », faisant valoir le dialogue. Pour lui, il vaut mieux qu’un candidat soit présenter par un parti cela suppose l’existence d’une organisation. Le MTS affirme aligner des candidats à toutes les échéances électorales.

Du même auteur

newtech
societe

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité