logo
Lakroan'i Madagasikara
Fanehoan-kevitra

Resaka manodidina ny zon'ny ankizy

Naly Manjaka il y a 1 année

Resaka re eny rehetra eny ny hoe :''zon'ny ankizy''. Samy manana ny heviny ny olona rehetra momba izany, ary samy manana ny fampiharana azy eo amin'ny zanany (mbola ankizy) ny tsirairay. Ny volana jona no tena mahazo vahana ity resaka zon’ny ankizy ity. Ndao resahana àry.

Resaka manodidina ny zon'ny ankizy

Ny ankizy koa dia samy manana ny fiheverany sy fandraisany azy. Ary samy manizingizina ny azy ho marina avokoa ny rehetra. Raha zohina anefa ny resaka mandeha etsy sy eroa dia misy toa mifanohitra sy mifanipaka ny hevitra avoakan'izy ireo. Misy indray mitovitovy ihany.

 

Zon'ny ankizy?

Eny amin'ny fiarahamonina misy antsika eny dia re hatrany izany ary resaka mandeha foana. Na any amin'ny televiziaona na amina an'onjam-peo sy gazety ary indrindra resaky ny mpiara-belona sy mpiray vodirindrina eny.

Maro ireo zon'ny ankizy ka indreto misy ZO izay zary adihevitra sy ifanoherana eo amin'ny fiarahamonina sy eo amin'ny sehatry ny fiarahamonina malagasy taloha.

- Voalaza fa zon'ny ankizy ny misafidy izay finoana tiany harahina. Saingy raha ampitahaina amin'ny fiarahamonina malagasy fahiny izany dia hita fa mifanipaka amin'ny fitaizana ankehitriny. Amin'izy ireo dia ny finoan'ny Razam-be taloha no tokony harahina sy ankatoavina ka tsy tokony ho zimbazimbaina. Ary ny taranany aty aoriana dia tsy maintsy manaraka izany avokoa ka zary lasa fiteny aty aoriana ilay hoe ''fiangonan-drazana''. Ankehitriny anefa dia tsy toy izany fa malalaka ny ankizy hisafidy izay antoko-pinoana tiany sy mety aminy na inona na inona izany. Ka tsy azo terena izy fa tokony harahina ny safidiny. Indraindray dia lasa ny ray aman-dreny no baikoin'ireo zanany. Toa tsy misy intsony ny hasin'izy ireo anaovan'ireo ankizy sasany azy.

- Manaraka izany dia lazaina fa manan-jo haneho hevitra ny ankizy ka tsy tokony ho tampenam-bava. Na inona na inona lazainy. Kanefa misy ireo ankizy manararaotra izany mba hanoherana ny raiamandreny. Lazainy avokoa izay tiany holazaina ary misy mihitsy aza sahy manohitra ny ray na reniny. Ka zary hararaotin'ny ankizy sasany izany. Lazainy fa manao didy jadona ireo ray aman-dreny raha toa ka mandrara sy miteny azy ireo. Lasa ny ankizy no lehibe mibaiko ny ray aman-dreniny.


Nitondra soa ho antsika malagasy ve ny fametrahana ny zo raha toy izany ny zava-misy ?


Mipetraka ny fanontaniana.

Amin'ny lafiny iray dia tsara ny nametrahana ny zon'ny ankizy. Ankilany, lalàna miaro ny ankizy amin'ny herisetra mianjady aminy ary io ihany koa no porofo manambara fa tsy mitsaha-mivoatra ny fiainan-janak'olombelona eto an-tany. Ary mahatsapa ny rehetra fa sarobidy ny zanaka ka mila arovana ny zony sy hasiny. Raha eo amin'ny fanabeazana dia izy ireo no lazainy fa ''ho avin'ny firenena'' ka mila omena azy ny fahafahany. Etsy andaniny anefa dia hita sy tsapa fa nitondra rivotra ratsy ho an'ny ankizy malagasy ity fitakiana ny zon'ny ankizy ity. Mieritreritra izy fa eo amin'ny lafin'ny fiainana rehetra dia azony atao ny mitaky ny zony ary azo ampiharina eo amin'ny fiainana rehetra. Zary lasa manao ny tsy fanao ny ankamaroan'ny ankizy sasany fa hoe : ZONY IZANY ary tsy azo hosena. Lasa toa zary fanararaotana mihitsy, indrindra moa fa lasa fanaovana tsinontsinona ray aman-dreny izany indraindray.


Ahoana kosa ny ray aman-dreny manoloana izany ?

Lasa mifanolana foana ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Raha vao raràna tsy hanao ny tiany izy dia midrikina fa hoe manosy ny zony ka lasa mieritreritra ny ray aman-dreny sasany fa ratsy ny nanisiana ny zon'ny ankizy. Misy kosa ny olona sasany minia tonga dia tsy miraharaha izany ZON'NY ANKIZY izany fa mandika sy manitsakitsaka tsy miraharaha akory na misy izany na tsia. Manao tery vay manta ireo zanany hanao zavatra tsy tokony hatao ka raha vao mandà dia rahonana sy ampitahorina. Misy kosa ireo ray aman-dreny ka mamela malalaka ireo zanany hanao izay tiany ka tsy miteny izay ataony na mety na tsia izany ka malalaka ny ankizy amin'izay tiany rehetra. Izay no fandraisany ny hoe zon'ny ankizy.

Manaporofo ireo fa samy manana ny heviny izy ireo mikasika ny Zon'ny ankizy. Kanefa ny azo lazaina aloha hatreto dia maka hevitra hafa ny olona fa tsy araka ny tokony ho izy, arak'izay hevitra tiany havoaka no anohanany ny heviny amin'izay zo mety hifanaraka aminy. Ary na ny fametrahana na tsia io zo io dia azo lazaina fa samy manana ny fomba hametrahany sy hitondrany ny zanany ny tsirairay, samy manana ny fomba fitaizana ny rehetra ary samy manana ny sainy avokoa na ny zaza, ankizy, tanora ary ny lehibe ihany koa.

Ary aminao ahoana ny fandraisanao izany zon'ny ankizy izany, tsara sa ratsy, mety sa tsy mety ny hametrahana azy ho laharam-pahamehana eo amin'ny fiarahamonina ? Tohizo ny ady hevitra eo aminareo samy ianareo.

Naly Manjaka 

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 14 Sep. 2018 - 08:38-

    Poulet de chair à Madagasikara. Pour Olivier Fanchette, de Innodis Poultry, il y a encore de la marge pour produire du poulet de chair à Madagasikara. “C’est pour cette raison que nous participons à la Foire Internationale d’Agriculture”. Innodis Poultry est l’un des plus grands producteurs de poulet de l’île Maurice. Selon Fanchette, cette société exporte vers Madagasikara du poulet de chair avec garantie sanitaire sans antibiotiques. De son côté Iqbal Mohungoo, de la société Meaders Feeds, assure l’alimentation des poulets de chair, une alimentation répondant aux besoins d’une clientèle autant présente sur le marché local que régional dont Madagasikara.

  • 13 Sep. 2018 - 07:45-

    Colloque sur l’énergie. Lors d’une rencontre avec la présse Andry Ramaroson a fait savoir que le Groupement Des Professionnels de l’Energie à Madagascar GDPEM organise un colloque en entrée libre qui se tiendra au 3A Andrefanambohijanahary durant 2 jours ou 4 demi-journées avec comme thème “Energie, 1er levier de la croissance économique de Madagascar”. La première demi-journée (matin du 14 septembre) une conférence-débat sur l’économie d’énergie et l’après-midi sur le génie électrique. La troisième demi-journée (matin du 15 septembre) une conférence-débat sur le thème 1er levier économique de Madagascar. Et l’après-midi sera consacré à la restitution des travaux.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Affaires courantes du Président. Pour la HCC, rentrent dans la catégorie juridique des attributions présidentielles courantes, les affaires constituant la poursuite normale d’une procédure régulièrement engagée avant la démission du Président de la République, toute affaire dont l’importance dépasse celle des affaires de gestion journalière si la procédure qui a donné lieu à l’acte règlementaire concerné a été engagée bien avant la période critique et a ensuite été réglée sans précipitation et si les questions politiques, qui ont pu se poser sur le plan administratif, ont été résolues avant cette période critique.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Non affaires courantes du Président. Pour la HCC, ne rentrent pas dans les compétences attribuées au Chef de l’Etat ad intérim celles qui procèdent des articles 45 alinéa 3, 54 ; 55 -2°, 4° sauf en cas de faute grave ou de crime ou délit commis par le haut fonctionnaire, 5°, 6°, 7°, 8° ; 56 ; 57 alinéa premier ; 58 ; 59 alinéa 2 ; 60 ; 61 ; 103 ; 104 ; 107 ; 137 ; 162 ; 163. Il est habilité à exercer toutes les autres attributions confiées au Président de la République par la Constitution.

  • 01 Sep. 2018 - 09:48-

    Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création 2018. Instituée en 2015 par le Pape François, quelques mois après la publication de son encyclique « Laudato si’, sur la sauvegarde de la maison commune », cette journée a lieu chaque 1er septembre, en communion de prière avec les Eglises orthodoxes, « pour offrir « à chacun des croyants et aux communautés la précieuse opportunité de renouveler leur adhésion personnelle à leur vocation de gardiens de la création, en rendant grâce à Dieu pour l’œuvre merveilleuse qu’Il a confiée à nos soins. » (Pape François, Lettre du Pape François pour l’institution de la « Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création », 6 août 2015).

  • 01 Sep. 2018 - 07:56-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. I – Les personnes nommées aux hautes fonctions et hauts emplois civils de l’Etat :   – Grand Chancelier de l’Ordre National malagasy ; – Ambassadeurs ou chefs titulaires de missions diplomatiques avant rang d’Ambassadeurs ; – Gouverneur de la Banque Centrale ; – Secrétaires généraux, Directeurs généraux et Directeurs de ministères ; – Présidents d’Universités ; – Représentants de l’Etat au niveau des collectivités territoriales décentralisées ; – Directeurs généraux, membres des organes d’administration ou de gestion des organismes rattachés aux Institutions et aux départements ministériels.

  • 01 Sep. 2018 - 07:55-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. II – Les personnes dont la nomination aux hautes fonctions et hauts emplois militaires est faite par décret en Conseil des Ministres : – Officiers Généraux ; – Inspecteur général de l’Armée Malagasy; – Inspecteur général de la Gendarmerie Nationale ; – Chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy ; – Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Adjoints au chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy; – Adjoints au Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Commandant des Forces Aériennes ; – Commandant des Forces Navales ; – Commandant des Forces d’Intervention – Commandant des Forces de développement ; – Chef d’Etat-major du commandement de la Gendarmerie Nationale ; – Commandants des régions militaires; – Commandants des Circonscriptions inter-régionales de la Gendarmerie Nationale ; – Tous autres fonctions et hauts emplois militaires dont la nomination est faite par décret en Conseil des Ministres.

  • 24 Aug. 2018 - 00:29-

    Le couple présidentiel a reçu, ce matin du 22 Août 2018, l’Archevêque de Toulouse, Mgr Le Gall Robert au Palais d’Iavoloha, dont c’est la seconde visite à Madagascar. Les discussions ont porté sur les actions humanitaires de la diaconie catholique de France àa Madagascar « Nous avons été très heureux de cette rencontre qui honore notre mouvement sur la diaconiede la beauté, et comment la beauté sous toutes ses formes pourrait conduire à Dieu » a déclaré Mgr Le Gall, qui a notamment le diocèse de Lourdes sous sa responsabilité. La place et le rôle de la Grande Île au niveau de la Région Océan Indien et sur le plan international ont été aussi évoqués lors de la rencontre

  • 23 Aug. 2018 - 20:33-

    Ankolagny 6. Prospérer organisé pour la sixième fois sa foire économique Ankolagny. Elle se déroule du 24 au 26 août et elle est hébergée par la commune de Befandriana nord. Les organisationsateurs tablent sur la venue de plus de 2000 visiteurs pour visiter la centaine de stands révus avec comme produit phare les blacks eyes, la vannille et l'oignon.

  • 17 Aug. 2018 - 07:22-

    Kandida faha-13. Mamy Richard Radilophe no kandida faha-13 nanatitra ny antontan-taratasy firotsahana handray anjara amin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika. Tonga nanatitra ny ny faha-16 aogositra teo izy. Izy dia mpisolovava niaro ireo olona nenjehin'ny fitondrana HVM, toa an'i Fernand Cello, ny tao Soamahamanina, efa mpisolovava an'i Jean Louis Robinson ihany koa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013. Ny antoko Roso ho an’ny Demokrasia Sosialy (Renouveau pour la Démocratie Sociale) izay misy an’i Fetison Rakoto Andrianirina no nanolotra azy.

  • 16 Aug. 2018 - 08:46-

    JOB no kandida- faha 11. Jean Omer Beriziky na JOB, Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta teo aloha no kandidà faha 11 amin'ny laharan'ny fanaterana ny taratasy filatsahana ho fidiana Filohan'ny Repoblika ho tontosaina ny fihodinana voalohany ny 7 novambra 2018. Ny 15 aogositra tamin'ny 2 ora sy sasany tolak'andro izy no nanatitra izany taratasy izany teny amin'ny Fitsarana Avo momban'ny Lalàmpanorenana, Ambohidahy. Tonga teny ny tenany niaraka tamin’i Jean Félicien izay "mandataire". Ny Antoko politika "Antsika Madagasikara" no nanolotra azy.

  • 16 Aug. 2018 - 08:46-

    Kandidà faha-12 nametraka dosie. Richard Razafy Rakotofiringa no kandidà faha-12 nametraka ny dosien-ny teny amin’ny FAL, Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na HCC. Izy dia miaramila teo aloha sady mpampianatra. Razafimalala Harimanana Tiana izay "mandataire" no nametraka ny antontaratasy ny 15 aogositra teo. Ny Antoko politika "Solidarité des jeunes intellectuels pour l'avenir de Madagascar" (SJIM) no manolotra azy amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao.

  • 14 Aug. 2018 - 13:29-

    CEPE 2018. Le nombre de candidats inscrits à l’examen du CEPE qui aura lieu ce mardi 14 aout 2018 est de 551.655. Ils seront répartis dans 13.638 salles des 1.833 centres d’examen de tout Madagascar. Parmi ces candidats inscrits, 17 malvoyants et 19 sourds-muets vont participer aux épreuves du CEPE dans les cinq provinces de Madagascar, à l’exception de Mahajanga. Pour la DREN SAVA on compte 39 315 candidats qui se répartissent dans 86 centres d’examen. Il est à rappeler que les sujets diffèrent suivant la région et le diplôme a une valeur nationale.

  • 14 Aug. 2018 - 06:59-

    CEPE sy Laharana maitso 020 30 807 86. Manomboka ny talata 14 Aogositra dia ho apetraka eto anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena ny « cellule » iray iraisan’ireo sampandraharaha mikirakira ny fanadinana izay hanangona ny vaovao rehetra manodidina ny fizotry ny fanadinana CEPE. Azonareo antsoina amin’ny laharana maitso 020 30 807 86.


  • 11 Aug. 2018 - 10:19-

    3 nouveaux candidats. Ce 10 août, trois candidats ont déposé leur dossier de candidature à l'élection présidentielle auprès de la Haute Cour Constitutionnelle à savoir : Dr Jules Etienne présenté par le parti MAFI (Madagasikara Fivoarana),  Zafimahaleo Rasolondraosolo, dit Dama Mahaleo, candidat du parti Manajary Vahoaka; et Paul Andrianiaina Rabary, candidat du parti MIASA. Ainsi, depuis l’ouverture de la période de dépôt des dossiers 7 candidats en tout ont déposé leur dossier (Andry Rajoelina, Jean Ravelonarivo, Mailhol Dieu Donné, Fanirisoa Erinaivo).

  • 04 Aug. 2018 - 08:57-

    Candidature du général Jean Ravelonarivo. Zaza Ramandimbiarison et Ambroise Tata ont procédé dans la matinée de ce 3 aout, au dépôt des dossiers de candidature à l'élection présidentielle du général Jean Ravelonarivo, ancien Premier ministre auprès de la Haute Cour Constitutionnelle (HCC). Il est le deuxième candidat à avoir déposé son dossier. Jean Ravelonarivo a été présenté par le parti politique Antokom-Bahoaka Malagasy ou ABA.  Pour mémoire ce parti politique a fait connaître son existence au cours du mois d’avril de cette année 2018.

  • 04 Aug. 2018 - 07:57-

    Andry Rajoelina premier candidat à déposer son dossier. L’ancien président de la Transition, s'est fait représenter par Andry Herizo Rakotozafy, éphémère directeur de cabinet du Premier ministre Ntsay Christian, dans l'après-midi de ce 1er aout, auprès de la Haute cour constitutionnelle (HCC) à Ambohidahy, pour déposer son dossier de candidature à l'élection présidentielle. Cela s’est passé au moment même où le candidat Rajoelina faisait son show au Palais des sports de Mahamasina pour présenter son IEM ou Initiative Emergence de Madagascar.

  • 27 Jul. 2018 - 13:45-

    Niala tsy ho filohan’ny antoko HVM izy. Nametra-pialana tsy ho Filoha Nasionalin'ny antoko HVM i Rivo Rakotovao. « Tsy miala HVM ny tenako fa miala tsy ho Filoha Nasionaly fotsiny ihany ho fanajana ny lalàna » hoy izy. Nambarany ihany koa fa tsy manangam-pahavalo ary tsy manam-pahavalo ny HVM fa safidin’ireo izay niala noho ny tsy fitovian-kevitra politika sy tsy fitovian-kevitra eo amin'ny fitantanana ny Firenena ny zava-mitranga. Nanamafy ny fangatahany sy fanolorany ny Filoha Rajaonarimampianina hirotsaka ho fidiana indray ny antoko HVM. Soritana fa ny Lalampanorenana dia milaza fa tsy mahazo mandray anjara amin’ny fiainana antoko politika ny filoham-pirenena (adininy faha-49).

  • 23 Jul. 2018 - 08:57-

    Antonio Benedito Sanchez s’en va. L’ambassadeur de la délégation de l’Union européenne pour Madagascar et l’Union des Comores, Antonio Benedito Sanchez quittera Madagascar satisfait du travail qu’il a accompli durant son mandat. Il a confié qu’il prendra la direction du Mozambique tandis que son successeur, l’Italien Giovani Di Girolamo arrivera dans la Grande île vers le début du mois de septembre. Il sera remplacé par L’Italien Giovani Di Girolamo.En attendant la prise de fonction du nouvel Ambassadeur, le Ministre Conseiller Lothar Jaschke assurera son intérim.

  • 30 Jun. 2018 - 08:40-

    Remplacement à l’Assemblée Nationale. « Le Député dont siège devient vacant est remplacé par le suppléant élu en même temps que lui, sauf en cas d’annulation de l’élection, jusqu’au renouvellement de l’Assemblée nationale ». .Que suivant le certificat de décès n°65969 versé au dossier, sieur ABDILLAH est décédé le 21 février 2018 à l’hôpital Apollo de New Delhi. La vacance d’un siège de Député à l’Assemblée nationale est constatée, à la suite du décès de sieur ABDILLAH. Est proclamé Député à l’Assemblée nationale, le candidat EDIZARD, premier suppléant de la liste VPM-MMM de Vohémar. (Arrêt de la HCC du 28 juin 2018).

Du même auteur

societe
economie

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité