logo
Lakroan'i Madagasikara
Fetin'ny ray

Saotra anao ry dada !

Toetra Ràja il y a 1 année

Ny alahady fahatelo amin’ny volana jonano alahady natokana hiarahabana manokana ireo ray niteraka. Isan-tokantrano sy isan’ankohonana dia azo antoka fa mankalaza ity fomba iraisan'ny firenena maro. Tsy diso anjara amin'ny fanamarihana io fitiavana sy fankasitrahana ny ray izay loharanon'ny teny mamy sy tenim-pitiavana maro io ny poety.

Saotra anao ry dada !

Andinin-tononkalo vitsivitsy no nangonina ka anehoana:

- ny maha loharano sy andry ny raim-pianakaviana

- ny olana manoloana ny fahabangany

- ny fitiavany hafa mihitsy.

 

 

Loharano nipoirana

 

Toa an'i Neny dia loharano nipoirana izy, tsy faharoa na voalohany fa mitovy araka ny namaritan'i Régis Rajemisa-Raolison:

 

"Ny lanjam-pitian'izy roa,

 Mitovy ka ataoko sahala,

 F'ireo sinibe manga roa

 ka tsisy izay tombo sy hala".

 

Tsy ny anaran'i Neny ihany no anombohan'ny zaza mibadabada fa ny an'i Dada koa araka ny anehoan'i MEJA Penina azy.

 

"Inay aho nibada

 Dia ny anaran'i dada

 No tsy afaka am-bava

 Vetsoiko lalandava

Ka mirana ny tava"

 

Loharanom-pitenenana izy ireo ary loharanon'ny fiainana manontolo hoy i Ony Ravorombato:

 

"fototry ny fiaviana

 andrin'ny fianakaviana".

 

Misy lanjany avokoa ireo teny tsirairain'ny poety ireo.

 

 

Andrin'ny fianakaviana

 

Ankoatra ny maha loharano an'i Dada dia andry iankinana izy, raim-pianakaviana, mamelona ary manao izay tratry ny heriny.

 

"Vao maraina dia indro lasa tsy reraka na mitaraina,

hanainga tongotra hiasa hanasoa ireo sombiniaina" - Li-Blou

 

Miverimberina eo imolotry ny poety io herim-pon'i Dada vao maraina io toy ny niangalian'i Maeva 74 azy ity:

 

"Dada, ilay nisahirana

 nifoha maraina isan'andro,

 nikaroka ireo manahirana..."

 

Mifoha maraina ny raim-pianakaviana ary tsy mikendry afa-tsy izay hamelomana vady aman-janaka. Misy lasa lavitra ary misedra ny mafy aza:

 

"Herim-pon'i Dada no nahatsangy antsika

 Nizaha ny tsy nisy tany rehetra tany;

 Orana nikija na hasasarana na hatsiaka

 Nihafiany avokoa fa tsy nahoany izany" - miHAJA.

 

Tsy aim-beri-maina akory ny vokatry ny herim-pony. Tsy niolankolana i Jean Narivony nanamafy:

 

"izaho no tomady sy tena salama "

 I dada no vizana be nikarama"

 

Afaka mirehareha ny zanaka fa nahaolona tokoa izy. "Noho Idada no velon-tsy ory", Régis Rajemisa-Raolison. Miharihary ao amin'ny tononkalon'i Ratsimaholy Francinet koa izay rehareha izay:

 

"Io mifoha maraina be

 Mivikiviky raha mandeha

 Hiasa hamelona anay

 Mafy be i Dadanay"

 

Nihafy ho antsika i Dada, niaritra orana mikija sy hatsiaka hoy i miHAJA etsy ambony. Fola-damosina aza moa hoy ny Malagasy. Raha mbola tsy mahay mandeha ny zaza dia efa iny i Dada milanja sady mamihina ireo tongon-janany mba tsy hianjera: "Idada nilanja antsangory", Régis Rajemisa-Raolison. Ary na efa mahay mamindra aza ilay zaza dia lanjainy hatrany raha vao somary lavitra ny dia. Tsy vitan'izay fa na efa manana ny maha izy azy eo amin'ny fiaraha-monina aza ny zanany dia mbola eo ihany i Dada mitsinjo. Mahasapa izany i Sunny Razakamanana amin'ny fotoan-tsarotra:

 

"I dada malala

 Ampinga fiaro ny tratrako osa

 Mandrisika ny heriko tena kanosa".

 

Tsy vitan'ny hoe "ampinga fiaro" ihany fa na dia ny fieritreretana azy fotsiny mandritra ny olana sedraina aza dia efa ampy hanome hery:

 

"Raha mila herin-tsaina fa mafy ny atrehina,

 Lany herim-po ka mitady izay mba tehina:

 I Dada no tadidy fa izy tsy mba ketraka,

 Na dia esoesoina, tsy tia mipetrapetraka".

 

I Pissoa (Ikala Mi) no nipoiran'izany andinin-teny maneho fahatokisana izany. Tsy afaka ao an-tsaina ny herim-pony lafatra, antoky ny aina ary mahasambatra.

Indrisy anefa fa misy ireo zanaka tsy mba afaka miaina izany fahasambarana izany.

 

 

Raha banga ny toerana

 

Misy ireo ray tsy mahatomombana tsara ny adidiny. Izy ireo indrindra no iantefan'ny alahelon'i Mampandry ny Aina:

 

"Ny azy ny miloka no tena niofanany,

 Sy ananany traikefa.

 Dia mampijaly vady amin'ny fomba rehetra rehetra.

 No mampiferotra aina ny zanany naterany.

 Ny hoe mba hitsikaraka dia ohatra ny hoe tsy aferany."

 

Ao koa ireo ankizy misedra ny fahabangana noho ny hetraketraky ny fahafatesana. Tsy nahasakana an'i Raozigasy hanakanto ny andinin-teniny izany:

 

"Dada

 Raha mbola teo izao ianao

 Dia ho anao no natao

 Ny fiarahabana voalohany

 Zay vao ny hafa sy ny tohiny"

 

Raha i Neny kosa no efa lasa mialoha dia azo ianteherana i Dada hoy Maharavo Andriamalinarivo:

 

"Etsy mifalia;

 Ary koa miravoa!

 Fa i Dada efa eto".

 

Manana fahatokisana amin'i Dada koa i Anarim izay mitraka ary miantsoroka ao anatin'ny haizim-pahoriana ny adidy napetraky ny reny:

 

"Fa na lasana aza i Neny

 Ka zary maizina ny tany

 Tsy nataonao ireny

 Handraraka ambany

 Ny fitaizana anay"

 

Fitiavana hafa mihitsy

 

Fitiavana hafa mihitsy ny an'i Dada hany ka somary manahirana an'i Andriamasimanana Andry ny mahita ny teny lafatra indrindra anehoana izany:

 

"Efa betsaka ny teny,

 Voalaza ombieny, ombieny,

 Fa tsy misy mahalaza,

 Ny fitiavanao ry dada".

 

Betsaka tokoa ireo teny natolotra an'i Neny tamin'ny fankalazana ny fetin'ny reny teo. Tsy tokony ho ambakan'izany ny omena ny ray satria samy tiantsika izy ireo araka ilay andinin-tenin'i Régis Rajemisa-Raolison tsy afaka eo imolotra hoe:

 

"Ny tiako sy mamiko indrindra

  Eto an-tany dia Idada sy Ineny;

  Fitiavana miara-mirindra

  No samy andalàko azy ireny"

 

Mazava ho azy fa mahavantana ny poety ny manolotra fehezan-tononkalo ho an'ny fetin'ny ray toy ny an'i GPR (Gasy Poeta Rasolofomanana) ity:

 

"Dada ô!

 Ity tononkalo ity

 dia nataoko ho anao irery ihany

 Mirary fety sambatra aho sy feno fy

 ho valim-pitia ho anao tsy mety lany".

 

Na tsy mangataka tambiny amin'ny zanaka aza ny ray dia rariny loatra raha asiana fanamarihana ny andro lehibe isan-taona toy izao. Amin'i Jean Narivony ohatra dia ny fankatoavana ny anatra nomeny no voatonony voalohany amin'ny valim-pitia:

 

"Mba inona kosa no havaliko ireny

 fitiavan-tsy ritran'i dada sy neny ?

 manaraka tsara izay anatra omeny;

 mivavaka ho azy no valim-babeny".

 

Eo indrindra ny fanohanana ara-panahy. Ny ara-batana sy ny ara-tsaina kosa no anehoan'i Régis Rajemisa-Raolison ny valim-babena:

 

"Tohano 'reo rah'sendra reraka,

 Ampio raha sendra ka ory,

 F'izany no manatanteraka

 Ny sitraka enti-matory".

 

Ny vavaka sy ny fankasitrahana nolazain'ireo poety roalahy andrarezina ireo no naravon'i Anarim amin'ny hoe:

 

"Misaotra anao ry Dada !

 Andriamanitra Tsitoha

 Hitsinjo anao hatrany

 Ka ho sambatra tokoa

 Mandra-piala eto an-tany".

 

 

Ny Kristianina dia manana Ray iombonana, Ilay "any an-danitra any", Ilay be fitiavana sy be fandeferana ary deraina. Tsara tahafin'ny raim-pianakaviana Izy amin'ny maha ray hita maso azy ary hananana toe-panahy kristianina. Tsy izy ihany anefa fa ny fianakaviana manontolo. Fanararaotra ny fety tahaka izao hanavaozana ny endri-pitiavana eo amin'ny Ray aman-dReny sy ny zanaka ary eo anivon'ny mpianakavy. Misy ireo manao izany ho antom-pivoriana sy fanolorana fanomezana iraisan'ny rehetra. Tsy amin'ny alalan'ny fitaovana hita maso ihany anefa fa amin'ny vavaka voatonona teo, ny fankatoavana anatra...

 

Aza hadinoina kosa ange ry mpamaky olon'ny fo, ny poezian'ny poetanao !

 

Toetra Ràja

17 jona 2017



Ttf. Ilay pretra iray izay dia nangataka tamin'ny kristianina tao ampiangonana mba tsy iarahaba azy amin’ny fetin’ny ray. « Natokana ho an’ny ray niteraka io alahady ka zary manompa ilay fiarahabana toa milaza fa niteraka any antsisiny any aho » hoy izy. Marihina fa ny fetin’ny pretra rehetra dia ny Alakamisy Masina ary ny pretra mpiandraikitra faritany na curé kosa dia azo hanaovana fety manokana ny 4 aogositra.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 14 Sep. 2018 - 08:38-

    Poulet de chair à Madagasikara. Pour Olivier Fanchette, de Innodis Poultry, il y a encore de la marge pour produire du poulet de chair à Madagasikara. “C’est pour cette raison que nous participons à la Foire Internationale d’Agriculture”. Innodis Poultry est l’un des plus grands producteurs de poulet de l’île Maurice. Selon Fanchette, cette société exporte vers Madagasikara du poulet de chair avec garantie sanitaire sans antibiotiques. De son côté Iqbal Mohungoo, de la société Meaders Feeds, assure l’alimentation des poulets de chair, une alimentation répondant aux besoins d’une clientèle autant présente sur le marché local que régional dont Madagasikara.

  • 13 Sep. 2018 - 07:45-

    Colloque sur l’énergie. Lors d’une rencontre avec la présse Andry Ramaroson a fait savoir que le Groupement Des Professionnels de l’Energie à Madagascar GDPEM organise un colloque en entrée libre qui se tiendra au 3A Andrefanambohijanahary durant 2 jours ou 4 demi-journées avec comme thème “Energie, 1er levier de la croissance économique de Madagascar”. La première demi-journée (matin du 14 septembre) une conférence-débat sur l’économie d’énergie et l’après-midi sur le génie électrique. La troisième demi-journée (matin du 15 septembre) une conférence-débat sur le thème 1er levier économique de Madagascar. Et l’après-midi sera consacré à la restitution des travaux.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Affaires courantes du Président. Pour la HCC, rentrent dans la catégorie juridique des attributions présidentielles courantes, les affaires constituant la poursuite normale d’une procédure régulièrement engagée avant la démission du Président de la République, toute affaire dont l’importance dépasse celle des affaires de gestion journalière si la procédure qui a donné lieu à l’acte règlementaire concerné a été engagée bien avant la période critique et a ensuite été réglée sans précipitation et si les questions politiques, qui ont pu se poser sur le plan administratif, ont été résolues avant cette période critique.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Non affaires courantes du Président. Pour la HCC, ne rentrent pas dans les compétences attribuées au Chef de l’Etat ad intérim celles qui procèdent des articles 45 alinéa 3, 54 ; 55 -2°, 4° sauf en cas de faute grave ou de crime ou délit commis par le haut fonctionnaire, 5°, 6°, 7°, 8° ; 56 ; 57 alinéa premier ; 58 ; 59 alinéa 2 ; 60 ; 61 ; 103 ; 104 ; 107 ; 137 ; 162 ; 163. Il est habilité à exercer toutes les autres attributions confiées au Président de la République par la Constitution.

  • 01 Sep. 2018 - 09:48-

    Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création 2018. Instituée en 2015 par le Pape François, quelques mois après la publication de son encyclique « Laudato si’, sur la sauvegarde de la maison commune », cette journée a lieu chaque 1er septembre, en communion de prière avec les Eglises orthodoxes, « pour offrir « à chacun des croyants et aux communautés la précieuse opportunité de renouveler leur adhésion personnelle à leur vocation de gardiens de la création, en rendant grâce à Dieu pour l’œuvre merveilleuse qu’Il a confiée à nos soins. » (Pape François, Lettre du Pape François pour l’institution de la « Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création », 6 août 2015).

  • 01 Sep. 2018 - 07:56-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. I – Les personnes nommées aux hautes fonctions et hauts emplois civils de l’Etat :   – Grand Chancelier de l’Ordre National malagasy ; – Ambassadeurs ou chefs titulaires de missions diplomatiques avant rang d’Ambassadeurs ; – Gouverneur de la Banque Centrale ; – Secrétaires généraux, Directeurs généraux et Directeurs de ministères ; – Présidents d’Universités ; – Représentants de l’Etat au niveau des collectivités territoriales décentralisées ; – Directeurs généraux, membres des organes d’administration ou de gestion des organismes rattachés aux Institutions et aux départements ministériels.

  • 01 Sep. 2018 - 07:55-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. II – Les personnes dont la nomination aux hautes fonctions et hauts emplois militaires est faite par décret en Conseil des Ministres : – Officiers Généraux ; – Inspecteur général de l’Armée Malagasy; – Inspecteur général de la Gendarmerie Nationale ; – Chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy ; – Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Adjoints au chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy; – Adjoints au Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Commandant des Forces Aériennes ; – Commandant des Forces Navales ; – Commandant des Forces d’Intervention – Commandant des Forces de développement ; – Chef d’Etat-major du commandement de la Gendarmerie Nationale ; – Commandants des régions militaires; – Commandants des Circonscriptions inter-régionales de la Gendarmerie Nationale ; – Tous autres fonctions et hauts emplois militaires dont la nomination est faite par décret en Conseil des Ministres.

  • 24 Aug. 2018 - 00:29-

    Le couple présidentiel a reçu, ce matin du 22 Août 2018, l’Archevêque de Toulouse, Mgr Le Gall Robert au Palais d’Iavoloha, dont c’est la seconde visite à Madagascar. Les discussions ont porté sur les actions humanitaires de la diaconie catholique de France àa Madagascar « Nous avons été très heureux de cette rencontre qui honore notre mouvement sur la diaconiede la beauté, et comment la beauté sous toutes ses formes pourrait conduire à Dieu » a déclaré Mgr Le Gall, qui a notamment le diocèse de Lourdes sous sa responsabilité. La place et le rôle de la Grande Île au niveau de la Région Océan Indien et sur le plan international ont été aussi évoqués lors de la rencontre

  • 23 Aug. 2018 - 20:33-

    Ankolagny 6. Prospérer organisé pour la sixième fois sa foire économique Ankolagny. Elle se déroule du 24 au 26 août et elle est hébergée par la commune de Befandriana nord. Les organisationsateurs tablent sur la venue de plus de 2000 visiteurs pour visiter la centaine de stands révus avec comme produit phare les blacks eyes, la vannille et l'oignon.

  • 17 Aug. 2018 - 07:22-

    Kandida faha-13. Mamy Richard Radilophe no kandida faha-13 nanatitra ny antontan-taratasy firotsahana handray anjara amin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika. Tonga nanatitra ny ny faha-16 aogositra teo izy. Izy dia mpisolovava niaro ireo olona nenjehin'ny fitondrana HVM, toa an'i Fernand Cello, ny tao Soamahamanina, efa mpisolovava an'i Jean Louis Robinson ihany koa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013. Ny antoko Roso ho an’ny Demokrasia Sosialy (Renouveau pour la Démocratie Sociale) izay misy an’i Fetison Rakoto Andrianirina no nanolotra azy.

  • 16 Aug. 2018 - 08:46-

    JOB no kandida- faha 11. Jean Omer Beriziky na JOB, Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta teo aloha no kandidà faha 11 amin'ny laharan'ny fanaterana ny taratasy filatsahana ho fidiana Filohan'ny Repoblika ho tontosaina ny fihodinana voalohany ny 7 novambra 2018. Ny 15 aogositra tamin'ny 2 ora sy sasany tolak'andro izy no nanatitra izany taratasy izany teny amin'ny Fitsarana Avo momban'ny Lalàmpanorenana, Ambohidahy. Tonga teny ny tenany niaraka tamin’i Jean Félicien izay "mandataire". Ny Antoko politika "Antsika Madagasikara" no nanolotra azy.

  • 16 Aug. 2018 - 08:46-

    Kandidà faha-12 nametraka dosie. Richard Razafy Rakotofiringa no kandidà faha-12 nametraka ny dosien-ny teny amin’ny FAL, Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na HCC. Izy dia miaramila teo aloha sady mpampianatra. Razafimalala Harimanana Tiana izay "mandataire" no nametraka ny antontaratasy ny 15 aogositra teo. Ny Antoko politika "Solidarité des jeunes intellectuels pour l'avenir de Madagascar" (SJIM) no manolotra azy amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao.

  • 14 Aug. 2018 - 13:29-

    CEPE 2018. Le nombre de candidats inscrits à l’examen du CEPE qui aura lieu ce mardi 14 aout 2018 est de 551.655. Ils seront répartis dans 13.638 salles des 1.833 centres d’examen de tout Madagascar. Parmi ces candidats inscrits, 17 malvoyants et 19 sourds-muets vont participer aux épreuves du CEPE dans les cinq provinces de Madagascar, à l’exception de Mahajanga. Pour la DREN SAVA on compte 39 315 candidats qui se répartissent dans 86 centres d’examen. Il est à rappeler que les sujets diffèrent suivant la région et le diplôme a une valeur nationale.

  • 14 Aug. 2018 - 06:59-

    CEPE sy Laharana maitso 020 30 807 86. Manomboka ny talata 14 Aogositra dia ho apetraka eto anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena ny « cellule » iray iraisan’ireo sampandraharaha mikirakira ny fanadinana izay hanangona ny vaovao rehetra manodidina ny fizotry ny fanadinana CEPE. Azonareo antsoina amin’ny laharana maitso 020 30 807 86.


  • 11 Aug. 2018 - 10:19-

    3 nouveaux candidats. Ce 10 août, trois candidats ont déposé leur dossier de candidature à l'élection présidentielle auprès de la Haute Cour Constitutionnelle à savoir : Dr Jules Etienne présenté par le parti MAFI (Madagasikara Fivoarana),  Zafimahaleo Rasolondraosolo, dit Dama Mahaleo, candidat du parti Manajary Vahoaka; et Paul Andrianiaina Rabary, candidat du parti MIASA. Ainsi, depuis l’ouverture de la période de dépôt des dossiers 7 candidats en tout ont déposé leur dossier (Andry Rajoelina, Jean Ravelonarivo, Mailhol Dieu Donné, Fanirisoa Erinaivo).

  • 04 Aug. 2018 - 08:57-

    Candidature du général Jean Ravelonarivo. Zaza Ramandimbiarison et Ambroise Tata ont procédé dans la matinée de ce 3 aout, au dépôt des dossiers de candidature à l'élection présidentielle du général Jean Ravelonarivo, ancien Premier ministre auprès de la Haute Cour Constitutionnelle (HCC). Il est le deuxième candidat à avoir déposé son dossier. Jean Ravelonarivo a été présenté par le parti politique Antokom-Bahoaka Malagasy ou ABA.  Pour mémoire ce parti politique a fait connaître son existence au cours du mois d’avril de cette année 2018.

  • 04 Aug. 2018 - 07:57-

    Andry Rajoelina premier candidat à déposer son dossier. L’ancien président de la Transition, s'est fait représenter par Andry Herizo Rakotozafy, éphémère directeur de cabinet du Premier ministre Ntsay Christian, dans l'après-midi de ce 1er aout, auprès de la Haute cour constitutionnelle (HCC) à Ambohidahy, pour déposer son dossier de candidature à l'élection présidentielle. Cela s’est passé au moment même où le candidat Rajoelina faisait son show au Palais des sports de Mahamasina pour présenter son IEM ou Initiative Emergence de Madagascar.

  • 27 Jul. 2018 - 13:45-

    Niala tsy ho filohan’ny antoko HVM izy. Nametra-pialana tsy ho Filoha Nasionalin'ny antoko HVM i Rivo Rakotovao. « Tsy miala HVM ny tenako fa miala tsy ho Filoha Nasionaly fotsiny ihany ho fanajana ny lalàna » hoy izy. Nambarany ihany koa fa tsy manangam-pahavalo ary tsy manam-pahavalo ny HVM fa safidin’ireo izay niala noho ny tsy fitovian-kevitra politika sy tsy fitovian-kevitra eo amin'ny fitantanana ny Firenena ny zava-mitranga. Nanamafy ny fangatahany sy fanolorany ny Filoha Rajaonarimampianina hirotsaka ho fidiana indray ny antoko HVM. Soritana fa ny Lalampanorenana dia milaza fa tsy mahazo mandray anjara amin’ny fiainana antoko politika ny filoham-pirenena (adininy faha-49).

  • 23 Jul. 2018 - 08:57-

    Antonio Benedito Sanchez s’en va. L’ambassadeur de la délégation de l’Union européenne pour Madagascar et l’Union des Comores, Antonio Benedito Sanchez quittera Madagascar satisfait du travail qu’il a accompli durant son mandat. Il a confié qu’il prendra la direction du Mozambique tandis que son successeur, l’Italien Giovani Di Girolamo arrivera dans la Grande île vers le début du mois de septembre. Il sera remplacé par L’Italien Giovani Di Girolamo.En attendant la prise de fonction du nouvel Ambassadeur, le Ministre Conseiller Lothar Jaschke assurera son intérim.

  • 30 Jun. 2018 - 08:40-

    Remplacement à l’Assemblée Nationale. « Le Député dont siège devient vacant est remplacé par le suppléant élu en même temps que lui, sauf en cas d’annulation de l’élection, jusqu’au renouvellement de l’Assemblée nationale ». .Que suivant le certificat de décès n°65969 versé au dossier, sieur ABDILLAH est décédé le 21 février 2018 à l’hôpital Apollo de New Delhi. La vacance d’un siège de Député à l’Assemblée nationale est constatée, à la suite du décès de sieur ABDILLAH. Est proclamé Député à l’Assemblée nationale, le candidat EDIZARD, premier suppléant de la liste VPM-MMM de Vohémar. (Arrêt de la HCC du 28 juin 2018).

Du même auteur

politique
societe

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité