logo
Lakroan'i Madagasikara
Taratasy Pastoraly

Ny Famindram-po sy ny Fanavotana

admin il y a 3 mois

Tontosa soa aman-tsara ny Fihaonam-be nokarakarain’ny Aumônerie Catholique des Prisons Madagasikara. Naharitra dimy andro ny fihaonanana. Nahatratra 55 no isan’ireo mpandray anjara tamin’izany, solotena avy amin’ny ACPM foibe sy ireo ACP faritra ary ACP Diosezy miisa 33.

Ny Famindram-po sy ny Fanavotana

Taratasy Pastoraly avy amin’ny Vaomiera episkopaly misahana ny Pastoralin’ny fonja

 

Ny Famindram-po sy ny Fanavotana


 

Tontosa soa aman-tsara ny Fihaonam-be nokarakarain’ny Aumônerie Catholique des Prisons Madagasikara, izay teo ambany fitarihan’i Mgr Roger Victor RAKOTONDRAJAO, filohan’ny Commission Episcopale misahana ny Pastoralin’ny Fonja (CEPP). Naharitra dimy andro ny fihaonanana, nanomboka ny Sabotsy 27 mai 2017 (fahatongavana) ka hatramin’ny Talata 30 mai 2017 (firavàna). Nahatratra 55 no isan’ireo mpandray anjara tamin’izany, solotena avy amin’ny ACPM foibe sy ireo ACP faritra ary ACP Diosezy miisa 33.

Ny lohahevitra novohizina nandritra ny fihaonam-be dia mbola nalaina ihany koa tamin’ny hafatry ny Papa Fransoa manao hoe: “Ny Famindram-po no lalana mampifandray an’Andriamanitra sy ny olombelona ka ahafahany manokatra ny fony, hirotsahan’ny fanantenana fa hoe tiana mandrakizay izy, na eo aza ny fetra nateraky ny fahotana”.

Natao indrindra moa izao fihaonam-be izao hamaliana ny antso sy ny fanentanana nataon’ny Papa Ray Masina Fransoa, mandritra izao Taon-jobily manokan’ny Famindram-pon’Andriamanitra izao, “mba hamelombelona hafanam-po vaovao entina mitory ny fahafahana amin’ny voafonja sy amin’ireo iharan’ny tsindrihazolena” (vavaka Taon-Jobily famindrampon’Andriamanitra).



Vahoaka miandrandra famindram-po sy fanavotana

Ny famindram-pon’Andriamanitra dia midika ihany koa ho fampodian-kasina ny olombelona mpanota sy solafaka toa ireo voafonja noho ny heloka vitany na ireo voafonja noho ny tsy rariny sy ny fanendrikendrehana; toa ireo mahantra voatery mirona amin’ny asa ratsy (halatra, fisolokiana, fivarotan-tena…) satria teren’ny tsy fananana; toa ireo iharan’ny tsindry hazo lena sy ireo very fanahy mbola velona noho ny olana samihafa miantraika aminy; tsy adino ihany koa ireo niharan’ny herisetra sy ny asa ratsin’ny hafa.

Ireo sokajin’olona voatanisa  rehetra ireo matetika no misolo vaika ny ankalana noho ny tsy rariny sy ny fahalovana manjaka eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena ary noho ny tsy fahombiazan’ny politikam-pitantanan’ny mpitondra, hany ka tsy mahita isarangotana hafa tsy Andriamanitra irery ihany. Izy irery ihany no hany sisa antenainy hitondra fanasitranana sy fanavotana ho azy ireo.

Tsy dia fampiasa firy matetika ny teny hoe «fanavotana», kanefa dia tena mafonja tokoa satria “manambara ny fanafahana tanteraka izay tanterahin’Andriamanitra ho antsika, ho an’ny olombelona rehetra ary ho an’ny zava-boahary rehetra. Mila an’Andriamanitra isika, hanafaka amin’ny endriky ny tsirariry rehetra mahazo vahana eo amin’ny fiaraha-monina, hanafaka amin’ny tsy firaharahiana ny fahorian’ny hafa, hanafaka amin’ny fitiavan-tena ary hanafaka amin’ny fiheverana ho mahavita-tena” (Papa Fransoa, Audience générale du 10 septembre 2016)

Ny finoana irery ihany no ahatongavana sy iainana izany fanatenana fanafahana tanteraka izany: Mino fa i Jesoa tsy manary, mino fa i Jesoa no afaka mijery sy mahatsapa ny fahalemena, mino fa i Jesoa no manome ny hery sy ny fahasoavana hoentina miaina sy mandresy izany karazam-pahoriana mianjady rehetra izany. Ny fitiavana ny olombelona, izay endrika isehoan’ny famindrampon’Andriamanitra, nasehon’i Jesoa tamin’ny famerenana ny hasina ny Olombelona tsirairay, no Maso mahay mangoraka sy miantra satria mahita ny fahoariana sy ny fiainana anatin’ny tsirairay ahafahana manolotra fitiavana tena izy; Izy no Sofina mihaino ny toloko sy taraina ahatsapana ny ratram-panahy amam-batan’ny olona tsirairay, ahafahana mivavaka sy manolotra soso-kevitra ahasoa; Mbola izy koa no Vava mitory fanantenana na eo aza ny aizain’ny hakiviana zary tandra vadik’oditry ny ny fiainan’ny maro ankehitriny.

Raha fitinina dia voaantso ho iraka eo anivon’ireo voafonja ny kristianina rehetra, indrindra ireo mpikatroka ao amin’ny Aumônerie katolikan’ny Fonja, mba ho vavolombelona manambara fitiavana, mitory fanantenana ary mitandro ny fihavanana sy ny fampihavanana. Amin’izay dia ho tanteraka ao amintsika ny teny filamatra iombonana hoe: «Nantsoina ho afaka mba ho mpanafaka» satria ny fahafahana tena izy, izay omen’i Kristy, dia ny hasina maha olombelona sy maha zanak’Andriamanitra antsika. Fahafahana tena izy izay tsy foanan’ny rojo-vy ny fonja, satria fanomezan’ny Fanahy Masina, miorim-paka ao ampon’ny tsirairay.

Noho izany antony rehetra izany àry dia notsongaina manokana ny teny hoe “famindrampo sy fanavotana ary Fanantenana” ho filamatra enti-miaina sy anentanana ny tsirairay, amin’izay sehatr’asa fanompoana sahaniny amin’ny anaran’ny Fiangonana ho fanehoana ny famindrampon’Andriamanitra sy ho fanavotana ireo izay mandalo fotoan-tsarotra sy latsaka ankaterena toa ireo voafonja sy ny fianakaviany.


Voafonja fa tsy very zo aman-kasina

Ny fananganana firenena tan-dalana, mandala ny rariny sy ny hitsiny, miaraka amin’ny fametrahana ny rafitra rehetra mifanaraka amin’izany dia mifototra indrindra amin’ny politika ankapobeny hifampifehezana eo amin’ny firenena fa ny fanatanterahana azy kosa dia mila ny fampivondronana ny ankolafin-kery rehetra ary manana anjara biriky lehibe amin’izany ny Fiangonana. Koa ho fanatanterahana izay andraikitra sahanin’ny Fiangonana eo anivon’ny Fiaraha-monina izay indrindra no antom-pisian’ny Aumônerie Katolika misahana ny fonja izay mamita iraka manokana, amin’ny anaran’ny Fiangonana manontolo, ho an’ireo voafonja, ny fianakaviany ary ny mpandraharahan’ny fonja ihany koa.

Anisan’ny tanjona kendreny amin’izany ihany koa ny fanomanana ny fiverenan’izy ireo eo anivon’ny fiaraha-monina, ny fianakaviany ary, tsy hadino ihany koa, ny fampihavanana ireo voafonja amin’ireo izay niharan’ny herisetra na ny heloka nataony. Izany hoe ny asam-panavotanana sahanin’ny Aumonerie katolikan’ny Fonja dia tsy inona fa fanatanterahana amin’ny alalan’ny asam-panompoana mivantana ilay tenin’i Kristy manao hoe: «Narary aho novangianareo, tsy nitafy nomenareo lamba nirakofana, nivahiny nampiantranoanareo ary tany amponja aho novangianareo» (Mt 25), izany hoe ho fanehoana ny famindram-pon’Andriamanitra tsy misy fetra ho an’ireo izay noheverina ho diso lalana sy nania, mila fiantrana sy miandrandra fanavotana satria «rehefa mitafy ny famindram-po izy ireo, na dia mbola eo ihany aza ny toe-pahalemena ateraky ny fahotana dia toy ny hoe norakofana fitiavana izy mba hibanjinany ny ho avy vaovao sy hanitsiany ny fiainanay ho tsaratsara kokoa» (Fransoa, MM 3).

Amin’ny maha mpanara-dia an’i Kristy Mpanavotra ireo Pretra sy relijiozy ary lahika tsara sitrapo manokan-tena hikarakara ireo voafonja dia ezaka isan’andro takiana amin’izy ireo ny hiray petsapetsa amin’ireo voafonja, hifampizara ny fahoriana sy ny jaly iaretan’izy ireo ary hitondra fanamaivanana na ara-panahy na ara-batana ho azy ireo ka hanolo-tena ho toy ny «voafonja an-tsitrapo» mihitsy aza mba hitarika azy ireo ho amin’ny lalam-panavotana sy fibebahana.

Ho tsapan’ireo voafonja, noho izany ezaka ataon’ireo solotenan’ny Fiangonana izany, fa tsy toeram-pahaverezana sy aloky ny fahafatesana akory ny fonja fa toerana itsirian’ny fanatenana vaovao, toeram-panavotana satria nahafahana nihaona sy niaina indray ny fitiavan’Andriamanitra ary ny famindrampony tsisy fetra. Hany ka na ny sazim-pamonjana izay tsy maintsy hiaretana aza dia ho zary fotoam-pahasoavana ahafahana manitsy ny fiainana sy miandrandra ampitso tsaratsara kokoa hatrany, raha toa ka eo ny fahavononana hiova marina tokoa, hanenina amin’ny heloka mety ho vita ary hamelombelona hatrany ny fanantenana.

Ny fiverenana amin’Andriamanitra sy ny fanatonana ny famindrampony taorian’ny fahadisoana na fahotana izay natao, miaraka amin’ny fankatoavana an’i Kristy ho Mpanavotra tokana, no fototra iaingan’ny fibebahana marina, ny fahateraham-baovao ary ny fanarenana ny ho avy tsaratsara kokoa. Avy amin’ny alalan’izany dingana mitondra amin’ny Fanavotana izany no nahafahan’ny Ray Masina Papa Fransoa namariparitra ny andraikitry ny Fiangonana manoloana ireo zanany mila fanampiana manokana. Satria, «ny antom-pisian’ny Fiangonana, hoy ny Papa Ray Masina, dia manery azy tsy ho menatra ireo zanany lavo na sanatria minia mody tsy hijery azy ireo amin’izany fahavoazany izany, fa vao maika aza izy handray ho isan’ny laharam-pahamehana amin’ny asam-panavotana ataony ny ezaka hampitraka sy hankahery azy ireo hanohy ny lalan’ny fahamarinana» (Fransoa, Discours 15° Congrégation Générale, 18/10/14)

Ny finoana kristiana izay mifototra amin’ny Evanjelin’ny famindrampon’Andriamanitra tokoa mantsy dia manentana ny kristianina tsy hijery sy hitsara ny olona araka ny fahadisoany fotsiny ihany satria, n’inoninona heloka vita sy ny sazin-keloka tsy maintsy ho efainy araka ny lalàna velona mifehy ny fiaraha-monina, ny olona rehetra dia afaka mihavao sy manao zavatra tsaratsara kokoa hatrany. Hany ka zary vavolombelona manambara ny fanavotana ny mpanota araka ny famindrampon’Andriamanitra izy ireo. Avy amin’izany tokoa no hahafahana manatena fa ireo voaheloka rehetra dia manana fiainam-panahy manokana izay manampy azy hanomana ny fotoana hiverenany eo anivon’ny fiaraha-monina.

Noho izany anisan’ny dingana lehibe hanovàna ny endriky ny fonja hifanaraka bebe kokoa sy hanaja ny maha olombelona ireo voafonja, ny fampidirana eo amin’ny tontolon’ny fonja ny soa toavina avy amin’ny «famindrampo sy ny fanavotana» izay mifototra indrindra amin’ny fahavononana hamela heloka sy fahavononana hangataka famelan-keloka. Ny famelan-keloka no anisan’ny endrika isehoan’ny fitiavan’Andriamanitra antsika ary tsy misy fahotana, na iray aza, ka tsy ho mendrika izany famelana avy amin’Andriamanitra izany. Isika Olombelona tokoa matetika no vizana mangataka ny famelana fa Andriamanitra kosa tsy mba reraka na oviana na oviana mamela ny fahotantsika (Papa Fransoa).


Antso avo ho amin’ny Famindrampo sy Fanavotana

“Ny kristianina sy ny ankohonam-piainana rehetra dia voaantso ho fitaovana eo ampelatanan’Andriamanitra ho mpanafaka sy mpanandratra ny mahantra mba ahafafan’izy ireo mandray anjara mivantana ao amin’ny fiaraha-monina ; mitaky antsika mba ho mahari-po sy vonon-kihaino ny antson’ny mahantra izany ary hamonjy azy ireo. (…) Raha minia tsy mihaino izany antson’ny mahantra izany isika kanefa milaza ho fitaovana eo ampelantanan’Andriamanitra ihaino ny mahantra, dia manohitra ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany (…) ary ny tsy finiavantsika haneho firaisan-kina amin’ireo tojon’ny fahasahiranana ireo dia manamaloka ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra”. (Papa Fransoa, Hafalian’ny Evanjely, 187)

Asa vadi-drano tsy vita tsy ifanakonana ny fikarakarana sy fitsinjovana ireo voafonja ary ny tontolon’ny fonja. Koa mba hanatratrarana ny tanjona amin’ny fanabeazana sy ny fanarenana ireo voafonja mandritra ny toerana hitanana azy ao amponja dia tsy maintsy miara-mientana sy mifanome-tanana ny rehetra (ny fanjakana, ny Fiangonana, ny fianakaviana, ny olona tsara sitrapo rehetra…) mba hanomanana sahady ilay andro iray tsy maintsy iverenany eo anivon’ny fianakaviana, ny fiaraha-monina ary ny Fiangonana misy azy rehefa tonga ny fotoana ahataperan’ny sazin-keloka vitany. Satria tsy natao toerana ipetrahana maharitra ny fonja fa natao toerana fandalovana, tsy natao hanefana sazy fotsiny ihany fa natao hanabeazana.

Noho izany ho fanohizana ireo fanentanana rehetra efa natao mikasika indrindra izany tontolon’ny voafonja izany, toy ilay hafatra nataon’ny fivondronam-ben’ny Evekantsika momba ny «famelan-keloka sy ny fandrindram-pihavanana», ho fiatrehana ny Jobilin’ny taona 2000, dia mbola manao izao antso avo izao indray izahay ato amin’ny Aumônerie Katolika misahana ny tontolon’ny voafonja, ho fanohizana sy fanatanterahana ny fanentanana nataon’ny Papa sady niombonan’ny Fiangonana Katolika sy ny olona tsara sitrapo rehetra nandritra ny fankalazana ny taon-jobilin’ny famindrampon’Andriamanitra farany teo.



    1- Antso ho an’ny vahoaka kristianina rehetra

“Aoka ho mpamindra fo toy ny Rainareo izay mpamindra fo ianareo” (Lc 6, 36). Izany Tenin’i Kristy izany no nofidian’ny Fiangonana ho teny filamatra, niarahantsika niaina sy nandini-tena nandritra iny taon-jobily nankalazana sy nibanjinana manokana ny famindrampon’Andriamanitra iny. Satria “ny famindrampo, hoy ny fanentanana nataon’ny Papa Fransoa, no andry iankinan’ny fiainan’ny Fiangonana. Ny asa Pastoraly rehetra izay sahaniny dia tsy maintsy ho voafono hamoram-po ka amin’ny alalan’izany no ifandraisany amin’ireo mpino kristianina. Koa na ny fampianarana izay ataony na ny fijoroany ho vavolombelona eo anivon’izao tontolo izao dia samy tsy maintsy hanambarany izany famindrampo izany avokoa”.

Anisan’ireo asa maneho ny famindram-pon’Andriamanitra, fototry ny asam-panavotana sy ny Iraka sahanin’ny Fiangonana, isan’andro, ny fitsidihana sy fitsimbinana ireo voafonja araka ny fampianaran’i Kristy hoe: “tany amponja aho novangianareo” (Mt 25, 36).

Amin’ny maha sehatra ilana fitandremana manokana ny fonja dia tsy ny rehetra no afaka hanatanteraka mivantana izany fitsidihana ny voafonja izany kanefa na izany aza dia manana adidy hitsimbina sy hitsinjo manokana azy ireo isika rehetra amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fanohanana ireo voafonja sy ny fianakaviany na ara-panahy na ara-batana, eny fa na eo amin’ny lafiny fivelomana andavan’andro aza.

Iraky ny Fiangonana manontolo ireo mpikatroka ACP, mikarakara sy miray petsapetsa amin’ireo voafonja sy ny mpandraharahan’ny fonja isan’andro. Noho izany dia adidin’ny Fiangonanana manontolo: Diosezy, Distrika, Paroasy, Fikambanan-drelijiozy, Fikambanana Masina, sekoly sy ny vita Batemy rehetra ny mitsinjo sy mitady izay fomba hamatsiana ireo Voafonja amin’ny alalan’ny rakitra, latsak’emboka, tolotra, ezaka karemy… Raha ny marina dia natao handrindra ireo ezaky iombonan’ny Fiangonana ireo ary hitsinjara azy ho amin’ny voafonja ny ACP isam-paritra mba tsy ho tapaka ny fitsinjovana ireo voafonja.

Koa entanina isika hahay hifampizara hanolotra izay azontsika atao hanohanana azy ireo. Aza miandry hanam-be vao mizara fa izay kely anananao dia ento hanasoavana ny hafa satria “ny manome ankafaliana no sitrak’Andriamanitra” (2 Kor 9,6) ary “nahazo maimaim-poana ianareo, hoy Jesoa, ka manomeza maimai-poana” (Mt 10,8). Tsarovy mandrakariva fa rahalahy sy anabavy ary iray tampo amintsika ireo nania na voaendrikendrika ka tojon’ny sarotra ireo ka mila ny fitsimbinana sy ny fiaraha-mientana avy amintsika tsirairay avy.

 

     2. Antso ho an’ny olona tsara sitrapo rehetra

“Tsarovy izay mifatotra, aoka ho toy ny miara-mifatotra aminy hianareo; ary izay ampahorina koa, fa mbola ao anatin'ny nofo koa hianareo” (Hb 13,3). Tsy safidy fa tsy fidiny matetika no nahatonga ny olona ho voafonja, eny fa na dia mety ho tambin’ny fahadisoana na heloka nataony teo amin’ny fiaraha-monina aza. Na eo aza ireo sokajin’olona sahirana maro miandrandra fanampiana, ny fikarakarana sy ny fitsinjovana manokana ireo voafonja tsy midika akory ho fanomezana vahana ny mety ho fahadisoana nataony fa fanehoana fiomboana amin’ny maha olombelona nofo aman-drà mitovy amin’ny hafa ka ny heloka izay mety ho vitany tsy manafoana velively izay zo sy hasina maha olombelona azy izay.

Ny zava-misy eny anivon’ireny toerana famonjana ireny anefa matetika eto Madagasikara dia misedra fijaliana mafy ireo voafonja ireo. Marina fa tsy ampiharina eto Madagasikara ny fanamelohana ho faty saingy ny tontolon’ny fonja sy ny zava-misy iainany isan’andro mihitsy no zary famonoana ankolaka azy ireo noho ny antony maro toy ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fitsaboana, fahateren’ny toeram-pamonjana, fiparitahan’ny valan’aretina isan-karazany, fanararaotana sy ny kolikoly isan-karazany, fisarahana amin’ny fianakaviana. Etsy andanin’izany dia maro tokoa ireo voafonja no voatana an-taonany maro nefa mbola tsy niak atra fitsarana… Miharihary toy ny vay ankandrina izany fahalovana izany matetika ka sady maharary no mahamenatra. Tsy ifanomezan-tsiny no ilazana izany fa mba hanairana ny maro hanana fo antra eo anatrehan’ny fijalian’ireo mpiray rà amin’ny tena izany ka handray ny andraikitra tandrify azy amin’ny fitsinjovana azy ireo.

Ny zava-misy tsy azo lavina anefa dia vokatry ny rafitra sy fahalovana ary ny tsy rariny manjaka eto amin’ny firenena mihitsy noi antony mampitombo isa ny voafonja. Ny ankamaroan’izy ireo dia nahavita heloka noho ny tsy fanana sy ny fahantrana, nailiky ny fiaraha-monina, ka voatery nanao ny tsy ara-dalana (halatra, fanambakana, fisolokiana, fanararaotana, afera maizina isan-karazany…), Indrisy ireo tena jiolahy rain-dahiny anefa sy ireo nahavita nanodikodina volam-panjakana, ireo nanondrana antsokosoko ny harem-pirenena isan-karazany, nahavita hatramin’ny fanakaramana hamono sy hisambotra olona, toa tsy voatohitohina fa vao maika aza manam-piaro ka lavitra azy ireo ny haharitra any amponja.

Noho izany antony rehetra izany no italahoana ny fiaraha-mientan’ny rehetra mba hanopy maso hisolo-vava ireo havantsika voafonja. Aoka tsy hanenji-dresy isika fa samy nahavita heloka teo amin’ny tany amamonina ihany saingy mbola niangaran’ny vintana ka afaka miriaria. Tsy ny heloka vita ihany mantsy no mety hidirana amponja ankehitriny fa na ny tondro molotra, ny halako bika tsy tiako tarehy, ny hevitra tsy mitovy ary indraindray aza ny fijoroana amin’ny soa toavina sy ny fahamarinana ka manohitohina ny tombontsoan’ny hafa dia ampy handetehana anao any amponja.

Aoka hojerena sy havaozina ny rafim-pifehezana eo anivon’ny fiaraha-monina ary omena hasina manokana ny soa toavina nampihavana antsika malagasy dia ny fihavanana sy ny fifampitsijovana. Hohalavirina ny valifaty sy ny tsindrio fa lavo fa omena lanja kosa ny fahamarinana sy ny tena tany tan-dalàna. Ka hifanampy sy hifanome-tanana hifamela sy hifanasoa.

 

    3- Antso ho anareo mpandraharaha ny fonja

Hita taratra tokoa ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny Fandraharana ny Fonja (“Administration penitentiaire”) amin’ny fanatsarana ny totolom-piainan’ireo voafonja. Nisy ny fanavaozana natao na eo anivon’ny fitantanana ny fonja izany, na eo amin’ny fifandraisana sy fanabeazana ireo voafonja, indrindra amin’ny fisokafana sy ny fiaraha-miasa matotra amin’ireo associations, Ong ary Aumôneries, mpiara miombon’antoka amin’ny fanasoavana sy fananbeazana ireo voafonja. Ezaka mitohy hatrany anefa ny fanabeazana ireo voafonja sy fanomanana azy ireo hiverina eo anivon’ny fiaraha-monina niaviany ary indrindra ny fametrahana rafi-pamonjana maharitra sady ara-drariny manaja ny mahaolona sy ny zon’ny voafonja ka izany antony izany indrindra no anolorana izao tolo-kevitra manaraka izao:

• Mba hanamaivanana ny vesatry ny sazy ampiharina amin’ireo voafonja dia tsara raha ezahina hifandray amin’ny zo fototra maha olona sy ny zo manokan’ireo voafonja ny fandrindrana ny fiainana ankapobeny mandritry ny fitazonana ao amponja.

• Hatsaraina hatrany ny fomba fifandraisan’ireo voafonja amin’ny fianakaviany mba hanampy amin’ny famelomana ireo voafonja izay tsy vitan’ny fanjakana samirery sy hanomanana ihany koa ny fotoana hiverenan’izy ireo eo anivon’ny fianakaviany. Anisan’ny mila fanatsarana manokana ohatra ny fahafahana mamangy ireo voafonja, fampitana vava amin’ny fianakaviany, indrindra rahefa misy famindran-toerana, na aretina na fahafatesan’ny voafonja.

• Mba hialana amin’ny fidonanam-poana (oasiveté), izay anisan’ny olana lehibe ho an’ny voafonja, dia ezahina ny hanome azy ireo fiofanana manokana (fampianarana tao-zavatra, mamaky teny sy manoratra, fampivelarana ara-java-kanto, famoronana asa mety ahazoana tombontsoa na ho an’ny voafonja na ho amin’ny fandraharahana ny fonja) mba hampitombo ny fahalalany, hahaizany mamorona sy handray antànana ny fiainany. Eo indrindra no ilana ny fiaraha-miasa amin’ireo rehetra tsara sitrapo vonon-kanampy ny mpandraharaha ny fonja amin’ny fiatrehana izany sehatr’asa izany.

 


    4- Antso ho an’ny fanjakana sy ny Ministeran’ny fitsarana

Ekena fa tsy misy fiaraha-monina raha tsy eo ny lalàna sy ny fitsipika ifampifehezana ary ny fandikana izany dia mendrika sazy araka ny lalàna velona. Satria famindrampo sy fanavotana no filamatra aroso amin’izao antso avo izao dia mety hanampy ny tsirairay tokoa ny fampianaran’ny Evanjely mikasika ilay vehivavy voalaza fa tratra nijangajanga. Rehefa natolotr’ireo izay niampanga azy teo anatrehan’i Jesoa tokoa mantsy io vehivavy io, dia hoy indrindra Izy: “Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy voalohany”. (Joany 8,7) Sanatria, tsy fanomezan-drariny ny fahotana na ny heloka vitany no nilazany izany fa kosa hofampiheritreretana ny rehetra handini-tena aloha ary hijery ny hasina mahaolona ilay voapanga, mialoha ny hanamelohana sy ampiharana ny sazy.

Saika zary fomba mahazatra sy toe-tsaina raiki-tapisaka tokoa mantsy ankehitriny ny fiheverana fa ny fampidirana am-ponja avy hatrany, ireo nanao fahadisoana na nahavita heloka no vahaolana hampilamina sy hampandry fahalemana ny fiaraha-monina ka hisorohana ny olana ara-tsosialy rehetra mety hifandraika amin’izany… Tsy vitan’ny hoe manameloka sokajin’olona hizaka ny tsy rariny ka voatery hanao sorona ny fahalalahany sy ny fiainany any amponja ka hisolo vaika ny ankalana, hibaby ny fahalovan’ny totolom-piarahamonina ankapobeny fotsiny ihany, fa tonga hatramin’ny fanasokajiana azy ireo ho fahavalo, loza mitatao sady fanetriben’ny tany amamonina.

Tsarovy mandrakariva fa ho an’ny firenena izay mitonona ho demokratika, anisan’ny endrika iray hitsarana ny maha tany tan-dalana sy manajana ny zon’Olombelona azy ny fomba entiny mitsinjo sy mandray an-tanana ny tontolon’ny voafonja( “condition de détention” ). Izany hoe ny fonja dia tsy hafa fa zary fitaratra maneho ny tontolon’ny fiaraha-monina ankapobeny mihitsy.

Ny firenena tsy manaja ny hasina sy ny zo fototry ny vahoaka tsirairay ao aminy, indrindra ireo izay tojo fahasahiranana manokana toa ireo voafonja, dia azo lazaina fa tsy manaja ny mahaolona ary matetika dia voasokajy anatin’ny lisitra maintin’ny firenena mikambana. Marina fa nahavita heloka teo anivon’ny fiaraha-monina ny ankamaroan’ireo voafonja ary tsy maintsy manefa ny sazy tandrifin’izany araka ny lalana velona ifampifehezana saingy ny tsy azo adinoina kosa dia ny hoe voaheloka sy voafonja izy ireo fa tsy very zo; voafetra ny fahalalahany ao anatin’ny rindrin’efatry ny fonja saingy tsy foana ny hasina mahaolona sy maha zanak’Andriamanitra azy.

Mbola nanamafy izay koa ny Papa Ray Masina Fransoa rehefa nilaza hoe : «Ny fiaraha-monina, na ny fianakaviana izay tsy miara mizaka ny fijalin’ireo zanany, tsy miatrika izany araka ny tokony ho izy ka manamaivana azy ho voajanahary fotsiny ihany na zavatra tsy maintsy mitranga eo amin’ny fiainana, dia toy ny fiaraha-monina “voaozona” hijanona ho takalon’aina noho ny zavatra ataony ihany sady ho rembin’ny fahoriana miantra aminy»

Noho izany mba hanovana ny fonja ho sehatra hampivoatra ny maha olona, hanjakan’ny firahalahiana sady mba ho toeram-panabeazana marina, hiomanana amin’ireo nania amin’ny fiverenany ho eo anivon’ny fiaraha-monina indray dia ilaina indrindra koa ny ampidirana, eo amin’ny sehatry ny fonja, ny tontolon’ny famindrampon’Andriamanitra, satria ny fibanjianana sy ny fitokiana izany famindrampon’Andriamanitra izany ihany, no afaka hanova ny fatotra mangeja ho fanomanana sahady ny tena fahafahana sy hanova ny fon’ny tsirairay: na ireo voafonja na ny mpikarakara ny fonja sy ny fitondrana mahefa, eny fa na dia ireo niharam-boina vokatry ny hetraketrak’ireo voafonja aza hiroso amin’ny fifamelana sy ny fampihavanana.

Izany indrindra no antony nanaovana ny taon-jobily manokan’ny famindrampo, araka ny fanirian’ny Papa Fransoa, mba «ho fotoana tsara hanomezana famotsoran-keloka faobe (grande amnistie) ho an’ireo olona rehetra, na dia mendrika famaizana aza, kanefa mahatsapa ny tsy rariny na ny heloka vitany ary maniry hiova marina tokoa ka hiverina eo anivon’ny fiaraha-monina ka hitondra ny anjara-birikiny ampahamendrehana. Ho an’ireny olona rehetra ireny no iantefan’ny famindrampon’andriamanitra Ray izay maniry ny ho akaiky mandrakariva ireo izay mila famelan-keloka».

Tsy azo lavina ny ezaka ataon’ny fanjakana foibe miaraka amin’ny ministeran’ny fitsarana, toy ireny atao amin’ny fetim-pirenena na ny Taom-baovao ireny, amin’ny fanomezana famotsoran-keloka sy famafana sazy ireo sokajin’olona voafonja mendrika izany. Mendrika fiderana sy fankaherezana hatrany izany fihetsika mahafatra-po izany satria anisan’ny fomba mahomby hampihenanana ny isan’ny voafonja sy ny vola lanin’ny fanjakana amin’izy ireo, ampivelarana kokoa ny maha olona azy ireo satria ny famerenana azy ireo eo anivon’ny fiaraha-monina dia midika ihany koa ho fanomezana fitokisana sy fanatenana azy ireo na teo aza ny heloka vitany na noheverina ho nataony. Tsy vitan’izay fa rehefa mihena ny isan’ny voafonja dia ho voatsinjo sy voakarakara bebe kokoa ireo tsy maintsy mbola mijanona hanefa ny saziny ao.

Entanina ihany koa ny Ministeran’ny fitsarana miaraka amin’ ireo mpandraharana ny fonja mba hijery akaiky sy hametraka rafitra maty paika ahafahan’ireo sokajina voafonja, tsy nahavita heloka goavana, na ireo voafonja efa mamaram-parana ny sazy, hamita ny saziny ivelan’ny sehatry ny fonja amin’ny alalan’ny fanaovana asa fanonerana ho amin’ny soa iombonana eo amin’ny fiaraha-monina (Travaux d’intérêt general ou Main d’Oeuvre pénal), ka ho zary tombontsoa ho an’ny mpiaraha-monina ny sazy izay atao. Tsy azo lavina mantsy fa ny fitanana amponja olona tokony hiasa de zary vesatra ho an’ny firenena sy ny fiaraha-monina. Toa izany ihany koa ny fanomezan-danja manokana sy fanajariana ireo “camps penaux” (toeram-pambolena nankinina amin’ny voafonja) izay sady afaka hampivelatra ny voafonja, hanomanany ny fiverenany eo anivon’ny fiaraha-monina no ho tombon-tsoa ara-pivelomana ho an’ireo voafonja rehetra, raha mizotra araka ny tokony ho izy ny vokatra miakatra.

Tsy azo hodian-tsy hita ihany koa ny fahalovana isan-karazany mahazo vahana manomboka ahatrany amin’ny fanaovana fanadihadiana, ny fitsarana, mandritry ny fitanana amponja ary hatramin’ny ora ahavitan’ny sazin’ireo voafonja ka tsy maintsy ivoahany ao amponja. Tsy hi ditra amin’ny antsipirihiny amin’izany isika satria efa maro ireo sehatra niresahana sy namakiana batsilana izany sady tsapa ihany koa fa efa misy ny ezaka amin’ny fanatsarana izany. Misy ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay voakasik’izany no efa miasa ankitsim-po ho fanarenana izany fahalòvana izany. Deraina manokana eto ny ezaka ataon’izy ireo ary amporisihina sy entanina hatrany kosa ny hafa hanova sy hiova famindra ka hampanjaka ny tena tany tan-dàlana marina tokoa.

Mbola mifandray amin’izay voalaza teo ihany koa ny fanentanana anareo amin’ny ambaratongam-pahefana ao amin’ny fitsarana mba hanafaingana ny fitsarana ireo olona nampidirina amponja (prévenus). Misy amin’izy ireny mantsy no efa voatana ao amponja, amam-bolana na aman-taonany mihitsy aza, nefa mbola tsy niatrika fitsarana. Etsy andanin’izany dia misy ihany koa ireo voaheloka nefa tsy nanatrika ny fitsarana. Ireny rehetra ireny dia mifanohitra amin’ny zon’ny voafonja ary manohitohina ny zon’olombelona. Izay no ampahatsiahivana etoana hoe: “voafonja izy ireo fa tsy very zo”.

Ny Mpanao lalàna hametraka lalàna sy rafitra sahaza ny olom-pirenena ; ireo Mpanatanteraka hiezaka handrafitra sehatra hanarenana ny tsy nety araka ny ohabolana hoe: «toko tapaka, vialany mitongilana, izay tsy mety arenina» ; ireo Mpitsara ho aro fanina hanoro lalana ireo nania ka ho mahatoky sy tsy miangatra na voafatotry ny kolikoly sy ny rafitra fa hahitana ihany koa ny famindra-mpofa tsy ho mpitsara vilana.

Antom-pisian’ny fanjakana ny fiahiana ny vahoaka ao aminy hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe, ka ho vy miaina hampivoatra ny olona manontolo sy ny olona tsirairay ny rafitra iainana. Rafi-piarahamonina izay ajoro mba hahafahan’ny tsirairay sy ny daholobe handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena fa tsy ho zary vesatra hambotry ny fiaraha-monina, rafitra mifanentana amin’ny fiaraha-monina sy kolontsaina ary soa toavina vohizin’ny fihavanana Malagasy.

 

    5- Antso ho an’ireo niharam-boina noho ny hetraketraky ny voafonja

“Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. Sambatra ny madio fo, fa hahita an'Andriamanitra izy. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak'Andriamanitra izy”(Mt 7-9). Amin’ny maha olombelona fotsiny ihany dia mahery mandrakariva ary mahazo laka ao ampontsika mihitsy aza matetika ny hetaheta hamaly faty eo anatrehan’ny fahavoazana na loza vokatry ny hetraketraky ny hafa, noho ny finiavana hamela heloka.

Ny fanatanterahana fitsarana ara-drariny, hanomezana ny sazy mendrika araka ny lalàna velona ireo nahavita hadisoana, no zary fanomezan-danja ny fahavoazana niantefa tamin’ireo niharan-doza vokatry ny hetraketraky ny hafa. Ny fahatsapan’izy ireo fa tany misy lalàna vonon-kanafay ny olo-meloka sy hanome rariny ireo tsy manan-tsiny, niharam-pahavoazana ka miandrandra famonjena no zary fankaherezana ho azy ireo hanasitrana ny ratra anaty iainany.

Ny finoana manentana ny kritsianina kosa anefa dia manentana azy hizotra amin’ny lalan-tsarotry ny famindram-po mitondra fahasambarana. Satria, ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina ihany, ho an’izay mino, no afaka mampisokatra ny saina ka hitarika ny fo ho antra, ho vonon-kamela heloka ireo izay nampitondra faisana ny fiainany, nanimba ny ho avy ary nampitondra ratra sy takaitra tsy hay sitranina.

Ny herin’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny famindrampony ihany no afaka hanasitrana ny fery vokatr’izany asomparan’ny hafa izany. Kanefa aoka ho tsarovana mandrakariva fa amin’ny fotoana hahaizana mandresy ny herisetra amin’ny famelan-keloka no ahafahana manova ihany koa fon’ireo nahavita heloka ho amin’ny fibebahana tena marina. Ny famelan-keloka ihany mantsy no ampitsiry fanatenana ibanjinana ny ho avy vaovao sy hanovozana hafaliana vokatry ny famindrampo sady hitondra fiadanam-po sy fiainam-baovao (Fransoa MM, 2)

 

     6- Antso avo ho an’ireo voafonja

“Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin'ny ratsy nataontsika isika (…) Dia hoy izy tamin'i Jesoa: Tompoko, tsarovy aho rahefa mby any amin'ny fanjakanao ianao. Ka hoy ny navalin'i Jesoa azy: Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradizy hianao” (Lk 23,41-43)

Ny fihaonana amin’i Jesoa, endriky ny famindrapon’Andriamanitra tsy misy fetra dia manampy ny tsirairay ahatsapa ny fahalemeny sy ny kilemany manoloana ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra toa ilay Jiolahy nivalo sy nangataka famelana, nambaran’ny Evanjely fa nampanantenain’i Jesoa ny Paradisa any andanitra. “Tsy misy tsy diso izay mandia amin’ny tany, hoy koa ny fahendrena malagasy, fa izay mivari-lavo no ratsy indrindra”. Izany tsirim-panantenana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny soa toavina malagasy izany iahany koa no entina hitondrana ny antso avo ho anareo voafonja indrindra mba ahay hanararaotra ny fotoam-pisaziana ho zary fotoam-pahasoavana sy famonjena hanampy anareo hiova, hibebaka ary hangataka famelana amin’izay mety ho fahadisoana sy heloka vita.

Ny trangan-piainana rehetra tokoa mantsy, raha haintsika ny maka lesona amin’izany, dia zary fitaovana entin’Andriamanitra ahasoa izay tia azy (Rm 8, 28) ka soa lavo hahay hamindra ary soa kenda hahay mitsako. Izany fanatenana izany no aoka hanentana mandrakariva ny fo sy ny fiainanareo ka hanampy anareo hisedra ny fahoriana, ny fijaliana ary ny vesatry ny sazy izay tsy maintsy efainareo. Fanomezan’Andriamanitra tokoa mantsy ny fanantenana, afaka manilo ny ankehitriny zary rakotry ny haizin’ny fahoriana sy ny famoizampo izy ary mitari-dalana ny ho avy mbola manjavozavo. Tsy azo lavina fa ny fandikan-dalàna sy ny heloka natao dia mendrika sazy famaizana hatrany, izany anefa tsy nantao ho sakana ibanjinana ny ampitso ho tsara kokoa hatrany, entanin’ny fanatenana sy ny fitokisana ny famindrampo avy amin’Andriamanitra.

Ho anao izay nahavita heloka sy fahadisoana marina tokoa dia aoka hanaiky hotarihin’ny Fanahy Masina, hiaiky sy hiova ary hitalao ny famelan-keloka. Ny fahaizana mizotra amin’izany lalam-pibebahana izany ihany no antoka hahitanao hafaliana sy manitsy ny fiainana ka hanorenana ho avy vaovao tsaratsara kokoa.

Ho anao izay voaheloka tsy andrariny na noho ny tondro-molotra sy ny fankahalan’ny hafa kosa dia aoka tsy ho kivy raha tojo sedra sy fitsapana mafy mandritra ny fotoana ijanonanao ao amponja. Velomy hatrany finoana ary sikino ny fanatenana. Raiso ho teny filamantra ho anao ny nambaran’i Jesoa hoe: “Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra” (Mt 5, 10)

Ho anareo rehetra voatery handany ny ampahampiainanareo ao amin’ny fonja. Aoka tsy ho zary fotoana very fotsiny ny fijanonananareo ao fa kosa, aoka mba ho ampiasaina hanaovan-tsoa. Alaviro ny fifampizarana traik’efa ho amin’ny ratsy, miezaha hifanampy sy hifanohana ary aoka ho hita taratra ao aminareo ny firahalahiana marina amin’ny fahaizana mifampitsinjo. Manana fotoana malalaka tokoa ianareo ahafahana mandalina fahalalana amin’ny alalan’ny vaky boky sy ny fanaovana taozavatra koa aoka ho halavirinareo ny fidonanam-poana.

Omeo lanja manokana eo amin’ny fiainanareo isan’andro, ny vavaka sy ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra satria hery sy loharanom-pahasoavana entinareo misedra ny hazofijaliana isan’andro izany no sady ahafahanareo mivavaka ho an’ny fianakavianareo, ny firenena, ny fiangonana, ireo mpitsara sy mpiandraikitra isan-tsokajiny ary indrindra ihany koa mivavaka sy mitalaho famelan-keloka ho an’ireo olona nitondra faisana noho ny heloka vitanareo na koa ho an’ireo olona nanenjika sy nanedrikendrika anareo.

Farany, aoka ianareo tsy hikombona amin’ny lasa, ka ho alaim-panahy tsy hahazo famelan-keloka sy fanavotana amin’ny heloka vita, meteza ianareo hotarihin’ny Fanahy Masina hatrany ka hanatsara ny fiainana isan’andro sy hibanjina ny ampitso ampanantenana sy ampitiavana. Tsy irery ianareo amin’izany dingam-piainana tsy maintsy hirosoana izany fa eo hatrany izahay ho andry sy tokinareo satria samy nantsoin’Andriamanitra ho mpamindrafo toa Azy Ray mpanmindrafo isika. Miombom-bavaka sy fanatenana hatrany.

 

 

 

Teny famaranana sy firariantsoa

Ho amin’ny Soa iombonana tokoa no nanaovana izao fanentanana ho amin’ny famindrampo sy fanavotana izao ary koa nahasahiana manao izao antso avo izao. Satria, rehefa mirindra tsara mantsy sady araka ny zo fototra maha olombelona sy ny làlana velona manan-kery eo amin’ny firenena, ny fitsarana ireo olona nahavita heloka sy ny fitanana amponja azy ireo dia ho voaaro sy hilamina ny fiaraha-monina ary handray fananarana tokoa ireo izay nania.

Ny fahatsapana ny famindram-po tsy misy fetra, miseho amin’ny famelan-keloka, izany no zary loharanon-kafaliana mampisokatra ny fo, na dia eo hatrany aza ny fahalemena, ka ahafahana miandrandra ho avy sy ampitso vaovao sy tsaratsara kokoa hatrany. Tsy vitan’izay fa ny fahatsiarovana fa voavela heloka maimaim-poana dia manampy ny tena hitodika amin’ny hafa, hanao asa fiantrana sy fanonerana, toa an’i Zaké ilay mpamory hetra voalazan’ny Evanjely, ary indrindra, ho vonon-kamela heloka ihany koa sy hahatsapa ny fahalemen’ny hafa.

Ny fahaizana mifamela heloka no ahafahana manaporofo fa tafiditra eo amin’ny tontolon’ny olombelona tokoa ny fitiavana izay lehibe mihoatra lavitra ny fahotana sy ny fahalemen’ny tsirairay. Mbola ny fifamelana izay ihany koa no fototry ny fampihavanana tena izy, tsy eo amin’Andriamanitra sy ny Olombelona ihany fa fototry ny fampihavanana amin’ny tena manokana sy fampihavanana amin’ny hafa ihany koa. Raha tontolo tsy manome lanja ny fifamelan-keloka dia zary tontolo eo ambany aloky ny fahafatesana mandrakariva sady tsy mendrika ny mahaolombelona.

Izany no ilazana hoe mba hanorenana tontolo mendrika ny mahaolona, indrindra fa eo amin’ny tontolon’ny voafonja, dia tsy maintsy ho hita taratra sy atao laharam-pahamehana hatrany ny famelan-keloka. Satria izay tsy manameloka dia efa naman’ny manavotra. Voaporofo izany tamin’ny fihetsika sy ny teny nataon’i Jesoa teo anatrehan’ilay vehivavy voalaza fa tratra nijangajanga ka, na teo aza ny heloka vitany sy ny sazy mendrika azy dia nilazan’i Jesoa ampitiavana hoe: «Izaho koa tsy manameloka anao, mandehana aza manota intsony amin’ny ho avy» (Joany 8, 1-11)

 

Mgr Roger Victor RAKOTONDRAJAO

Président de la commission Episcopale pour la Pastorale des Prisons (CEPP)

 

Père Tsiory Salomon Ranaivojaona,

Aumônier National et Secrétaire Général de la CEPP


28 mai 2017

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : Message de la Commmission Episcopale de la Santé http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

  • 14 Oct. 2017 - 12:21-

    Fanambaran’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny fahalasanan’ny Filoha Zafy Albert. Ry Vahoaka malagasy, amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert tany amin’ny Nosy La Réunion. Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1992 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena. Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.

  • 13 Oct. 2017 - 14:04-

    Décès du Pr Zafy Albert. Le professeur Albert Zafy, ancien président de la République malgache, est décédé ce vendredi 13 octobre à l’hôpital de Saint-Pierre, selon la publication qu’on peut lire sur le site de la Présidence de la République de Madagasikara. Il a été évacué sur l'île de la Réunion ce jour 12 octobre. Le Professeur, fondateur du parti Undd et acuellement Président d’honneur, ancien Président de la république a été admis à la polyclinique d’Ilafy le 11 octobre 2017. Il est âgé de 90 ans. www.lakroa.mg présente ses condoléances à la famille. Paix à son âme.

  • 13 Oct. 2017 - 07:35-

    Situation épidémiologique à Madagascar du 1er août au 12 octobre 2017. Voici la situation épidémiologique : Au total : 561 cas dont 57 décédés. • Létalité globale est de : 10,2%. • Formes cliniques : 415 cas de Peste pulmonaire ; 144 cas de Peste bubonique ; 1 cas Peste septicémique ; 1 cas de peste non précisée. • Confirmés : 39, • Probable : 219, • Suspect : 303. Source : MSANP, Communiqué par : BNGRC.

  • 11 Oct. 2017 - 07:26-

    Lisitra fanampiny zap hanakatona sekoly, lisitra navoaka ny 10 okitobra. Miato ihany koa ny fampianarana amin'ireto toerana ireto, na ny sekoly miankina na ny tsy miankina. Misy amin'izy ireo no efa tsy nampianatra androany misy kosa ireo hikatona manomboka rahampitso 11 okitobra 2017= Dren Itasy, Cisco Soavinandriana : ZAP Antanetibe. Dren Haute Matsiatra, Cisco Vohibato : Zap Mahaditra. Dren Vakinankaratra, Cisco Antsirabe 1 : Zap Antsirabe Ampovoany, Zap Soamalaza Mahatsinjo, Zap Antsenakely Andraikiba, Zap Mahazoarivo Avarabohitra.

  • 10 Oct. 2017 - 13:59-

    Récentes parutions. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1190_articles_culture_18-pesita-sy-fantsy.html. Social: http://www.lakroa.mg/item-1189_articles_societe_18-signature-daune-convention-entre-la-cnaps-et-la-flm.html

  • 10 Oct. 2017 - 13:32-

    Communiqé du Sefafi. Le Sefafi vient de publier un nouveau communiqué intitulé : “Intérêt légitime et droit à être informé”. Épidémie de peste, révision de la constitution, accueil de réfugiés syriens… Autant d’actualités polémiques qui ont soulevé un tollé, suscité l’incompréhension et l’indignation, semé le désarroi voire même la panique au sein de l’opinion et qui, dans certains cas, ont fini par indisposer le pouvoir ! L’État aurait pu éviter la psychose en tenant le public informé et en prenant les devants par des mesures d’urgence appropriées pour limiter la propagation de la maladie.

  • 10 Oct. 2017 - 07:23-

    Lisitra fanampiny. Ankoatra ireo ZAP sy CISCO voalaza eto ambany dia mihato ihany koa ny fampianarana eny anivon'ireto ZAP sy CISCO ireto mandritra ity herinandro ity:

    DREN ANALAMANGA CISCO ANJOZOROBE: ZAP ANJOZOROBE I

    DREN ITASY, CISCO ARIVONIMAMO:

    - ZAP ALAKAMISY KELY

    - ZAP AMPAHIMANGA

    - ZAP AMBATOMIRAHAVAVY

    DREN HAUTE MATSIATRA CISCO FIANARANTSOA MANONTOLO

    DREN ANALANJIROFOCISCO FENERIVE EST MANONTOLO

    DREN AMORON'I MANIA CISCO FANDRIANA: ZAP IMITO

    (Cellule riposte/MEN)

  • 07 Oct. 2017 - 08:28-

    Cisco sy zap tsy mianatra. Manoloana ny fitrangan’ny aretina pesita dia nandray fepetra samihafa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, misy ny  Fanadiovana faobe ny sekoly rehetra ao amin’ilay ZAP na CISCO misy ny marary ;  Fandrarahana fanafody ireo sekoly rehetra ao anatin’ny ZAP na ny CISCO ;  Fanakatonana ny sekoly ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fandrarahana fanafody. Faharoa, misy ny fepetra ho raisina amin’ny herinandron’ny faha 9 oktobra ka hatao “Semaine d’observation” ny herinandron’ny miandoha ny 9 okitobra. Ka jereo anatin’ity rohy ity ny Cisco sy zap tsy mianatra mandritra io herinandro io : http://www.lakroa.mg/item-1183_articles_education_18-fepetra-noraisina-ho-fisorohana.html

  • 05 Oct. 2017 - 08:41-

    Premium class Soatrans. La coopérative Soatrans vient de lancer une nouvelle offre dénommée Premium class. Le lancement de cette offre a été effectué ce 3 octobre 2017. Avec cette offre les passagers sont sûrs de partir à l’heure indiquée quelle que soit le nombre de clients ayant réservés. Les voyageurs bénéficient de l’internet avec le Wi-Fi intégré à bord. Chaque voiture est dotée de gps cela permet de contrôler la vitesse employée et de suivre la voiture en temps réel. Les départs se font toutes les deux heures (6h, 8h, 10h le matin et 14h, 16h et 18h l’après-midi).

  • 05 Oct. 2017 - 07:42-

    Lahatsoratra farany. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1180_articles_sport_18-pesita-misy-mpizesita-mahay.html

  • 03 Oct. 2017 - 06:58-

    Sekoly mikatona ho an’ny Cisco 6. Tahaka izao ny fanambarana navoakan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena : « Miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina): Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II.

    Amin'ny alatsinainy izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo toerana ireo ! »

Du même auteur

politique
societe

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité