logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafa

Jean Paul a, nahoana no... ary nahoana no...?

Nangonin'i R.V il y a 2 années

Tafatafa nifanaovana tamin’i Jean Paul Randrianiaina no entina amintsika eto. Manodidina ny nanosika azy hamoaka boky, ny nisafidianany ny toerana nanontana izany sy ny lafin-kevitra hafa no votoatin’ny resaka.

Jean Paul a, nahoana no... ary nahoana no...?

1- Miarahaba anao. Araka ny vaovao nampitaina teny amin’ny tambazotra fesiboky dia namoaka boky ianao. Alohan’ny hiresahana ny votoatiny dia ambarao anay ny nanosika anao hanoratra satria olon’ny radio sy tele izany hoe feo ihany na feo sy sary miaraka no tena nahafantarana anao.

Miarahaba ny mpiserasera www.lakroa.mg. Ny taranja siantifika no tena nanavanana ahy tany ampianarana. Nahatonga ahy ho série C izany. Tsy tao an’eritreritra ny ho mpanao gazety tamin'izany fotoana izany. Fa izay tokoa angaha ny fihevitr'Andriamanitra tsy fihevitr'olombelona. Nikasa ho injeniera kanefa lasa mpanao gazety. Na ny mpampianatra ahy sy ny mpiara-nianatra aza gaga daholo hoe lasa mpanao Gazety Jean Paul ? Efa 30 taona izao no naha mpanao gazety ahy. Marobe ny zava-niseho tao anatin'izay 30 taona naha mpanao gazety ahy izay. Nipetraka ny fanontaniana « Ahoana ny fomba hizarana ireo natrehina sy naha vavolombelon’ny zava-niseho ireo ? » Valiny : « Aleo ho soratana ho hitan'ny taranaka mifandimby fa misy lesona maro azo tsoahina ».

 

2- Nahoana no tsy documentaire sur dvd no lova napetrakao ?

Rehefa nandinika lalina aho momba ny boky, dia efa nieritreritra koa hoe hampiarahako amina feo (élément sonore), satria manana tahiry momba izany aho. Izany hoe : boky miaraka amin'ny CD no natao. Afaka miaina bebe kokoa ny zava-misy izay mamaky boky ka afaka mihaino ihany koa ny feo. Raha izay anefa azo antoka fa ho lafo kokoa ny vidiny vokatra. Ny fahefa-mividin'ny Malagasy anefa iaraha-mahalala. Izay no antony tsy nanaovana azy ho CD na DVD. Azo natao koa ny nanao izany soratra izany anaty CD na DVD... Fa hatramin'izay ho ahy manokana mbola hafa mihitsy ilay mandray boky mitondra azy amin'izay toerana tiana hamakiana azy.

 

3- Raha hiverenana ny momba ilay boky. Inona no lohatenin’ity boky nosoratanao ity ?

"Dans les Revers du journalisme Malgache : le parcours d'un militant" io no lohatenin’ny boky.

 

4- « Mba tena hisy marina ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety » hoy ianao eo amin’ny fonon-boky. Avy hatrany dia ny code de la communication no mby antsaina. Soritana fa talohan’ny nahalany ny fehezan-dalana momba ny serasera ny nanoratanao ny boky. Inona no tolo-kevitra arosonao ato anaty boky araka ny traikefa niainanao ny asa fanaovan-gazety tanatin’ny 30 taona ?

Rehefa avy niasa tany amin'ny faritra avaratry ny Nosy aho tamin'ny taona nanomboka tamin'ny taona 1987 solotenan'ny Lakroa sy niasa tao amin'ny Gazety ISIKA MIANAKAVY manokana ho an'ny diôsezin'Ambanja, tsaroako foana ny tenin'i Mompera Rémi Ralibera hoe : ...olona sahy ny mpanao gazety, tsy matahotra na iza na iza saingy miasa ao anatin'ny fahamendrehana sy fahatoniana ary tsy maintsy manana fitsipi-pifehezana ao anatin'ny fanajàna ny hafa amin'ny fampitam-baovao"...Hatramin'izay ka hatramin'izao aho tsy nisaina afa-tsy io teniny io rehefa manao ny asa fanaovan-gazety. 30 taona aty aoriana, ho an'izay maheno ny vaovao nataoko na tamin'ny Radio, na tamin'ny Televiziona na tamin'ny gazety an-tsoratra, mety nahatsikaritra fa mahitsy fiteny, kanefa tsy mba nanana olana tamin'ny fifandraisana tamina manam-pahefana na mpitondra na mpanohitra. Raha tsy hoe tany amin'ny taona 2008 nitondran'ny Filoha Marc Ravalomanana. Nibaribary tamin'ireny fa tsy dia tena nahatanty ny filazàna ny marina izy. Niteraka olana matetika tamin'ny vaovaonay tao amin'ny Radio Don Bosco. Tsy nisy afa-tsy ny fitaterana ny zava-nisy anefa no natao tamin'izany. Ary raha nampiteny mpanohitra dia mpanohitra sahy koa tamin'ireny fotoana ireny... Zava-dehibe tamiko izay hafatr'i Mompera Ralibera izay. Tsy nieritreretako mihitsy lalàna hiarovana na hampiharina amiko teo am-panatontosàna an'ity ASA MASINA ity.

 

5.- Raha mijery ny fonom-boky dia mampiasa teny frantsay sy teny malagasy ianao. Nosoratana amin’ny teny malagasy sy frantsay ve ny boky ? Sa boky roa samy hafa ?

Boky iray ihany ka. Fa tiako ampitaina amin'ny vahiny mahay teny Frantsay koa ny voarakitra ao anatiny. Nandinika ny hatao lohateny aho hatramin'ny loko hamoahana azy, dia niafara tamin'ireo. Raha sendra mahita ilay lohateny amin'ny teny frantsay ny olona maha teny frantsay, dia liana amin'ilay boky, ka na teny malagasy aza no ao tsy maintsy hitady ny amin'ny teny frantsay izy, raha tsy hoe mahay teny malagasy angaha. Ny malagasy moa vao mahita ireo soratra eo ambany amin'ny teny malagasy dia efa mahazo antoka fa amin'ny teny malagasy ny ao anatiny ao. Dia boky iray ihany ireo. Saingy ny amin'ny teny frantsay dia nosafidiana hamidy ivelan'i Madagasikara.

 

Tena boky iray ihany io havoakako io saingy misy amin'ny teny Malagasy dia misy amin'ny teny Frantsay.

 

6- Ary ny mikasika ny loko nambaranao kosa ahoana ny amin’izany ?

Ny loko voloparasy no nofinidiko. Io loko dia manambara zavatra maro fa amin’ny teny frantsay no ilazako azy. « Cette couleur symbolise la subtilité, le mystère, le romantisme, la protection et mélancolie et symbolise aussi la fraîcheur, la pureté la paix ». Ireo zavatra rehetra io izay fonoson’io loko io no antony nifidianako ny loko voloparasy fa tena mahalaza ny zavatra iainana ao anatin'ny fanatontosàna ny asa fanaovan-gazety izy io.

 

 

7- Efa azo jifaina ve io boky io dia aiza ?

Tsy mbola azo jifaina ka. Andrasana ny fahatongavany avy any ivelany ka tany Doubaï no natonta.

 

8- Rahoviana kosa no vinavinaina ho tonga eto ny sanganasa ?

Sarotra ny haminavina. Mandefa sambo, mety ho roa volana ? Na latsak'izay, fa mety hihoatra koa aza hahaha… (Ttf. mitokelaka kely ny vahiny eto).

 

9- Nahoana no any ivelany no natonta ny boky ?

Raha ny faniriana dia teto Madagasikara ihany no natonta ny boky. Saingy malahelo aho milaza eto fa tena sarotra ny mamoaka boky eto Madagasikara indrindra ka boky mirakitra fijoroana vavolombelona tamina tranga ara-politika nisy teto amin'ny firenena. Dimy tamin'ireo mpanonta boky no nantoniko fa manahirana. Sarotra izay ny teny mahalaza azy... Sari-tahotra ny Malagasy.

 

10- Ankoatra io lafiny sari-tahotra io. Tena lafo ve raha teto no natonta ny boky hamidy teto ary tany ivelany kosa izay hamidy any ivelany ?

Raha ampitahaina, ny manonta boky eto aza no hahazoana kokoa. Ny fomba fiasan'ny mpanonta boky (imprimerie) moa arakaraky ny hanontana maro no mampihena ny vidiny...Ary ny any ivelany ny hany tombony dia ny hatsaràn'ny kalitao. Ny any ivelany saika Malagasy monina avy ampitan-dranomasina (namana, na naman'ireo namana vahiny na malagasy) no fantatro tena nanjifa azy. Ary efa tapitra.

 

11- Niara-niasa tamin’ny RDB ianao. Hiverenana kely ilay fanontana boky any ivelany.  Toa betsaka ny boky ampiasaina eto Madagasikara natonta tany Italia, koa nahoana no tsy tany no natonta ny boky.

Misy namako nanorim-ponenana any Doubaï dia izy no nanolo-tena hoe ndao atao any hoy izy fa mora ny any kanefa tsara ihany koa. Tsoriko ihany fa tsy tao an-tsaiko ny hanao azy tany Italie, tsy fantatro inona no antony fa tsy nirona tamin'izay fotsiny ny saiko.

 

12- Mbola hisy ny fotoana hiresahantsika ny votoatin’ny boky rehefa tonga izy io. Ka ny fanontaniana farany anio dia ny hoe natolotrao an’iza ny boky (dédicace) ary iza no nanoratra ny préface sy ny hafa raha misy ao ?

Ny boky dia natolotro ho an'ireo namana tao anatin'izay 30 taona naha mpanao gazety ahy izay... Ny Filoha teo aloha Profesora Zafy Albert no nanao ny préface. Izy no Raiben'ny Demokrasia eto Madagasikara. Tamin'ny fotoana nitondrany no nitsoaka teto amin'ity Nosy ity ny rivotry ny Demokrasia, niantomboka tamin'ny Radio Feon'ny Vahoaka na RFV, niafara amin'izao gazety maro sy haino aman-jery marobe ankehitriny izao

 

 13Misaotra anao fa dia mirary tsy ho azo  tsampona ny dian’ireo boky ireo. Liana sahady hamaky azy. Koa mifanao fotoana amin’izay indray ary isika.

Misaotra indrindra ny Lakroa.


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

Du même auteur

societe
politique

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité